Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jehiela

Jehiela

(Jehièla) [Ho Velona Anie Izy, Andriamanitra Ô!].

1. Levita tao amin’ny fizarana faharoan’ny mpitendry zavamaneno. Nitendry zavamaneno izy, rehefa nalaina tao an-tranon’i Obeda-edoma ho any Jerosalema ny Vata misy ny fifanekena. (1Ta 15:17, 18, 20, 25, 28) Anisan’ny notendrena ho mpitendry teo ivelan’ny tranolay nametrahana ilay Vata izy avy eo.​—1Ta 16:1, 4-6.

2. “Filoha” sady Levita taranak’i Gersona avy tamin’i Ladana. (1Ta 23:6-8) Niandraikitra ny zava-tsarobidy tao amin’ny trano fivavahana amin’i Jehovah i Jehiela (Jehiely) sy ny zanany (na ny fianakaviambe nitondra ny anarany), rehefa hifarana ny fitondran’i Davida.​—1Ta 26:21, 22; 29:8.

3. Zanakalahin’i Hakmony na taranany niandraikitra ny zanak’i Davida. Nampianatra azy ireo angamba izy.​—1Ta 27:32.

4. Zanakalahin’i Josafata Mpanjaka. Nomen’i Josafata zava-tsarobidy sy tanàna i Jehiela sy ny rahalahin’izy io, fa ny fanjakana kosa nomeny an’i Jorama lahimatoany. Novonoin’i Jorama daholo anefa ny rahalahiny, rehefa maty i Josafata.​—2Ta 21:1-4, 12, 13.

5. Levita taranak’i Hemana. Anisan’ny nanary an’ireo zavatra maloto nesorin’i Hezekia Mpanjaka avy tao an-tempoly izy. (2Ta 29:12, 14-19) Mety ho izy ihany ilay No. 6.

6. Levita mpiadidy voatendry hikarakara ny fanomezana maro be nentin’ny vahoaka tao an-tempoly, tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka. (2Ta 31:12, 13) Mety ho izy ihany ilay No. 5.

7. Anisan’izy telo lahy “mpiandraikitra ny tao an-tranon’Andriamanitra” nanome biby be dia be, rehefa nankalazaina ilay Paska nanetriketrika tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka.​—2Ta 35:8.

8. Anisan’ny fianakaviamben’i Joaba, ary rain’i Obadia izay niara-nody tamin’i Ezra tany Jerosalema.​—Ezr 8:1, 9.

9. Taranak’i Elama, ary rain’ilay niaiky teo anatrehan’i Ezra hoe tena diso ny vahoaka nanambady vehivavy hafa firenena. (Ezr 10:2) Mety ho izy ihany na olon-kafa taranak’i Elama, fara faharatsiny, ilay Jehiela resahin’ny Ezra 10:26 hoe anisan’ny nandroaka ny vadiny hafa firenena sy ny zanany.​—Ezr 10:44.

10. Mpisorona anisan’ny nanambady vehivavy hafa firenena nefa nandroaka an’ireny.​—Ezr 10:21, 44.