Jehody
(Jehòdy) [Jiosy; An’i Joda].
Manamboninahitr’i Joiakima Mpanjaka nirahin’ny andrianan’ny Joda haka an’i Baroka, sy hitondra ny horonam-bokin’i Jeremia any amin’izy ireo. Vao novakin’i Jehody tamin’i Joiakima ilay horonana, dia notapahin’izy io ary nodorany tsikelikely mandra-pahamay azy manontolo.—Je 36:14, 21-23, 27, 32.
Zafiafin’i Kosy i Jehody. (Je 36:14) Misy milaza fa tsy Jiosy izy sy ny razambeny, fa olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy, satria toa avy any Kosy na Etiopia ny fianakaviany rehefa jerena ny anaran’ny dadan’ny dadabeny. Anarana jiosy anefa ny anaran’ny rainy (Netania) sy raibeny (Selemia). Nisy teratany jiosy koa natao hoe Kosy. (Ze 1:1) Azo inoana kokoa àry hoe vao teraka i Jehody dia efa nomena an’ilay anarany, fa tsy hoe rehefa niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy.