Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jehovah Tompon’ny Tafika

Jehovah Tompon’ny Tafika

Hita in-285 ao amin’ny Soratra Masina io anarana io na ny mitovitovy aminy hoe “Jehovah Andriamanitry ny tafika”, ary nadika avy amin’ny teny hebreo hoe Yehôvah tsevaʼôht. Ao amin’ny faminanian’i Isaia sy Jeremia ary Zakaria ny ankamaroany. Nampiasa ny mifanitsy amin’io anarana io (nosoratana tamin’ny teny grika) koa i Paoly sy Jakoba, rehefa niresaka mivantana na an-kolaka momba an’izay nolazain’ireo mpaminany ireo.​—Ro 9:29; Jk 5:4; ampit. Is 1:9.

Midika ara-bakiteny hoe miaramila be dia be na tafika ny teny hebreo hoe tsavaʼ (tkn.; tsevaʼôht, mr.), toy ny ao amin’ny Genesisy 21:22 sy Deoteronomia 20:9 ary ny andininy maro hafa. Manana heviny an’ohatra koa anefa io teny io, toy ny amin’ilay hoe “ny lanitra sy ny tany mbamin’ny tafiny manontolo” ary “ny lanitry ny lanitra sy ny tafiny rehetra.” (Ge 2:1, f.a.p.; Ne 9:6) Ilazana ny tafika israelita kosa matetika ilay endriny milaza maro (tsevaʼôht). (Ek 6:26; 7:4; No 33:1; Sl 44:9; 60:10) Misy manam-pahaizana milaza fa tsy ny anjely ihany no tiana holazaina amin’ny hoe “tafika” amin’ilay hoe “Jehovah Tompon’ny tafika”, fa ny tafika israelita sy ireo zavatra tsy mananaina eny amin’ny lanitra koa. Toa anjely anefa ilay “tafika”, ary mety ho izay ihany ny heviny.

Nahita anjely teo akaikin’i Jeriko i Josoa, indray mandeha, ka nanontaniany izy io raha momba ny Israely na momba ny fahavalony. Namaly ilay anjely hoe: “Tsia, fa lehiben’ny tafik’i Jehovah aho, ary izany no ahatongavako eto.” (Js 5:13-15) Hoy i Mikaia mpaminany tamin’i Ahaba sy Josafata Mpanjaka: “Hitako i Jehovah mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany, ary ny tafiky ny lanitra manontolo mitsangana eo akaikiny, eo ankavanany sy eo ankaviany.” (1Mp 22:19-21) Ireo anjelin’i Jehovah no tiany holazaina eo. Mety tsara raha amin’ny endriny milaza maro ilay teny hoe “tafika” amin’ilay hoe “Jehovah Tompon’ny tafika”, satria andiany maro be voalamina tsara ny anjely, fa tsy voasokajy ho kerobima sy serafima ary anjely fotsiny. (Is 6:2, 3; Ge 3:24; Ap 5:11) Afaka nilaza àry i Jesosy Kristy fa azony natao ny niantso “anjely maro be mihoatra noho ny andian-tafika roa ambin’ny folo.” (Mt 26:53) Niantso an’i Jehovah hoe “Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely, izay mipetraka eo amin’ny kerobima” i Hezekia, tamin’izy nangataka fanampiana taminy. Ny Vata misy ny fifanekena sy ireo kerobima teo ambonin’ilay sarony (oharina amin’io sarony io ny seza fiandrianan’i Jehovah any an-danitra) angamba no tao an-tsainy. (Is 37:16; ampit. 1Sa 4:4; 2Sa 6:2.) Raiki-tahotra ny mpanompon’i Elisa rehefa natao fahirano ny tanàna nipetrahan’i Elisa. Tsy natahotra intsony anefa izy, rehefa naseho taminy tao amin’ny fahitana ny tendrombohitra manodidina “feno soavaly sy kalesy afo”, izay nitaingenan’ireo anjely anisan’ny tafik’i Jehovah.​—2Mp 6:15-17.

Manasongadina ny fahefan’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao àry ilay anarany hoe “Jehovah Tompon’ny tafika”, satria anjely maro be no feheziny. (Sl 103:20, 21; 148:1, 2; Is 1:24; Je 32:17, 18) Mahatonga ny mpanompon’i Jehovah hanaja lalina sy hatahotra Azy izany. Mampionona sy mampahery azy ireo koa anefa izany. Irery sy tsy nisy miaramila nanampy azy, ohatra, i Davida, nefa sahy nifanandrina tamin’i Goliata Filistinina tamin’ny “anaran’i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Andriamanitry ny tafiky ny Israely.” (1Sa 17:45) Lehibe tokoa ny fahefan’i Jehovah Mpanjaka, matoa voafehiny ireo tafika mahery izay manompo azy any an-danitra. Miaiky an’izany ny vahoakan’Andriamanitra sy ny mpanompony tsirairay, ka mahazo hery sy velom-panantenana rehefa misy ady na fitsapana, na amin’ny fotoan-dehibe hafa. (1Sa 1:9-11; 2Sa 6:18; 7:25-29) Vao mainka azo antoka hoe ho tanteraka ny faminaniana, rehefa nampiasa an’ilay anarana hoe “Jehovah Tompon’ny tafika” ireo mpaminany.