Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jehovah-nisỳ

Jehovah-nisỳ

(Jehôvah-nisỳ).

Anaran’ilay alitara fahatsiarovana naorin’i Mosesy rehefa resin’ny Israely tao Refidima ny Amalekita.​—Ek 17:8, 13-16.

Ny dikan’izy io dia hoe “Tsato-kazo Famantarana ho Ahy i Jehovah”, raha avy amin’ny nes (tsato-kazo famantarana) ny hoe nissi. Nihevitra anefa ireo nandika ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo fa avy amin’ny nos (mandositra mba hitady fialofana) ny hoe nissi. Raha marina izany, dia midika hoe “Fialofako i Jehovah” ny hoe Jehovah-nisỳ. Voalazan’ny Vulgate latinina kosa fa avy amin’ny nasas (manandratra; manainga) ny hoe nissi. Raha izany no izy, dia midika hoe “Manandratra Ahy i Jehovah” ny hoe Jehovah-nisỳ.