Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jeosy

Jeosy

(Jeòsy) [mety hidika hoe Hanampy Anie Izy].

1. Zanakalahin’i Esao tamin’ilay vadiny hivita atao hoe Oholibama. Teraka tany Kanana i Jeosy, fa nifindra tany Edoma ny fianakaviany tatỳ aoriana.​—Ge 36:2, 5-8, 14, 18; 1Ta 1:35.

2. Taranak’i Benjamina. Miaramila mpiady i Jeosy ary razamben’ny fianakaviambe iray tao amin’ny foko nisy azy.​—1Ta 7:6, 10.

3. Levita Gersonita ary zanakalahin’i Simey. Tsy nanan-janakalahy maro i Jeosy sy Beria rahalahiny, ka nakambana ho fianakaviambe iray ny taranak’izy ireo, tamin’ny andron’i Davida.​—1Ta 23:7, 10, 11.

4. Zanakalahin’i Rehoboama Mpanjaka, angamba tamin’i Mahalota vadiny. Ny anaran’i Jeosy no voatonona voalohany. Tsy izy anefa no nokasain’i Rehoboama hatao mpanjaka handimby azy, fa ny zanak’ilay vadiny hafa tiany kokoa.​—2Ta 11:18-23.

5. Benjamita ary anisan’ny taranak’i Saoly Mpanjaka.​—1Ta 8:33, 39.