Jeremia
(Jeremìa) [mety hidika hoe Manandratra i Jehovah; na Manafaka i Jehovah [angamba avy ao am-bohoka]].
1. Benjamita niandany tamin’i Davida tamin’izy tany Ziklaga, ary anisan’ny lehilahy maheriny.—1Ta 12:1-4.
2. Gadita nankany amin’i Davida “tao amin’ilay toerana sarotra aleha tany an-tany efitra”, fony izy nandositra an’i Saoly. Ny fahadimy tamin’ny Gadita lehiben’ny tafik’i Davida i Jeremia. ‘Lehilahy matanjaka sy mahery fo izy ireo. Toy ny liona no fahitana ny endriny ary haingam-pandeha toy ny gazela eny an-tendrombohitra izy. Ny kely indrindra aminy naharesy miaramila zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo.’ “Niampita an’i Jordana tamin’ny volana voalohany” izy ireo, rehefa ‘tondraka be izy io, ka difotra ny morony rehetra. Dia noroahin’izy ireo ny mponina rehetra teny amin’ny lemaka iva, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana.’—1Ta 12:8-15.
3. Ny fahafolo tamin’ny Gadita lehiben’ny tafik’i Davida voaresaka eo amin’ny No. 2.—1Ta 12:13, 14.
4. Anisan’ireo lohan’ny fianakaviamben’ilay fokon’i Manase tany atsinanan’i Jordana, tamin’ny andron’ireo mpanjaka. “Nivadika tamin’ilay Andriamanitry ny razany” ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase (anisan’izany ny taranak’io Jeremia io) tany, “ka nanana fifandraisana mamoafady tamin’ny andriamanitry ny mponin’ilay tany, dia ny mponina efa naringan’Andriamanitra tsy ho eo anatrehan’izy ireo. Koa nampirisihin’ilay Andriamanitry ny Israely i Pola mpanjakan’i Asyria, dia i Tilgato-pilnesera mpanjakan’i Asyria, mba hanao sesitany ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase [tamin’ny andron’i Peka mpanjakan’ny Israely]. Dia nentin’izy io nankany Hala sy Habora sy Hara ary tany amin’ny reniranon’i Gozana izy ireo.”—1Ta 5:23-26; 2Mp 15:29.
5. Rain’i Hamotala. Vadin’i Josia Mpanjaka i Hamotala sady renin’i Joahaza sy Zedekia (Matania) izay samy mpanjaka. Avy any Libna, tanànan’ny mpisorona, i Jeremia.—2Mp 23:30, 31; 24:18; Je 52:1; Js 21:13; 1Ta 6:57.
6. Mpaminany zanakalahin’i Hilkia, ary mpisorona tao Anatota tanànan’ny mpisorona tao amin’ny faritanin’i Benjamina. Latsaka ny 5 km tany avaratra avaratratsinanan’ny tendrombohitra nisy ny tempolin’i Jerosalema i Anatota. (Je 1:1; Js 21:13, 17, 18) Tsy ilay Hilkia mpisoronabe taranak’i Eleazara i Hilkia rain’i Jeremia. Azo inoana fa taranak’i Itamara izy, ary toa avy tamin’i Abiatara, izay mpisorona naongan’i Solomona Mpanjaka.—1Mp 2:26, 27.
Voatendry ho mpaminany. Mbola tanora i Jeremia no voantso ho mpaminany tamin’ny 647 T.K., tamin’ny taona faha-13 nanjakan’i Josia tany Joda (659-629 T.K.). Hoy i Jehovah: “Efa fantatro ianao talohan’ny namoronako anao tany am-bohoka, ary efa nohamasiniko ianao talohan’ny nivoahanao avy tao an-kibo. Koa notendreko ho mpaminany ho an’ireo firenena ianao.” (Je 1:2-5) Anisan’ny olom-bitsy teraka noho ny fahagagana nataon’i Jehovah na ny fitarihany àry i Jeremia, ka lasa mpanompony manokana. Hoatr’izany koa i Isaka, Samsona, Samoela, Jaona Mpanao Batisa, ary Jesosy.—Jereo FANTATRA MIALOHA, VOATENDRY MIALOHA.
Tsy natoky tena anefa i Jeremia, ka hoy izy tamin’i Jehovah: “Indrisy, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Tsy mahay mandaha-teny aho fa mbola zaza ihany.” (Je 1:6) Tsy efa toetran’i Jeremia àry ny hoe sahy sy be herim-po, fa lasa toy izany izy rehefa naminany satria niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah. Nomba azy “toy ny lehilahy mahery sy mampahatahotra” tokoa Izy, ary nanao azy ho ‘toy ny tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba hiatrehany ilay tany manontolo.’ (Je 20:11; 1:18, 19) Tena sahy sy be herim-po tokoa i Jeremia, ka noheverin’ny sasany hoe izy nitsangana tamin’ny maty i Jesosy rehefa nitory.—Mt 16:13, 14.
Asa sorany. Mpikaroka sy mpahay tantara ary mpaminany i Jeremia. Izy no nanoratra ny boky mitondra ny anarany, sy ny Mpanjaka Voalohany sy Faharoa, izay mirakitra ny tantaran’ny fanjakan’ny Joda sy Israely taorian’ny fitantaran’ireo bokin’i Samoela (momba ireo taona faramparany nanjakan’i Davida teo amin’ny Israely rehetra) ka hatramin’ny faharavan’ireo fanjakana roa. Nampitahainy foana ireo fanjakana ireo rehefa nilaza ny fotoana nitondran’ireo mpanjaka izy. Fantatra àry hoe oviana marina ny zava-nitranga sasany. Nanoratra ny Fitomaniana koa izy, rehefa rava i Jerosalema.
Fanamelohana mafy. Tsy be taraina i Jeremia, fa be fitiavana sy fiahiana ary fangorahana kosa. Nahafehy tena sy niaritra be izy, ary tena nalahelo satria ratsy fitondran-tena ny Israelita ka nomelohina.—Je 8:21.
I Jehovah, raha ny marina, no nitaraina momba ny Joda, ary ara-drariny izany. Voatery nilaza tsy an-kijanona an’ilay fitarainana àry i Jeremia. Firenen’Andriamanitra koa ny Israely, ka tokony ho nanaja ny fifanekena natao taminy sy ny lalàny izay nodikain’izy ireo. Ny Lalàna àry no fototry ny Le 26; De 28.
fanamelohan’i Jeremia. Imbetsaka i Jehovah no nampahatsiahy ny andraikitry ny andriana sy ny vahoaka hankatò ny Lalàna, ny fandikan’izy ireo azy io, ary ny loza hihatra amin’izy ireo (araka ny tenin’i Mosesy mpaminany) raha tsy mankatò ny didiny sy mivadika amin’ny fifanekeny izy ireo.—Be herim-po, niaritra, ary be fitiavana. Be herim-po sy niaritra i Jeremia ary tia an’ireo Israelita. Nilaza fanamelohana sy didim-pitsarana henjana izy, indrindra fa tamin’ny mpisorona, mpaminany, mpitondra ary izay nanao ny “fanaon’ny besinimaro” ka ‘nikiribiby tamin’ny fivadihana.’ (Je 8:5, 6) Fantany anefa fa nirahina “hanorina sy hamboly” koa izy. (Je 1:10) Nitomany izy noho ny loza hanjo an’i Jerosalema. (Je 8:21, 22; 9:1) Tiany sy zava-dehibe taminy ny anaran’i Jehovah sy ny vahoakany, rehefa jerena ny bokin’ny Fitomaniana. Kanosa i Zedekia Mpanjaka ary niovaova ny fitondrany an’i Jeremia, nefa niangavy azy i Jeremia mba hankatò an’i Jehovah ka ho velona. (Je 38:4, 5, 19-23) Tsy nihevi-tena ho marina koa izy fa niaiky hoe anisan’ilay firenena nanao ratsy. (Je 14:20, 21) Niahotra ny handao an’ireo hatao sesitany tany Babylona izy rehefa nafahan’i Nebozaradana, angamba satria te hiaraka tamin’izy ireo na hanampy azy hifandray tamin’i Jehovah foana.—Je 40:5.
Tao anatin’ny taona maro naminanian’i Jeremia, dia kivy izy rehefa mafy ny nanjo azy. Niantso vonjy tamin’i Jehovah anefa izy ka nahazo toky indray.—Je 20.
Namany. Naminany nandritra ny 40 taona mahery i Jeremia. Tsy nahafoy azy i Jehovah fa nomba azy ka nanafaka azy tamin’ny fahavalony. (Je 1:19) Nahafaly an’i Jeremia ny tenin’i Jehovah (Je 15:16), ary tsy ninamana tamin’ireo tsy niraharaha an’Andriamanitra izy. (Je 15:17) Namana tsara ho azy ary ‘nanorina’ niaraka taminy ny Rekabita, Ebeda-meleka, ary Baroka. (Je 1:10) Ireo no nanampy sy niaro azy tsy ho faty, ary narovan’i Jehovah imbetsaka koa izy.—Je 26:7-24; 35:1-19; 36:19-26; 38:7-13; 39:11-14; 40:1-5.
Famantarana nataony. Nisy famantarana kely maromaro nataon’i Jeremia, mba hampisehoana hoe nanao ahoana i Jerosalema, ary inona no hanjo azy. Niditra tao an-tranon’ny mpanefy tanimanga izy, ohatra, (Je 18:1-11) naka fehikibo simba (Je 13:1-11), ary tsy navela hanambady ho fambara fa “ho fatin’ny aretina” ireo ankizy ho teraka rehefa ho rava i Jerosalema. (Je 16:1-4) Namotika tavoara teo anatrehan’ny anti-panahin’i Jerosalema koa izy, satria tiany haseho hoe efa hopotehina ilay tanàna. (Je 19:1, 2, 10, 11) Nividy saha tamin’i Hanamela zanaky ny rahalahin-drainy izy, mba hampisehoana fa hiverina ny Israelita aorian’ny sesitany 70 taona ka hividy saha indray any Joda. (Je 32:8-15, 44) Nanafina vato lehibe teo amin’ny tokotany birikin’ny tranon’i Farao koa izy tany Tapanesa, any Ejipta, ka naminany fa ho eo ambonin’ireo i Nebokadnezara no hametraka ny seza fiandrianany.—Je 43:8-10.
Tena mpaminany. Neken’i Daniela fa tena mpaminanin’Andriamanitra i Jeremia. Nodinihiny izay nolazain’i Jeremia momba ilay sesitany 70 taona, ka afaka nampahery ny Jiosy izy hoe efa akaiky ny fanafahana. (Da 9:1, 2; Je 29:10) Tanteraka ny tenin’i Jeremia, hoy i Ezra. (Ezr 1:1; jereo koa 2Ta 36:20, 21.) Nisy faminaniany koa tanteraka tamin’i Jesosy mbola kely, hoy ny apostoly Matio. (Mt 2:17, 18; Je 31:15) Naka teny tao amin’ny bokiny sy ny an’ny mpaminany hafa ny apostoly Paoly. (He 8:8-12; Je 31:31-34) “Tsy mendrika [an’ireo mpaminany ireo] izao tontolo izao”, hoy izy, ary ‘nahazo porofo izy ireo fa nankasitrahana satria nanam-pinoana.’—He 11:32, 38, 39.
7. Zanak’i Habazinia, ary rain’i Jazania. I Jazania no nitarika an’ireo Rekabita, izay tsy nety nisotro ny divay naroson’i Jeremia mpaminany hitsapana azy ireo.—Je 35:1-10, 19.
8. Mpisorona (na solontenan’ny fianakaviamben’ny mpisorona atao hoe Jeremia) niara-nody tamin’i Zerobabela Governora sy Jesoa Mpisoronabe, taorian’ny sesitany tany Babylona (537 T.K.).—Ne 12:1.
9. Mpisorona (na solontenan’ny fianakaviamben’ny mpisorona atao hoe Jeremia) anisan’ireo nanisy tombo-kase ny “fianianana” nataon’i Nehemia sy ny andriana sy mpisorona ary Levita. Nianiana izy ireo hoe hanaraka ny lalàn’i Jehovah. Raha fianakaviambe ny hoe Jeremia fa tsy olona iray, dia mety ho ilay No. 8 ihany izy io.—Ne 9:38; 10:1, 2, 29.
10. Anisan’ny notendren’i Nehemia hanao filaharam-be teo ambony mandan’i Jerosalema voaorina indray sy notokanana. (Mety ho izy ihany ilay mpisorona resahin’ny Nehemia 10:2.) Nandeha teo alohan’ilay filaharana ny antoko mpihira izay nandalo ny Vavahadin’ny Antontan-davenona, ary niankavanana ho any amin’ny Vavahadin-drano (tao amin’ny tempoly io antoko io sy ny antoko mpihira faharoa no nihaona). (Ne 12:31-37) Lohan’ny fianakaviamben’i Jeremia i Hanania, tamin’ny andron’i Joiakima. (Ne 12:12) Mety ho ilay No. 8 ihany ny hoe Jeremia eto, raha fianakaviambe izy io fa tsy olona iray.