Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jeremia, Bokin’i

Jeremia, Bokin’i

Faminaniana sy tantara nasain’i Jehovah nosoratan’i Jeremia. Notendrena ho mpaminany i Jeremia tamin’ny taona faha-13 nanjakan’i Josia (647 T.K.), tsy ampy 100 taona taorian’ny naminanian’i Isaia sy nandresen’i Asyria ny fanjakan’ny Israely tany avaratra. Nirahina hampitandrina ny fanjakan’ny Joda tany atsimo izy hoe ho rava tsy ho ela izy io.

Votoatiny. Tsy milahatra araka ny fotoana nisehoany ny zavatra resahin’ilay boky, fa araka ny foto-kevitra. Rehefa nilaina ihany vao nolazaina ny fotoana. Momba ny firenen’ny Joda tamin’ny andro nanjakan’i Josia, Joahaza, Joiakima, Joiakina, ary Zedekia ny ankamaroan’ny faminaniana ao. Naverimberin’Andriamanitra tamin’i Jeremia fa ratsy fanahy sy mafy loha ilay firenena. Mbola afaka niova sy nanantena ny ho voavonjy anefa ireo tso-po. Tsy mampiova ny fahazoana ny hevitr’ireo faminaniana hita ao momba ny androntsika sy ny fahatanterahan’izy ireny koa ilay hoe milahatra araka ny foto-kevitra ny zavatra resahin’ilay boky.

Fotoana nanoratana azy. Tamin’ny ankapobeny, dia tsy tamin’ny fotoana nilazan’i Jeremia an’ireo faminaniana izy no nanoratra. Rehefa nodidian’i Jehovah hanoratra an’izay rehetra nolazainy taminy mantsy izy vao nanoratra, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima (625 T.K.). Tsy izay nolazaina momba an’ny Joda tamin’ny andron’i Josia ihany no nosoratany tao amin’ny horonana, fa ny fanamelohana ny firenena rehetra koa. (Je 36:1, 2) Nodoran’i Joiakima anefa ilay horonana rehefa novakin’i Jehody taminy. Nodidian’i Jehovah hanoratra iray hafa indray àry i Jeremia. Nasain’i Jeremia nosoratan’i Baroka mpitan-tsorany ilay izy, ary nampiany teny maro hafa.​—36:21-23, 28, 32.

Tatỳ aoriana kokoa vao nosoratana ny sisa tamin’ilay boky, anisan’izany ny teny fampidirana miresaka momba ny taona faha-11 nanjakan’i Zedekia (Je 1:3), ireo faminaniana hafa nosoratan’i Jeremia tamin’ny fotoana nilazany azy ireny (30:2; 51:60), ilay taratasy ho an’ireo natao sesitany tany Babylona (29:1), ireo fanambarana natao tamin’ny andron’i Zedekia Mpanjaka, ary izay nitranga taorian’ny nandravana an’i Jerosalema ka hatramin’ny 580 T.K. tany ho any. Mety ho teo amin’ilay horonana nosoratan’i Baroka ihany i Jeremia no nanoratra, fa nisy nahitsiny sy nampiany fotsiny.

Anisan’ny Soratra Masina. Mpanao tsikera vitsivitsy ihany no tsy manaiky hoe anisan’ny Baiboly ny bokin’i Jeremia. Tsy mitovy mantsy, hono, izy io ao amin’ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta sy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ao amin’ny Sora-tanana Alexandrinus. Ny bokin’i Jeremia amin’ny teny hebreo sy grika no tena be zavatra tsy itovizana indrindra, raha oharina amin’ireo boky hafa ao amin’ny Soratra Hebreo. Ny ampahavalon’ilay boky na teny 2700 eo ho eo ao amin’ilay soratra hebreo, hono, no tsy hita ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo. Eken’ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa tsy tsara ilay dikan-teny grika, nefa tsy midika akory izany hoe tsy azo itokisana ilay soratra hebreo. Misy milaza fa mety ho sora-tanana hebreo “karazany” hafa na nohavaozina no nampiasain’ilay nanao ny dikan-teny grika. Toa tsy marina anefa izany araka ny fandinihana natao.

Ny fahatanterahan’ireo faminanian’i Jeremia sy ny votoatin’ilay boky no porofo fa anisan’ny Soratra Masina izy io. Ahitana faminaniana maro nolazain’i Jeremia ny tabilao eo amin’ny pejy faha-34.

Toro lalana sy toetran’Andriamanitra. Misy toro lalana koa ao amin’ilay boky, ankoatra an’ireo faminaniana tanteraka. Asongadiny fa ny fanompoana sy fankatoavana avy amin’ny fo no misy vidiny amin’Andriamanitra, fa tsy ny fombafomba. Diso hevitra ny mponin’i Joda nieritreritra hoe hiaro azy ireo ny fisian’ny tempoly sy ireo trano nanodidina azy io. Nampirisihina kosa izy ireo hoe: “Aoka hoforana ianareo mba hadio eo anatrehan’i Jehovah, eny, forao ny fonareo.”​—Je 4:4; 7:3-7; 9:25, 26.

Misy ohatra maro koa ao ahitana ny toetran’Andriamanitra sy ny fifandraisany tamin’ny vahoakany. Be hatsaram-panahy feno fitiavana sy mamindra fo, ohatra, i Jehovah matoa nafahany ny sisa tamin’ny vahoakany ary nampodiny tany Jerosalema, araka ny faminanian’i Jeremia. Mankasitraka sy miahy an’ireo olona tsara fanahy amin’ny mpanompony koa izy, sady Mpamaly Soa an’izay mitady sy mankatò azy. Porofon’izany ny nataony tamin’ny Rekabita sy Ebeda-meleka ary Baroka.​—Je 35:18, 19; 39:16-18; 45:1-5.

Resahin’ilay boky fa Mpamorona ny zava-drehetra i Jehovah, Mpanjaka mandritra ny fotoana tsy voafetra, ary ilay hany tena Andriamanitra. Izy irery no tokony hatahorana, izy no Mpananatra sy Mpitari-dalana an’ireo miantso ny anarany, ary tsy hisy firenena hahatanty ny fanamelohany. Izy no Mpanefy Tanimanga Lehibe, ka toy ny tanimanga azony potehina na volavolaina araka izay tiany ny olona tsirairay sy ireo firenena.​—Je 10; 18:1-10; Ro 9:19-24.

Antenain’Andriamanitra hanome voninahitra sy dera ho azy ny vahoaka mitondra ny anarany sady akaiky azy. (Je 13:11) Hampamoahiny ireo maminany lainga amin’ny anarany hoe ‘hiadana’ izay tsy mihavana aminy, ka ho tafintohina sy ho lavo izy ireo. (6:13-15; 8:10-12; 23:16-20) Manana andraikitra mavesatra eo anatrehan’Andriamanitra ny mpisorona sy mpaminany, satria hoy Izy momba an’ireo tany Joda: “Tsy naniraka an’ireo mpaminany ireo aho, nefa mbola nihazakazaka nanao izany ihany izy. Tsy niteny tamin’izy ireo aho nefa mbola naminany ihany izy. Raha nijoro teo anivon’ireo akaiky ahy mantsy izy ireo, dia ho nataony izay handrenesan’ny oloko ny teniko, ary ho nasainy niala tamin’ny lalan-dratsiny sy tamin’ny ratsy fanaony izy ireo.”​—23:21, 22.

Oharina amin’ny vadin’Andriamanitra koa ilay fireneny masina, toy ny ao amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly ihany. Toy ny hoe “nivaro-tena” àry izy io rehefa nivadika taminy. (Je 3:1-3, 6-10; ampit. Jk 4:4.) I Jehovah kosa tsy mba mivadika amin’ny fifanekena nataony.​—Je 31:37; 33:20-22, 25, 26.

Toro lalana sy ohatra maro ao amin’ilay boky no voaresaka ao amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly. Misy sary an’ohatra sy faminaniana maro koa ao, izay mbola mihatra amin’ny Kristianina ankehitriny sy ny fanompoany ka tena zava-dehibe aminy.

[Efajoro, pejy 7]

HEVITRA MISONGADINA: JEREMIA

Ahitana an’ireo didim-pitsaran’i Jehovah nambaran’i Jeremia, ny zavatra niainan’ilay mpaminany, ary ny nandravan’ny Babylonianina an’i Jerosalema

Nanomboka nosoratana 18 taona teo ho eo talohan’ilay fandravana, ary vita 27 taona teo ho eo taorian’izay

Voatendry ho mpaminany i Jeremia tanora

“Handrava” sy “hanorina” ary “hamboly” izy

Homen’i Jehovah hery hamitana ilay asa (1:1-19)

‘Nandrava’ i Jeremia

Nampiharihary ny faharatsiana tao Joda izy ary nilaza fa ho rava tokoa i Jerosalema; tsy hahavonjy an’ilay firenena nivadika ny fisian’ny tempoly; hatao sesitany 70 taona any Babylona izy ireo (2:1–3:13; 3:19–16:13; 17:1–19:15; 24:1–25:38; 29:1-32; 34:1-22)

Nanameloka an’i Zedekia sy Joiakima ary ireo mpaminany sandoka sy mpiandry tsy nanao ny andraikiny ary mpisorona tsy nanam-pinoana (21:1–23:2; 23:9-40; 27:1–28:17)

Naminany hoe ho resy ny firenena maro, anisan’izany ny Babylonianina (46:1–51:64)

‘Nanorina’ sy ‘namboly’ i Jeremia

Naminany izy fa hisy sisa amin’ny Israelita hody any amin’ny taniny, ary hisy “tsimoka marina” hipoitra (3:14-18; 16:14-21; 23:3-8; 30:1–31:26; 33:1-26)

Nilaza fa hanao fifanekena vaovao amin’ny olony i Jehovah (31:27-40)

Nasain’i Jehovah nividy saha, ho fanomezan-toky fa hody tokoa ireo Israelita natao sesitany (32:1-44)

Nanome toky an’ireo Rekabita hoe ho tafavoaka velona izy ireo satria nankatò an’i Jonadaba razambeny; ny Israely kosa tsy mba nankatò an’i Jehovah (35:1-19)

Nananatra an’i Baroka ary nampahery sy nanome toky azy fa ho tafavoaka velona izy (45:1-5)

Nampijalina i Jeremia satria sahy naminany

Nokapohina sy nogejaina tamin’ny boloky hazo izy nandritra ny alina (20:1-18)

Saika novonoina ho faty satria nanambara fa horavana i Jerosalema, saingy navotan’ireo andriana (26:1-24)

Nodoran’ny mpanjaka ny horonan’i Jeremia; nampangaina ho nitolo-batana tamin’ny Babylonianina izy, nosamborina, nogadraina (36:1–37:21)

Natsipy tao amin’ny lavaka feno fotaka mba ho faty; namonjy azy i Ebeda-meleka ka nomena toky fa ho voaro rehefa rava i Jerosalema (38:1-28; 39:15-18)

Ny faharesen’i Jerosalema ka hatramin’ny fandosirana tany Ejipta

Resy i Jerosalema; nosamborina i Zedekia Mpanjaka, novonoina ny zanany, nopotsirina ny masony ary nentina tany Babylona izy (52:1-11)

Nodorana ny tempoly sy ny tranon’ny olona ambony tao Jerosalema, natao sesitany ny ankamaroan’ny vahoaka (39:1-14; 52:12-34)

Voatendry ho governoran’ireo Israelita sisa tavela i Gedalia, saingy nisy namono (40:1–41:9)

Nandositra tany Ejipta ny vahoaka fa natahotra; nampitandrina i Jeremia fa ho resy i Ejipta ka hahita loza any izy ireo (41:10–44:30)

[Efajoro, pejy 8]

FAMINANIANA NOSORATAN’I JEREMIA

Ireo hitany ny fahatanterahany

Azo babo i Zedekia, noravan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona i Jerosalema (Je 20:3-6; 21:3-10; 39:6-9)

Nesorina tsy ho mpanjaka i Saloma (Joahaza), maty tany an-tsesitany (Je 22:11, 12; 2Mp 23:30-34; 2Ta 36:1-4)

Natao sesitany tany Babylona i Konia (Joiakina) Mpanjaka (Je 22:24-27; 2Mp 24:15, 16)

Maty i Hanania mpaminany sandoka afaka herintaona latsaka kely (Je 28:16, 17)

Tsy maty ny Rekabita sasany sy Ebeda-meleka Etiopianina rehefa noravana i Jerosalema (Je 35:19; 39:15-18)

Ireo nolazain’ny tantara fa tanteraka

Notafihin’i Nebokadrezara (Nebokadnezara) i Ejipta ka resiny (Je 43:8-13; 46:13-26)

Nody tany amin’ny taniny ny Jiosy, naorina indray ny tempoly sy ny tanàna rehefa lao 70 taona (Je 24:1-7; 25:11, 12; 29:10; 30:11, 18, 19; ampit. 2Ta 36:20, 21; Ezr 1:1; Da 9:2.)

Rava i Amona (Je 49:2)

Tsy nisy intsony ny firenena edomita (Je 49:17, 18) (rehefa maty daholo ny tarana-mpanjaka avy amin’i Heroda)

Lao mandrakizay i Babylona (Je 25:12-14; 50:35, 38-40)

Ireo resahin’ny Soratra Grika Kristianina fa mbola misy fahatanterahany hafa

Fifanekena vaovao atao amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda (Je 31:31-34; He 8:8-13)

Hisy taranak’i Davida foana hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany (Je 33:17-21; Lk 1:32, 33)

Ho rava toa an’i Babylona fahiny i Babylona Lehibe, araka ny asehon’ireto fampitahana ireto: Je 50:2​—Ap 14:8; Je 50:8; 51:6, 45​—Ap 18:4; Je 50:15, 29​—Ap 18:6, 7; Je 50:23​—Ap 18:8, 15-17; Je 50:38​—Ap 16:12; Je 50:39, 40; 51:37​—Ap 18:2; Je 51:8​—Ap 18:8-10, 15, 19; Je 51:9, 49, 56​—Ap 18:5; Je 51:12​—Ap 17:16, 17; Je 51:13​—Ap 17:1, 15; Je 51:48​—Ap 18:20; Je 51:55​—Ap 18:22, 23; Je 51:63, 64​—Ap 18:21