Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jeremota

Jeremota

(Jeremòta) [avy amin’ny fototeny midika hoe “avo (misandratra)”].

1. Taranak’i Benjamina avy tamin’i Bekera zanany lahy.​—1Ta 7:6, 8.

2. Benjamita anisan’ny “zanakalahin’i” Beria, ary lohan’ny fianakaviambe nonina tao Jerosalema.​—1Ta 8:14-16, 28.

3. Zanakalahin’i Mosy ary zafikelin’i Merary, tao amin’ny fokon’i Levy. Anisan’ireo Levita nalamin’i Davida hanompo tao an-tempoly ny fianakaviambe taranany. Antsoina koa hoe “Jerimota” i Jeremota.​—1Ta 23:21, 23; 24:30, 31.

4. Zanakalahin’i Hemana, ary Levita Kehatita. Lasa lohan’ny fizarana faha-15 tamin’ny mpitendry zavamaneno nisy fizarana 24 tao amin’ny toerana masina i Jeremota (Jerimota), rehefa natao ny antsapaka tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka.​—1Ta 6:33; 25:1, 4, 8, 9, 22.

5, 6, 7. Israelita telo lahy taranak’i Elama sy Zato ary Bany. Nandroaka ny vadiny hafa firenena sy ny zanany izy telo lahy, tamin’ny andron’i Ezra.​—Ezr 10:25-27, 29, 44.