Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jeria

Jeria

(Jerìa) [Hahita Anie i Jehovah; Nahita i Jehovah].

Zanakalahin’i Hebrona zanak’i Kehata, na koa taranak’io Hebrona io. (1Ta 23:12, 19) I Jeria na ny fianakaviambe avy amin’ny rainy no voaresaka rehefa nandamina ny fanompoan’ny Levita i Davida. (1Ta 24:23, 30, 31) Izy no lohan’ireo fianakaviamben’ny Hebronita tamin’izy nampiandraiketina ny faritra atsinanan’i Jordana. “Jerija” no nanoratana ny anarany tamin’izay.​—1Ta 26:31, 32.