Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jerimota

Jerimota

(Jerimòta) [avy amin’ny fototeny midika hoe “avo (misandratra)”].

1. Zanakalahin’i Bela (lahimatoan’i Benjamina) na taranany. Lehilahy natanjaka sy nahery fo i Jerimota.​—1Ta 7:6, 7.

2. Miaramila mpiady benjamita, izay nanohana an’i Davida tany Ziklaga tamin’izy nandositra an’i Saoly Mpanjaka.​—1Ta 12:1, 2, 5.

3. Levita Merarita.​—1Ta 24:26, 30; jereo JEREMOTA No. 3.

4. Levita Kehatita.​—1Ta 6:33; 25:4; jereo JEREMOTA No. 4.

5. Andrianan’ny fokon’i Naftaly tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka. Zanak’i Azriela na taranany i Jerimota.​—1Ta 27:19, 22.

6. Zanakalahin’i Davida i Jerimota, ary nanan-janakavavy nanambady an’i Rehoboama Mpanjaka. (2Ta 11:18) Tsy ao amin’ny lisitry ny zanak’i Davida tamin’ireo vadiny voatonona anarana i Jerimota. Midika izany fa angamba izy zanak’i Davida tamin’ny vadikeliny na tamin’ny vadiny tsy voalaza anarana. (2Sa 5:13) Toa nanambady an’i Abihaila, zanaky ny rahalahin-drainy, i Jerimota. Zanakavavin’i Eliaba zokin’i Davida lahimatoa i Abihaila.​—2Ta 11:18; 1Sa 17:13.

7. Anisan’ireo Levita mpiadidy izay nikarakara an’ireo fanomezana be dia be sy ampahafolon-karena ary zava-masina nentina tao an-tranon’i Jehovah, tamin’ny andro nanjakan’i Hezekia.​—2Ta 31:12, 13.