Jerobala
(Jerobàla) [Aoka i Bala Hiaro (Hiady) any Amin’ny Fitsarana].
Anarana nomena an’i Gideona zanakalahin’i Joasy Abi-ezerita, taorian’ny nandravany ny alitaran’i Bala, izay an-drainy, sy ilay tsato-kazo masina teo akaikin’izy io. Nanorina alitara ho an’i Jehovah izy avy eo, ary nataony sorona teo ny ombilahin-drainy, ka ny hazo avy tamin’ilay tsato-kazo masina no nataony kitay.—Mpts 6:11, 25-27.
Ny ampitso vao maraina, dia hitan’ireo lehilahy tao Ofra izay nitranga ka tezitra be izy ireo. Nanadihady izy ireo, ka fantany fa i Gideona no nanao izany. Nasain’izy ireo novonoina ho faty àry izy. Niaro an’i Gideona anefa i Joasy rainy ka hoy izy: “Ianareo indray ve no hiaro an’i Bala sao mba azonareo vonjena ihany izy? Izay rehetra miaro an’i Bala dia hovonoina ho faty izao maraina izao ihany. Raha Andriamanitra tokoa i Bala, dia aoka izy no hiaro ny tenany, satria nisy nandrodana ny alitarany.” Hoy ihany ny Baiboly manohy ny fitantarana: “Ary nantsoiny hoe Jerobala i Gideona nanomboka tamin’izay andro izay, fa hoy izy: ‘Aoka i Bala no hiaro ny tenany, satria nisy nandrodana ny alitarany.’”—Mpts 6:28-32.
Jerobeseta no iantsoan’ny 2 Samoela 11:21 an’i Gideona.—Jereo GIDEONA.