Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jerosalema

Jerosalema

(Jerosalèma) [Manana (Miorina eo Ambonin’ny) Fiadanana Roa Sosona].

Renivohitry ny firenen’Israely fahiny nanomboka tamin’ny taona 1070 T.K. Mbola renivohitry ny fanjakan’ny Joda tany atsimo rehefa nizara roa ny fanjakana (997 T.K.). Hita im-800 mahery ao amin’ny Soratra Masina ny hoe Jerosalema.

SARITANY: Jerosalema sy ny Manodidina

Anarana. “Salema” no anarana tranainy indrindran’io tanàna io. (Ge 14:18) Misy mino fa avy amin’ny anaran’i Shalem, andriamanitry ny taranak’i Sema tany andrefana, ny hoe Jerosalema. Nilaza kosa ny apostoly Paoly fa “Fiadanana” no tena dikan’ny tapany faharoa amin’ilay anarana. (He 7:2) Miseho amin’ny endriny milaza roa ny fomba fanoratana an’io tapany faharoa io amin’ny teny hebreo, ka midika hoe “Fiadanana Roa Sosona.” Orosalima (na Or-sa-li-im-mo) no iantsoan’ny asa soratra akadianina (asyrianina-babylonianina) an’ilay tanàna. Misy manam-pahaizana milaza àry fa “Tanànan’ny Fiadanana” no dikan’ilay anarana. Ny teny hebreo anefa no tokony horaisina, ka “Manana (Miorina eo Ambonin’ny) Fiadanana Roa Sosona” no toa dikan’izy io.

Maromaro ny anarana iantsoan’ny Soratra Masina an’io tanàna io: “Salema”, ohatra, no niantsoan’ny mpanao salamo azy io, indray mandeha. (Sl 76:2) Misy koa miantso azy io hoe “Tanànan’i Jehovah” (Is 60:14), “tanànan’ilay Mpanjaka Be Voninahitra” (Sl 48:2; ampit. Mt 5:35), “Tanànan’ny Fahamarinana” sy “Tanàna Tsy Mivadika” (Is 1:26), “Ziona” (Is 33:20), ary “tanàna masina” (Ne 11:1; Is 48:2; 52:1; Mt 4:5). Mbola miantso azy io hoe “el Kods” (midika hoe “ilay [Tanàna] Masina”) ny Arabo. Yerushalayim ankehitriny no anarany ao amin’ny sarintanin’ny Israely.

Toerana misy azy. Lavidavitry ny lalambe nivezivezen’ny mpivarotra avy any amin’ny firenen-tsamihafa no misy an’i Jerosalema, eo amin’ny sisin’ny tany efitra ngazana (Tany Efitr’i Joda), ka tsy dia misy rano. Misy lalana roa ihany anefa nivezivezen’ny mpivarotra teo an-toerana eo akaikin’ilay tanàna. Ny iray avy any avaratra mianatsimo, manaraka ny tampon’ilay tandavan-tendrombohitra mamakivaky ny afovoan’i Palestina fahiny. Io lalana io no mampifandray ny tanànan’i Dotana, Sekema, Betela, Betlehema, Hebrona, ary Beri-sheba. Ny lalana iray kosa avy any atsinanana miankandrefana, miainga avy any Raba (Amman ankehitriny), mandalo an’ireo lohasaha falehan-driaka sy ny deboka misy ny Reniranon’i Jordana, miakatra ny tehezan’ireo tendrombohitr’i Jodia, miolikolika midina ny tehezan’ireo havoana any amin’ny ilany andrefana mankany amin’ny morontsirak’i Mediterane, hatrany amin’ny seranan’i Jopa. Azo lazaina hoe afovoan-tany no misy an’i Jerosalema tao amin’ny Tany Nampanantenaina, ka mety tsara raha tao no nitantanana ny raharaham-panjakana.

Eo an-tampon-kavoana no misy an’i Jerosalema, eo amin’ilay tandavan-tendrombohitra eo afovoan-tany, 55 km eo ho eo any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, ary 25 km eo ho eo somary andrefan’ny tendrony avaratra amin’ny Ranomasina Maty. (Ampit. Sl 125:2.) Tokotokony ho 750 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina ny haavony, ka anisan’ireo renivohitra avo toerana indrindra tamin’izany izy io. Milaza ny Baiboly fa “manerinerina” i Jerosalema, ary tsy maintsy ‘miakatra’ ny olona avy any amin’ireo lemaka amoron-tsiraka rehefa ho any. (Sl 48:2; 122:3, 4) Tsara ny toetrandro any: Mangatsiatsiaka amin’ny alina, ary rehefa atao ny salanisa isan-taona dia 17° C ny mari-pana ary 63 sm ny rotsakorana. Eo anelanelan’ny Novambra sy Aprily no tena avy ny orana any.

Tokony ho 740 m ny haavon’ny tendrombohitra nisy ny tempoly, izay toerana avo indrindra tao Jerosalema fahiny. Avo kokoa anefa ireo havoana manodidina, ka tsy tazana tsara i Jerosalema raha tsy tena efa akaiky. Tokotokony ho 800 m mantsy ny haavon’ny Tendrombohitra Oliva eo atsinanana, 820 m eo ho eo ny haavon’ny Tendrombohitra Scopus eo avaratra, ary 835 m ny haavon’ireo havoana manodidina azy eo atsimo sy eo andrefana.

Toa tsy tsara toerana àry i Jerosalema, rehefa misy ady. Ny tombony ananany kosa dia ireo hantsana mijidina be vokatr’ireo lohasaha latsaka an-deboka be eo amin’ny lafiny telo amin’ilay tanàna: Ny Lohasahan’i Kidrona eo atsinanana sy ny Lohasahan’i Hinoma eo atsimo sy andrefana. Misy lohasaha koa mamakivaky an’ilay tanàna, ary toa io ilay nantsoin’i Josèphe hoe Lohasahan’i Tyropoeona (na “Lohasahan’ny Mpanao Fromazy”). Noho ilay lohasaha eo afovoany dia lasa misy havoana atsinanana sy havoana andrefana. (Ny Adin’ny Jiosy, V, 136, 140 [iv, 1]) Nihatototra io lohasaha io, taona maro tatỳ aoriana. Mbola hita hoe milempona anefa eo ka voatery midina sy miakatra ny mpitsidika rehefa mamakivaky an’ilay tanàna. Ankoatra an’io lohasaha avy any avaratra mianatsimo mamakivaky ny afovoan-tanàna io, dia voaporofo koa fa misy lohasaha kelikely roa avy any atsinanana miankandrefana: Ny iray mamakivaky an’ilay havoana atsinanana, fa ny iray kosa mamakivaky an’ilay ilany andrefana.

Lasa toy ny manda fiarovana an’ilay tanàna foana ireo hantsana mijidina be eo amin’ireo lohasaha. Ny ilany avaratra amin’ilay tanàna ihany no tsy misy fiarovana voajanahary, ka natao mafy kokoa ny manda teo. Nilaza i Josèphe fa telo sosona ny manda teo, rehefa nanafika an’ilay tanàna ny Jeneraly Titus, tamin’ny taona 70.

Ranon’i Jerosalema. Mafy ny mosary tao Jerosalema nandritra ny fahirano, fa tsy nijaly rano firy ny mponina. Nahazo rano madio foana mantsy ilay tanàna na dia akaikin’ny Tany Efitr’i Jodia aza. Nisy fitehirizan-drano ampy tsara koa tao.

Loharano roa no teo akaikin’ilay tanàna: I En-rogela sy Gihona. Eo atsimo kelin’ny fihaonan’ny lohasahan’i Kidrona sy Hinoma no misy an’i En-rogela. Be rano izy io nefa tsy azo naleha rehefa nisy ady na fahirano. I Gihona kosa eo amin’ny sisiny andrefan’ny Lohasahan’i Kidrona, eo anilan’ilay nanjary nantsoina hoe Tanànan’i Davida. Marina fa tany ivelan’ny manda i Gihona, nefa somary akaiky ihany. Azo natao àry ny nandavaka tionelina nankany amin’ny lavadrano iray mba hahafahan’ny mponina haka ny ranon’i Gihona nefa tsy nila nivoaka tany ivelan’ny manda. Efa nisy izany hatrany am-piandohan’ny tantaran’ilay tanàna, rehefa jerena ireo zavatra nofongarina tao. Nahita manda efa tranainy kokoa ny mpikaroka tamin’ny 1961 sy 1962: Iva toerana kokoa noho ny fidirana tao amin’ilay tionelina izy io sady namefy an’ilay fidirana. Voalaza fa mandan’ilay tanàna fahiny tamin’ny andron’ny Jebosita io.

Nandritra ny taona maro, dia nisy tionelina sy lakandrano fanampiny nitarihana rano avy amin’i Gihona. Nisy lakandrano niainga avy teo amin’ny vavan’ny lava-bato misy ny loharanon’i Gihona, nidina ny lohasaha, dia nihodina nanaraka ny sisiny atsimoatsinanan’ilay havoana, ary tonga teo amin’ny dobo iray eo amin’ny fihaonan’ny Lohasahan’i Hinoma sy ny Lohasahan’i Tyropoeona izay eo afovoan-tanàna. Asehon’ny fikarohana fa lakandrano nosaronana vato fisaka ilay izy ary indraindray dia toy ny tionelina manaraka ny tehezan’ilay havoana. Nasiana vavany izy io eny an-tsefatsefany eny mba hitarihana rano hanondrahana ilay lohasaha mikitohatohatra eo ambany kokoa. Natao miraika kely 4 na 5 milimetatra eo ho eo isaky ny iray metatra ilay lakandrano, ka misononòka moramora ny rano, toy ny “ranon’i Siloa izay misononòka.” (Is 8:6) Lakandrano tsy voaro sy mora notafihina izy io, ka voalaza fa namboarina tamin’ny andron’i Solomona, tamin’ny mbola nilamina ny tany.

Ankoatra ny rano avy amin’ny loharano, dia toa samy nanana lavaka fanangonan-drano ny trano tao Jerosalema. Ny ranonorana avy tamin’ny tafo no notehirizina tao amin’ireny, ary natao foana izay hampahadio sy hampangatsiatsiaka azy. Toa tena lehibe ny lavaka fanangonan-drano tao amin’ny faritry ny tempoly. Lavaka fanangonan-drano 37 mahazaka rano 38 tapitrisa litatra eo ho eo no hitan’ny mpikaroka tao, ka mahazaka rano 7,6 tapitrisa litatra mihitsy aza ny iray amin’izy ireo.

Nandritra ny taonjato maro, dia nisy lakandrano na fitarihan-drano namboarina mba hamatsiana rano an’i Jerosalema. Lazain’ny lovantsofina fa i Solomona no nanao ny lakandrano niainga avy teo amin’ireo “Dobon’i Solomona” (fitehirizan-drano telo eo atsimoandrefan’i Betlehema) ka hatrany amin’ny faritry ny tempoly tao Jerosalema. Nilaza i Solomona fa “nanamboatra dobo maro mba hanondrahana ireo zana-kazo tao an’ala” izy. (Mpto 2:6) Asa fanorenana goavana izany, ary mety ho nanao lakandrano koa izy tamin’izany mba hamatsiana rano an’i Jerosalema. Nilana rano betsaka mantsy ny fanompoana tao amin’ny tempoly. Ny lovantsofina ihany anefa no hany milaza fa i Solomona no nanao ny lakandrano avy any amin’ireo Dobon’i Solomona nankany Jerosalema. Mbola ahitana lakandrano maromaro efa rava any. Misy lakandrano iray mampitohy an’ireo Dobon’i Solomona sy ireo loharano any amin’ny Lohasaha Falehan-driaka el-ʽArrob (20 km any atsimo atsimoandrefan’i Jerosalema). Io angamba ilay lakandrano nolazain’i Josèphe hoe namboarin’i Pontio Pilato avy tamin’ny volan’ny tempoly. (Rakitry ny Ela Jiosy, XVIII, 60 [iii, 2]; Ny Adin’ny Jiosy, II, 175 [ix, 4]) Iva kokoa ny iray amin’ireo lakandrano roa avy tao amin’ireo Dobon’i Solomona nankany Jerosalema, ary io no tranainy kokoa, angamba efa tamin’ny andron’i Heroda na tamin’ny andron’ny Hasmonianina. Nandalo teo ambanin’ny tanàna kelin’i Betlehema io lakandrano io ary nandeha teo ambonin’ny “Andohalambon’i Wilson”, rehefa nankany amin’ny tendrombohitra nisy ny tempoly.

Fikarohana. Maro ny fikarohana natao tao Jerosalema sy ny zavatra nofongarina tao, nefa vitsy ihany no tena ahalalana ny marina momba an’ilay tanàna resahin’ny Baiboly. Maro ny zavatra nanakantsakana ny fikarohana: Nisy mponina foana, ohatra, tao taorian’ny andron’i Kristy, ka kely ihany ny faritra azo nohadina. Imbetsaka koa ilay tanàna no rava, ary izay tanàna vaovao tatỳ aoriana dia naorina teo ambonin’ilay efa rava, ka nisy zavatra avy tamin’ilay tanàna rava nanamboarana an’ilay tanàna vaovao. Mahatratra 30 m eo ho eo ny hatevin’ny potipoti-javatra amin’ny toerana sasany, ka lasa sarotra fantarina hoe inona no teo taloha sady lasa tsy azo antoka ny fanazavana momba an’ireo zavatra nofongarina. Nisy ampahana manda, dobo, tionelin-drano, ary fasana tranainy nofongarina, saingy vitsy kely ny zavatra nisy soratra. Ny ankamaroan’ny zavatra nofongarin’ny mpikaroka dia avy amin’ilay havoana eo atsimoatsinanana, izay any ivelan’ny mandan’ny tanàna ankehitriny.

Ny Baiboly no tena ahalalana momba an’ilay tanàna fahiny. Eo koa ny fitantaran’i Josèphe (Jiosy mpahay tantara) momba an’ilay tanàna tamin’ny taonjato voalohany.

Tantara tany am-boalohany. Teo anelanelan’ny 1943 T.K. sy 1933 T.K. ny fitantarana voalohany momba an’ilay tanàna, tamin’i Melkizedeka nihaona tamin’i Abrahama. “Mpanjakan’i Salema” i Melkizedeka sady “mpisoron’ilay Andriamanitra Avo Indrindra.” (Ge 14:17-20) Tsy fantatra ny niandohan’ny tanànan’i Salema, na ny niavian’ny mponina tao, na ny niavian’i Melkizedeka ilay mpanjaka sady mpisorona tao.​—Ampit. He 7:1-3.

Toa tany akaikin’i Jerosalema no niseho ny zava-nitranga iray teo amin’ny fiainan’i Abrahama: Nasaina nanolotra an’i Isaka zanany lahy ho sorona tany “amin’ny tendrombohitra iray” “tany Moria” izy. Teo amin’ny “Tendrombohitra Moria” anefa no nanorenan’i Solomona ny tempoly, ary famoloana no teo taloha. (Ge 22:2; 2Ta 3:1) Toa tany amin’ny faritra be tendrombohitra tany Jerosalema àry ilay toerana saika hanaovan’i Abrahama sorona an-janany, rehefa jerena ny Baiboly. (Jereo MORIA.) Asa raha mbola velona i Melkizedeka tamin’izay. Azo inoana anefa hoe mbola tsara fihavanana tamin’ny tanànan’i Salema i Abrahama.

Voaresaka ao amin’ny tantaran’ny nandresen’i Josoa an’i Kanana i Adoni-zedeka mpanjakan’i Jerosalema, izay anisan’ireo mpanjaka niray dina hanafika an’i Gibeona. “Ny Tompoko dia Fahamarinana” no dikan’ny anarany, ary mitovitovy amin’ny anaran’ilay mpanjakan’i Jerosalema taloha izany, dia i Melkizedeka (“Mpanjakan’ny Fahamarinana”). Tsy nanompo an’i Jehovah Andriamanitra Avo Indrindra anefa i Adoni-zedeka.—Js 10:1-5, 23, 26; 12:7, 8, 10.

Anisan’ireo Takelaka Hita tao Amarna, ny hafatra maromaro avy tany amin’ny mpanjaka na governoran’i Jerosalema (Orosalima). Ireo mpitondra kananita no nanoratra ny maro amin’ireo takelaka ireo ho an’ny Ejipsianina tompon’izy ireo, sady taranak’i Hama toa azy ireo ihany. Eken’ny maro fa tamin’ny fotoana nanjakan’i Farao Akhenaton no nandefasan’io mpanjaka io ny hafany. Nosoratany tamin’ny teny akadianina ilay izy, nefa nisy teny kananita maro fampiasa teo an-toerana. Voalaza ao amin’ireo hafatra ireo fa tanàna fanjakana i Jerosalema, ary niady mafy mba hifehy ny faritra nanodidina azy.

Rehefa nozaraina ny tany, dia teo amin’ny sisin-tanin’i Joda sy Benjamina no nisy an’i Jerosalema. Ny Lohasahan’i Hinoma no tena sisin-tanin’ireo foko roa ireo, raha ny marina. Tonga hatreo amin’ilay nantsoina tatỳ aoriana hoe “Tanànan’i Davida” àry, fara fahakeliny, ny faritanin’i Benjamina. Teo amin’ilay havoana teo anelanelan’ny lohasahan’i Kidrona sy Tyropoeona mantsy no nisy an’io tanàna io. Azo inoana anefa hoe nanana tanàna kely hafa teny amin’ny manodidina ny Kananita, ary mety ho tany andrefana sy tany atsimon’ny Lohasahan’i Hinoma izy ireny, ka tafiditra tao amin’ny faritanin’i Joda. Milaza ny Mpitsara 1:8 fa ny fokon’i Joda no nahazo an’i Jerosalema voalohany. Rehefa niady tany an-toeran-kafa anefa ny Israelita, dia azo inoana fa nijanona tao (na niverina nonina tao) ny Jebosita, ka lasa natanjaka ary tsy nahavita nanala azy ireo tao ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Benjamina. Voalaza àry fa ‘mbola niara-nonina’ tamin’ny taranak’i Joda sy Benjamina ihany ‘ireo Jebosita tao Jerosalema.’ (Js 15:63; Mpts 1:21) Mbola nitohy nandritra ny 400 taona teo ho eo izany, ary “Jebosa” na “tanànan’ny hafa firenena” no niantsoana an’i Jerosalema indraindray.​—Mpts 19:10-12; 1Ta 11:4, 5.

Mbola iray ny fanjakana. I Gibean’ny fokon’i Benjamina no foiben’ny fitondran’i Saoly Mpanjaka. I Hebrona (30 km eo ho eo any atsimo atsimoandrefan’i Jerosalema) any Joda kosa no nataon’i Davida Mpanjaka renivohitra tamin’ny voalohany. Rehefa avy nitondra fito taona sy tapany anefa i Davida, dia nafindrany tany Jerosalema ny renivohitra (2Sa 5:5), araka ny toromarik’i Jehovah. (2Ta 6:4-6) Efa nilaza mantsy i Jehovah taonjato maromaro talohan’io fa hisy ‘toerana hofidiny hampitoerana ny anarany.’​—De 12:5; 26:2; ampit. 2Ta 7:12.

Toa teo amin’ny farany atsimo tamin’ilay havoana atsinanana ny tanànan’ny Jebosita. Natoky be izy ireo hoe tsy hisy haharesy ny tanàna satria voaro mafy izy io noho ireo hantsana mijidina be eo amin’ny lafiny telo, ary toa nisy manda mafy tsara teo avaratra. “Toerana sarotra aleha” no niantsoana azy io (1Ta 11:7), ary nanambany an’i Davida ireo Jebosita tao hoe ‘na ny jamba sy ny kilemaina tao amin’ilay tanàna’ aza dia hahavita hanohitra azy. Resin’i Davida anefa ilay tanàna. I Joaba no mpitari-tafika tamin’izay, ary azo inoana hoe avy teo amin’ny “tionelin-drano” izy no niditra tao an-tanàna. (2Sa 5:6-9; 1Ta 11:4-8) Tsy tena fantatry ny manam-pahaizana ny dikan’ilay teny hebreo nadika hoe “tionelin-drano.” Miaiky anefa ny ankamaroany fa io teny io na ny mitovitovy hevitra aminy (“làlan-drano”, Kat.; “lakan-drano”, DIEM) no azo inoana kokoa hoe heviny. Fohy ilay fitantarana ka tsy milaza amin’ny an-tsipiriany hoe ahoana no nahatonga an’ilay tanàna ho resy. Taorian’ny nahitana tionelina sy lavadrano ahafahana misintona rano avy amin’ny ranon’i Gihona, dia maro no mino fa nitarika an’ireo lehilahy niaraka taminy niakatra an’ilay lavadrano i Joaba, nanaraka an’ilay tionelina somary nisolampy, ka nipoitra tampoka tao an-tanàna. (SARY, Boky Faha-2, p. 951) Na inona na inona anefa nitranga, dia azon’i Davida ilay tanàna ary nataony renivohitra (1070 T.K.). Io tanàna voaro mafin’ny Jebosita io ilay lasa nantsoina hoe “Tanànan’i Davida” sy hoe “Ziona.”​—2Sa 5:7.

Nanomboka nanao fanorenana tao i Davida. Toa nohamafisiny koa ny fiarovana an’ilay tanàna. (2Sa 5:9-11; 1Ta 11:8) Ilay “Dongon-tany” (heb.: ham·Millôhʼ) resahin’ny 2 Samoela 5:9, sy resahina any aoriana kokoa (1Mp 9:15, 24; 11:27) dia mety ho dongon-tany namboarina na dongon-tany voajanahary tao amin’ilay tanàna, izay nalaza tamin’izany fa tsy fantatra intsony ankehitriny. Nafindran’i Davida avy tany amin’ny tranon’i Obeda-edoma nankany Jerosalema ny “Vata masin’i Jehovah”, ka lasa foiben’ny fivavahana sy ny fitantanan-draharaham-panjakana ilay tanàna.​—2Sa 6:11, 12, 17; jereo DAVIDA, TANÀNAN’I; DONGON-TANY; FANDEVENANA, TOERAM-PANDEVENANA.

Tsy nisy fahavalo nanafika an’i Jerosalema tamin’ny andro nanjakan’i Davida, satria izy no nanafika ny fahavalony. (Ampit. 2Sa 5:17-25; 8:1-14; 11:1.) Indray mandeha ihany i Davida no nitsoaka niala tao an-tanàna mba tsy ho tratran’ireo mpikomy notarihin’i Absaloma zanany lahy. Mety hoe tsy tiany hisy ra mandriaka tao amin’io toerana nampitoeran’i Jehovah ny anarany io. (2Sa 15:13-17) Na inona na inona anefa antony nialan’i Davida tao, dia tanteraka tamin’izany ny faminaniana nampilazain’Andriamanitra an’i Natana. (2Sa 12:11; 16:15-23) Tsy navelan’i Davida nentina nandositra niaraka taminy ny Vata masina, fa nasainy naverin’ireo mpisorona tsy nivadika kosa, tany amin’ilay tanàna nofidin’Andriamanitra. (2Sa 15:23-29) Ahalalana ny toetoetran’ny tany atsinanan’ilay tanàna ny fiandohan’ny tantaran’ny nandosiran’i Davida, ao amin’ny 2 Samoela toko faha-15.

Nanomana ny fitaovana hanorenana ny tempoly i Davida rehefa nadiva hifarana ny fitondrany. (1Ta 22:1, 2; ampit. 1Mp 6:7.) Tao amin’ny toerana famakiam-bato tao ihany angamba no nakana vato voapaika. Misy vato mora vakina mantsy ny tanin’i Jerosalema. Mihamafy sy mateza ary tsara tarehy io karazam-bato io rehefa ianjadian’ny orana sy ny rivotra ary ny masoandro. Hita fa nisy toerana famakiam-bato eo akaikin’ilay Vavahadin’i Damaskosy ankehitriny, ary vato be dia be no efa nalaina tao.

Ahalalana ny toetoetry ny toerana any atsinanana sy any atsimon’i Jerosalema ny fitantarana hafa iray: Nandidy ny hanosorana an’i Solomona ho mpanjaka teo amin’ny loharanon’i Gihona i Davida Mpanjaka efa antitra. Teo amin’ny loharanon’i En-rogela kosa tamin’izay i Adonia, zanakalahin’i Davida hafa iray, izay nitetika haka ny fanjakana. Mifanakaiky ihany i En-rogela sy Gihona (700 m eo ho eo) ka nandre ny feon’anjombona sy ny horakoraky ny fety tao Gihona i Adonia sy ireo mpiara-mioko taminy.​—1Mp 1:5-9, 32-41.

Nanorina (sy nanorina indray) trano maro tao an-tanàna i Solomona rehefa nanjaka. Nitariny koa ilay tanàna. (1Mp 3:1; 9:15-19, 24; 11:27; ampit. Mpto 2:3-6, 9.) Niavaka ilay tempoly sy ny tokotaniny naorin’i Solomona teo amin’ny Tendrombohitra Moria izay teo amin’ny ilany atsinanana, fa avaratry “ny Tanànan’i Davida.” Azo inoana fa teo amin’ilay toerana misy ny Dôme du Rocher ankehitriny no nisy azy io. (2Ta 3:1; 1Mp 6:37, 38; 7:12) Anisan’ny fanorenana lehibe nataon’i Solomona teo akaiky teo koa ny tranony na ny lapany, ny Trano Alan’i Libanona vita tamin’ny hazo sedera, ny Lala-mitafo Maro Andry, ary ny Lala-mitafon’ny Seza Fiandrianana, izay toerana fitsarana. (1Mp 7:1-8) Azo inoana fa teo atsimon’ny tempoly teo amin’ny fidinana mankany amin’ny “Tanànan’i Davida” no nisy an’io fitambaran-trano io.​—SARINTANY, Boky 1, p. 752; SARY, Boky 1, p. 748.

Nizara roa ny fanjakana (997-607 T.K.). Nikomy i Jeroboama ka nizara roa ny fanjakana. Mbola renivohitry ny foko roa (fokon’i Benjamina sy Joda) anefa i Jerosalema, ka i Rehoboama zanak’i Solomona no nanjaka tao. Nifindra tany amin’ilay tanàna nametrahan’i Jehovah ny anarany koa ny Levita sy ny mpisorona, ka nanohana ny fanjakan’i Rehoboama. (2Ta 11:1-17) Tsy teo afovoany intsony no nisy an’i Jerosalema satria tsy lavitra teo ny sisin-tanin’ny fanjakan’ny foko folo tany avaratra, izay fahavalo. Sambany i Jerosalema no nisy nanafika, dimy taona latsaka taorian’ny nahafatesan’i Solomona, ary mbola nisy fanafihana hafa maro taorian’izay. Notafihin’i Sisaka mpanjakan’i Ejipta ny fanjakan’ny Joda satria noheveriny hoe mora resy izy io rehefa nihena ny fahefany. Ny fivadihan’ny fanjakan’ny Joda anefa no nahatonga an’i Sisaka ho tafiditra tao Jerosalema sy haka ny zava-tsarobidy tao amin’ny tempoly sy tany an-toeran-kafa. Rehefa nibebaka ihany ny Joda vao narovan’Andriamanitra, ka tsy rava ilay tanàna.​—1Mp 14:25, 26; 2Ta 12:2-12.

Nohamafisin’i Basa mpanjaka tany avaratra ny sisin-tany nanasaraka ny fanjakany sy ny sisiny avaratra tamin’ny fanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda, izay tsy nivadika. Tsy tian’i Basa hankany Jerosalema intsony mantsy ny vahoakany (na hiandany amin’ny fanjakan’ny Joda). Tsy nahomby anefa izy. (1Mp 15:17-22) Nanaraka ny fivavahana madio foana ny fanjakan’ny Joda tamin’ny andro nanjakan’i Josafata zanak’i Asa, ka narovan’Andriamanitra sy nandray soa maro ilay tanàna, ary nohatsaraina ny fomba fitsarana.​—2Ta 19:8-11; 20:1, 22, 23, 27-30.

Tahin’i Jehovah sy arovany foana i Jerosalema, renivohitry ny fanjakan’ny Joda, rehefa manaraka ny fivavahana marina, fa mahita olana maro sy mora resy foana kosa izy rehefa mivadi-pinoana. Nivadika tamin’i Jehovah, ohatra, i Jorama zanak’i Josafata (913-t. 907 T.K.) ka nisy nanafika sy nandroba indray i Jerosalema. Ny Filistinina sy ny Arabo no niara-nanafika azy io na dia mafy tsara aza ny manda niaro ny tanàna. (2Ta 21:12-17) Ny taonjato nanaraka, dia niala tamin’ny fahamarinana i Joasy Mpanjaka ‘ka notafihin’ny tafik’i Syria i Joda sy Jerosalema’, ary toa tafiditra tao an-tanàna izy ireo raha jerena ilay fitantarana. (2Ta 24:20-25) Nivadi-pinoana i Amazia ka notafihin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, ary voagorobaka ny 178 m teo ho eo tamin’ilay manda tena niaro ny tany avara-tanàna, teo anelanelan’ny Vavahady An-jorony (zorony avaratrandrefana) sy ny Vavahadin’i Efraima (teo atsinanan’ny Vavahady An-jorony). (2Ta 25:22-24) Toa efa talohan’izay no nitarina ilay tanàna, hatrany amin’ilay havoana ilany andrefana, izay eo ampitan’ilay lohasaha teo afovoan-tanàna.

Nanamafy kokoa an’ilay tanàna i Ozia Mpanjaka (829-778 T.K.): Nasiany tilikambo teo amin’ny Vavahady An-jorony (teo avaratrandrefana) sy ny Vavahadin-dohasaha (teo amin’ny zorony atsimoandrefana) ary teo amin’ny “Kihon’ny Manda” (“Fiolahana eo amin’ny zorony”, Prot.), izay ampahany tamin’ny manda atsinanana, teo akaikin’ny tranon’i Davida na Solomona. (2Ta 26:9; Ne 3:24, 25) Nasian’i Ozia “fitaovam-piadiana” koa teny amin’ireny tilikambo ireny sy ny zorony. Milina fandefasana tsipìka na fitorahana vato be angamba izany. (2Ta 26:14, 15) I Jotama zanany lahy indray no nanohy ny asa fanorenana.​—2Ta 27:3, 4.

Mpanjaka tsy nivadika i Hezekia, izay nandimby an’i Ahaza rainy mpivadi-pinoana. Nodioviny ny tempoly ary namboariny ny simba rehetra tao. Nandamina fankalazana Paska manetriketrika koa izy, ka tonga tao Jerosalema hatramin’ireo avy tany amin’ny fanjakana tany avaratra. (2Ta 29:1-5, 18, 19; 30:1, 10-26) Nandrisika ny olona hanaraka ny fivavahana marina izany. Tsy ela anefa dia nisompatra izany ny mpanompo sampy sady mpaneso an’ilay tena Andriamanitra izay nametraka ny anarany tao Jerosalema. Tamin’ny 732 T.K., izany hoe valo taona taorian’ny nandresen’ny Asyrianina ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, dia nandravarava eran’i Palestina i Sankeriba mpanjakan’i Asyria, ka nandefa tafika handrahona an’i Jerosalema. (2Ta 32:1, 9) Efa vonona i Hezekia raha misy fahirano: Notampenany ireo loharano tany ivelan’ny tanàna mba tsy ho azon’ny fahavalo ampiasaina. Namboariny sy nohamafisiny tsara koa ireo manda. (2Ta 32:2-5, 27-30) Toa efa vita tamin’ny fotoana tsy nisian’ny ady ilay “lakandrano” avy teo amin’ny loharanon’i Gihona nankao an-tanàna. (2Mp 20:20; 2Ta 32:30) Misy mino hoe anisan’ilay lakandrano ilay tionelin-drano nolavahana teo amin’ny sisin’ny Lohasahan’i Kidrona, ary mifarana eo amin’ny Dobon’i Siloama eo amin’ny Lohasahan’i Tyropoeona. Raha marina izany, dia tena asa be tsy ho vita tao anatin’ny andro vitsivitsy ilay izy. (Jereo ARKEOLOJIA [Palestina sy Syria]; GIHONA No. 2.) Tsy ny manda sy ny tahirin-drano sy sakafo na zavatra hafa anefa no tena niaro an’ilay tanàna, fa ny herin’i Jehovah Andriamanitra, satria hoy izy: “Hiaro an’ity tanàna ity aho, ka hamonjy azy noho ny amiko sy noho ny amin’i Davida mpanompoko.” (2Mp 19:32-34) Nisy fahagagana ka miaramila asyrianina 185 000 no ringana, ary nikoropaka nody tany Asyria i Sankeriba. (2Mp 19:35, 36) Rehefa mitantara an’io zava-nitranga io ny Asyrianina, dia mirehareha erỳ i Sankeriba hoe nohidiany tao Jerosalema toy ny ‘vorona nogadraina’ i Hezekia. Tsy nihambo mihitsy anefa izy hoe nandresy an’ilay tanàna.​—Jereo SANKERIBA.

Mbola nisy manda naorina tamin’ny sisin’ny Lohasahan’i Kidrona tamin’ny andro nanjakan’i Manase (716-662 T.K.). Vao mainka niala tamin’ny fivavahana marina koa anefa ilay firenena. (2Ta 33:1-9, 14) Niezaka namerina ny fivavahana marina i Josia zafikelin’i Manase, nandritra ny fotoana kelikely. “Nozimbazimbain’i Josia” (toa nataony fanariam-pakom-bahoaka) ny Lohasahan’i Hinoma, izay nanaovan’ireo mpanompo sampy fombafomba maharikoriko. (2Mp 23:10; 2Ta 33:6) Toa avy eo amin’ny “Vavahadin’ny Antontan-davenona” ny lalana mankeo amin’io lohasaha io. (Ne 3:13, 14; jereo GEHENA; HINOMA, LOHASAHAN’I.) Tamin’ny andron’i Josia vao voaresaka voalohany ilay “tanàna vaovao” (“tanàna faharoa”, Kat.) tao Jerosalema. (2Mp 22:14; 2Ta 34:22) Maro no mihevitra fa io “tanàna vaovao” io ilay ampahan-tanàna teo amin’ny ilany andrefana na avaratrandrefan’ny faritry ny tempoly.​—Ze 1:10.

Vetivety dia niova i Jerosalema, rehefa maty i Josia. Nivadika tamin’i Jehovah daholo mantsy ireo mpanjaka efatra nifandimby taoriany. Lasa nofehezin’i Babylona i Joda, tamin’ny taona fahavalo nanjakan’i Joiakima. Nikomy tamin’ny Babylonianina anefa i Joiakima, telo taona taorian’izay. Nataon’ny Babylonianina fahirano àry i Jerosalema ka resy, ary nobaboin’izy ireo ny zava-tsarobidy tao an-tanàna. Nentin’izy ireo ho babo koa i Joiakina (izay nanjaka tamin’izay) sy ny mponina hafa tao an-tanàna. (2Mp 24:1-16; 2Ta 36:5-10) I Zedekia indray no notendren’ny Babylonianina ho mpanjaka. Nitady fomba hialana tamin’ny ziogan’ny Babylonianina anefa i Zedekia tamin’ny taona fahasivy nanjakany (609 T.K.), ka natao fahirano indray i Jerosalema. (2Mp 24:17-20; 25:1; 2Ta 36:11-14) Tonga nanavotra an’i Jerosalema ny tafika ejipsianina, ka niala ireo mpanao fahirano, nefa vetivety ihany. (Je 37:5-10) Tanteraka tokoa ny faminaniana nampilazain’i Jehovah an’i Jeremia ka niverina nanao fahirano azy ireo ny Babylonianina. (Je 34:1, 21, 22; 52:5-11) Nogadraina i Jeremia rehefa hifarana ilay fahirano, ka natao tao amin’ny “Tokotanin’ny Mpiambina” (Je 32:2; 38:28), izay nifanila tamin’ny “Tranon’ny Mpanjaka.” (Ne 3:25) Nanjaka ny mosary sy ny aretina, ary maro ny olona maty nandritra ilay fahirano. Rehefa feno herintaona sy tapany ilay fahirano, dia voagorobaka ny mandan’i Jerosalema ary resy ilay tanàna, tamin’ny taona faha-11 nitondran’i Zedekia.​—2Mp 25:2-4; Je 39:1-3.

Lasa lao ary naverina tamin’ny laoniny indray. Voagorobaka ny mandan’ilay tanàna tamin’ny andro fahasivin’ny volana Tamoza taona 607 T.K. Iray volana tatỳ aoriana, tamin’ny andro fahafolon’ny volana Aba, dia niditra tao amin’ilay tanàna resy i Nebozaradana, irak’i Nebokadnezara, ka nandravarava. Nodorany ny tempoly sy ireo trano maro tao, ary narodany ny mandan’ilay tanàna. Nentina ho babo tany Babylona ny mpanjakan’i Jerosalema sy ny ankamaroan’ny mponina tao ary ny zava-tsarobidy tao an-tanàna.​—2Mp 25:7-17; 2Ta 36:17-20; Je 52:12-20; SARY, Boky Faha-2, p. 326.

Nilaza i Conder mpikaroka fa “tapitra teo ny tantaran’ilay tanàna rava, mandra-pahatongan’i Kyrosy.” Izany tokoa no nanjo an’i Jerosalema sy ny fanjakan’ny Joda iray manontolo. Tsy namindra olon-kafa tao ho solon’ny tompon-tany, toy ny nataon’ny mpanjakan’i Asyria, ny mpanjakan’i Babylona. Lao nandritra ny 70 taona ilay tany, dia tena araka ny nolazain’ny faminaniana mihitsy.​—Je 25:11; 2Ta 36:21.

“Tamin’ny taona voalohany” nanjakan’i Kyrosy mpanjakan’i Persa (538 T.K., azo inoana hoe taona voalohany nanjakany tao Babylona), dia namoaka didy nanafaka an’ireo Jiosy tany an-tsesitany izy mba “hiakatra ho any Jerosalema, any Joda, ka hanorina indray ... ny tranon’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.” (Ezr 1:1-4) Nisy lehilahy 42 360, sy mpanompo ary mpihira teo amin’ireo nanao dia lavitra nody tany Jerosalema ka nitondra an’ireo zava-tsarobidin’ny tempoly. Tonga ara-potoana izy ireo mba hankalaza ny Fetin’ny Trano Rantsankazo tamin’ny volana Tisry (Septambra-Oktobra) 537 T.K. (Ezr 2:64, 65; 3:1-4) Nasain’i Zerobabela Governora natomboka ny fanamboarana indray ny tempoly, ary vita tamin’ny Martsa 515 T.K. izy io na dia teo aza ny fanakantsakanana sy ny tsy firaikan’ny Jiosy sasany nody an-tanindrazana. Tamin’ny 468 T.K., dia mbola nisy olona maro avy tany an-tsesitany nody niaraka tamin’i Ezra, izay sady mpisorona no mpanora-dalàna. Nahazo alalana tamin’ny mpanjaka Artaksersesy (Lava Tanana) izy ireo mba hitondra zavatra hafa fanampiny “mba hahatsara tarehy ny tranon’i Jehovah any Jerosalema.” (Ezr 7:27) Azo inoana fa nitetina 43 000 000 dolara mahery ny zava-tsarobidy nentin’izy ireo.​—Ezr 8:25-27.

Tokony ho 150 taona taorian’ny nandresen’i Nebokadnezara an’i Jerosalema, dia mbola rava ny mandany sy ny vavahadiny. Nahazo alalana tamin’i Artaksersesy hankany Jerosalema i Nehemia mba hanorina indray izay rava. (Ne 2:1-8) Nizaha an’ilay toerana i Nehemia tamin’ny alina, ary nizara ny anjara asan’ny antoko-pianakaviana tsirairay. Io fitantarana io no ahalalana ny endrik’ilay tanàna tamin’izany, indrindra fa ireo vavahady. (Ne 2:11-15; 3:1-32; jereo VAVAHADY.) Nanatanteraka ny faminanian’i Daniela ilay asa fanorenana, sady ahafahana mamantatra ny taona nanombohan’ilay 70 “herinandro” noresahin’ilay faminaniana momba ny ahatongavan’ny Mesia. (Da 9:24-27) Na teo aza ny fanakantsakanana, dia vita tao anatin’ny 52 andro monja (tamin’ny taona 455 T.K.) ny manda rehetra nanodidina an’i Jerosalema sy ireo vavahadiny.​—Ne 4:1-23; 6:15; 7:1; jereo FITOPOLO HERINANDRO (“Fotoana hivoahan’ny didy”).

“Nidadasika sy lehibe” i Jerosalema “nefa vitsy olona.” (Ne 7:4) Nivory teo amin’ny “tany malalaka tandrifin’ny Vavahadin-drano”, teo amin’ny ilany atsinanana tamin’ny tanàna, ny vahoaka. Novakina tamin’izy ireo ny Soratra Masina, ary nanao fety izy ireo avy eo. (Ne 3:26; 8:1-18) Natao ny antsapaka ka nakana Israelita iray isaky ny folo mba hanatevin-daharana ny mponina tao. Teo koa anefa ireo nanolo-tena an-tsitrapo. (Ne 11:1, 2) Nisy fanadiovana natao mba hamerenana ny fivavahana marina tamin’ny laoniny sy hahatonga ny vahoaka ho mendrika hanompo an’i Jehovah. (Ne 12:47–13:3) Governora i Nehemia nandritra ny 12 taona na mihoatra, ary tao anatin’izany ilay nandehanany tany amin’ny lapan’ny mpanjakan’i Persa. Rehefa niverina tany Jerosalema izy, dia hitany fa mbola nisy fanadiovana nilaina natao. (Ne 13:4-31) Nafana fo i Nehemia namongotra ny fivadiham-pinoana, ary eo no mifarana ny fitantaran’ny Soratra Hebreo momba an’i Jerosalema, izany hoe taoriana kelin’ny 443 T.K.

Nofehezin’ny Grika sy ny Makabeo. Ny Grika indray no nifehy ny tanin’i Joda tamin’ny 332 T.K. fa tsy ny Medianina-Persianina intsony, rehefa namakivaky an’ilay tany i Aleksandra Lehibe tamin’izy nanafika. Tsy milaza anefa ireo Grika mpahay tantara hoe niditra tao Jerosalema izy. Na izany aza dia nofehezin’ny Grika ihany ilay tanàna, ary azo inoana fa tsy nodinganin’i Aleksandra izy io. Nilaza i Josèphe tamin’ny taonjato voalohany, fa araka ny lovantsofina jiosy dia notsenain’ny mpisoronabe jiosy i Aleksandra, tamin’izy nanatona an’i Jerosalema. Nasehon’ilay mpisoronabe azy, hono, ny faminanian’i Daniela izay nilaza fa vetivety dia handresy i Gresy. (Rakitry ny Ela Jiosy, XI, 326-338 [viii, 4, 5]; Da 8:5-7, 20, 21) Na ahoana na ahoana dia toa tsy niharan-doza i Jerosalema rehefa niova ny fitondrana.

Rehefa maty i Aleksandra, dia ireo taranak’i Ptolémée nitondra tany Ejipta indray no nifehy an’i Jerosalema sy Jodia. Tamin’ny 198 T.K., dia nalain’i Antiokosa Lehibe mpitondra an’i Syria ny tanàna voaro mafin’i Sidona sy Jerosalema, ka lasa nofehezin’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus i Jodia nandritra ny 30 taona. (Ampit. Da 11:16.) Tian’i Antiokosa Faha-4 (Épiphane), mpanjakan’i Syria, hampanjakaina teo amin’ny Jiosy ny kolontsaina grika, ka natokany ho an’i Zeosy (Jopitera) ny tempolin’i Jerosalema, ary nozimbazimbainy ny alitara ka biby maloto no nataony sorona teo, tamin’ny taona 168 T.K. (1 Makabeo 1:57, 62; 2 Makabeo 6:1, 2, 5; SARY, Boky Faha-2, p. 335) Nikomy àry ny Makabeo (na Hasmonianina). Telo taona taorian’ny ady nataon’izy ireo dia azon’i Jodasy Makabeo ilay tanàna sy ny tempoly, ary natokany ho an’ny fivavahana marina indray ilay alitaran’i Jehovah, tamin’ny fitsingerenan’ny andro nanazimbazimbana azy io, tamin’ny 25 Kisleo taona 165 T.K.​—1 Makabeo 4:52-54; 2 Makabeo 10:5; ampit. Jn 10:22.

Mbola nitohy ny ady tamin’ireo tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus. Nila vonjy tamin’i Roma ny Jiosy, ka io indray no fahefana vaovao niditra an-tsehatra tao Jerosalema tamin’ny 160 T.K. tany ho any. (1 Makabeo 8:17, 18) Lasa nanjaka tao Jerosalema àry ny kolontsaina romanina, rehefa nanitatra ny faritaniny ny Fanjakana Romanina. Tamin’ny taona 142 T.K. tany ho any, dia vitan’i Simona Makabeo ny nanao an’i Jerosalema ho renivohi-paritany, izay toa tsy nandoa hetra sy tsy teo ambany fahefan’ny firenen-kafa. Nilaza ny tenany ho mpanjaka mihitsy aza i Aristobolo I, mpisoronabe tao Jerosalema, tamin’ny taona 104 T.K. Tsy taranak’i Davida anefa izy.

Tsy ‘tanànan’ny fiadanana’ mihitsy i Jerosalema nandritra izany fotoana izany. Niady an-trano ny Jiosy noho ny fitiavan-tena sy ny ady seza. Nanampy trotraka an’izany ny fifandrafian’ny antokom-pivavahana samihafa, toy ny Sadoseo, Fariseo, Zelôta. Niady be i Aristobolo II sy i Hirkana rahalahiny, ka nila an’i Roma mihitsy hanelanelana. Nanao fahirano an’i Jerosalema nandritra ny telo volana àry ny tafika romanina notarihin’i Jeneraly Pompée, tamin’ny 63 T.K., mba hidirana tao an-tanàna sy handaminana an’ilay fifandirana. Voalaza fa Jiosy 12 000 no maty, ka Israelita ihany no namono ny ankamaroany.

Sambany i Josèphe no miresaka momba an’ilay andohalambo eo amin’ny Lohasahan’i Tyropoeona, tamin’izy nitantara ny fandresen’i Pompée. Ny lalana teo amin’io andohalambo io no mampitohy ny ilany atsinanana sy andrefana amin’ny tanàna, ary ahafahan’izay avy any andrefana mankao amin’ny faritry ny tempoly.

I Antipater (II) avy any Idomea no voatendry ho governora romanina tany Jodia, ary nisy Makabeo navela ho mpisoronabe sy governora tao Jerosalema. I Heroda (Lehibe), zanak’i Antipater no notendren’i Roma ho “mpanjaka” nanerana an’i Jodia, tatỳ aoriana. Tamin’ny taona 37 na 36 T.K. anefa izy vao nifehy an’i Jerosalema, ary tamin’izay izy no tena nanomboka nanjaka.

Tamin’ny andron’i Heroda Lehibe. Maro ny zavatra niavaka naorina tamin’ny andro nanjakan’i Heroda, ary niroborobo be ilay tanàna: Tao ny kianja filalaovana tantara an-tsehatra, ny kianja fanaovana fanatanjahan-tena, ny toerana fanaovana hazakaza-tsoavaly (SARY, Boky Faha-2, p. 535), ary tranom-panjakana. Nanorina lapa voaro mafy koa i Heroda. (SARY, Boky Faha-2, p. 538.) Toa teo amin’ny ilany andrefana tamin’ny tanàna, izany hoe teo atsimon’ilay antsoina ankehitriny hoe Vavahadin’i Jaffa no nisy azy io. Nisy fototra tilikambo nofongarina mantsy teo. Naorin’i Heroda koa ny Tilikambon’i Antonia, izay lapa voaro mafy teo akaikin’ny tempoly, ka lalana no nampifandray azy ireo. (SARY, Boky Faha-2, p. 535; Rakitry ny Ela Jiosy, XV, 424 [xi, 7]) Afaka nankao amin’ny faritry ny tempoly avy hatrany àry ny miaramila romanina nitoby tao, toy ny tamin’izy ireo namonjy an’i Paoly, izay nirotahan’ny vahoaka.​—As 21:31, 32.

Ny asa lehibe indrindra nataon’i Heroda anefa dia ny fanorenana indray ny tempoly sy ilay fitambaran-trano nifandray tamin’izy io. Natomboka ilay asa tamin’ny taona faha-18 nanjakany (Rakitry ny Ela Jiosy, XV, 380 [xi, 1]), ary vita tao anatin’ny herintaona sy tapany ilay trano masina. Efa maty ela be anefa izy vao vita ilay fitambaran-trano sy ny tokotanin’ny tempoly. (Jn 2:20) Avo roa heny eo ho eo noho ny teo aloha ny haben’ny faritr’ilay tempoly naorin’i Heroda. Toa mbola ao ny ampahan’ny mandan’ny tokotanin’izy io, izay antsoina ankehitriny hoe Rindrina Andrefana na Rindrina Fitomaniana. Milaza ny mpikaroka fa tamin’ny andron’i Heroda ireo vato mirefy 900 sm eo amin’ny farany ambany amin’ilay rindrina.

Taona 2 T.K. ka hatramin’ny 70 A.K. Manohy ny fitantarana momba ny zava-nitranga tao Jerosalema ny Soratra Grika Kristianina. Tsy tao Jerosalema i Jesosy no teraka fa tsy lavitra teo, tany Betlehema, tao “an-tanànan’i Davida.” (Lk 2:10, 11) Nitebiteby anefa i Heroda sy “ny olona rehetra tao Jerosalema” rehefa nilaza ny mpanandro fa teraka ny “mpanjakan’ny Jiosy.” (Mt 2:1-3) Maty i Heroda taoriana kelin’ny namoahany an’ilay didy hamonoana ny zaza rehetra tao Betlehema, azo inoana fa tamin’ny taona 1 T.K. (Jereo HERODA No. 1.) I Arkelaosy zanany indray no mpitondra tao Jerosalema sy eran’i Jodia ary tany amin’ny faritra hafa koa. Nesorin’i Roma teo amin’ny fitondrana anefa i Arkelaosy, noho ny heloka nataony. Governora notendren’i Roma mivantana àry no nitondra, anisan’ireny i Pontio Pilato, tamin’i Jesosy nanao ny fanompoany tetỳ an-tany.​—Lk 3:1.

Nentina tany Jerosalema i Jesosy 40 andro taorian’ny nahaterahany, ary natolotra tao amin’ny tempoly noho izy lahimatoan’i Maria. Faly erỳ i Simeona sy Ana, izay samy be taona, rehefa nahita an’ilay Mesia nampanantenaina. Niresaka momba an’ilay zaza “tamin’izay rehetra niandry ny fanafahana an’i Jerosalema” i Ana. (Lk 2:21-38; ampit. Le 12:2-4.) Tsy voalaza hoe impiry i Jesosy no nankany Jerosalema tamin’ny fahazazany, fa ilay tamin’izy 12 taona ihany no notantaraina. Niady hevitra tamin’ireo mpampianatra tao amin’ny faritry ny tempoly izy, ka revo nanao zavatra tao ‘an-tranon’ny Rainy’, dia tao amin’ilay tanàna nofidin’ny Rainy.​—Lk 2:41-49.

Taorian’ny batisany sy ny fanompoany naharitra telo taona sy tapany, dia nitsidika tsindraindray an’i Jerosalema izy. Azo antoka fa tany izy nandritra an’ireo fety telo fanao isan-taona satria tsy maintsy nanatrika an’izany ny lehilahy jiosy rehetra. (Ek 23:14-17) Tamin’ny ankamaroan’ny fotoana anefa dia nitory sy nampianatra tany ivelan’ny renivohitra izy, tany Galilia sy tany an-toeran-kafa.

Nampianatra matetika tao amin’ny faritry ny tempoly i Jesosy. Nanao fanompoana tany an-toeran-kafa koa anefa izy tao amin’ilay tanàna. Nisy fotoana, ohatra, izy teo amin’ny Dobon’i Betesda, izay nisy lala-mitafo dimy (Jn 5:2), ary heverina fa io ilay dobo nofongarina teo avaratra kelin’ny faritry ny tempoly. (Jereo BETESDA.) Ilay Dobon’i Siloama indray mety ho ilay dobo hita vao haingana teo amin’ny faritra ambany indrindra amin’ny Lohasahan’i Tyropeona. Ny ranon’ny loharanon’i Gihona no mankao amin’io dobo io rehefa avy mandalo tionelina. (Jn 9:11; SARY, Boky Faha-2, p. 949) Misy tsipiriany maro kokoa momba an’ilay tanàna ny fitantarana ny dian’i Jesosy farany tany Jerosalema.​—SARINTANY, Boky Faha-2, p. 742; SARY, Boky Faha-2, p. 743.

Nankany Betania, tany amin’ny ilany atsinanan’ny Tendrombohitra Oliva, i Jesosy, enina andro talohan’ny fetin’ny Paska taona 33. Ny ampitso (9 Nisana), dia nankany an-drenivohitra io Mpanjaka voahosotr’i Jehovah io, ary nitaingina zanak’ampondra. Tanteraka tamin’izay ny faminaniana ao amin’ny Zakaria 9:9. (Mt 21:1-9) Niato kely izy nitazana an’i Jerosalema, raha iny izy nidina ny Tendrombohitra Oliva iny. Sady nitomany mafy an’ilay tanàna izy no nilaza mialoha ny fahirano sy ny faharavana hanjo azy io. (Lk 19:37-44) Rehefa niditra tao an-tanàna izy (azo inoana fa teo amin’ny vavahadin’ny manda atsinanana), dia “nisahotaka” ny rehetra. Miely haingana mantsy ny vaovao any amin’ny faritra kelikely toy ireny.​—Mt 21:10.

Tao Jerosalema i Jesosy ny antoandro, fa tany Betania kosa ny alina (Lk 21:37, 38), nandritra ny andro kely sisa niainany, ka nodioviny ny faritry ny tempoly ary noroahiny ireo mpivarotra tao (Mt 21:12, 13), toy ny efa nataony telo taona teo ho eo talohan’izay. (Jn 2:13-16) Niaraka tamin’ny mpianany efatra tany amin’ny Tendrombohitra Oliva izy tamin’ny 11 Nisana. Tazana avy eo i Jerosalema sy ny tempoliny. Tamin’izay i Jesosy no nilaza an’ilay faminaniana lehibe momba ny haharava an’ilay tanàna sy momba ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” ary momba ny fanatrehany. (Mt 24; Mr 13; Lk 21) Nanomana ny sakafon’ny Paska tao amin’ny efitrano ambony rihana iray tao Jerosalema i Petera sy Jaona, ny 13 Nisana. Hankalaza Paska miaraka amin’ny apostoliny i Jesosy ny harivan’io (rehefa manomboka ny 14 Nisana). Rehefa avy niresaka tamin’izy ireo i Jesosy, dia niala tao an-tanàna izy ireo ary niampita ny “lohasahan’i Kidrona.” Niakatra nanaraka ny tehezan’ny Tendrombohitra Oliva izy ireo mba ho any amin’ilay zaridaina antsoina hoe Getsemane. (Mt 26:36; Lk 22:39; Jn 18:1, 2) Midika hoe “Famiazana Menaka” ny hoe Getsemane, ary mbola ahitana hazo oliva efa antitra be eo amin’ny tehezan’ilay tendrombohitra. Mbola iadian-kevitra anefa ny tena toerana nisy azy io.​—Jereo GETSEMANE.

Nosamborina i Jesosy tamin’io alina io, ary nentina niverina tany Jerosalema. Nentina tany amin’i Anasy sy Kaiafa (samy mpisorona) izy, ary tany amin’ny Fitsarana Avo Jiosy koa. (Mt 26:57–27:1; Jn 18:13-27) Vao mangiran-dratsy izy dia nentina tany amin’i Pilato tao amin’ny “lapan’ny governora” (Mt 27:2; Mr 15:1, 16), ary avy eo tany amin’i Heroda Antipasy, izay tao Jerosalema tamin’izay. (Lk 23:6, 7) Nentina hotsaraina farany tany amin’i Pilato izy avy eo, tao amin’ilay toerana antsoina hoe “Tokotany Vato”, fa “Gabata” kosa amin’ny teny hebreo.​—Lk 23:11; Jn 19:13; jereo TOKOTANY VATO.

Tany Golgota (midika hoe “Ikarandoha”) i Jesosy no nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana. (Mt 27:33-35; Lk 23:33) Tany ivelan’ny mandan’ny tanàna no nisy azy io, azo inoana hoe tany avaratra. Tsy fantatra anefa izay tena nisy azy io. (Jereo GOLGOTA.) Tsy fantatra koa ny tena toerana nandevenana an’i Jesosy.​—SARY, Boky Faha-2, p. 948.

Ilay ‘sahan’ny mpanefy tanimanga, natao fandevenam-bahiny’ izay novidina tamin’ilay vola naverin’i Jodasy tamin’ny mpisorona (Mt 27:5-7) dia voalaza fa any amin’ny ilany atsimo amin’ny lohasahan’i Hinoma, eo akaikin’ny fihaonany amin’ny lohasahan’i Kidrona. Ahitana fasana maro eo amin’io toerana io.​—Jereo AKELDAMA.

Tamin’ny andron’ny apostoly. Nasain’i Jesosy nijanona tao Jerosalema ny mpianany, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. (Lk 24:49; As 1:4) Tao Jerosalema mantsy no tokony hatomboka ny fitoriana momba ny fibebahana hahazoana famelan-keloka amin’ny anaran’i Kristy. (Lk 24:46-48) Folo andro taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, dia nivory tao amin’ny efitrano ambony rihana ny mpianatra ary nilatsaka tamin’izy ireo ny fanahy masina. (As 1:13, 14; 2:1-4) Be olona tao Jerosalema satria tonga hankalaza ny fetin’ny Pentekosta ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy avy any amin’ny faritra maro teo amin’ny Fanjakana Romanina. An’arivony no lasa mpianatra ka natao batisa rehefa avy nitorian’ireo Kristianina voahosotry ny fanahy masina ireo. An’arivony no niresaka momba ny finoany, ka tsy mahagaga raha tezitra ireo mpitondra fivavahana ary nilaza hoe: “Jereo fa nofenoinareo ny fampianaranareo i Jerosalema.” (As 5:28) Vao mainka nampandroso ny fitoriana ny fahagagana nataon’ny mpianatra, anisan’izany ny nanasitranana an’ilay mpangataka nalemy tongotra “tao amin’ny tempoly, teo akaikin’ilay vavahady atao hoe Vavahady Kanto” (toa teo atsinanan’ny vavahady mankao amin’ny Tokotanin’ny Vehivavy).​—As 3:2, 6, 7.

Mbola tao Jerosalema foana ny filan-kevi-pitantanan’ny fiangonana kristianina, na dia efa niely tany ‘Samaria sy tany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany’ aza ny fitoriana. (As 1:8) Nisy fanenjehana ka “niparitaka nanerana ny faritr’i Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny apostoly ihany.” (As 8:1; ampit. Ga 1:17-19; 2:1-9.) Nisy apostoly sy mpianatra tao Jerosalema nirahina hanampy an’ireo antokon’olona lasa mpino, toy ny tany Samaria. (As 8:14; 11:19-22, 27) Rehefa lasa Kristianina i Saoly avy any Tarsosy (Paoly) ka nitsidika an’i Jerosalema voalohany, dia naleony tsy nijanona ela tao, satria nisy nitetika hamono azy. (As 9:26-30) Nilamina koa anefa tany indraindray. (As 9:31) Tao Jerosalema i Petera no nilaza tamin’ny fiangonana kristianina fa neken’Andriamanitra ho mpino ireo hafa firenena. Tany koa no nalamina ilay adihevitra momba ny famorana sy ny olana nitovitovy tamin’izany.​—As 11:1-4, 18; 15:1, 2, 22-29; Ga 2:1, 2.

Nilaza i Jesosy fa “mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato an’izay irahina ho any aminy” i Jerosalema. (Mt 23:37; ampit. and. 34-36.) Izay nataon’ny razambeny ihany no naverin’ny ankamaroan’ny olona tao, na dia efa maro aza no nino ny Zanak’Andriamanitra. Noho izany, dia ‘hilaozana ny tranon’izy ireo ka havela ho azy ireo.’ (Mt 23:38) Nikomy ny Jiosy ka tonga ny tafika romanina notarihin’i Cestius Gallus tamin’ny taona 66, nihodidina an’ilay tanàna, ary tonga hatrany amin’ny mandan’ny tempoly. Niala tampoka noho ny antony tsy fantatra anefa i Cestius Gallus. Azon’ny Kristianina narahina àry ilay toromarik’i Jesosy hoe: “Koa izay any Jodia, aoka handositra any an-tendrombohitra, ary izay ao Jerosalema aoka hiala ao, ary izay eny ambanivohitra aoka tsy hiditra ao Jerosalema intsony.” (Lk 21:20-22) Nilaza i Eusèbe fa niala tany Jerosalema sy eran’i Jodia ny Kristianina ka nandositra tany amin’ny tanànan’i Pela, tany Pere.​—Ny Tantaran’ny Eglizy, III, V, 3.

Vola halimo, nandritra ny adin’ny Jiosy tamin’i Roma, milaza “Fanafahana an’i Ziona”

Niala vetivety tao Jerosalema ny tafika romanina, toy ny nataon’ny Babylonianina talohan’ny nifaranan’ny fanjakan’i Zedekia (niala vetivety izy ireo mba hiadiana tamin’ny Ejipsianina). Nitondra miaramila maro kokoa anefa ny Jeneraly Titus tamin’ny taona 70 ka nanao fahirano indray an’i Jerosalema, izay feno olona hankalaza Paska. Nanangana tovon-tany ny Romanina ary nanao rindrina na fefy nanodidina an’ilay tanàna mba tsy hisy ho afa-mandositra na andro na alina. Tanteraka tamin’izany koa ny faminanian’i Jesosy. (Lk 19:43) Nisy ady an-trano tao an-tanàna noho ireo antoko mpifandrafy, betsaka ny sakafo nosimbana, ary novonoina izay nitady hivoaka ny tanàna satria noheverina ho mpamadika. Ny fitantarana nosoratan’i Josèphe no nahalalana an’izany. Nilaza izy fa maty mosary ny olona ka voatery nihinana mololo sy hodi-biby, ary ny zanany mihitsy aza. (Ampit. Ft 2:11, 12, 19, 20; De 28:56, 57.) Te hanao zavatra tamim-pihavanana ny Jeneraly Titus, saingy tsy nety mihitsy ireo mpitarika tao Jerosalema.

Vola halimo, fahatsiarovana ny nandresen’ny Romanina an’i Jodia; anoloana: Sarin’i Vespasien Mpanjaka; ambadika: “IVDAEA CAPTA” (azo i Jodia)

Voagorobaky ny miaramila romanina ihany ny manda, ka notafihin’izy ireo ny tao an-tanàna. (SARY, Boky Faha-2, p. 752) Efa norarana izy ireo nefa mbola nodorany ihany ny tempoly ka kila hatrany anatiny. Nilaza i Josèphe fa nitsingerina tamin’izay ny fotoana nandravan’i Nebokadnezara an’ilay tempoly voalohany taonjato maro talohan’izay. Nilaza koa izy fa nodoran’izy ireo ny trano nitehirizana ny antontan-taratasy momba ny tetirazan’ny foko sy ny fianakaviana ary ny momba ny zon’ny mpandova. (Ny Adin’ny Jiosy, VI, 250, 251 [iv, 5]; II, 426-428 [xvii, 6]; VI, 354 [vi, 3]) Foana hatreo àry ny taratasy ara-panjakana ahafahana manamarina raha taranak’i Joda ny olona iray na tsia, izany hoe avy amin’ilay foko hiavian’ny Mesia, na koa hoe taranaka mpisorona avy amin’ny fokon’i Levy ve izy.

Tao anatin’ny efa-bolana sy 25 andro monja (3 Aprily ka hatramin’ny 30 Aogositra taona 70) dia resy ilay tanàna. Azo lazaina hoe fohy ihany ilay fahoriana na mafy aza. Tsy nisaina tsara sy nanaonao foana ireo Jiosy tao an-tanàna, ka izany no anisan’ny nahatonga an’ilay fahoriana ho fohy. Nilaza i Josèphe fa 1 100 000 ny isan’ny maty, nefa nisy koa tsy maty. Olona 97 000 no nentina ho babo, ka maro tamin’ireo no nentina ho andevo tany Ejipta, na nalefa tany amin’ireo kianja filalaovana tany amin’ny faritany romanina, ka matin’ny sabatra na lanin’ny bibidia tany. Nanatanteraka faminaniana koa izany.​—De 28:68.

Rava ilay tanàna manontolo. Ny tilikambo tamin’ny lapan’i Heroda sy ny ampahan’ny Rindrina Andrefana ihany sisa no nijoro. Ho hitan’ny taranaka atỳ aoriana amin’izay fa mafy be ilay tanàna nefa rava ihany. Ankoatra an’ireo zavatra sisa tavela ireo, dia nilaza i Josèphe fa “rava tanteraka hatrany am-potony ny manda hafa rehetran’ilay tanàna, ka raha misy mitsidika io toerana io any aoriana any, dia tsy hino mihitsy izy ireo hoe nonenana teo fahiny.” (Ny Adin’ny Jiosy, VII, 3 [i, 1]) Hita eo amin’ny Andohalambon’i Titus any Roma ny sary mivohitra misy an’ireo miaramila romanina mitondra an’ireo fanaka masina avy tao amin’ilay tempoly noravana.​—Ampit. Mt 24:2; SARY, Boky Faha-2, p. 752.

Tatỳ aoriana kokoa. Azo lazaina hoe lao tanteraka i Jerosalema hatramin’ny taona 130 tany ho any. Tamin’izay i Hadrien Mpanjaka no nandidy ny hanorenana tanàna vaovao tao, izay nantsoina hoe Aelia Capitolina. Nikomy àry ny Jiosy notarihin’i Bar Kokhba (132-135), ka nahomby nandritra ny fotoana kelikely fa resy ihany avy eo. Efa ho 200 taona ny Jiosy no tsy nahazo niditra tao amin’ilay tanàna naorin’ny Romanina. Tonga nitsidika an’i Jerosalema i Hélène renin’i Constantin Lehibe, tamin’ny taonjato fahefatra, ary nanoro an’ireo toerana voalaza fa masina. Nalain’ny Silamo ilay tanàna tatỳ aoriana. Manana trano roa izao ny Silamo eo amin’ny tendrombohitra nisy ny tempoly. Tamin’ny faramparan’ny taonjato fahafito, dia nanorina an’ilay antsoina hoe Dôme du Rocher teo amin’ny toerana nisy an’ilay tempoly fahiny, na teo akaiky teo, ilay filoha silamo antsoina hoe ‛Abd al-Malik ibn Marvan. Antsoina hoe fiangonana silamo izy io nefa toerana fanaovana fivahiniana masina raha ny marina. Eo atsimon’izy io no misy an’ilay fiangonana silamo antsoina hoe el-Aksa, izay naorina tamin’ny taonjato faha-8, fa nitarina tamin’ny taonjato faha-11.

Manazava momba an’ireo toerana ao Jerosalema sy ny manodidina ireto lahatsoratra ireto: EN-ROGELA; KIDRONA, LOHASAHA FALEHAN-DRIAKAN’I; MAKTESY; OFELA; OLIVA, TENDROMBOHITRA; TEMPOLY; ary ZIONA.

Heviny an’ohatra. Tsy renivohitry ny firenena iray teto an-tany fotsiny i Jerosalema, fa izy io no hany tanàna teto an-tany nametrahan’i Jehovah Andriamanitra ny anarany. (1Mp 11:36) Lazaina an’ohatra hoe ‘nonina’ tao Jerosalema i Jehovah, rehefa nafindra tao ny Vata misy ny fifanekena, izay midika hoe manatrika eo i Jehovah, ary indrindra fa rehefa naorina tao ny tempoly, na ny toerana masina na ny tranon’Andriamanitra. (Sl 78:68, 69; 132:13, 14; 135:21; ampit. 2Sa 7:1-7, 12, 13.) Nantsoina hoe “seza fiandrianan’i Jehovah” i Jerosalema satria voahosotr’i Jehovah sady nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah” ireo mpanjaka taranak’i Davida. (1Ta 29:23; Sl 122:3-5) Hangonina mba hankalaza ny anaran’i Jehovah àry izay foko na firenena mitady an’i Jerosalema noho izy ireo manaiky hoe Andriamanitra no manana zo hitondra. (Je 3:17; Sl 122:1-4; Is 27:13) Izay mankahala na miady amin’i Jerosalema kosa dia tsy manaiky hoe Andriamanitra no manana zo hitondra. Tsy maintsy hitranga izany, araka ny faminaniana resahin’ny Genesisy 3:15.

Sary an’ohatra nilazana an’ilay Fanjakan’Andriamanitra efa miorina àry i Jerosalema. Avy tao no nivoahan’ny lalàn’Andriamanitra sy ny teniny ary ny fitahiany. (Mi 4:2; Sl 128:5) Nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra sy ny sitrapony àry ireo nikatsaka izay hiadanan’i Jerosalema sy izay hahasoa azy. (Sl 122:6-9) Teo amin’ireo tendrombohitr’i Joda no nisy an’i Jerosalema, ka azo antoka fa tena nanerinerina izy io. Ny tena nahatonga an’i Jerosalema hanerinerina sy ho kanto anefa dia noho i Jehovah Andriamanitra nanaja sy nanome voninahitra azy io, mba “ho satroboninahitra tsara tarehy” ho an’i Jehovah.​—Sl 48:1-3, 11-14; 50:2; Is 62:1-7.

Ny zavaboary manan-tsaina no tena afaka midera sy manao ny sitrapon’i Jehovah. Tsy ireo trano tao Jerosalema àry no nahatonga an’i Jehovah hampiasa foana an’ilay tanàna, fa ny olona tao, ny mpitondra sy ny vahoaka, ny mpisorona sy ny sarambabem-bahoaka. (Sl 102:18-22; Is 26:1, 2) Notahin’i Jehovah sy narovany i Jerosalema, raha mbola nanome voninahitra ny anarany sy tsy nivadika taminy ny olona tao, na tamin’ny tenin’izy ireo na tamin’ny nataony. (Sl 125:1, 2; Is 31:4, 5) Vetivety anefa dia tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony ny vahoaka sy ny mpanjaka tao, satria nivadi-pinoana ny ankamaroany. Nilaza àry i Jehovah fa holaviny ilay tanàna nitondra ny anarany. (2Mp 21:12-15; 23:27) Hesoriny ao amin’ilay tanàna ny “andry sy tohana rehetra ianteheran’izy ireo”, ka hanjary ho feno olona loza be sy tanora maditra ao, hatao tsinontsinona ny olona tokony hohajaina, ary hietry sy ho afa-baraka i Jerosalema. (Is 3:1-8, 16-26) Naverin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny laoniny ilay tanàna, 70 taona taorian’ny nandravan’i Babylona azy io, ary lasa tsara tarehy indray noho izy io foiben’ny fivavahana madio teto an-tany. (Is 52:1-9; 65:17-19) Mbola nivadi-pinoana indray anefa ny vahoaka sy ny mpitondra tao.

Tsy navelan’i Jehovah ho rava ilay tanàna mandra-pahatongan’ny Zanany teto an-tany. Mbola tokony ho eo mantsy izy io mba hahatanteraka ny faminaniana momba ny Mesia. (Is 28:16; 52:7; Za 9:9) Nivadi-pinoana ny Israely ka nofantsihan’izy ireo tamin’ny hazo fijaliana mihitsy aza i Jesosy Kristy, ilay Mesia. (Ampit. Mt 21:33-41.) Tao Jerosalema izany no nitranga, ka ireo mpitondra an’ilay firenena no nanao izany ary notohanan’ny vahoaka. Nolavin’Andriamanitra tanteraka àry ilay tanàna ka tsy mahazo misolo tena azy na mitondra ny anarany intsony. (Ampit. Mt 16:21; Lk 13:33-35.) Tsy nilaza mihitsy i Jesosy sy ny apostoliny hoe haverin’Andriamanitra amin’ny laoniny i Jerosalema sy ny tempoliny aorian’ny taona 70 naharavan’ilay tanàna, araka ny didim-pitsaran’Andriamanitra.

Mbola hilazana zavatra tsara kokoa noho ilay tanàna teto an-tany anefa ny hoe Jerosalema. Notarihin’ny fanahy masina ny apostoly Paoly ka nilaza fa misy “Jerosalema [iray] any ambony”, ary io no ‘renin’ny’ Kristianina voahosotra. (Ga 4:25, 26) I “Jerosalema any ambony” àry no vadin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Ray be voninahitra sady Mpanome Aina. Fony i Jerosalema renivohitr’ilay firenena nofidin’Andriamanitra teto an-tany, dia noharina tamin’ny vehivavy koa izy io, izany hoe vadin’Andriamanitra vita fifanekena masina taminy. (Is 51:17, 21, 22; 54:1, 5; 60:1, 14) Izy io àry no nentina hilazana ny fiangonana na fitambaran’ny olombelona rehetra manompo an’Andriamanitra. Noho izany i “Jerosalema any ambony” dia ny fiangonana na ny fitambaran’ny zavaboary ara-panahy rehetra manompo an’i Jehovah sy tsy mivadika aminy.

Jerosalema Vaovao. Niresaka momba an’i “Jerosalema vaovao” ny apostoly Jaona rehefa notarihin’ny fanahy masina hanoratra ny bokin’ny Apokalypsy. (Ap 3:12) Hitany tao amin’ny fahitana iray io “tanàna masina” io, izay “nidina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitra sady efa voaomana tahaka ny ampakarina mihaingo hihaona amin’ny vadiny.” Mifandray io fahitana io sy ilay fahitana momba ny “lanitra vaovao sy tany vaovao.” Voalaza fa ny “vadin’ny Zanak’ondry” ilay “ampakarina.” (Ap 21:1-3, 9-27) Fantatra avy amin’ny tenin’ny apostoly hafa fa ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra koa izy io. (2Ko 11:2; Ef 5:21-32) Lazain’ny Apokalypsy toko faha-14 fa nitsangana teo amin’ny Tendrombohitra Ziona (anarana ilazana koa an’i Jerosalema; ampit. 1Pe 2:6) “ny Zanak’ondry” (Kristy Jesosy) niaraka tamin’ny 144 000, izay nanana ny anaran’ny Zanak’ondry sy ny anaran’ny Rainy voasoratra teo amin’ny handrin’izy ireo.​—Ap 14:1-5; jereo JEROSALEMA VAOVAO.

I Jerosalema nivadika. Betsaka ny andinin-teny manameloka an’i Jerosalema. Rehefa tsy nivadika ihany àry io tanàna io vao nifanitsy tamin’ilay ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah, ary indraindray tamin’ny tena fiangonana kristianina, izany hoe ny “Israelin’Andriamanitra.” (Ga 6:16) Noharina tamin’ny mpivaro-tena sy vehivavy mpanitsakitsa-bady i Jerosalema, rehefa nivadika. Lasa toa an’ireo Amorita sy Hitita mpanompo sampy izay nonina teo taloha izy amin’izay. (Ezk 16:3, 15, 30-42) Ilazana an’ireo mpivadi-pinoana àry ny Jerosalema toy izany, dia ‘mpivaro-tena’ iray mivadika amin’Andriamanitra, nefa mihambo ho mitondra ny anarany.​—Jk 4:4.

Asehon’izany rehetra izany fa manana heviny maro ny hoe “Jerosalema”, fa ny andinin-teny manodidina no ahafantarana izay tena tokony ho heviny.​—Jereo FE-POTOANA VOATONDRO HO AN’NY HAFA FIRENENA.