Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA MAHALIANA

Jerosalema Tamin’ny Taonjato Voalohany

Jerosalema Tamin’ny Taonjato Voalohany

TSY toy ny tamin’ny taonjato voalohany intsony i Jerosalema ankehitriny. Azo nofantarina ihany anefa ireo toerana niavaka tao an-tanàna, rehefa nojerena ireo zavatra nofongarina tao. Mety hanampy an’izay mianatra Baiboly izany, mba hahazo sary an-tsaina izay nitranga tao Jerosalema nandritra ny fanompoan’i Jesosy sy ny apostoliny.

Nampianatra ny vahoaka tao amin’ny faritra nisy ny tempoly i Jesosy rehefa tany Jerosalema, tamin’ny andro fety. (Jn 7:14, 28; 18:20) Rehefa maty izy ka natsangana tamin’ny maty, dia nofenoin’ny mpianany ‘tamin’ny fampianaran’izy ireo i Jerosalema.’ (As 5:28) Tao aloha izy ireo no nitory, ary niely hatrany “amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany” izany avy eo.​—As 1:8.

Ny zavatra nataon’i Jesosy sy ny mpianany no hampiharihary raha hanaiky an’ilay Mesia nirahin’i Jehovah ilay firenena na tsia. Ho hita amin’izany koa raha hiaiky izy ireo hoe tena mila ny Fanjakan’Andriamanitra. Nisy ihany nino an’i Jesosy, fa maro no tsy nino. Tena niharihary fa tsy nanam-pinoana ilay firenena satria nofantsihany teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy, ary nanohana izany ny vahoaka tao Jerosalema. Tanteraka tokoa àry izay nolazain’i Jesosy mialoha, ka rava ilay tanàna tamin’ny taona 70.​—Lk 19:41-44.

SARITANY: Jerosalema Tamin’ny Taonjato Voalohany

KISARY: Faritra Nisy ny Tempoly. Mety ho hoatr’izao ny tempoly tao Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany

Namandrika an’i Jesosy tamin’ny resaka hetra ho an’i Kaisara ireo olona nokaramain’ny Fariseo

Vola denaria misy sarin’i Tiberio Kaisara