Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jerosalema Vaovao

Jerosalema Vaovao

Anarana miverina indroa monja ao amin’ny Baiboly, ary ao amin’ny Apokalypsy ihany. (Ap 3:12; 21:2) Nahazo fahitana maromaro ny apostoly Jaona, ary anisan’izany ny fandravana an’i Babylona Lehibe. Taorian’izay, dia hoy izy: “Hitako koa ilay tanàna masina, dia i Jerosalema Vaovao, nidina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitra sady efa voaomana tahaka ny ampakarina mihaingo hihaona amin’ny vadiny.”​—Ap 21:2.

Ny vadin’ny Zanak’ondry. Fantatra hoe iza ilay Jerosalema Vaovao, rehefa jerena ny andininy hafa. “Tahaka ny ampakarina” izy io. Hoy koa i Jaona: “Tonga ny iray tamin’ny anjely fito ... Dia hoy izy tamiko: ‘Avia atỳ fa hasehoko anao ny ampakarina, vadin’ny Zanak’ondry.’ Koa nentiny tamin’ny herin’ny fanahy nankeo amin’ny tendrombohitra lehibe sady avo aho, dia nasehony ahy i Jerosalema, ilay tanàna masina, izay nidina avy any an-danitra avy tamin’Andriamanitra, sady nanana ny voninahitr’Andriamanitra. Toy ny vatosoa faran’izay tsara ny famirapiratany, dia tahaka ny vato jaspa mamirapiratra toy ny kristaly.”​—Ap 21:9-11.

Vadin’iza i Jerosalema Vaovao? Vadin’ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra. I Jesosy Kristy ilay Zanak’ondry, ary ny rany no nalatsaka mba hamonjena ny olombelona. (Jn 1:29; Ap 5:6, 12; 7:14; 12:11; 21:14) Iza àry i Jerosalema Vaovao? Ny fiangonana kristianina be voninahitra. Toy ny hoe “virjiny madio” hatolotra ho an’i Kristy mantsy izy io, raha mbola eto an-tany. (2Ko 11:2) Noharin’ny apostoly Paoly tamin’ny vehivavy manambady ny fiangonana kristianina, ka i Kristy no Vadiny sy Lohany.​—Ef 5:23-25, 32.

Hoy koa i Kristy momba ireo tsy mivadika ka mandresy: “Hosoratako eo aminy ny anaran’Andriamanitro sy ny anaran’ny tanànan’Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao izay midina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitro, ary hosoratako eo koa ilay anarako vaovao.” (Ap 3:12) Mitondra ny anaran’ny vadiny ny vehivavy any amin’ny tany sasany. Ilay ampakarina ihany àry ireo 144 000 mitsangana eo amin’ny Tendrombohitra Ziona miaraka amin’ny Zanak’ondry, satria manana ny anaran’ny Zanak’ondry sy ny anaran’ny Rainy voasoratra eo amin’ny handriny izy ireo.​—Ap 14:1.

Nahoana no tsy tanàna any Israely ilay “Jerosalema Vaovao”?

Any an-danitra i Jerosalema Vaovao fa tsy eto an-tany, satria midina ‘avy any an-danitra avy amin’Andriamanitra.’ (Ap 21:10) Tsy tanàna misy arabe sy trano aorin’olombelona eo amin’izay nisy an’i Jerosalema fahiny (rava tamin’ny taona 70) àry izy io. “Olom-pirenen’ny lanitra” ireo anisan’ilay ampakarina, ary manantena hahazo “lova tsy mety simba sy tsy misy loto ary maharitra.” ‘Voatahiry any an-danitra ho azy ireo’ ilay lova, hoy ny apostoly Petera.​—Fi 3:20; 1Pe 1:4.

Namorona “lanitra vaovao sy tany vaovao” i Jehovah tamin’ny 537 T.K., rehefa niverina tany Jerosalema ny sisa tamin’ny Jiosy natao sesitany tany Babylona. (Is 65:17) I Zerobabela Governora (taranak’i Davida) sy Josoa Mpisoronabe tao Jerosalema no “lanitra vaovao” tamin’izay. (Hg 1:1, 14; jereo LANITRA [Lanitra vaovao sy tany vaovao].) I Jerosalema Vaovao sy Kristy izay mpanjaka ao amin’io tanàna an’ohatra io kosa no “lanitra vaovao” hitondra ny “tany vaovao”, na ny olombelona eto an-tany.

Tanàna an’ohatra any an-danitra tokoa ilay Jerosalema Vaovao, rehefa jerena ny refiny sy ny famirapiratany. Efamira ilay izy, ka 555 km eo ho eo ny lafiny tsirairay, izany hoe 2220 km eo ho eo na 12 000 stadio ny manodidina. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny haavony. Tsy misy olona mahavita manorina tanàna avo be toy izany. Mirefy 144 hakiho (64 m) ny haavon’ny mandany. Vita amin’ny jaspa ilay manda, ary vatosoa 12 tena tsara tarehy no fototra: Jaspa, safira, kalsedoanina, emeraoda, sardoniksa, sardoanina, krizolita, berila, topaza, krizopazy, hiasinta ary ametista. Misy ny anaran’ny apostoly 12 nofidin’ny Zanak’ondry ireo vato fototra 12. Be voninahitra koa anefa ilay tanàna, satria “volamena tsy misy fangarony tahaka ny fitaratra madio.” “Volamena tsy misy fangarony tahaka ny fitaratra tantera-pahazavana” koa ny lalambeny.​—Ap 21:12-21.

Fitondrana madio sy mahasoa. Misy 12 ny vavahady fidirana ao amin’i Jerosalema Vaovao, ka telo isaky ny lafiny tsirairay. Perla ngezabe ny vavahady tsirairay. Tsy hohidiana mihitsy ireo vavahady, nefa “tsy hiditra ao mihitsy izay zavatra tsy masina sy izay mpanao zava-maharikoriko sy mpandainga, fa izay voasoratra ao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana ihany, dia ny horonam-bokin’ny Zanak’ondry.” Masina ilay tanàna nefa tsy misy tempoly, satria i “Jehovah Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra, sy ny Zanak’ondry, no tempoliny.” Tsy mila ny ‘masoandro na ny volana mba hanazava azy ilay tanàna, fa ny voninahitr’Andriamanitra no manazava azy, ary ny Zanak’ondry no jirony.’ Hahasoa an’ireo firenena ny fitondran’izy io, satria “handeha amin’ny fahazavan’ilay tanàna” izy ireo.​—Ap 21:22-27.