Jesana
(Jesàna) [[Tanàna] Tranainy].
Toerana voatonona miaraka amin’i Mizpa. Ireo toerana ireo no manampy ahalalana ny toerana nisy an’ilay vato napetrak’i Samoela, izay nantsoiny hoe “Ebenezera.” (1Sa 7:12) I Jesana dia anisan’ny tanàna nalain’i Abia mpanjakan’ny Joda (980-978 T.K.) avy tamin’i Jeroboama mpanjakan’ny Israely. (2Ta 13:19) Voalaza fa i Jesana ihany ilay Isana nolazain’i Josèphe fa toerana nandresen’i Heroda Lehibe ny Jeneraly Pappus. (Rakitry ny Ela Jiosy, XIV, 458 [xv, 12]) Toa mbola ahitana ny anaran’i Isana ao amin’ny hoe Burj el-Isaneh, tokony ho 8 km any avaratra avaratratsinanan’i Betela. Misy milaza àry fa mety ho tany no nisy an’i Jesana fahiny.