Jese
(Jesè) [fanafohezana ny hoe Jisia, izay midika hoe “Mampanadino i Jehovah”; na mety ho fanafohezana ny hoe Abisay].
Rain’i Davida Mpanjaka, izay avy amin’ny fokon’i Joda. Zafikelin’i Rota sy Boaza i Jese ary taranak’i Abrahama sady anisan’ny razamben’i Jesosy. (Rt 4:17, 22; Mt 1:5, 6; Lk 3:31, 32) Niteraka valo lahy i Jese. Toa maty tsy nitera-dahy anefa ny iray, ka izany angamba no antony tsy ahitana ny anaran’izy io ao amin’ny tetirazana ao amin’ny bokin’ny Tantara. (1Sa 16:10, 11; 17:12; 1Ta 2:12-15) Nanana anabavy roa i Davida, dia i Abigaila sy Zeroia. Tsy voalaza hoe zanakavavin’i Jese izy ireo, fa ny iray ihany no nantsoina hoe “zanakavavin’i Nahasy.” (1Ta 2:16, 17; 2Sa 17:25) Iza io Nahasy io? Angamba izy io lehilahy iray efa nanambady ny vadin’i Jese, ka midika izany fa anabavin’ny zanakalahin’i Jese i Abigaila sy Zeroia, saingy hafa ray. Mety hoe anarana hafa niantsoana an’i Jese koa anefa ilay hoe Nahasy, na anaram-behivavy mihitsy aza, izany hoe anaran’ny vadin’i Jese, araka ny lazain’ny olona sasany.
Mpiompy ondry tany Betlehema i Jese. Rehefa niala tamin’ny fivavahana marina i Saoly Mpanjaka, dia naniraka an’i Samoela ho any an-tranon’i Jese i Jehovah mba hanosotra ny zanany lahy iray 1Sa 16:1-13.
ho mpanjaka. Nentin’i Jese teo anatrehan’i Samoela ny zanany fito lahy zokiny, nefa tsy nisy nofidin’i Jehovah izy ireo. Tsy maintsy nantsoina tany am-piandrasana ondry àry i Davida, ilay faralahy, ary izy no nofidin’i Jehovah.—Nantsoin’i Saoly hitendry harpa i Davida tatỳ aoriana mba hanamaivamaivana azy. Efa antitra i Jese tamin’izay. Nampitondra fanomezana be dia be ho an’i Saoly izy, ary navelany hijanona elaela tany an-dapa i Davida mba hanompo an’i Saoly. (1Sa 16:17-23; 17:12) Toa niverina niandry ondry indray i Davida, tatỳ aoriana. Nirahin’i Jese izy mba hanatitra vatsy ho an’izy telo lahy zokiny indrindra, izay tao amin’ny tafik’i Saoly. (1Sa 17:13, 15, 17, 18, 20) Nialokaloka tany Moaba i Jese sy ny vadiny, nandritra ny fotoana nanenjehan’i Saoly an’i Davida.—1Sa 22:3, 4.
Matetika no niantso an’i Davida hoe “zanak’i Jese” ny olona sasany, mba hanambaniana azy. Anisan’ireny i Saoly, Doega, Nabala, ary Sheba. (1Sa 20:27, 30, 31; 22:7-9, 13; 25:10; 2Sa 20:1; 1Mp 12:16; 2Ta 10:16) Tamim-panajana kokoa anefa indraindray no niantsoana an’i Davida hoe “zanak’i Jese.” Nanao toy izany, ohatra, ny tenany, Ezra, ary Jehovah Andriamanitra.—1Sa 16:18; 17:58; 2Sa 23:1; 1Ta 10:14; 12:18; 29:26; Sl 72:20; Lk 3:32; As 13:22.
Nilaza ny faminaniana fa “hitsangana ho toy ny tsato-kazo famantarana ho an’ireo firenena” ny “fakan’i Jese” ary hitsara araka ny rariny. Tanteraka amin’i Kristy Jesosy izany. Tsy mety maty izy ka tsy ho foana mihitsy ny taranak’i Jese.—Is 11:1-5, 10; Ro 15:8, 12.