Jesimona
(Jesimôna) [Tany Efitra].
1. Tany efitra mangadihady, toa teo amin’ny zorony avaratratsinanan’ny Ranomasina Maty. Tao amin’io faritra io angamba no nisy an’i Beti-jesimota. Azo inoana fa tazana avy eny an-tampon’i Pisga sy Peora i Jesimona.—No 21:20; 23:28; Js 12:1-3.
2. Faritra tany akaikin’i Zifa, tany avaratry ny Tany Efitr’i Maona. Toa nisy ampahany tamin’ny Tany Efitr’i Joda tafiditra tao amin’i Jesimona, izay teo atsimoatsinanana kelin’i Hebrona. Tanifotsy mangadihady ireo havoana any. Tany i Davida sy ireo lehilahy niaraka taminy no niafina an’i Saoly Mpanjaka.—1Sa 23:19, 24; 26:1, 3; jereo JODA, TANY EFITR’I.