Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jesosy Kristy

Jesosy Kristy

JESOSY KRISTY

Anarana sy anaram-boninahitry ny Zanak’Andriamanitra, taorian’ny nanosorana azy tamin’ny fanahy masina.

Mitovitovy amin’ilay anarana hebreo hoe Jesoa (na Josoa), izay midika hoe “I Jehovah dia Famonjena”, ilay hoe Jesosy (gr.: Iesos). Maro ny olona nanana anarana hoe Jesosy tamin’ny androny. Nampiana teny kely àry izy io matetika mba hanavahana azy, ka nantsoina hoe “Jesosy avy any Nazareta” izy. (Mr 10:47; As 2:22) Ny hoe Kristy kosa dia avy amin’ny teny grika hoe Kristôs, izay mitovy amin’ilay teny hebreo hoe Mashiah (Mesia), ary midika hoe “Voahosotra.” Efa nisy olona talohan’i Jesosy nolazaina fa “voahosotra”, toa an-dry Mosesy sy Arona ary Davida. (He 11:24-26; Le 4:3; 8:12; 2Sa 22:51) Misy itovizana amin’ny andraikitra sy fanompoana ary toerana notanan’izy ireo ny an’i Jesosy Kristy, saingy ho ambony kokoa. Tena niavaka àry i Jesosy ary izy irery ihany no “Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona.”—Mt 16:16; jereo KRISTY; MESIA.

Talohan’ny naha olombelona azy. Tsy teto an-tany akory vao nisy i Jesosy Kristy. Izy mihitsy no nilaza fa efa nisy tany an-danitra izy. (Jn 3:13; 6:38, 62; 8:23, 42, 58) Voalaza ao amin’ny Jaona 1:1, 2 ny anarany tamin’izay: “Tany am-piandohana ny Teny [gr.: Lôgôs], ary ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra, ary ny Teny dia andriamanitra [“fanahy tahaka an’Andriamanitra”, AT; Mo]. Niaraka tamin’Andriamanitra izy tany am-piandohana.” Ny hoe “tany am-piandohana” eto dia tamin’i Jehovah nanomboka namorona, fa tsy tamin’izy nanomboka nisy. Efa nisy foana mantsy izy sady tsy nanam-piandohana. (Sl 90:2; Ap 15:3) Manamarina izany ny andinin-teny hafa milaza fa i Jesosy no “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra”, sy “ilay fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra.” (Kl 1:15; Ap 1:1; 3:14) Ny Teny (i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy) àry no zavaboary noforonin’Andriamanitra voalohany, izany hoe ny Zanany lahimatoa.

I Jehovah no Rainy sady Mpanome aina azy. Midika izany fa anisan’ny zavaboarin’Andriamanitra i Jesosy. Niaiky mantsy izy fa Andriamanitra no nanome aina azy. Hoy izy: “Velona aho noho ny Ray.” Midika izany fa avy amin’io Rainy io ny ainy na hoe Izy no nahatonga azy ho velona. Toy izany koa fa ho velona ny olombelona noho ny finoany ny sorom-panavotan’i Jesosy.—Jn 6:56, 57.

Raha marina ny tombantomban’ny mpahay siansa momba ny fotoana nisian’izao rehetra izao, dia efa an’arivony tapitrisa taona talohan’ny namoronana ny olombelona no nisian’i Jesosy. (Ampit. Mi 5:2.) Anjely io Zanaka lahimatoa io tamin’izany, ary nampiasain-dRainy tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra (Jn 1:3; Kl 1:16, 17), anisan’izany ireo anjely an-tapitrisany zanak’i Jehovah Andriamanitra any an-danitra (Da 7:9, 10; Ap 5:11), sy izao rehetra izao hita maso ary ireo zavamananaina eo aminy. Azo inoana àry fa io Zanany io no nilazan’i Jehovah hoe: “Andeha isika hanao olona araka ny endritsika, misy itovizana amintsika.” (Ge 1:26) Tsy hoe noforonina “tamin’ny alalany” fotsiny ireo rehetra ireo, fa natao “ho azy” koa, satria izy no Lahimatoan’Andriamanitra sady “mpandova ny zava-drehetra.”—Kl 1:16; He 1:2.

Tsy Mpamorona mitovy amin’Andriamanitra. Nandray anjara tamin’ny famoronana ilay Zanaka, kanefa tsy hoe Mpamorona mitovy amin’ny Rainy izy. Avy amin’Andriamanitra mantsy ny hery nentina namorona, satria ny fanahiny masina no hery nampiasainy. (Ge 1:2; Sl 33:6) I Jehovah no ahaveloman’ny zavaboary rehetra, na ny hita maso na ny tsy hita, satria Izy no Loharanon’aina. (Sl 36:9) Tsy Mpamorona mitovy aminy àry ilay Zanany, fa tamin’ny alalan’izy io fotsiny no namoronany ny zavaboary. Na i Jesosy aza niaiky fa Andriamanitra no Mpamorona, toy ny voalazan’ny Baiboly ihany.—Mt 19:4-6; jereo FAMORONANA, ZAVABOARY.

Antsoina hoe fahendrena. Mifanaraka tsara amin’izay lazain’ny Baiboly momba ny Teny, ny voalazan’ny Ohabolana 8:22-31. Aseho ho toy ny olona miteny sy manao zavatra ny fahendrena ao. (Oh 8:1) Mpanoratra maro nitonona ho Kristianina tamin’ireo taonjato voalohandohany taorian’i Kristy no nahatakatra fa ilay Zanak’Andriamanitra talohan’ny naha olombelona azy, io fahendrena io. Mifanaraka amin’izay efa hitantsika teo aloha ny filazan’ny Ohabolana hoe i Jehovah no “namorona” an’io Zanany io “ho fiandohan’ny asa famoronany, ho voalohany indrindra amin’ny zava-bitany fahiny”, sy hoe “mpiasa tena mahay teo anilany” izy io tamin’izy namorona ny tany. Marina fa amin’ny endriny milaza vavy foana ny hoe “fahendrena” amin’ny teny hebreo (avahany ny azy ny endriny milaza lahy sy ny endriny milaza vavy toy ny hita amin’ny fiteny maro), anisan’izany ilay resahin’ny Ohabolana. Azo ilazana ny Zanaka lahimatoan’Andriamanitra ihany anefa izy io. Amin’ny endriny milaza vavy koa mantsy ny teny grika nadika hoe “fitiavana” ao amin’ilay hoe “Andriamanitra dia fitiavana.” (1Jn 4:8) Tsy midika anefa izany fa vehivavy Andriamanitra. Niantso ny tenany hoe kôhelet (mpamory vahoaka; Mpto 1:1) koa i Solomona, izay nanoratra ny ampahany lehibe amin’ny Ohabolana (Oh 1:1), na dia amin’ny endriny milaza vavy aza io teny io.

Miharihary amin’ny atao ny fahendrena. Ahitana ny fahendren’Andriamanitra, ohatra, ny zavatra noforoniny (Oh 3:19, 20) tamin’ny alalan’ny Zanany. (Ampit. 1Ko 8:6.) Miharihary amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany koa fa feno fahendrena ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona. Nilaza àry ny apostoly Paoly fa amin’ny alalan’i Kristy no isehoan’ny “herin’Andriamanitra sy ny fahendren’Andriamanitra”, ary i Kristy Jesosy no “tonga fahendrena avy amin’Andriamanitra ho antsika, sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanafahana amin’ny alalan’ny vidim-panavotana.”—1Ko 1:24, 30; ampit. 1Ko 2:7, 8; Oh 8:1, 10, 18-21.

‘Zanaka lahitokana.’ Antsoina hoe ‘Zanaka lahitokana’ i Jesosy (Jn 1:14; 3:16, 18; 1Jn 4:9), nefa antsoina hoe zanak’Andriamanitra koa ny anjely. (Ge 6:2, 4; Jb 1:6; 2:1; 38:4-7) Tsy manan-tsahala anefa ilay Zanaka lahimatoa, satria izy ihany no noforonin’ny Rainy mivantana, fa ny zanany hafa rehetra kosa noforonin’i Jehovah tamin’ny alalany. Manana heviny manokana àry ilay hoe ‘Zanaka lahitokan’i’ Jehovah “ny Teny”, tsy misy hafa amin’ny hoe ‘zanaka lahitokan’i’ Abrahama i Isaka (efa nanan-janaka hafa i Abrahama tamin’izay, saingy tsy tamin’i Saraha vadiny).—He 11:17; Ge 16:15.

“Ny Teny.” Toa ny anjara asan’ilay Zanaka lahimatoan’Andriamanitra taorian’ny namoronana ny zavaboary manan-tsaina hafa, no tiana haseho amin’ilay anarana (na angamba anaram-boninahitra) hoe “ny Teny.” (Jn 1:1) Mitovitovy amin’izany ny anjara asan’i Arona, araka ny tenin’i Jehovah tamin’i Mosesy rahalahiny hoe: “Izy no hiteny amin’ny vahoaka hisolo anao. Koa ho vava ho anao izy, ary ianao kosa ho Andriamanitra eo anatrehany.” (Ek 4:16) ‘Vava ho an’i’ Mosesy tokoa i Arona, satria izy no mpitondra tenin’ilay solontenan’Andriamanitra tetỳ an-tany tamin’izany. Mpitondra Teny koa ny Teny, na Logos, izay fantatra tatỳ aoriana tamin’ny hoe Jesosy Kristy. Io Zanany io mantsy no nampiasain’i Jehovah mba hampita toromarika sy fanazavana tamin’ireo zanany hafa tany an-danitra sy tamin’ny olombelona tetỳ an-tany. Nilaza tamin’ny Jiosy i Jesosy fa izy no Tenin’Andriamanitra na Mpitondra Teniny: “Tsy ahy ny fampianarako, fa an’ilay naniraka ahy. Raha misy olona te hanao ny sitrapon’Andriamanitra, dia ho fantatr’izany olona izany raha avy amin’Andriamanitra ny fampianarako, na miteny araka ny nahim-poko fotsiny aho.”—Jn 7:16, 17; ampit. Jn 12:50; 18:37.

Azo antoka fa efa imbetsaka ny Teny, na i Jesosy, no nirahin’i Jehovah ho Mpitondra Teniny tetỳ an-tany, talohan’ny naha olombelona azy. Misy andinin-teny milaza fa toa niresaka mivantana tamin’olona i Jehovah. Ny andininy hafa kosa anefa manazava fa nampiasa anjely izy. (Ampitahao ny Ek 3:2-4 sy ny As 7:30, 35, ary ny Ge 16:7-11, 13; 22:1, 11, 12, 15-18.) Azo inoana fa matetika ny Teny no nampitondrain’Andriamanitra ny teniny tamin’ireny fotoana ireny. Izany koa angamba no nataon’i Jehovah tany Edena. Intelo mantsy ny Baiboly no mitantara an’izay noresahin’Andriamanitra tany, nefa indroa no voalaza fa nisy niresahany, izay tsy iza fa ny Zanany. (Ge 1:26-30; 2:16, 17; 3:8-19, 22) Mety ho ny Teny, na ny Zanak’Andriamanitra, koa ilay anjely nitarika ny Israelita tany an-tany efitra. Nodidiana hankatò ny teniny izy ireo, satria ‘ao aminy ny anaran’i Jehovah.’—Ek 23:20-23; ampit. Js 5:13-15.

Tsy ny Teny irery ihany anefa no anjely nampitondrain’i Jehovah ny teniny. Voalaza, ohatra, fa nampitain’ny anjely tamin’i Mosesy ny fifaneken’ny Lalàna. (As 7:53; Ga 3:19; He 2:2, 3) Tsy ilay Lahimatoan’Andriamanitra anefa ireo anjely ireo.

Mbola antsoina hoe “Ny Tenin’Andriamanitra” i Jesosy amin’izy efa any an-danitra izao.—Ap 19:13, 16.

Nahoana no misy Baiboly milaza an’i Jesosy hoe “Andriamanitra”, nefa ny hafa manao azy hoe “andriamanitra”?

Misy Baiboly mandika ny Jaona 1:1 hoe: “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.” Toy izao kosa izy io, raha adika ara-bakiteny avy amin’ny teny grika: “Tamin’ny voalohany ny teny, ary ny teny nitodika tany amin’ny andriamanitra, ary andriamanitra ny teny.” Anjaran’ny mpandika teny avy eo ny manao sora-baventy ny litera sasany, raha ilaina. Mety tsara, ohatra, raha atao sora-baventy ny ‘a’ amin’ilay “andriamanitra” voalohany, satria ilay Andriamanitra Mahery Indrindra io voaresaka io. Tsy misy antony kosa tokony hanaovana sora-baventy an’ilay ‘andriamanitra’ faharoa.

Toy izao no andikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao an’io andininy io: “Tany am-piandohana ny Teny, ary ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra, ary ny Teny dia andriamanitra.” Voalaza eo fa “niaraka tamin’Andriamanitra” ny Teny. Tsy Andriamanitra àry izy, izany hoe tsy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. (Mariho koa ny Jn 1 and. 2, izay tsy ho nilaina raha te hilaza ny Jn 1 and. 1 fa ny Teny ihany no Andriamanitra.) Tsy misy mpanoritra voafaritra (gr.: ) koa eo anoloan’ilay teny hoe “andriamanitra” (gr.: teôs) faharoa. Hoy i Ernst Haenchen momba izany, rehefa nanazava ny Filazantsaran’i Jaona (toko 1-6) izy: “Tsy mitovy ny hevitry ny hoe [teôs] sy [hô Teôs] (‘andriamanitra’ sy ‘ilay Andriamanitra’) ao amin’io fehezanteny io. ... Tamin’ilay mpanoratra ny Filazantsara mantsy dia ny Ray ihany no ‘Andriamanitra’ ([hô Teôs]; ampit. Jn 17:3), fa ‘ny Zanaka’ kosa ambany noho Izy (ampit. Jn 14:28). Tsy milaza mivantana an’izany anefa io fehezanteny io, satria ny fifandraisana akaiky nisy teo amin’izy mianaka no asongadiny eto. ... Mety hilaza ny Jiosy na ny Kristianina mino Andriamanitra tokana fa nisy fanahy tahaka an’Andriamanitra niaraka tamin’Andriamanitra sy teo ambany fahefany, fa tsy hilaza mihitsy izy hoe Andriamanitra izy ireny. Manamarina izany ny Fi 2:6-10. Milaza i Paoly ao fa nisy fanahy tahaka an’Andriamanitra lasa olombelona ary nantsoina hoe Jesosy Kristy. ... Ny firaisan-tsaina nisy teo amin’izy mianaka àry no tian’ny Filipianina sy Jaona 1:1 horesahina, fa tsy hoe iray ihany akory izy ireo.”—Jaona 1, nadikan’i R. Funk, 1984, p. 109, 110.

Nadikan’i Haenchen toy izao avy eo ny tapany farany amin’ny Jaona 1:1: “Ary andriamanitra (iray karazana amin’Andriamanitra) ny Teny.” Hoy koa izy: “Milaza toetra fotsiny eto ilay matoanteny grika en [nadikan’ny Baiboly malagasy hoe ‘dia’]. Tsy maintsy dinihina tsara àry ilay mpamari-toetra: Tsy mitovy mantsy ny hoe [teôs] sy [hô Teôs] (tsy mitovy ny hoe ‘tahaka an’Andriamanitra’ sy ‘Andriamanitra’).” (p. 110, 111) Nanazava momba ny firafitry ny fehezanteny ao amin’ny Jaona 1:1 koa i Philip Harner. Nilaza izy fa mpamari-toetra no hita ao, satria tsy misy mpanoritra eo anoloan’ny matoanteny. Midika izany, hoy izy, fa “manana toetra itovizana amin’ny teôs ilay lôgôs.” Hoy koa izy: “Tena mpamari-toetra mihitsy ilay ao amin’ny Jaona 1:1, ka tsy tokony hisy mpanoritra eo alohan’ilay teny [teôs].” (Gazetin’ny Haisoratra Ara-baiboly, 1973, p. 85, 87) Misy mpandika teny koa miaiky fa mpamari-toetra milaza ny mombamomba ny Teny ilay teny grika eo. Izao àry no andikan’izy ireo azy io: “Ny Teny dia andriamanitra.”—AT.

Mazava ny lazain’ny Soratra Hebreo hoe iray ihany no Andriamanitra Mahery Indrindra sy Mpamorona ny zava-drehetra ary Avo Indrindra. Jehovah no anarany. (Ge 17:1; Is 45:18; Sl 83:18) Izany no nilazan’i Mosesy tamin’ny firenen’Israely hoe: “I Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. Ary tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny herinao manontolo.” (De 6:4, 5) Tsy manohitra an’io fampianarana neken’ny mpanompon’Andriamanitra sy ninoany hatry ny ela io ny Soratra Grika Kristianina, fa vao mainka aza manamafy azy io. (Mr 12:29; Ro 3:29, 30; 1Ko 8:6; Ef 4:4-6; 1Ti 2:5) I Jesosy Kristy mihitsy no nilaza hoe: “Ny Ray dia lehibe noho izaho”, ary niantso an-dRainy hoe Andriamaniny, na “ilay hany tena Andriamanitra” izy. (Jn 14:28; 17:3; 20:17; Mr 15:34; Ap 1:1; 3:12) Matetika izy no nilaza fa ambany noho ny Rainy izy sady eo ambany fifehezany. (Mt 4:9, 10; 20:23; Lk 22:41, 42; Jn 5:19; 8:42; 13:16) Mbola izany ihany no nampianarin’ireo apostoly momba an’i Jesosy, na dia efa niakatra tany an-danitra aza izy.—1Ko 11:3; 15:20, 24-28; 1Pe 1:3; 1Jn 2:1; 4:9, 10.

Mety tsara àry ny nandikana ny Jaona 1:1 hoe: “Ny Teny dia andriamanitra.” Mety ny iantsoana ny Teny hoe “andriamanitra” na ilay mahery, satria miavaka ny toerana tanany. Izy mantsy no Lahimatoan’Andriamanitra sady Mpitondra Teniny, ary tamin’ny alalany no namoronana ny zava-drehetra. Nanambara mialoha ny Isaia 9:6 fa hantsoina hoe “Andriamanitra Mahery” ny Mesia, na dia tsy hoe Andriamanitra Mahery Indrindra aza. Ho “Ray Mandrakizay” ho an’ireo olom-peheziny koa izy. Ny hafanam-pon’ny Rainy, “Jehovah Tompon’ny tafika” no hanatanteraka izany. (Is 9:7) I Satana Devoly Fahavalon’Andriamanitra aza antsoina hoe ‘andriamanitra’ (2Ko 4:4), noho izy mifehy ny olombelona sy ny demonia. (1Jn 5:19; Lk 11:14-18) Vao mainka àry mety ny iantsoana an’ilay Zanaka lahimatoan’Andriamanitra hoe “andriamanitra”, na “ilay hany andriamanitra nateraka”, araka ny Jaona 1:18 ao amin’ireo Baiboly sora-tanana azo antoka indrindra.

Rehefa nisy niampanga an’i Jesosy ho ‘nanao ny tenany ho andriamanitra’, dia hoy izy: “Tsy voasoratra ao amin’ny Lalànareo ve hoe: ‘Hoy aho: “andriamanitra ianareo”’? Koa raha antsoiny hoe ‘andriamanitra’ ireo nomelohin’ny tenin’Andriamanitra, ary tsy azo foanana ny Soratra Masina, nahoana aho, izay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny ho amin’izao tontolo izao, no lazainareo hoe manevateva an’Andriamanitra satria aho nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra aho?” (Jn 10:31-37) Naka teny avy ao amin’ny Salamo 82 i Jesosy teo. Antsoina hoe “andriamanitra” mantsy ao ireo olombelona mpitsara nanao ny tsy rariny izay nomelohin’Andriamanitra. (Sl 82:1, 2, 6, 7) I Jesosy anefa tsy nilaza ny tenany ho Andriamanitra fa Zanak’Andriamanitra. Noporofoiny àry fa tsy nitombina mihitsy ny niampangana azy ho nanevateva an’Andriamanitra.

Ireto tenin’i Jesosy ireto no nahatonga an’ilay fiampangana: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany.” (Jn 10:30) Tsy nihambo ho nitovy tamin’ny Rainy na tamin’Andriamanitra anefa izy, araka ny valin-teniny efa noresahintsika kely teo. Manampy antsika hahazo ny hevitr’ilay hoe “iray” kosa ny teny manodidina. Niresaka ny amin’ny asa ataony sy ny fikarakarany an’ireo ‘ondry’ hanara-dia azy izy. Hita tamin’izay nataony sy nolazainy fa miray saina sy mifanaraka tsara izy sy ny Rainy, araka ny nasongadiny tao amin’ilay valin-teniny. (Jn 10:25, 26, 37, 38; ampit. Jn 4:34; 5:30; 6:38-40; 8:16-18.) Miray saina koa i Jesosy sy ny Rainy, satria samy miaro an’ireo olona azo oharina amin’ny ‘ondry’ ary samy mitarika azy ireo ho amin’ny fiainana mandrakizay. (Jn 10:27-29; ampit. Ezk 34:23, 24.) Nisy fotoana i Jesosy nivavaka mba ho iray ny mpianany rehetra, na ireo velona tamin’izany na ireo mbola ho avy. Raha nilaza àry izy fa iray ihany izy sy ny Rainy, dia tsy te hilaza akory izy hoe Andriamanitra iray ihany izy mianaka, fa hoe mitovy ny asany sy ny tanjony. Niriny ho “iray” amin’izay heviny izay koa ny mpianany rehetra.—Jn 17:20-23.

Tsy mahagaga àry raha nilaza tamin’i Tomasy i Jesosy hoe: “Raha nahalala ahy ianareo, dia ho efa nahalala ny Raiko koa. Fantatrareo izy manomboka izao, sady efa hitanareo.” Hoy koa izy tamin’i Filipo: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” (Jn 14:5-9) Nohazavainy avy eo ny anton’izany. Nilaza izy fa nisolo tena an-dRainy sy nitondra ny teniny ary nanao ny asany. (Jn 14:10, 11; ampit. Jn 12:28, 44-49.) Tamin’io alina talohan’ny nahafatesany io koa izy no niteny tamin’ny mpianany hoe: “Ny Ray dia lehibe noho izaho.”—Jn 14:28.

Misy andinin-teny hafa koa manampy antsika hahazo ny hevitr’ilay hoe “nahita” ny Ray ny mpianatra rehefa nahita an’i Jesosy. Nilaza tamin’i Esao, ohatra, i Jakoba hoe: “Nahita [ny endrikao] tokoa aho izao, ka toy ny hoe nahita ny tavan’Andriamanitra satria noraisinao tamim-pifaliana aho.” Nahoana izy no nilaza izany? Satria nifanaraka tamin’ny vavaka nataony ny fihetsik’i Esao. (Ge 33:9-11; 32:9-12) Hoy koa i Joba rehefa nitombo ny fahalalany, taorian’ny nanadihadian’Andriamanitra azy avy tao anaty tafio-drivotra: “Honohono fotsiny no nandrenesako ny momba anao, fa izao kosa dia ny masoko mihitsy no mahita anao.” (Jb 38:1; 42:5; jereo koa Mpts 13:21, 22.) Nampahiratina mantsy ny ‘mason’ny fony.’ (Ampit. Ef 1:18.) Tsy tokony horaisina ara-bakiteny àry ilay tenin’i Jesosy hoe nahita ny Ray ireo mpianatra, raha jerena ny Jaona 6:45. Hoy koa i Jaona, ela be taorian’ny nahafatesan’i Jesosy: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana, fa ilay hany andriamanitra nateraka, izay eo an-tratran’ny Ray, no nanazava ny aminy.”—Jn 1:18; 1Jn 4:12.

Nahoana i Tomasy no niantso an’i Jesosy hoe: “Ry Tompoko sy Andriamanitro”?

Nisalasala i Tomasy raha nitsangana tamin’ny maty tokoa i Jesosy. Rehefa niseho taminy sy ny apostoly hafa anefa i Jesosy, dia niaiky izy hoe: “Ry Tompoko sy Andriamanitro (hô Teôs)!” (Jn 20:24-29) Misy manam-pahaizana milaza fa taitra be, hono, i Tomasy nahita an’i Jesosy ka nahalaza ireo teny ireo taminy, nefa ilay Andriamanitra Rainy no tena niresahany. Misy indray milaza fa navantany tamin’i Jesosy mihitsy ireo teny ireo, raha jerena ny teny grika tany am-boalohany. Na atao hoe marina aza izany, dia tokony hifanaraka amin’ny andininy hafa ny hevitr’ilay hoe “Ry Tompoko sy Andriamanitro.” Azo inoana fa tsy nieritreritra mihitsy i Tomasy hoe i Jesosy no ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Nampilaza tamin’ireo mpianany mantsy i Jesosy taloha kelin’izay hoe: “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.” (Jn 20:17) Hoy koa i Jaona, rehefa avy nitantara an’iny fihaonan’i Tomasy tamin’i Jesosy iny sy ny zavatra maro hafa mitovitovy amin’iny: “Nosoratana anefa ireo mba hinoanareo fa i Jesosy no Kristy Zanak’Andriamanitra, ary mba hahazoanareo fiainana amin’ny anarany, satria mino ianareo.”—Jn 20:30, 31.

Mety ho niantso an’i Jesosy hoe “Andriamanitro” àry i Tomasy, satria “andriamanitra” mahery i Jesosy, fa tsy hoe ilay Andriamanitra Mahery Indrindra akory, na ilay “hany tena Andriamanitra” izay reny matetika nivavahan’i Jesosy. (Jn 17:1-3) Na mety ho niantso an’i Jesosy hoe “Andriamanitro” koa izy, toy ny nataon’ireo razambeny voatantara ao amin’ny Soratra Hebreo, izay fantatr’i Tomasy tsara. Taloha tokoa mantsy rehefa nisy olona notsidihin’ny anjelin’i Jehovah na niresahany, dia toy ny hoe tamin’i Jehovah Andriamanitra mihitsy ireny olona ireny no niresaka. (Ampit. Ge 16:7-11, 13; 18:1-5, 22-33; 32:24-30; Mpts 6:11-15; 13:20-22.) Nahoana? Satria nisolo tena an’i Jehovah sy niteny tamin’ny anarany ilay anjely, ka nampiasa mpisolo anarana hoe “aho.” Misy mihitsy aza nilaza hoe: “Izaho ilay Andriamanitra niseho taminao.” (Ge 31:11-13; Mpts 2:1-5) Mety ho niantso an’i Jesosy hoe “Andriamanitro” àry i Tomasy, satria nanaiky an’i Jesosy ho solontenan’ilay tena Andriamanitra sy mpitondra teniny izy. Azo antoka anefa fa tsy ho nanohitra an’ireto teny reny nolazain’i Jesosy ireto mihitsy izy: “Ny Ray dia lehibe noho izaho.”—Jn 14:28.

Ny nahaterahany tetỳ an-tany. Nitafy nofo ny anjely rehefa niseho tamin’olona, talohan’ny nahaterahan’i Jesosy tetỳ an-tany. Tsy nilainy intsony anefa ilay vatana rehefa vita ny iraka nampanaovina azy. (Ge 19:1-3; Mpts 6:20-22; 13:15-20) Fanahy foana àry izy ireo, fa vetivety ihany no nitafy nofo. Tsy toy izany kosa ny amin’ilay Zanak’Andriamanitra, rehefa tonga tetỳ an-tany izy. Hoy ny Jaona 1:14: “Tonga nofo àry ny Teny, ary nonina teo amintsika.” Izany no antony niantsoan’i Jesosy ny tenany hoe “Zanak’olona.” (Jn 1:51; 3:14, 15) Misy milaza fa ilay teny hoe “nonina [ara-bakiteny: tao amin’ny tranolay] teo amintsika” dia midika fa tsy tena olona, i Jesosy tamin’izy tetỳ, fa Andriamanitra nitafy nofo. Nampiasa ny teny hoe “tranolay” koa anefa ny apostoly Petera rehefa niresaka momba ny tenany, na dia tsy andriamanitra nitafy nofo aza izy!—2Pe 1:13, 14.

Hoy ny Baiboly: “Toy izao no nahaterahan’i Jesosy Kristy: Efa voafofo ho vadin’i Josefa i Maria renin’i Jesosy no nitoe-jaza noho ny herin’ny fanahy masina, raha mbola tsy niray trano izy roa.” (Mt 1:18) Efa nilaza tamin’i Maria, tovovavy virjiny, ny anjelin’i Jehovah, fa ho tonga aminy ny fanahy masina ary hanaloka azy ny herin’Andriamanitra, ka “hitoe-jaza” izy. (Lk 1:30, 31, 34, 35) Tena nitoe-jaza tokoa i Maria, ka midika izany fa toa nafindran’i Jehovah tao amin’ny tsirivavy tao an-kibon’i Maria ny ain’ilay Zanany avy any an-danitra. (Ga 4:4) Ilay Teny izay efa tany an-danitra ihany àry io zaza io, nefa koa tena zanak’i Maria. Midika izany fa tena taranak’i Abrahama, Isaka, Jakoba, Joda, ary Davida Mpanjaka razambeny izy io, ka mpandova ara-dalàna an’ireo fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’izy ireo. (Ge 22:15-18; 26:24; 28:10-14; 49:10; 2Sa 7:8, 11-16; Lk 3:23-34; jereo TETIRAZAN’I JESOSY KRISTY.) Jiosy ny renin’ilay zaza, ka azo inoana fa nisy itovizana tamin’ilay reniny izy.

Tsy lavorary sy mpanota i Maria, satria taranak’i Adama. Nahoana anefa no lavorary sy tsy nisy ota i Jesosy, zanany “lahimatoa”? (Lk 2:7) Marina fa efa mahalala zavatra betsaka momba ny lalàn’ny fandovan-toetra sy ny fototarazo ny manam-pahaizana, kanefa tsy hain’izy ireo hoe inona no vokany rehefa misy aina lavorary afindra ao an-kibon’ny vehivavy tsy lavorary, toy izay nitranga tamin’i Jesosy. Raha jerena ny fitantaran’ny Baiboly, dia toa foana tanteraka ny tsy fahalavorariana tao amin’ny tsirivavin’i Maria, rehefa nafindra tao ilay aina lavorary. Efa lavorary àry ilay zaza raha vao niforona tao am-bohoka. Tontosa ny fikasan’Andriamanitra noho ny fiasan’ny fanahiny masina. Nanaloka an’i Maria tokoa ny “herin’ny Avo Indrindra” araka ny efa nolazain’ny anjely Gabriela, ka masina ilay Zanak’Andriamanitra naterany. Toy ny manda nanodidina an’ilay zaza ny fanahy masina, ka voaro tamin’ny tsy fahalavorariana sy ny zava-dratsy hafa mety ho nanimba azy izy io.—Lk 1:35.

Ny fanahy masin’Andriamanitra no nahatonga an’i Jesosy hateraka ho olombelona. Ilay Rainy any an-danitra àry no tena nanome aina azy, fa ray nitaiza azy fotsiny i Josefa. (Mt 2:13-15; Lk 3:23) ‘Nanomana vatana ho azy’ i Jehovah Andriamanitra, araka ny Hebreo 10:5. Vao niforona tao an-kibo àry i Jesosy, dia efa ‘tsy nisy loto sy tafasaraka tamin’ny mpanota.’—He 7:26; ampit. Jn 8:46; 1Pe 2:21, 22.

Manana heviny an’ohatra àry ilay faminaniana momba ny Mesia ao amin’ny Isaia 52:14 hoe ‘nosimbana ny endriny.’ (Ampit. Is 52 and. 7 amin’io toko io ihany.) Lavorary ny bika aman’endrik’i Jesosy Kristy, fa noho izy sahy nitory ny fahamarinana no nahatonga azy ho naharikoriko teo imason’ireo mpanohitra mpihatsaravelatsihy. Nilaza izy ireo fa mpanompon’i Belzeboba izy, nisy demonia, ary mpamitaka sy mpanevateva an’Andriamanitra. (Mt 12:24; 27:39-43; Jn 8:48; 15:17-25) Tsy mahagaga koa raha toy ny fofona avy amin’ny fahafatesana ny hafatra notorin’ny mpianatr’i Jesosy ho an’izay nanda an’ilay hafatra, fa toy ny ‘hanitra’ kosa izany ho an’ireo nihaino tsara.—2Ko 2:14-16.

Daty nahaterahany, faharetan’ny fanompoany. Azo inoana fa tamin’ny volana Etanima (Septambra-Oktobra) taona 2 talohan’ny andro kristianina i Jesosy no teraka. Toa volana Etanima taona 29 koa izy no natao batisa, ary maty ny zoma 14 Nisana (Martsa-Aprily) taona 33, tamin’ny 3 ora tolakandro teo ho eo. Ireto no manaporofo izany:

Teraka enim-bolana teo ho eo taorian’ny nahaterahan’ilay havany atao hoe Jaona (Mpanao Batisa) i Jesosy. I Aogosto Kaisara no mpanjakan’i Roma tamin’izay (31 T.K.–14 A.K.), i Kyrenio no governora tany Syria (jereo FANISAM-BAHOAKA mba hahitana ny fotoana mety ho nitondran’i Kyrenio), ary efa hifarana ny fitondran’i Heroda Lehibe tany Jodia.—Mt 2:1, 13, 20-22; Lk 1:24-31, 36; 2:1, 2, 7.

Ny daty nahafatesan’i Heroda. Mbola iadian-kevitra ny daty nahafatesan’i Heroda. Maro be anefa ny porofo hoe tamin’ny taona 1 talohan’ny andro kristianina izy no maty. (Jereo HERODA No. 1 [Daty nahafatesany]; FANISAN-TAONA [Fanakonana volana].) Ireto avy no zava-nitranga teo anelanelan’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy sy ny nahafatesan’i Heroda: Noforana i Jesosy rehefa feno valo andro (Lk 2:21); nentina tao amin’ny tempolin’i Jerosalema izy 40 andro taorian’ny nahaterahany (Lk 2:22, 23; Le 12:1-4, 8); niainga “avy any atsinanana” ireo mpanandro mba ho any Betlehema (tsy tao amin’ny fihinanam-bilona intsony i Jesosy fa efa tao amin’ny trano iray—Mt 2:1-11; ampit. Lk 2:7, 15, 16); nandositra tany Ejipta i Josefa sy Maria ary Jesosy zaza (Mt 2:13-15); fantatr’i Heroda fa tsy nanaraka ny toromariny ireo mpanandro, ka nasainy novonoina ny zazalahikely rehetra roa taona no ho midina tany Betlehema sy ny faritra manodidina (porofo izany fa tsy zazakely vao teraka intsony i Jesosy). (Mt 2:16-18) Azo inoana àry fa tamin’ny taona 2 talohan’ny andro kristianina no teraka i Jesosy, matoa afaka nitranga ireo rehetra ireo mandra-pahafatin’i Heroda tamin’ny taona 1 tany ho any talohan’ny andro kristianina. Mbola misy porofo hafa koa anefa.

Ny fotoana nanompoan’i Jaona. Manamarina an’ireo daty nahaterahan’i Jesosy sy nanaovana batisa azy ary nahafatesany ny Lioka 3:1-3. Voalaza ao mantsy fa nanomboka nitory sy nanao batisa i Jaona Mpanao Batisa “tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara.” Nanomboka teo amin’ny tapatapaky ny taona 28 A.K. ka hatramin’ny Aogositra na Septambra taona 29 A.K., io taona faha-15 io. (Jereo TIBERIO.) Nankany amin’i Jaona i Jesosy mba hataony batisa, ary “telopolo taona teo ho eo” izy rehefa nanomboka ny fanompoany. (Lk 3:21-23) Tsy teo ambany fifehezan’ny ray aman-dreniny intsony izy tamin’izay (30 taona koa i Davida no lasa mpanjaka).—2Sa 5:4, 5; ampit. Lk 2:51.

Milaza ny Nomery 4:1-3, 22, 23, 29, 30 fa “telopolo taona” no ho miakatra ireo afaka nanompo tao amin’ny toerana masina, araka ny Lalàna. Azo inoana àry fa 30 taona i Jaona Mpanao Batisa tamin’izy nanomboka ny fanompoany, satria Levita sy zanaka mpisorona izy. Tsy nanompo tao amin’ny tempoly anefa izy, fa nanao ilay asa manokana nampanaovin’i Jehovah azy. (Lk 1:1-17, 67, 76-79) Azo inoana koa fa enim-bolana teo ho eo taorian’ny nanombohan’i Jaona (mpialoha lalana an’i Jesosy) ny fanompoany, no nanombohan’i Jesosy ny azy. Voaresaka tsara (indroa) mantsy ny elanelan’ny taonan’i Jaona sy Jesosy. Nitovitovy sy nisy ifandraisany koa ny hafatra nampitain’ilay anjely nanambara ny hahaterahan’izy ireo.—Lk 1.

Midika izany fa teraka 30 taona talohan’ny nanombohany ny fanompoany, tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Tiberio, i Jaona. Tany amin’ny faramparan’ny taona 3 ka hatramin’ny Aogositra na Septambra taona 2 talohan’ny andro kristianina izany. I Jesosy kosa teraka enim-bolana teo ho eo taorian’izay.

Naharitra telo taona sy tapany ny fanompoany. Vao mainka azo antoka ireo daty ireo rehefa jerena ny porofo hafa, toy ny faharetan’ny fanompoan’i Jesosy sy ny daty nahafatesany. Milaza ny Daniela 9:24-27 (voazava tsara ao amin’ilay lahatsoratra hoe FITOPOLO HERINANDRO) fa hipoitra ny Mesia eo am-piandohan’ny herinandron-taona faha-70 (Da 9:25), ary hanome ny ainy ho sorona izy “rehefa misasaka” io herinandro io. Hitsahatra amin’izay ny fanaovana sorona sy fanatitra satria tsy hanan-kery intsony ny fifaneken’ny Lalàna. (Da 9:26, 27; ampit. He 9:9-14; 10:1-10.) Midika izany fa haharitra telo taona sy tapany (antsasaky ny “herinandro” iray maharitra fito taona) ny fanompoan’i Jesosy Kristy.

Tokony hisy Paska efatra tao anatin’ireo telo taona sy tapany nanompoan’i Jesosy, satria maty tamin’ny andron’ny Paska izy. Miresaka momba an’ireo Paska efatra ireo ny Jaona 2:13; 5:1; 6:4 ary Jn 13:1. Marina fa tsy ahitana an’ilay teny hoe Paska ao amin’ny Jaona 5:1, fa hoe “nisy [na “ilay”, araka ny sora-tanana sasany fahiny] fetin’ny Jiosy.” Azo inoana anefa fa ny fetin’ny Paska izy io, fa tsy fety hafa fanao isan-taona.

Nilaza i Jesosy taloha kelin’izay fa “mbola misy efa-bolana vao ho tonga ny fijinjana.” (Jn 4:35) Efa tao anatin’ny fotoam-pijinjana, indrindra fa ny fijinjana vary orza, ny Jiosy nandritra ny vanim-potoanan’ny Paska (14 Nisana). Efa-bolana talohan’izay, na tamin’ny volana Kisleo (Novambra-Desambra) tany ho any, àry i Jesosy no nilaza an’ireo teny ireo. Ny volana Kisleo no nanaovana ny Fetin’ny Fitokanana, izay nankalazain’ireo Jiosy taorian’ny sesitany, kanefa tsy anisan’ireo fety lehibe tsy maintsy nankanesana tany Jerosalema izy io. (Ek 23:14-17; Le 23:4-44) Nankalazaina tao amin’ireo synagoga nanerana an’ilay tany kosa izy io, araka ny lovantsofina jiosy. (Jereo FETIN’NY FITOKANANA.) Milaza ny Jaona 10:22 fa tany Jerosalema i Jesosy indray mandeha, nandritra ny Fetin’ny Fitokanana. Tsy noho io fety io anefa no nankanesany tany, satria toa efa tany izy tamin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo, izay natao talohan’io. Toy ny milaza kosa ny Jaona 5:1 fa ilay “fetin’ny Jiosy” mihitsy no nahatonga an’i Jesosy hiala tany Galilia (Jn 4:54), ka ho any Jerosalema.

Ny Fetin’ny Porima ihany no fety hafa taorian’ny volana Kisleo, fa talohan’ny Paska kosa. Ny volana Adara (Febroary-Martsa), izany hoe iray volana teo ho eo talohan’ny Paska, no nankalazana an’io fety nataon’ny Jiosy taorian’ny sesitany io. Tany an-trano sy tany amin’ireo synagoga koa anefa izy io no nankalazaina. (Jereo PORIMA.) Tsy maintsy ho ny Paska àry ilay “fetin’ny Jiosy” resahin’ny Jaona 5:1, ka tany Jerosalema i Jesosy satria nitaky izany ny Lalàn’Andriamanitra. Marina fa zavatra vitsivitsy ihany no noresahin’i Jaona fa nitranga talohan’ilay Paska nanaraka. (Jn 6:4) Tena fohy anefa ny fitantarany momba ny fanompoan’i Jesosy, raha jerena ilay tabilao hoe Ireo Zava-nisongadina Tamin’ny Fiainan’i Jesosy Teto An-tany. Tsy noresahiny intsony mantsy ireo zavatra maro be efa notantarain’i Matio sy Marka ary Lioka tao amin’ny Filazantsarany avy. Hamarinin’ny fitantaran’izy telo lahy ireo fa nisy Paska iray tokoa teo anelanelan’ilay voaresaka ao amin’ny Jaona 2:13 sy ny Jn 6:4.

Daty nahafatesany. Ny 14 Nisana (Abiba) i Jesosy Kristy no maty, araka ny kalandrie jiosy. Paska tamin’izay. (Mt 26:2; Jn 13:1-3; Ek 12:1-6; 13:4) Ny andro fahenina (isain’ireo Jiosy manomboka ny Alakamisy maty masoandro ka hatramin’ny Zoma maty masoandro) tamin’ny herinandro ny Paska tamin’io taona io. Manamarina izany ny Jaona 19:31, izay milaza fa Sabata “lehibe” ny ampitson’iny. Sabata foana ny ampitson’ny Paska, na andro inona na andro inona. (Le 23:5-7) Nantsoina hoe Sabata “lehibe” anefa io andro manokana io, rehefa nifanindry tamin’ny Sabata nahazatra (ny andro fahafito). Ny zoma 14 Nisana, tamin’ny 3 ora tolakandro tany ho any, àry i Jesosy no maty.—Lk 23:44-46.

Famintinana an’ireo porofo. Naharitra telo taona sy tapany ny fanompoan’i Jesosy, araka ny Daniela 9:24-27. Raha tamin’ny volana Nisana àry izy no maty, dia tsy maintsy ho tany amin’ny volana Etanima (Septambra-Oktobra) tany ho any izy no nanomboka ny fanompoany. I Jaona kosa nanomboka ny azy tamin’ny voalohandohan’ny taona 29 tany ho any (ny taona faha-15 nanjakan’i Tiberio), ka tokony ho teraka tamin’ny voalohandohan’ny taona 2 talohan’ny andro kristianina izy. Enim-bolana teo ho eo taorian’izay kosa no teraka i Jesosy, tany amin’ny faramparan’io taona io ihany. Nanomboka ny fanompoany izy 30 taona teo ho eo tatỳ aoriana, tamin’ny faramparan’ny taona 29, ary maty izy tamin’ny taona 33 (ny 14 Nisana, araka ny voalaza tetsy aloha).

Tsy teraka andro ririnina. Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe teraka 25 Desambra i Jesosy. Avy amin’ny fetin’ny mpanompo sampy io daty malaza io, araka ny fanazavan’ny boky maro. Hoy i Urbanus Holzmeister, manam-pahaizana zezoita, momba ny niandohan’ilay fety ankalazaina ny 25 Desambra:

“Maro no miaiky ankehitriny fa fetin’ny mpanompo sampy ilay fety ankalazaina ny 25 Desambra. Marina ny tenin’i Denys Petau [Zezoita sady manam-pahaizana frantsay, 1583-1652] fa fankalazana ny ‘andro nahaterahan’ny masoandro tsy mety resy’ ny 25 Desambra.

“Ireto avy no manamarina izany: a) Ny Kalandrie nataon’i Furius Dionysius Filocalus tamin’ny taona 354, izay ahitana an’izao: ‘25 Desambra, A(ndro nahaterahan’ny Masoandro) tsy mety resy.’ b) Ny kalandrien’ilay mpanandro atao hoe Antiochus (taona 200 tany ho any): ‘Volana Desambra ... 25 ... Andro nahaterahan’ny Masoandro; mihalava ny andro.’ d) Nasain’i Julien Kaisara [Julien Mpivadi-pinoana, mpanjaka romanina tamin’ny 361-363] natao ho fanomezam-boninahitra ny masoandro, izay nantsoina hoe ‘masoandro tsy mety resy’, ireo lalao tamin’ny faran’ny taona.”—Chronologia vitae Christi (Daty Manan-tantara teo Amin’ny Fiainan’i Kristy), Pontificium Institutum Biblicum, Roma, 1933, p. 46.

Ny voalazan’ny Baiboly angamba no porofo lehibe indrindra fa tsy teraka tamin’ny 25 Desambra i Jesosy. Niandry ny andian’ondriny tany an-tsaha mantsy ireo mpiandry ondry ny alina nahaterahany. (Lk 2:8, 12) Efa nanomboka nisy orana (De 11:14) anefa ny volana Bola (Oktobra-Novambra), ka tsy navela teny an-tsaha ny ondry rehefa alina. Nangatsiaka sy nanorana (Je 36:22; Ezr 10:9, 13) koa ny volana nanaraka, izany hoe Kisleo (volana fahasivy ao amin’ny kalandrie jiosy) (Novambra-Desambra). Tebeta (Desambra-Janoary) no volana nangatsiaka indrindra, ary nisy lanezy mihitsy aza indraindray teny amin’ny toerana avo. Mitombina àry ilay hoe volana Etanima i Jesosy no teraka, matoa mbola nisy mpiandry ondry tany an-tsaha, tamin’ny alina.—Jereo BOLA; KISLEO.

Sarotra inoana koa hoe volana Desambra i Jesosy no teraka, satria tsy ho tamin’io volana nangatsiaka sy nanorana io mihitsy ny mpanjaka romanina no handidy an’ireo Jiosy (izay efa matetika nikomy) mba handeha hisoratra anarana tany “amin’ny tanàna niaviany avy.”—Lk 2:1-3; ampit. Mt 24:20; jereo TEBETA.

Ny fahazazany. Tena fohy ny tantaran’ny fahazazan’i Jesosy, izay teraka tao an-tranom-biby. Tany Betlehema any Jodia, tanàna niavian’i Davida Mpanjaka, izy no teraka araka ny efa voalazan’ny faminaniana. Nipetraka tany Nazareta any Galilia ny fianakaviany avy eo, rehefa tafaverina avy any Ejipta. (Mt 2:4-6, 14, 15, 19-23; Mi 5:2; Ho 11:1; Is 11:1; Je 23:5) Mpandrafitra (Mt 13:55) i Josefa, rainy nitaiza azy, ary azo inoana fa tsy dia nanam-bola loatra. (Ampitahao ny Lk 2:22-24 sy Le 12:8.) Nahantra àry ny fianakavian’i Jesosy. Tsy tanàna nalaza koa i Nazareta, na dia tsy lavitra an’ireo lalana roa fivezivezen’ny entam-barotra aza. Mety ho nihevitra azy io ho tanàna tsy dia nanao ahoana loatra ny Jiosy maro.—Ampit. Jn 1:46; jereo SARY, Boky Faha-2, p. 539; NAZARETA.

Tsy misy zavatra fantatra firy momba ny fahazazan’i Jesosy, afa-tsy ny hoe “nitombo hatrany ilay zaza, ka nihanatanjaka sady nitombo fahendrena, ary nankasitraka azy foana Andriamanitra.” (Lk 2:40) Niteraka efa-dahy sy vavy vitsivitsy i Josefa sy Maria, tatỳ aoriana. (Mt 13:54-56) Tsy ilay ‘lahimatoan’i’ Maria ihany àry no zanany. (Lk 2:7) Izany angamba no nahatonga ny ray aman-dreniny tsy hahatsikaritra avy hatrany hoe tsy niaraka taminy i Jesosy, rehefa nody avy any Jerosalema izy ireo, indray mandeha. Tamin’izay i Jesosy (12 taona) no hita niady hevitra tamin’ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly, ary talanjona ireo nihaino azy. Izay ihany no zavatra voatantara amin’ny an-tsipiriany momba ny fahazazany. (SARY, Boky Faha-2, p. 538) Hita tamin’ny valin-teny nomen’i Jesosy an’ireo ray aman-dreniny efa nitebiteby, fa fantany hoe Andriamanitra no Rainy ary izy no ho ilay Mesia. (Lk 2:41-52) Azo inoana mantsy fa efa noresahin’i Maria sy Josefa taminy ny zavatra nolazain’ilay anjely niseho tamin’izy ireo, sy ny faminaniana nambaran’i Simeona sy Ana fony izy ireo nankany Jerosalema, 40 andro taorian’ny nahaterahan’i Jesosy.—Mt 1:20-25; 2:13, 14, 19-21; Lk 1:26-38; 2:8-38.

Misy boky tsy anisan’ny Baiboly, toy ny Filazantsaran’i Tomasy Mitantara ny Fahazazan’i Jesosy, milaza fa nahay nanao fahagagana i Jesosy tamin’ny mbola kely. Tsy misy porofo manamarina izany anefa. Ny nanovany ny rano ho divay tany Kana mantsy no “fiandohan’ireo famantarana nataony.” (Jn 2:1-11) Toa tsy nampideradera ny fahaizany na ny fahendreny koa tamin’ny fianakaviany tany Nazareta izy, na dia lavorary aza. Izany angamba no nahatonga an’ireo rahalahiny iray reny taminy sy ny ankamaroan’ny mponin’i Nazareta tsy hino azy, nandritra ny fotoana nanompoany.—Jn 7:1-5; Mr 6:1, 4-6.

Fantatra tsara tao Nazareta anefa i Jesosy. (Mt 13:54-56; Lk 4:22) Azo antoka fa nahamarika an’ireo toetra tsara nananany ny olona, indrindra fa ireo tia fahamarinana sy hatsaran-toetra. (Ampit. Mt 3:13, 14.) Nankany amin’ny synagoga koa izy isaky ny Sabata, ary hita fa nahay nitady sy namaky ampahany tamin’ny Soratra Masina. Olona nianatra àry izy, na dia tsy tany amin’ny sekolin’ireo raby aza, izay toy ny “fianarana ambony” tamin’izany.—Lk 4:16; Jn 7:14-16.

Fohy ny fitantarana momba ny fahazazan’i Jesosy, satria mbola tsy voahosotr’i Jehovah ho “Kristy” (Mt 16:16) izy, sady mbola tsy nanomboka an’ilay asa nanirahany azy. Marina fa nilaina ny nahaterahany sy ny fahazazany ary ny nitomboany ho olon-dehibe, kanefa tsy izay no tena zava-dehibe. Hoy mantsy izy tamin’i Pilato, governora romanina: “Izao no nahaterahako, ary izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.”—Jn 18:37.

Ny batisany. Nohosoran’Andriamanitra tamin’ny fanahy masina i Jesosy rehefa natao batisa. Tamin’izay izy no lasa Mesia na Kristy, izany hoe Voahosotr’Andriamanitra (nilaza mialoha ny anjara asany fotsiny ireo anjely nampiasa an’io anaram-boninahitra io, rehefa nanambara ny nahaterahany; Lk 2:9-11; mariho koa ny Lk 2 and. 25, 26.) ‘Nanomana ny lalana’ i Jaona nandritra ny enim-bolana, mba hahitan’ny olona “ny fomba hitondran’Andriamanitra famonjena.” (Lk 3:1-6) Nanatona azy mba hatao batisa i Jesosy, rehefa “telopolo taona teo ho eo.” Tsy nety anefa i Jaona tamin’ny voalohany, satria mpanota nibebaka daholo no nataony batisa nefa i Jesosy tsy nisy ota. (Mt 3:1, 6, 13-17; Lk 3:21-23) Midika ho fisehoana teo anatrehan-dRainy mba hanao ny sitrapony àry ny batisan’i Jesosy. (Ampit. He 10:5-9.) Rehefa “niakatra avy tao amin’ny rano” izy ka nivavaka, dia “hitany ny lanitra nisokatra” ary nidina nankeo amboniny ny fanahin’Andriamanitra izay niendrika voromailala. Reny avy eo ny feon’i Jehovah nilaza hoe: “Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.”—Mt 3:16, 17; Mr 1:9-11; Lk 3:21, 22.

Zavatra maro no lasa tsaroan’i Jesosy rehefa natao batisa izy ary voahosotry ny fanahin’Andriamanitra, anisan’izany ny fiainany talohan’ny naha olombelona azy, sy izay nolazain-dRainy sy nataony, ary ny voninahitra nananany tany an-danitra. Hita taratra izany tamin’ny teniny taorian’ny batisany, ary indrindra tamin’ny vavaka vokatry ny fo nataony ny alin’ny Paska taona 33.—Jn 6:46; 7:28, 29; 8:26, 28, 38; 14:2; 17:5.

Voahosotra mba hitory sy hampianatra (Lk 4:16-21) ary ho Mpaminanin’Andriamanitra i Jesosy. (As 3:22-26) Voahosotra ho Mpanjaka koa anefa izy, dia ilay nampanantenain’i Jehovah fa handova ny seza fiandrianan’i Davida (Lk 1:32, 33, 69; He 1:8, 9) sy handova Fanjakana haharitra mandrakizay. Afaka nilaza tamin’ny Fariseo àry izy hoe: “Eo afovoanareo ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lk 17:20, 21) Voahosotra ho Mpisoronaben’Andriamanitra koa i Jesosy, tsy noho izy taranak’i Arona akory, fa mba ho tahaka an’i Melkizedeka izay mpanjaka sady mpisorona.—He 5:1, 4-10; 7:11-17.

Vao teraka i Jesosy dia efa Zanak’Andriamanitra, tahaka an’i Adama lavorary izay nantsoina koa hoe “zanak’Andriamanitra.” (Lk 3:38; 1:35) Efa nantsoin’ny anjely Gabriela hoe Zanak’Andriamanitra koa izy talohan’ny nahaterahany. Tsy hoe nanaiky an’i Jesosy ho Zanany fotsiny àry ny Rainy, rehefa nanosotra azy tamin’ny fanahiny sady nilaza toy izao taorian’ny batisany: “Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.” (Mr 1:11) Naterany ho Zanany ara-panahy koa na hoe “nateraka indray” i Jesosy teo, ka manan-jo ho lasa fanahy hiaina any an-danitra indray.—Ampit. Jn 3:3-6; 6:51; 10:17, 18; jereo BATISA; LAHITOKANA, VAVITOKANA.

Manana anjara asa lehibe ao amin’ny fikasan’Andriamanitra. Hitan’i Jehovah Andriamanitra hoe mety raha omena anjara asa lehibe amin’ny fanatanterahana ny fikasany rehetra io Zanany lahimatoa io. (Jn 1:14-18; Kl 1:18-20; 2:8, 9) Hitany koa hoe mety raha izy io no ifantohan’ny faminaniana rehetra sy hampahazava azy ireny (1Pe 1:10-12; Ap 19:10; Jn 1:3-9), raha amin’ny alalany no hamahana ny olana rehetra napoitran’ny fikomian’i Satana (He 2:5-9, 14, 15; 1Jn 3:8), ary raha izy no hampiasainy amin’izay rehetra hataony mba hahasoa mandrakizay ny fianakaviambeny etỳ an-tany sy any an-danitra. (Ef 1:8-10; 2:20; 1Pe 2:4-8) Tsy nanitatra àry i Jesosy raha nilaza hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”—Jn 14:6.

Ilay “zava-miafina masina.” “Zava-miafina masina tsy naharihary mihitsy hatramin’ny ela be” ny fikasan’Andriamanitra naharihary tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. (Ro 16:25-27) Efa 4 000 taona mahery taorian’ny fikomiana tany Edena, ny olona nanam-pinoana no niandry an’ilay ‘taranaka’ hanorotoro ny lohan’ilay menarana sy hitondra fanamaivanana ho an’ny olombelona. (Ge 3:15) Taorian’ilay fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama, dia efa ho 2 000 taona izy ireo no niandrandra an’ilay ‘taranaka.’ ‘Hahazo ny vavahadin’ny fahavalony’ izy io, ary amin’ny alalany ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany no hanao izay hahazoany fitahiana.—Ge 22:15-18.

Rehefa “tapitra tanteraka ny fotoana voafetra, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany” mba hampahafantatra ny hevitr’ilay “zava-miafina masina.” Tamin’ny alalan’io Zanany io no nanaporofoany fa diso ny fiampangan’ilay Fahavalony. (Jereo JEHOVAH [Ilay adihevitra lehibe indrindra].) Nanome azy io ho sorom-panavotana koa Izy, mba hanafahana ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Ga 4:4; 1Ti 3:16; Jn 14:30; 16:33; Mt 20:28) Tsy nisalasala intsony àry ny mpanompon’i Jehovah hoe ho tanteraka ny fikasany. Izany no antony nilazan’i Paoly hoe: “Na firy na firy ny fampanantenan’Andriamanitra, dia tonga Eny ireny amin’ny alalan’ny Zanany.”—2Ko 1:19-22.

Anisan’ilay “zava-miafina masina” koa ny anjara asan’i Jesosy Kristy ao amin’ny fikasan’Andriamanitra, sy ny fampahafantarany ary ny fanatanterahany an’izany fikasana izany. Tsy inona izany fikasana izany fa ny “hanangana fitantanan-draharaha, rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro. Ary izany dia ny fanangonana indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny zavatra eto an-tany.”—Ef 1:9, 10.

Lafiny iray amin’ilay “zava-miafina masina” koa ny hoe i Kristy Jesosy no ho mpitondra ao amin’ilay fitondram-panjakana vaovao any an-danitra, olombelona (Jiosy sy tsy Jiosy) avy eto an-tany no ho anisan’izy io, ary ny lanitra sy ny tany no faritra hanjakany. Milaza àry ny Daniela 7:13, 14 fa nisy “toy ny zanak’olona” (anaram-boninahitra niantsoana matetika an’i Kristy tatỳ aoriana—Mt 12:40; 24:30; Lk 17:26; ampit. Ap 14:14) niseho teo anatrehan’i Jehovah tany an-danitra, ary nomena azy “ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy avokoa ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny.” Hanjaka sy hitondra miaraka amin’ilay “zanak’olona” koa anefa “ireo olona masin’ilay Andriamanitra Fara Tampony”, sady hanana fahalehibeazana tahaka azy koa. (Da 7:27) Ny mpianatr’i Jesosy no nofidiny voalohany hiara-manjaka aminy. Nanao fifanekena momba ilay Fanjakana tamin’izy ireo izy, rehefa hitany fa ‘nifikitra taminy tao anatin’ireo fitsapana nahazo azy’ izy ireo. Nivavaka tamin-dRainy koa izy mba hanamasina azy ireo (na hahatonga azy ireo ho “olona masina”), ary nangataka hoe: “Mba tiako hiaraka amiko any amin’izay misy ahy ireo nomenao ahy, mba hahitany ny voninahitro izay nomenao ahy.” (Lk 22:28, 29; Jn 17:5, 17, 24) Anisan’ilay “zava-miafina” koa àry ny fiangonana kristianina noho izy io tafaray amin’i Kristy, araka ny nolazain’i Paoly.—Ef 3:1-11; 5:32; Kl 1:26, 27; jereo ZAVA-MIAFINA MASINA.

“Mpitarika Lehibe Indrindra izay manome fiainana.” Nanolotra ny ainy lavorary ho sorona i Kristy Jesosy, noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’ny Rainy. Ho afaka hiara-manjaka aminy any an-danitra ireo mpianany nofidiny, ary hisy koa ho tonga vahoakan’ilay Fanjakany etỳ an-tany. (Mt 6:10; Jn 3:16; Ef 1:7; He 2:5; jereo VIDIM-PANAVOTANA.) Lasa ‘Mpitarika Lehibe Indrindra manome fiainana [“Tompon’ny aina”, Prot., Kat.]’ ho an’ny olona rehetra àry i Kristy. (As 3:15) Mitovitovy amin’ny hevitr’ilay teny niantsoana an’i Mosesy (As 7:27, 35) hoe “mpitondra” tany Israely, ny an’ilay teny grika nadika hoe “Mpitarika Lehibe Indrindra” eto.

“Mpitarika Lehibe Indrindra” na “Mpitari-dalana ho amin’ny fiainana” (DIEM) i Jesosy Kristy, ka nahazo anjara asa vaovao sy tena lehibe mba hahafahan’ny olona hiaina mandrakizay. Lasa mpanelanelana ho antsika izy, ary voatendry hampihatra didim-pitsarana. Izy koa no Mpisoronaben’Andriamanitra afaka hanadio tanteraka antsika amin’ny ota, sy hanafaka antsika amin’ny fahafatesana. (He 3:1, 2; 4:14; 7:23-25; 8:1-3) Mpitsara nanankinana ny fitsarana rehetra izy, ka hahay hanavaka hoe iza no ho mendrika ny handray soa avy amin’ny sorom-panavotany sy ho vahoakan’ilay Fanjakany. (Jn 5:22-27; As 10:42, 43) Amin’ny alalany koa no hananganana ny maty. (Jn 5:28, 29; 6:39, 40) Rariny àry raha “tsy misy olon-kafa hahazoana famonjena, satria tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.”—As 4:12; ampit. 1Jn 5:11-13.

Voafaoka amin’ny hoe ‘anaran’i Jesosy’ koa izany fahefana ananany izany, ka afaka nanasitrana tamin’ny anarany sy nanangana ny maty mihitsy aza ny mpianany, izay nisolo tena an’ilay Mpitarika Lehibe Indrindra manome fiainana.—As 3:6, 15, 16; 4:7-11; 9:36-41; 20:7-12.

Ny tena hevitr’ilay hoe ‘anarany.’ Zava-dehibe ny anekena fa tsy ho voavonjy ny olombelona raha tsy maty teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy. Tsy izany fotsiny anefa no dikan’ny hoe ‘mino ny anaran’i Jesosy.’ (As 10:43) Filohan’ny fitondram-panjakana iray mifehy an’izao rehetra izao mantsy izy, araka ny nolazainy taorian’ny nanangana azy tamin’ny maty hoe: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (Mt 28:18) Nilaza koa i Paoly fa “tsy nisy na iray aza” tsy nampaneken’ny Rainy an’i Jesosy, afa-tsy ilay “nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy”, dia i Jehovah, ilay Andriamanitra Fara Tampony. (1Ko 15:27; He 1:1-14; 2:8) Tsara lavitra noho ny an’ireo anjely àry ny ‘anaran’i’ Jesosy Kristy, satria voafaoka amin’ilay hoe ‘anarany’ ny fahefana lehibe nomen’i Jehovah azy. (He 1:3, 4) Ireo manaiky an’izany “anarana” na fahefana izany ihany no hiaina mandrakizay. (As 4:12; Ef 1:19-23; Fi 2:9-11) Tsy maintsy manaraka ny modely navelan’i Jesosy izy ireo ary mino sy mankatò ny didiny, fa tsy mihatsaravelatsihy.—Mt 7:21-23; Ro 1:5; 1Jn 3:23.

Inona ilay ‘anaran’i’ Jesosy mahatonga ny firenena rehetra hankahala ny Kristianina?

Nampitandrina ny mpianany i Jesosy hoe: “Ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.” (Mt 24:9; Mt 10:22; Jn 15:20, 21; As 9:15, 16) Inona no hevitr’ilay hoe ‘noho ny anarany’ eto? Tsy noho izy hoe Mpanavotra akory, fa noho izy Mpitondra voatendrin’Andriamanitra sady Mpanjakan’ny mpanjaka, izay tokony heken’ny firenena rehetra raha tsy te ho ringana izy ireo.—Ap 19:11-16; ampit. Sl 2:7-12.

Noho i Jesosy voahosotra ho solontenan’ilay Fanjakana koa no nahatonga an’ireo demonia hanaiky hiala tamin’olona rehefa nodidiany hanao izany, fa tsy hoe noho izy Zanak’ondrin’Andriamanitra nanao sorona ny ainy akory. Tsy andian-tafik’anjely iray monja mantsy no azony nangatahina fa andian-tafika 12 mihitsy, izay afaka nandroaka an’ireo demonia nikiry tsy nety niala. (Mr 5:1-13; 9:25-29; Mt 12:28, 29; 26:53; ampit. Da 10:5, 6, 12, 13.) Nomeny fahefana hampiasa ny anarany koa ireo apostoliny tsy nivadika rehefa namoaka demonia, na taloha na taorian’ny nahafatesany. (Lk 9:1; 10:17; As 16:16-18) Nampiasa ny anaran’i Jesosy mba hamoahana demonia ireo zanak’i Skeva, mpisorona jiosy, indray mandeha. Tsy neken’ilay fanahy ratsy anefa hoe nanan-jo hampiasa ny fahefan’ilay tompon’io anarana io izy ireo. Niantsambotra tany amin’izy ireo àry ilay lehilahy nisy demonia, ka nandratra azy.—As 19:13-17.

Rehefa niresaka momba ny ‘anaran’i Jesosy’ ireo mpianany, dia matetika izany no nampiarahiny tamin’ny hoe “Tompo” na “Kristy Tompontsika.” (As 8:16; 15:26; 19:5, 13, 17; 1Ko 1:2, 10; Ef 5:20; Kl 3:17) Nanaiky azy ho Tompony izy ireo, satria izy no notendren’Andriamanitra hanavotra sy hividy azy ireo tamin’ny alalan’ny sorom-panavotany (1Ko 6:20; 7:22, 23; 1Pe 1:18, 19; Jd 4), sady nomeny fahefana ho Mpanjaka. Tamin’ny anaran’i Jesosy, ilay nomena fahefana ho Mpanjaka sy Mpisoronabe, ireo mpianatra no nitory (As 5:29-32, 40-42), nanao batisa (Mt 28:18-20; As 2:38; ampit. 1Ko 1:13-15), nandroaka olona ratsy fitondran-tena (1Ko 5:4, 5), ary nananatra sy nampianatra ny fiangonana kristianina niandraiketany (1Ko 1:10; 2Te 3:6). Tsy afaka ny hino na hanaiky “anarana” na fahefana hafa àry ireo homen’i Jesosy ny fiainana. Tsy azon’izy ireo atao ny mivadika amin’ny ‘anaran’ilay’ Mpanjaka notendren’Andriamanitra, dia i Jesosy Kristy Tompo.—Mt 12:18, 21; Ap 2:13; 3:8; jereo FANATONANA AN’ANDRIAMANITRA.

‘Nanambara ny marina.’ Rehefa nanontanian’i Pilato i Jesosy hoe “Mpanjaka àry ve ianao?”, dia hoy izy: “Voalazanao fa mpanjaka aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Ary mihaino ny feoko izay rehetra miandany amin’ny marina.” (Jn 18:37; jereo ADY ANY AMIN’NY FITSARANA [Fitsarana an’i Jesosy].) Tsy ny fahamarinana tamin’ny ankapobeny fotsiny anefa no nambarany, fa ny fahamarinana lehibe momba ny fikasan’Andriamanitra taloha sy ankehitriny koa. Nanambara izany izy satria niaiky fa ny sitrapon’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra, ary vitan’Andriamanitra ny manatanteraka izany. Nampahafantariny fa ny Fanjakan’Andriamanitra izany fahamarinana anisan’ny “zava-miafina masina” izany, ary ny tenany, ilay “zanak’i Davida”, no ho Mpisorona sady Mpanjakan’izy io. Izany koa no votoatin’ny hafatra nambaran’ireo anjely talohan’ny nahaterahany, sy tamin’izy teraka tany Betleheman’i Jodia, tanànan’i Davida.—Lk 1:32, 33; 2:10-14; 3:31.

Tsy hoe nila niresaka sy nitory ary nampianatra fotsiny i Jesosy mba hanambarana ny marina. Efa namoy ny voninahiny tany an-danitra izy mba hateraka ho olombelona, nefa tsy maintsy nanatanteraka ny faminaniana rehetra momba azy koa, anisan’izany ny tao amin’ny fifaneken’ny Lalàna. (Kl 2:16, 17; He 10:1) Mba hanaporofoana fa marina ny faminanian’ny Rainy sy ny fampanantenany, dia tsy maintsy niainany ny fahamarinana. Hita tamin’izay nolazainy sy nataony ary ny fomba nahafatesany izany. Izy mihitsy àry no fahamarinana, araka ny nolazainy.—Jn 14:6.

Izany no nahafahan’ny apostoly Jaona nilaza fa “feno hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy fahamarinana” i Jesosy Kristy, ary ‘tonga tamin’ny alalany ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fahamarinana’ na dia “nomena tamin’ny alalan’i Mosesy [aza] ny Lalàna.” (Jn 1:14, 17) “Tonga” tamin’ny alalan’i Jesosy tokoa ny fahamarinana nambaran’Andriamanitra, satria tanteraka izany rehefa nateraka ho olombelona izy, niseho teo anatrehan’Andriamanitra mba hatao batisa anaty rano, nitory telo taona sy tapany momba ny Fanjakan’Andriamanitra, tsy nivadika mandra-pahafatiny, natsangana tamin’ny maty ary niakatra tany an-danitra. (Ampit. Jn 1:18; Kl 2:17.) Nifantoka tanteraka tamin’ny ‘fanambarana ny marina’, na ny zavatra nianianan’Andriamanitra, ny fanompoan’i Jesosy Kristy. Izy mihitsy àry ilay Mesia na Kristy nampanantenaina, ilay tena Mpanjaka sady Mpisorona. Raha tsorina, dia izy tokoa ilay nambara mialoha fa tsy misy hafa.—Ro 15:8-12; ampit. Sl 18:49; 117:1; De 32:43; Is 11:10.

“Hanafaka” ny olona izany fahamarinana izany, raha “miandany amin’ny marina” izy ireo, ka manaiky ny anjara asan’i Jesosy ao amin’ny fikasan’Andriamanitra. (Jn 8:32-36; 18:37) Mino lainga sy voafitaka ary manaiky an’ilay rain’ny lainga sady Fahavalon’Andriamanitra kosa, izay tsy miraharaha ny fikasan’Andriamanitra momba ny Zanany, sy manantena famonjena avy amin’olon-kafa, ary manao izay tiany fotsiny. (Mt 7:24-27; Jn 8:42-47) ‘Ho faty ao amin’ny fahotany’ ny olona toy izany. (Jn 8:23, 24) Izany no nahatonga an’i Jesosy tsy hisalasala hanambara ny anjara asany ao amin’ny fikasan’Andriamanitra.

Notenenin’i Jesosy mafy ny mpianany mba tsy hilazalaza amin’ny olona hoe izy no Mesia. (Mt 16:20; Mr 8:29, 30) Tsy dia niantso ny tenany hoe Kristy koa izy, raha tsy rehefa nitokana niaraka tamin’izy ireo. (Mr 9:33, 38, 41; Lk 9:20, 21; Jn 17:3) Tsy nisalasala mihitsy anefa izy nampiseho tamin’izay nataony fa izy no Kristy, ary nasongadiny foana koa ireo faminaniana nanaporofo izany. (Mt 22:41-46; Jn 5:31-39, 45-47; 7:25-31) “Reraky ny dia” i Jesosy, indray andro, ary nanararaotra niresaka tamin’ny vehivavy samaritanina iray teo am-pantsakana. Nolazainy taminy fa izy no Mesia, mba hahatonga ny olona tao an-tanàna ho liana angamba ka ho avy hijery azy. Izany tokoa no nitranga! (Jn 4:6, 25-30) Tsy midika ho inona anefa ny filazana ny tena ho Mesia raha tsy misy porofo manamarina izany. Ary na eo aza ny porofo, dia tsy maintsy mino an’izay hitany sy reny koa ny olona raha te hiaiky fa i Jesosy tokoa no Mesia.—Lk 22:66-71; Jn 4:39-42; 10:24-27; 12:34-36.

Notsapaina sy natao lavorary. Natoky tanteraka an’ilay Zanany i Jehovah Andriamanitra, matoa naniraka azy ho etỳ an-tany sy nanendry azy ho Mesia. “Talohan’ny nanorenana izao tontolo izao” (1Pe 1:19, 20) dia efa fantatr’Andriamanitra fa hisy ‘taranaka’ (Ge 3:15) hanao sorona ny ainy, izay tsy iza fa ny Mesia. (Hazavaina ao amin’ilay lahatsoratra hoe FANTATRA MIALOHA, VOATENDRY MIALOHA [Voatendry mialoha ny Mesia], ny hevitr’ilay hoe “talohan’ny nanorenana izao tontolo izao.”) Tsy resahin’ny Baiboly anefa hoe tamin’ny fotoana nisian’ilay fikomiana tany Edena ve sa taorian’izay izy no nanendry an’ilay nofidiny na nampahafantatra azy io ny anjara asany. Azo antoka aloha fa tsy hahafeno fepetra hanao an’ilay sorom-panavotana raha olombelona tsy lavorary. Nifidy ny iray tamin’ireo anjeliny lavorary an-tapitrisany àry i Jehovah. Tsy iza no nofidiny fa ilay Lahimatoany, dia ny Teny.—Ampit. He 1:5, 6.

Nanaiky an-tsitrapo an’ilay fanendrena ilay Zanak’Andriamanitra. Lazain’ny Filipianina 2:5-8 mantsy fa “nafoiny” ny voninahiny sy ny fiainany tany an-danitra, ary “naka ny endriky ny mpanompo” izy ka nanaiky hateraka ho olombelona teto an-tany. Andraikitra mavesatra no nankinina taminy. Raha tsy mivadika mantsy izy, dia ho voaporofony fa diso ny fiampangan’i Satana hoe hivadika ny mpanompon’Andriamanitra rehefa ao anatin’ny fitsapana, na tsy fisiana, na fijaliana. (Jb 1:6-12; 2:2-6) I Jesosy no Lahimatoa amin’ny zavaboarin’Andriamanitra, ka izy no afaka nanome porofo mampiaiky indrindra fa diso io fiampangana io. Izy koa no nanome porofo tsy azo lavina fa manan-jo ho mpanjakan’izao rehetra izao i Jehovah Rainy. Izy àry no ilay “Amena, ilay vavolombelona mendri-pitokisana sy marina.” (Ap 3:14) Ho afa-baraka tanteraka kosa ny anaran-dRainy, raha sanatria mivadika izy.

Tsy azo lazaina hoe ‘nalaky nametra-tanana’ tamin’ilay Zanany lahitokana i Jehovah rehefa nifidy azy, ka hoe ‘hiombona ota aminy’ raha sanatria manota io Zanany io. Tsy natahorana “hirehareha” mantsy i Jesosy, ka tsy ‘hihatra aminy ny fanamelohana azon’ny Devoly.’ (Ampit. 1Ti 5:22; 3:6.) ‘Tena fantatr’i’ Jehovah ny Zanany satria efa niaraka taminy hatry ny ela be (Mt 11:27; ampit. Ge 22:12; Ne 9:7, 8), ka azony notendrena ho mpanatanteraka an’ireo faminaniana tsy misy diso ao amin’ny Teniny. (Is 46:10, 11) Tsy marina àry ilay fampianarana hoe efa voalahatr’Andriamanitra mialoha fotsiny hoe tsy maintsy “hahomby” ny Zanany, tamin’izy nifidy azy ho Mesia.—Is 55:11.

Efa nasehon’ilay Zanaka fa tsy nivadika sy nanao izay sitrak’i Jehovah foana izy, na dia mbola tsy niharam-pitsapana toy ny tetỳ an-tany aza. Efa nitana andraikitra lehibe izy, satria izy no Mpitondra Tenin’Andriamanitra na ny Teny. Mpitondra tenin’Andriamanitra tetỳ an-tany koa i Mosesy, nefa nanampatra fahefana indray mandeha. Tsy mba nanao toy izany mihitsy anefa ilay Zanaka. (No 20:9-13; De 32:48-51; Jd 9) Tamin’ny alalany no namoronana ny zavatra hafa rehetra, ka azo lazaina hoe andriamanitra izy, na “ilay hany andriamanitra nateraka.” (Jn 1:18) Be voninahitra sy ambony kokoa noho ny anjely hafa rehetra izy, kanefa tsy nanambony tena. (Ampifan. Ezk 28:14-17.) Efa imbetsaka àry io Zanaka io no nanaporofo fa tsy nivadika sy nanetry tena ary nanao izay sitrak’i Jehovah.

Eritrereto, ohatra, ilay fitsapana natao tamin’i Adama, zanak’Andriamanitra tetỳ an-tany. Tsy hoe nenjehina na nampijalina izy, fa nasaina nankatò ny didin’Andriamanitra momba ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy fotsiny. (Ge 2:16, 17; jereo HAZO, II.) Tsy anisan’ilay fitsapana sady tsy fikasan’Andriamanitra ny hoe hikomy sy haka fanahy an’i Adama i Satana. Tsy nisy olona naka fanahy azy koa, toy ny nakan’i Eva fanahy azy tatỳ aoriana. (Ge 3:6, 12) Tsy nisy naka fanahy na nitaona hanao ratsy àry i Adama, fa ny toe-pony fotsiny no tena notsapaina mba hahalalana raha tena tia an’Andriamanitra izy sady tsy tia tena. (Oh 4:23) Ho nankasitrahan’Andriamanitra io zanany io raha tsy nivadika, ka ho afaka ny haka amin’ny voan’ny “hazon’aina, dia hihinana izany ka ho velona mandritra ny fotoana tsy voafetra.” (Ge 3:22) Tsy voatery niatrika fakam-panahy na fahoriana na fanenjehana izy tamin’izany.

Mariho koa fa tsy hoe nisy nanenjika na naka fanahy ilay anjely lasa Satana, matoa nitsahatra tsy nanompo an’Andriamanitra intsony. Tsy Andriamanitra mihitsy no naka fanahy azy, satria ‘tsy mitsapa na iza na iza amin-javatra ratsy’ izy. Nivadika kosa ilay anjely satria “voasariky ny fanirian’ny tenany ihany, ka voafandrik’izany.” Nanota àry izy ka lasa mpikomy. (Jk 1:13-15) Hita fa tsy tena tia an’Andriamanitra izy.

Noho ny adihevitra napoitran’ilay Fahavalon’Andriamanitra anefa, dia tsy maintsy notsapaina tetỳ an-tany ny tsy fivadihan’ilay Zanaka, izay ho lasa Mesia sy Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy maintsy nandalo an’izany fitsapana sy fijaliana izany koa izy mba ‘hatao lavorary’, ka ho mendrika ny ho Mpisoronaben’Andriamanitra ho afaka hanasoa ny olombelona. (He 5:9, 10) Mba hahafahany ho tonga Mpitarika Lehibe Indrindra mitondra famonjena, dia “tsy maintsy tonga tahaka an’ireo ‘rahalahiny’ [ireo mpianany voahosotra] izy tamin’ny lafiny rehetra, mba ho tonga mpisoronabe mamindra fo sy mendri-pitokisana.” Tsy maintsy nijaly sy niaritra zava-tsarotra izy mba ho ‘afaka hanampy an’izay iharam-pitsapana’, ka hangoraka azy ireo amin’ny fahalemeny, noho izy “efa notsapaina tamin’ny lafiny rehetra toa antsika koa, nefa tsy nanota.” Lavorary sy tsy nisy ota izy, kanefa ‘hahay hitondra mora an’ireo tsy mahalala sy manao hadisoana.’ Amin’ny alalan’ny Mpisoronabe toy izany ihany ny olona tsy lavorary vao afaka ny “hanatona ny seza fiandrianan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, ary ho sahy hiteny rehefa manao izany. Amin’izay [izy ireo] dia hahazo famindram-po ary hanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, mba hahazoana fanampiana amin’ny fotoana mety.”—He 2:10-18; 4:15–5:2; ampit. Lk 9:22.

Mbola nanan-tsafidy foana. Nilaza i Jesosy fa “tsy maintsy ho tanteraka” ny faminaniana rehetra momba ny Mesia. (Lk 24:44-47; Mt 16:21; ampit. Mt 5:17.) Tsy midika anefa izany hoe tsy nisy andraikiny tamin’ilay izy, na hoe tsy nanan-tsafidy intsony izy. Mbola afaka nifidy mantsy izy na hivadika na tsia, fa tsy hoe izay tian’i Jehovah, ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, ihany no hatao. Tsy maintsy nanao ny anjarany ilay Zanany mba hahatanteraka an’ireo faminaniana. Nataon’Andriamanitra azo antoka anefa fa ho tanteraka izany, satria ilay “Zanany tiany” no nofidiny hanatanteraka izany. (Kl 1:13) Mbola nanana safidy malalaka foana ilay Zanany, na dia rehefa olombelona teto an-tany aza. Nilaza mantsy izy fa nanana ny sitrapony. Nasehony koa anefa fa nanaiky ny sitrapon-dRainy izy. (Mt 16:21-23; Jn 4:34; 5:30; 6:38) Niezaka mafy koa izy nanatanteraka ny asa nanendrena azy voalaza ao amin’ny Tenin’ny Rainy. (Mt 3:15; 5:17, 18; 13:10-17, 34, 35; 26:52-54; Mr 1:14, 15; Lk 4:21) Tsy niankina taminy anefa ny fahatanterahan’ny faminaniana sasany, satria nisy taorian’ny nahafatesany vao tanteraka. (Mt 12:40; 26:55, 56; Jn 18:31, 32; 19:23, 24, 36, 37) Niady mafy izy ny alina talohan’ny nahafatesany mba ho ny sitrapon’ny Rainy, izay hendry kokoa no izy, no hatao fa tsy ny azy. (Mt 26:36-44; Lk 22:42-44) Tsapany tsara koa tamin’izay fa nila niantehitra tamin’i Jehovah Andriamanitra Rainy izy mba hahazoana hery, na dia olona lavorary aza.—Jn 12:23, 27, 28; He 5:7.

Be dia be ny zavatra nila nosaintsainin’i Jesosy mba hampahatanjaka ny finoany, nandritra ireo 40 andro nifadiany hanina (toa an’i Mosesy) tany an-tany efitra, taorian’ny batisany sy ny nanosorana azy tamin’ny fanahy masina. (Ek 34:28; Lk 4:1, 2) Nifanehatra mivantana tamin’ilay Fahavalon-dRainy izy tany. Toy ny tany Edena ihany ny tetikadin’i Satana Devoly. Nampirisihiny i Jesosy ho tia tena sy hanandra-tena ary handa ny zon’ny Rainy hitondra. Tsy nanao toa an’i Adama anefa i Jesosy (“i Adama farany”), satria tsy nivadika. Nolazainy foana kosa hoe inona no sitrapon-dRainy, ka nandao azy i Satana “mandra-pahatongan’ny fotoana hafa mety indray.”—Lk 4:1-13; 1Ko 15:45.

Ny nataony sy ny toetrany. Ho tonga amin’ny alalan’i Jesosy Kristy “ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fahamarinana.” Tsy maintsy nifandray tamin’olona àry izy, mba hahafahan’izy ireo handre ny teniny sy hahita ny nataony sy ny toetrany. Mety hiaiky izy ireo amin’izay fa izy tokoa no Mesia, ary hino ny sorona ataon’io “Zanak’ondrin’Andriamanitra” io rehefa ho faty ho azy ireo izy. (Jn 1:17, 29) Nandeha an-tongotra an-jatony kilaometatra izy, mba hitsidihana faritra maro tany Palestina. Niresaka tamin’ny olona teny amorom-parihy izy, teny an-tendrombohitra, tany amin’ny tanàna lehibe sy kely, tany amin’ny synagoga sy ny tempoly, teny an-tsena sy teny an-dalana ary tany an-trano. (Mt 5:1, 2; 26:55; Mr 6:53-56; Lk 4:16; 5:1-3; 13:22, 26; 19:5, 6) Niresaka tamin’ny olona iray na maro be izy, tamin’ny lehilahy sy vehivavy, na kely na lehibe, na manankarena na mahantra.—Mr 3:7, 8; 4:1; Jn 3:1-3; Mt 14:21; 19:21, 22; 11:4, 5.

Asehon’ilay tabilao ato amin’ity lahatsoratra ity ny mety ho filaharan’ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany, arakaraka ny fotoana nisehoan’izany, voatantara ao amin’ny Filazantsara Efatra. Manampy antsika koa izy io hahalala an’ireo toerana samihafa nalehany, nandritra ireo telo taona sy tapany nanompoany.

Modely ho an’ny mpianany i Jesosy satria niasa mafy, nifoha maraina, ary nanompo hatramin’ny alim-be. (Lk 21:37, 38; Mr 11:20; 1:32-34; Jn 3:2; 5:17) Tsy indray mandeha fotsiny izy no nivavaka nandritra ny alina manontolo, toy ny nataony talohan’ny nanaovany an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. (Mt 14:23-25; Lk 6:12–7:10) Nanompo hatramin’ny alim-be izy, indray mandeha, nefa vao mangiran-dratsy indray dia efa nankany amin’ny toerana mitokana mba hivavaka. (Mr 1:32, 35) Rehefa nitokana iny indrindra izy matetika no tonga ny vahoaka, kanefa ‘noraisiny tsara’ izy ireny ary noresahiny “momba ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lk 9:10, 11; Mr 6:31-34; 7:24-30) Reraka sy nangetaheta izy sady noana, ary tsy nisakafo mihitsy aza indraindray mba hanaovana ilay asa nankinina taminy.—Mt 21:18; Jn 4:6, 7, 31-34; ampit. Mt 4:2-4; 8:24, 25.

Tsy nihafy be fa nahay nandanjalanja. Tsy nampihafy tena be na nampijaly tena tafahoatra anefa i Jesosy. (Lk 7:33, 34) Imbetsaka izy no nisy nanasa hisakafo, ary nanaiky foana izy. Nanatrika fanasambe mihitsy aza izy, ary nankany an-tranon’ny mpanankarena. (Lk 5:29; 7:36; 14:1; 19:1-6) Nanova ny rano ho divay izy, indray mandeha, mba hampifalifalina an’ireo nanatrika fampakaram-bady. (Jn 2:1-10) Nankasitraka ny zavatra tsara natao taminy koa izy, toy ny rehefa nohosoran’i Maria, anabavin’i Lazarosy, menaka manitra ny tongony. Nilanja iray livatra (mitentina 220 dolara mahery, na karama herintaona teo ho eo) ilay menaka. Tezitra be i Jodasy ka nilaza fa tokony ho namidy ilay izy mba hanampiana ny mahantra. Hoy anefa i Jesosy: “Avelao izy, fa mba hitandremany ny fomba fanao ho amin’ny andro handevenana ahy no anaovany izao. Fa eo aminareo foana ny mahantra, fa izaho kosa tsy ho eo aminareo foana.” (Jn 12:2-8; Mr 14:6-9) Azo inoana koa fa tena tsara ilay akanjo nanaovany tamin’izy nosamborina. “Tenona iray ihany hatrany ambony ka hatrany ambany” mantsy izy io. (Jn 19:23, 24) Ny fanompoana an’i Jehovah foana anefa no nataony loha laharana, ary tsy nanahy be loatra ny amin’ny zavatra ara-nofo izy, araka ny torohevitra nomeny ihany.—Mt 6:24-34; 8:20; Lk 10:38-42; ampit. Fi 4:10-12.

Mpanafaka be herim-po. Be herim-po sy natanjaka ary tena lehilahy tokoa i Jesosy nandritra ny fanompoany. (Mt 3:11; Lk 4:28-30; 9:51; Jn 2:13-17; 10:31-39; 18:3-11) Niady ho an’i Jehovah sy ho an’ireo tia fahamarinana izy, toy ny nataon-dry Josoa sy Davida Mpanjaka ary ny hafa. Tsy maintsy niady tamin’ny ‘taranaky ny menarana’ izy, satria izy no ilay ‘taranaka’ nampanantenaina. (Ge 3:15; 22:17) Niady tamin’ireo demonia nanajamba ny sain’ny olona koa izy. (Mr 5:1-13; Lk 4:32-36; 11:19-26; ampit. 2Ko 4:3, 4; Ef 6:10-12.) Nanohitra ny zon’Andriamanitra hitondra sy ny sitrapony ireo mpitondra fivavahana nihatsaravelatsihy tamin’ny androny. (Mt 23:13, 27, 28; Lk 11:53, 54; Jn 19:12-16) Nampiasa hafetsena sy fanontaniana mamandripandrika izy ireo rehefa niady hevitra tamin’i Jesosy, kanefa tsy naharesy azy. Hainy tsara mantsy ny nampiasa ny “sabatry ny fanahy” na ny Tenin’Andriamanitra, ka sadaikatra sy tsy nahita havaly izy ireo. (Mt 21:23-27; 22:15-46) Tsy natahotra izy nampiharihary fa mpampianatra fomban-drazana sy fombafomba fotsiny izy ireo, mpitarika jamba, taranaky ny menarana, ary zanak’ilay Fahavalon’Andriamanitra, izay filohan’ny demonia sy mpandainga ary mpamono olona.—Mt 15:12-14; 21:33-41, 45, 46; 23:33-35; Mr 7:1-13; Jn 8:40-45.

Tsy mba sahisahy ratsy mihitsy anefa i Jesosy, na nila ady tamin’olona, na nisangy loza. (Mt 12:14, 15; Mr 3:6, 7; Jn 7:1, 10; 11:53, 54; ampit. Mt 10:16, 17, 28-31.) Be herim-po kosa izy satria nanam-pinoana. (Mr 4:37-40) Nahafehy tena sy tony izy rehefa nisy nanevateva na nampijaly, ka ‘nanankina foana ny fiainany tamin’ilay mitsara araka ny hitsiny.’—1Pe 2:23.

I Jesosy tokoa, izay lehibe noho i Mosesy, no ilay nolazain’ny faminaniana hoe Mpanafaka. Sahy niaro ny fahamarinana mantsy izy sady nampahafantatra ny fikasan’Andriamanitra. Nanambara fahafahana tamin’ny babo koa izy. (Is 42:1, 6, 7; Je 30:8-10; Is 61:1) Marina fa maro no tsy sahy nanara-dia azy satria tia tena sy natahotra an’ireo mpitondra fivavahana. (Jn 7:11-13; 9:22; 12:42, 43) Nisy ihany anefa ireo nanana herim-po, ka tsy nanaraka am-bokony intsony an’ireo mpitondra sandoka, na nanaiky ho voafitaky ny fampanantenana poakaty. (Jn 9:24-39; ampit. Ga 5:1.) Nanala sarona ny fivavahan-diso tamin’ny androny ny fanompoan’i Jesosy, ilay Mesia Mpanjaka (Jn 11:47, 48), tsy nisy hafa tamin’ny nataon’ireo mpitondra tsy nivadika tany Joda fahiny, izay niezaka ny hamongotra ny fivavahan-diso tao amin’ny fanjakany.—2Ta 15:8; 17:1, 4-6; 2Mp 18:1, 3-6.

Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fanompoan’i Jesosy Kristy tetỳ an-tany, dia jereo ireo SARINTANY, Boky Faha-2, p. 540, 541.

Be fitiavana sy tsara fanahy. Lehilahy be fitiavana koa anefa i Jesosy, ary toetra takina amin’izay ho Mpisoronaben’Andriamanitra izany. Lavorary izy, kanefa tsy be fanakianana na niavonavona na nanjakazaka (toa an’ireo Fariseo) tamin’ireo olona tsy lavorary sy mpanota niara-belona taminy. (Mt 9:10-13; 21:31, 32; Lk 7:36-48; 15:1-32; 18:9-14) Na ny ankizy aza tsy sadaikatra niaraka taminy. Rehefa naka ankizy iray izy, ohatra, mba ho modely ho an’ny mpianany, dia tsy hoe nasainy nitsangana nanoloana azy ireo fotsiny izy io, fa “nofihininy” koa. (Mr 9:36; 10:13-16) Tena naman’ny mpanara-dia azy izy, sady tena “tiany hatramin’ny farany” izy ireo. (Jn 13:1; 15:11-15) Tsy nitaky be loatra tamin’ny hafa koa izy, na nampitondra enta-mavesatra azy ireo. Hoy kosa izy: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy ... fa hamelombelona anareo aho.” “Malemy fanahy sy manetry tena” izy, ka hitan’ireo mpianany hoe mora entina ny ziogany ary maivana ny entany.—Mt 11:28-30.

Andraikitry ny mpisorona ny nikarakara ny fahasalaman’ny vahoaka sy nanampy azy ireo hifandray tsara tamin’Andriamanitra. (Le 13-15) Nalahelo sy nangoraka an’ireo olona nijaly sy narary ary jamba koa i Jesosy, ka nanampy azy ireo. (Mt 9:36; 14:14; 20:34; Lk 7:11-15; ampit. Is 61:1.) “Nalahelo mafy” izy rehefa nandre hoe maty i Lazarosy sy nahita ny alahelon’ireo anabaviny, ka ‘nirotsaka ny ranomasony.’ (Jn 11:32-36) Azo lazaina àry fa efa ‘nitondra [sahady] ny aretina sy nizaka ny fanaintainan’ny olona’ ilay Mesia, ary nisy hery mihitsy nivoaka taminy isaky ny nanao izany izy. (Is 53:4; Lk 8:43-48) Tsy hoe te hanatanteraka faminaniana fotsiny izy, fa tena ‘sitrany tokoa’ ny nanao an’ireny fahagagana ireny. (Mt 8:2-4, 16, 17) Mbola zava-dehibe kokoa anefa ny nanampiany ny olona hifandray tsara tamin’Andriamanitra sy ny namelany ny helok’izy ireo. Nanana fahefana hanao izany izy satria izy no Kristy, ilay hanolotra ny ainy ho sorom-panavotana sady efa natao batisa ho amin’ny fahafatesana, ka ho faty eo amin’ny hazo fijaliana.—Is 53:4-8, 11, 12; ampit. Mt 9:2-8; 20:28; Mr 10:38, 39; Lk 12:50.

“Mpanolo-tsaina Mahagaga.” Andraikitry ny mpisorona ny nampianatra ny vahoaka momba ny lalàn’Andriamanitra sy ny sitrapony. (Ml 2:7) Tsy maintsy nasehon’i Jesosy koa fa manana ny fanahin’i Jehovah izay ‘manome fahendrena sy torohevitra sy hery sy fahalalana, ary tahotra an’i Jehovah’ izy, satria izy ilay Mesia Mpanjaka izay voalaza fa “rantsana hitsiry avy amin’ny foto-kazon’i Jese [rain’i Davida].” Hoporofoiny fa ‘mahafaly’ ny matahotra an’i Jehovah. (Is 11:1-3) Mirakitra fahendrena tsy manam-paharoa ny fampianaran’i Jesosy, izay “lehibe noho i Solomona.” (Mt 12:42) Izany no anisan’ny porofo miavaka indrindra fa Zanak’Andriamanitra tokoa izy, ary tsy noforonin’ny sain’ny olombelona tsy lavorary ireo Filazantsara.

Noporofoin’i Jesosy fa izy tokoa ilay “Mpanolo-tsaina Mahagaga.” (Is 9:6) Hainy tsara mantsy ny Tenin’Andriamanitra sy ny sitrapony, fantany tsara ny mombamomba ny olombelona, hainy ny mamantatra hoe inona no fanontaniana na adihevitra tena lehibe, ary nampahafantariny ny fomba amahana an’ireo olana fahita andavanandro. Manaporofo izany ilay Toriteny malaza teo an-tendrombohitra. (Mt 5-7) Atorony ao izay tokony hatao raha tena te ho sambatra, te hamitram-pihavanana, tsy te haloto fitondran-tena, ny tokony hatao amin’ny fahavalo, ary ny fomba anaovana ny marina tsy misy fihatsarambelatsihy. Resahiny ao koa hoe ilaina ny matoky fa malala-tanana Andriamanitra, sy hoe ahoana no tokony hiheverana ny vola aman-karena, ny fomba itondrana ny hafa, ary ny fomba amantarana ny fivavahan-diso sy ananana hoavy sambatra. “Nitolagaga ny vahoaka noho ny fomba fampianany. Nampianatra azy toy ny manana fahefana mantsy izy, fa tsy toy ny mpanora-dalàna teo aminy.” (Mt 7:28, 29) Mbola i Jesosy ihany no nampiasain’i Jehovah hampita ny teniny tamin’ny olona, na dia taorian’ny nananganany azy tamin’ny maty aza.—Ap 1:1.

Mpampianatra mahay. Tena nandaitra ny fomba fampianatr’i Jesosy. (Jn 7:45, 46) Hevitra lalina sy mafonja no noresahiny, nefa nataony fohy sy tsotra ary mazava. Nampiasa fanoharana fantatry ny mpihaino azy tsara izy (Mt 13:34, 35), na mpanarato izy ireo (Mt 13:47, 48), na mpiandry ondry (Jn 10:1-17), na mpamboly (Mt 13:3-9), na mpanao trano (Mt 7:24-27; Lk 14:28-30), na mpivarotra (Mt 13:45, 46), na tompo sy mpanompo (Lk 16:1-9), na vehivavy mpikarakara tokantrano (Mt 13:33; Lk 15:8), na hafa (Mt 6:26-30). Zavatra tsotra toy ny mofo, rano, sira, siny hoditra, akanjo tonta no noresahiny mba hampitana hevi-dehibe, toy ny fahita ao amin’ny Soratra Hebreo. (Jn 6:31-35, 51; 4:13, 14; Mt 5:13; Lk 5:36-39) Nampiasa hevitra mirindra sy fampitahana mety tsara koa izy matetika, ka afaka namaly ny fanoheran’ireo olona diso hevitra sady nanitsy ny fomba fisainany. (Mt 16:1-3; Lk 11:11-22; 14:1-6) Nataony izay hanohinana ny fon’ny olona. Nampiasa fanontaniana àry izy mba hahatonga azy ireo hieritreritra, hanatsoaka hevitra, handinika ny antony anaovany zavatra, ary hanapa-kevitra. (Mt 16:5-16; 17:24-27; 26:52-54; Mr 3:1-5; Lk 10:25-37; Jn 18:11) Tsy ny hitaona olona maro be anefa no tanjony, fa ny hanohina ny fon’ireo mangetaheta ny fahamarinana kosa.—Mt 5:3, 6; 13:10-15.

Fantany fa voafetra ihany ny zavatra takatr’ireo nihaino azy, anisan’izany ny mpianany, ka arakaraka izany ny zavatra nampianariny. (Mr 4:33) Nahay nanavaka koa izy ka tsy nanazava hevitra be loatra. (Jn 16:4, 12) Tsy ‘nampihen-danja’ ny hafatr’Andriamanitra mihitsy anefa izy, mba hahazoana laza na sitraka tamin’olona. Nilaza ny marina foana kosa izy, ary tsy niolakolaka mihitsy aza indraindray. (Mt 5:37; Lk 11:37-52; Jn 7:19; 8:46, 47) Izao no votoatin’ny hafatra notoriny: “Mibebaha ... fa efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Mt 4:17) Toy ny nataon’ireo mpaminanin’i Jehovah fahiny, dia nolazainy tamin’ny vahoaka ‘ny fikomian’izy ireo, ary tamin’ny taranak’i Jakoba ny fahotany.’ (Is 58:1; Mt 21:28-32; Jn 8:24) Natorony azy ireo koa ny ‘vavahady tery sy ny lalana ety’ mankany amin’ny fiainana sy ny fomba ahazoana sitraka amin’Andriamanitra.—Mt 7:13, 14.

“Filoha sy mpitarika.” Noporofoin’i Jesosy fa mendrika ny ho “filoha sy mpitarika” izy, ary “ho vavolombelona eo amin’ireo firenena.” (Is 55:3, 4; Mt 23:10; Jn 14:10, 14; ampit. 1Ti 6:13, 14.) Volana maromaro taorian’ny nanombohany ny fanompoany, dia nanatona olona vitsivitsy efa fantany izy rehefa tonga ny fotoana, ka nanasa azy ireo hoe: “Andao hanara-dia ahy.” Nanaiky avy hatrany izy ireo, ka nialany ny asa fanaratoana sy ny famorian-ketra. (Mt 4:18-22; Lk 5:27, 28; ampit. Sl 110:3.) Nisy vehivavy koa nanokana fotoana sy hery ary fananana, mba hanampiana an’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy.—Mr 15:40, 41; Lk 8:1-3.

Ireo olona vitsivitsy ireo no voalohany ho anisan’ilay “firenena” vaovao, na Israely ara-panahy. (1Pe 2:7-10) Nivavaka nandritra ny alina manontolo i Jesosy mba hahazoana ny tari-dalan-dRainy, talohan’ny nifidianany apostoly 12. Ho lasa andrin’ilay firenena vaovao mantsy izy ireo raha tsy mivadika, toa an’ireo zanakalahin’i Jakoba 12 izay andrin’ny Israely fahiny. (Lk 6:12-16; Ef 2:20; Ap 21:14) Nanendry mpianatra 70 hanao fanompoana koa izy tatỳ aoriana, sahala amin’ireo 70 lahy niara-niasa tamin’i Mosesy mba ho solontenan’ilay firenena. (No 11:16, 17; Lk 10:1) Nifantoka manokana tamin’ireo mpianany ireo i Jesosy rehefa nampianatra sy nanome toromarika, toy ny hita tamin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra, izay nataony indrindra ho azy ireo.—Mt 5:1, 2, 13-16; 13:10, 11; Mr 4:34; 7:17.

Nanaiky hiantsoroka ny andraikitry ny mpitarika izy, ka loha laharana tamin’ny lafiny rehetra. (Mt 23:10; Mr 10:32) Nanankina asa sy andraikitra hafa tamin’ny mpianany izy, ankoatra ny asa fitoriana (Lk 9:52; 19:29-35; Jn 4:1-8; 12:4-6; 13:29; Mr 3:9; 14:12-16), ary nampahery sy nananatra azy ireo (Jn 16:27; Lk 10:17-24; Mt 16:22, 23). Nanome didy koa izy satria filohan’izy ireo. Ny lehibe indrindra amin’izany dia ny mba ‘hifankatiavan’izy ireo toy ny nitiavany azy ireo.’ (Jn 15:10-14) Voafehiny ny olona an’arivony. (Mr 6:39-46) Tena nandaitra ny fampiofanana nomeny tsy tapaka an’ireo mpianany, izay olon-tsotra tsy dia nahita fianarana ny ankamaroany. (Mt 10:1–11:1; Mr 6:7-13; Lk 8:1) Nisy nitolagaga mihitsy ny olona ambony sy avara-pianarana nahita an’ireo apostoly nahay nandaha-teny sy sahy nitory. Tena nahomby koa ny fitorian’ireo “mpanarato olona” ireo, satria an’arivony no nanaiky ny hafatra notoriny. (Mt 4:19; As 2:37, 41; 4:4, 13; 6:7) Azon’izy ireo tsara ny toro lalan’ny Baiboly izay nataon’i Jesosy latsa-paka tao am-pony, ka lasa mpiandry ondry nikarakara tsara ny andian’ondry izy ireo tatỳ aoriana. (1Pe 5:1-4) Nahavita nanorina an’ilay fiangonana iraisam-pirenena hisy olona maro be avy amin’ny firazanana samy hafa àry i Jesosy, nandritra ny telo taona sy tapany monja.

Mpanome izay ilaina sy Mpitsara manao ny rariny. Ho tondraka noho ny tamin’ny andron’i Solomona ny sakafo, rehefa i Jesosy no hitondra. Hainy tsara mantsy ny nanoro an’ireo mpianany ny fomba hahazoana trondro faran’izay betsaka. (Lk 5:4-9; ampit. Jn 21:4-11.) Nahavita nanome sakafo ho an’olona an’arivony koa io lehilahy teraka tany Betlehema (midika hoe “Tranon’ny Mofo”) io, ary nanova ny rano ho divay. Vao santatry ny fanasambe hataon’ilay Mesia Mpanjaka “ho an’ny firenena rehetra” fotsiny anefa izany. (Is 25:6; ampit. Lk 14:15.) Tsy ny fahantrana sy ny hanoanana ihany no ho foana rehefa mitondra izy, fa na ny fahafatesana koa aza “hofoanany tsy hisy mandrakizay.”—Is 25:7, 8.

Azo antoka fa ho mpitondra hanao ny rariny sy ny hitsiny izy, araka ny faminaniana momba ny Mesia. (Is 11:3-5; 32:1, 2; 42:1) Mpankatò lalàna mantsy izy, indrindra fa ny an’ilay Andriamanitra Rainy. Nankatò an’ireo lalàna navoakan’ny “manam-pahefana” nisy tamin’ny androny koa anefa izy. (Ro 13:1; Mt 5:17-19; 22:17-21; Jn 18:36) Tsy nanaiky hoterena hanao politika izy, rehefa nitady hanao azy ho “mpanjaka” ny vahoaka. (Jn 6:15; ampit. Lk 19:11, 12; As 1:6-9.) Tsy nanao zavatra tsy nananany fahefana koa izy. (Lk 12:13, 14) Tsy nisy ‘afaka nanaporofo hoe nanota’ izy. Tsy hoe lavorary fotsiny mantsy izy, fa niezaka nitandrina ny Tenin’Andriamanitra foana koa. (Jn 8:46, 55) Toy ny fehikibo teo amin’ny andilany àry ny fahamarinana sy ny tsy fivadihana. (Is 11:5) Tiany ny fahamarinana ary halany ny faharatsiana sy ny fihatsarambelatsihy ary ny fitaka. Sosotra izy nahita an’ireo olona tia vola loatra sy tsy nihontsina nanoloana ny fijalian’ny hafa. (Mt 7:21-27; 23:1-8, 25-28; Mr 3:1-5; 12:38-40; ampit. Mr 12 and. 41-44.) Mampahery an’ireo mahantra sy mpandefitra ny mahalala fa hanafoana ny tsy rariny sy ny fampahoriana ny fitondran’i Jesosy.—Is 11:4; Mt 5:5.

Hainy tsara ny nanavaka ny toro lalana sy ny tena dikan’ny lalàn’Andriamanitra ary ny zava-kendren’izy ireny. Nasongadiny àry fa ny “manao ny rariny sy ny mamindra fo ary ny ho mendri-pitokisana” no “mavesa-danja kokoa.” (Mt 12:1-8; 23:23, 24) Tsy nanavakavaka izy sady tsy niangatra, na dia nisy mpianany iray tiany kokoa aza. (Mt 18:1-4; Mr 10:35-44; Jn 13:23; ampit. 1Pe 1:17.) Ny fifandraisany tamin’i Jehovah foana no loha laharana taminy vao ny fianakaviany, na dia niahy an-dreniny aza izy talohan’ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana. (Mt 12:46-50; Lk 11:27, 28; Jn 19:26, 27) Araka ny efa nambara mialoha, dia tsy “araka izay hitan’ny masony fotsiny” no fomba nandaminany olana, na ‘nananatra araka izay ren’ny sofiny’ fotsiny izy. (Is 11:3; ampit. Jn 7:24.) Nahalala izay tao am-pon’ny olona sy tao an-tsainy izy. Fantany koa ny fomba fisainan’izy ireo sy ny antony nanaovany zavatra. (Mt 9:4; Mr 2:6-8; Jn 2:23-25) Nanaraka an’izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra foana izy, ary naniry hanao ny sitrapon-dRainy fa tsy ny azy. Azo antoka àry fa ho araka ny rariny sy ny hitsiny foana ny fanapahan-kevitra horaisin’io Mpitsara voatendrin’Andriamanitra io.—Is 11:4; Jn 5:30.

Mpaminany niavaka. Nahafeno fepetra ho mpaminany toa an’i Mosesy i Jesosy, ary lehibe noho izy mihitsy aza. (De 18:15, 18, 19; Mt 21:11; Lk 24:19; As 3:19-23; ampit. Jn 7:40.) Efa nolazainy mialoha ny fijaliany sy ny fomba hahafatesany, sy ny hoe hiparitaka ny mpianany, hatao fahirano i Jerosalema, ary horavana tanteraka ilay tanàna sy ny tempoliny. (Mt 20:17-19; 24:1–25:46; 26:31-34; Lk 19:41-44; 21:20-24; Jn 13:18-27, 38) Nanambara faminaniana hafa koa izy, ary ho tanteraka mandritra ny fanatrehany izy ireny, rehefa lasa Mpanjaka izy. Nanao famantarana sy fahagagana toy ny nataon’ny mpaminany taloha koa izy, ho porofo fa tena nirahin’Andriamanitra. Be kokoa noho ny an’i Mosesy anefa ny zava-bitany, satria nampitony ny Ranomasin’i Galilia nisamboaravoara izy, nandeha teny ambony rano (Mt 8:23-27; 14:23-34), nanasitrana ny jamba sy ny marenina ary ny kilemaina mbamin’ireo narary mafy toy ny boka, ary nanangana ny maty mihitsy aza.—Lk 7:18-23; 8:41-56; Jn 11:1-46.

Modely ho antsika ny fitiavany. Ny fitiavana no toetran’i Jesosy misongadina indrindra: Tena tia an-dRainy aloha izy voalohany indrindra, nefa koa tia olona. (Mt 22:37-39) Tokony hampiavaka ny mpianany koa àry ny fitiavana. (Jn 13:34, 35; ampit. 1Jn 3:14.) Be fitiavana izy nefa tsy nobaikoin’ny fony fotsiny. Nifanaraka tamin’ny toro lalana foana kosa ny fitiavany (He 1:9), na dia naneho fihetseham-po lalina aza izy. Ny sitrapon-dRainy mantsy no zava-dehibe indrindra taminy. (Ampit. Mt 16:21-23.) Nitandrina ny didiny izy (Jn 14:30, 31; ampit. 1Jn 5:3) sady nanome voninahitra azy foana (Jn 17:1-4), ka hita fa tena tia Azy. Efa ho in-30 izy no niresaka momba ny fitiavana, ny alina farany niarahany tamin’ny mpianany, ary in-3 izy no nandidy azy ireo mba ‘hifankatia.’ (Jn 13:34; 15:12, 17) Hoy izy tamin’izy ireo: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany. Ianareo no namako raha manao araka ny nandidiako anareo.”—Jn 15:13, 14; ampit. Jn 10:11-15.

Nanaiky ‘hoentina toy ny ondry hovonoina’ sy nanaiky izay rehetra natao taminy izy, mba hanaporofoana fa tia an’Andriamanitra sy ny olombelona tsy lavorary: Notsaraina izy, nasiana tehamaina sy totohondry, nororana, nokaravasina, ary nofantsihana tamin’ny tsato-kazo teo afovoan’ny jiolahy roa. (Is 53:7; Mt 26:67, 68; 27:26-38; Mr 14:65; 15:15-20; Jn 19:1) Ny nahafatesany ho sorona dia ahitana fa tena tian’Andriamanitra ny olombelona (Ro 5:8-10; Ef 2:4, 5) sady nanome antoka fa ho tian’i Jesosy foana ny mpianany tsy mivadika.—Ro 8:35-39; 1Jn 3:16-18.

Fohy ny fitantaran’ny Baiboly momba ilay Zanak’Andriamanitra, kanefa hita fa manana toetra tena tsara izy. (Jn 21:25) Azo antoka àry fa mbola tsara lavitra noho izany ny tena zava-misy. Nanetry tena sy tsara fanahy ary tia rariny sy hitsiny i Jesosy, ka tsy ho diso fanantenana ireo olona maro be nanam-pinoana izay niandrandra hatry ny ela an’ilay Fanjakany. Ho tsara lavitra noho izay noeritreretin’izy ireo mihitsy aza io Fanjakana io! (Ro 8:18-22) Namela modely tonga lafatra ho an’ny mpianany izy, ary hafa tanteraka noho ny an’ny mpitondra eto amin’ity tontolo ity izany modely izany. (Mt 20:25-28; 1Ko 11:1; 1Pe 2:21) Nosasany, ohatra, ny tongotry ny mpianany, nefa izy no Tompon’izy ireo. Nasehony tamin’izany fa tokony ho be fiahiana sy hanetry tena ireo Kristianina voahosotra, na mbola eto an-tany na efa any an-danitra. (Jn 13:3-15) Ho mpanjaka mantsy izy ireo ary hanana “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany” miaraka amin’i Jesosy mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Tsy maintsy hanetry tena sy ho be fitiavana anefa izy ireo, rehefa hikarakara sy hanompo an’ireo olom-peheziny eto an-tany.—Mt 28:18; Ro 8:17; 1Pe 2:9; Ap 1:5, 6; 20:6; 21:2-4.

Nambara ho marina sy mendrika. Mendrika ny ho Mpanjaka sady Mpisorona any an-danitra i Jesosy Kristy “noho ny asa fanamarinana iray”, izany hoe noho izy tsy nivadika mihitsy ka nanolotra ny ainy. (Ro 5:17, 18) “Nambara ho marina” àry izy ary lasa “fanahy”, rehefa natsangana tamin’ny maty mba ho Zanak’Andriamanitra any an-danitra. (1Ti 3:16) Nilaza ireo zavaboary any fa “mendrika handray fahefana sy harena sy fahendrena sy hery sy haja sy voninahitra ary fisaorana” izy. Be herim-po toy ny liona mantsy izy rehefa manao ny rariny sy mampihatra didim-pitsarana. Toy ny zanak’ondry koa anefa izy, noho izy nanao sorona ny ainy mba hamonjena ny olona. (Ap 5:5-13) Tratrany ny tanjony voalohany, dia ny hanamasina ny anaran-dRainy. (Mt 6:9; 22:36-38) Nampiasa an’ilay anarana mantsy izy, sady nampahafantatra an’ilay Rainy. Nanahaka Azy koa izy satria be fitiavana sy hendry sy tia rariny ary mahery, ka nanjary fantatry ny olona ny hevitry ny anaran’Andriamanitra. (Mt 11:27; Jn 1:14, 18; 17:6-12) Nanohana ny zon’i Jehovah hitondra koa izy, ary nasehony fa avy amin’io Fahefana Fara Tampony io ny Fanjakany. Mety àry ny ilazana fa ‘Andriamanitra no seza fiandrianany mandrakizay.’—He 1:8.

I Jesosy Kristy Tompo àry no “Mpitarika Lehibe Indrindra sy Mpandavorary ny finoantsika.” Tsy maintsy miorina mafy aminy ny tena finoana, noho izy nanatanteraka faminaniana sy nampahafantatra ny fikasan’Andriamanitra, ary noho ny toetrany sy ny zavatra nolazainy ary nataony.—He 12:2; 11:1.

[Tabilao, pejy ]

ZAVA-NISONGADINA TAMIN’NY FIAINAN’I JESOSY TETO AN-TANY—Ny Filazantsara Efatra Milahatra Araka ny Fotoana Nisehoany

Talohan’ny Fanompoan’i Jesosy

Fotoana Toerana Zava-nitranga

Talohan’ny

Andro

Kristianina

3 Jerosalema, Nilazana i Zakaria fa ho teraka

tempoly i Jaona Mpanao Batisa

Lk 1:5-25

t. 2 Nazareta; Nilazana i Maria fa ho teraka

Jodia i Jesosy; nitsidika an’i Elizabeta

Lk 1:26-56

2 Havoanan’i Teraka i Jaona Mpanao Batisa;

Jodia fiainany tany an-tany efitra

Lk 1:57-80

2, Betlehema Teraka i Jesosy (ny Teny,

t. 1 Okt. tamin’ny alalany no nisian’ny

zava-drehetra) ary taranak’i

Abrahama sy Davida

Mt 1:1-25 Lk 2:1-7

Jn 1:1-5, 9-14

Akaikin’i Anjely nilaza vaovao tsara;

Betlehema mpiandry ondry namangy zazakely

Lk 2:8-20

Betlehema; Noforana i Jesosy (feno 8 andro),

Jerosalema nentina tany amin’ny tempoly

(40 andro taorianan’ny nahaterahany)

Lk 2:21-38

1 na Jerosalema; Mpanandro; nandositra nankany

Amin’ny Betlehema; Ejipta; famonoana zazakely;

Andro Nazareta niverina i Jesosy

Kristianina Mt 2:1-23

1 Lk 2:39, 40

12 Jerosalema Jesosy 12 taona, tamin’ny Paska;

nody

Lk 2:41-52

Lohataona, Tany efitra, Fanompoan’i Jaona Mpanao Batisa

29 Jordana Mt 3:1-12 Mr 1:1-8 Lk 3:1-18

Jn 1:6-8, 15-28

Fanombohan’ny Fanompoan’i Jesosy

Fotoana Toerana Zava-nitranga

Fararano, Reniranon’i Batisa sy fanosorana an’i Jesosy

29 Jordana nateraka ho olombelona sady

taranak’i Davida, nefa nantsoina

hoe Zanak’Andriamanitra

Mt 3:13-17 Mr 1:9-11

Lk 3:21-38 Jn 1:32-34

Tany Efitr’i Nifady hanina sy nalaim-panahy

Jodia i Jesosy

Mt 4:1-11 Mr 1:12, 13

Lk 4:1-13

Betania Nanambara momba an’i Jesosy

ampitan’i i Jaona Mpanao Batisa

Jordana Jn 1:15, 29-34

Lohasahan’i Mpianatr’i Jesosy voalohany

Jordana Jn 1:35-51

ambony

Kana any Fahagagana voalohany

Galilia; nataon’i Jesosy;

Kapernaomy fitsidihany an’i Kapernaomy

Jn 2:1-12

Paska, Jerosalema Fetin’ny Paska; noroahina ny

30 mpivarotra tao amin’ny tempoly

Jn 2:13-25

Jerosalema Resak’i Jesosy sy Nikodemosy

Jn 3:1-21

Jodia; Nanao batisa ny mpianatr’i

Ainona Jesosy; tsy maintsy hihena i Jaona

Jn 3:22-36

Tiberiasy Natao am-ponja i Jaona;

nankany Galilia i Jesosy

Mt 4:12; 14:3-5 Mr 1:14; 6:17-20

Lk 3:19, 20; 4:14 Jn 4:1-3

Sykara Nampianatra Samaritanina

any Samaria tamin’izy ho any Galilia

Jn 4:4-43

Fanompoana Be Nataon’i Jesosy Tany Galilia

Fotoana Toerana Zava-nitranga

Galilia Nitory voalohany hoe “Efa manakaiky

ny fanjakan’ny lanitra”

Mt 4:17 Mr 1:14, 15

Lk 4:14, 15 Jn 4:44, 45

Nazareta; Nanasitrana ankizilahy;

Kana; ny nanirahana azy; nolavina;

Kapernaomy nankany Kapernaomy

Mt 4:13-16 Lk 4:16-31

Jn 4:46-54

Ranomasin’i Niantso an’i Simona sy Andrea,

Galilia, Jakoba sy Jaona

akaikin’i Mt 4:18-22

Kapernaomy Mr 1:16-20 Lk 5:1-11

Kapernaomy Nanasitrana olona nisy demonia sy

ny rafozambavin’i Petera

ary olona maro hafa

Mt 8:14-17 Mr 1:21-34

Lk 4:31-41

Galilia Fitoriana voalohany nanerana an’i

Galilia niaraka tamin’ireo mpianatra

efatra vao nantsoina

Mt 4:23-25 Mr 1:35-39

Lk 4:42, 43

Galilia Boka nositranina; vahoaka be

nitangorona teo amin’i Jesosy

Mt 8:1-4 Mr 1:40-45 Lk 5:12-16

Kapernaomy Nanasitrana olona nalemy

Mt 9:1-8 Mr 2:1-12 Lk 5:17-26

Kapernaomy Niantso an’i Matio; niara-nisakafo

tamin’ny mpamory hetra

Mt 9:9-17 Mr 2:13-22

Lk 5:27-39

Jodia Nitory tany amin’ireo synagoga

Lk 4:44

Paska, Jerosalema Namonjy fety; nanasitrana lehilahy

31 iray; niteny mafy an’ireo Fariseo

Jn 5:1-47

Niverina Mpianatra nioty salohim-barimbazaha

avy any tamin’ny Sabata

Jerosalema(?) Mt 12:1-8 Mr 2:23-28 Lk 6:1-5

Galilia; Nanasitrana tanana tamin’ny andro

Ranomasin’i Sabata; nankany amoron-dranomasina;

Galilia nanasitrana

Mt 12:9-21 Mr 3:1-12 Lk 6:6-11

Tendrombohitra Nofidina ireo apostoly 12

akaikin’i Mr 3:13-19 Lk 6:12-16

Kapernaomy

Akaikin’i Toriteny teo An-tendrombohitra

Kapernaomy Mt 5:1–7:29 Lk 6:17-49

Kapernaomy Nanasitrana mpanompon’ny

manamboninahitra

Mt 8:5-13 Lk 7:1-10

Naina Nanangana zanaky ny vehivavy

mpitondratena

Lk 7:11-17

Galilia Naniraka ny mpianany hankany amin’i

Jesosy i Jaona tao am-ponja

Mt 11:2-19 Lk 7:18-35

Galilia Tanàna nomen-tsiny; zavatra

naharihary tamin’ny zaza;

zioga mora entina

Mt 11:20-30

Galilia Vehivavy mpanota nanosotra menaka ny

tongotr’i Jesosy; fanoharana momba

ny mpitrosa

Lk 7:36-50

Galilia Fitoriana fanindroany eran’i

Galilia, niaraka tamin’ny 12 lahy

Lk 8:1-3

Galilia Nanasitrana olona nisy demonia;

nampangaina ho naman’i Belzeboba

Mt 12:22-37 Mr 3:19-30

Galilia Mpanora-dalàna sy Fariseo nitady

famantarana

Mt 12:38-45

Galilia Ny mpianatr’i Kristy no havany

akaiky

Mt 12:46-50 Mr 3:31-35

Lk 8:19-21

Ranomasin’i Fanoharana: Mpamafy, tsimparifary,

Galilia sns; fanazavana ny dikany

Mt 13:1-53 Mr 4:1-34 Lk 8:4-18

Ranomasin’i Nampitsahatra tafio-drivotra

Galilia rehefa niampita ny farihy

Mt 8:18, 23-27 Mr 4:35-41

Lk 8:22-25

Gadara, Sitrana ny lehilahy roa nisy

atsimo- demonia; kisoa nidiran’ny demonia

atsinanan’ny Mt 8:28-34 Mr 5:1-20

Ranomasin’i Lk 8:26-39

Galilia

Angamba tany Natsangana ny zanakavavin’i Jairo;

Kapernaomy vehivavy sitrana

Mt 9:18-26 Mr 5:21-43

Lk 8:40-56

Kapernaomy(?) Nanasitrana jamba roa lahy sy

lehilahy moana nisy demonia

Mt 9:27-34

Nazareta Nitsidika indray an’ilay tanàna

nahabe azy, ary nolavin’ny olona

indray

Mt 13:54-58 Mr 6:1-6

Galilia Nitory fanintelony eran’i Galilia;

nirahina koa ny apostoly

Mt 9:35–11:1 Mr 6:6-13

Lk 9:1-6

Tiberiasy Notapahin-doha i Jaona Mpanao

Batisa; tahotr’i Heroda

Mt 14:1-12 Mr 6:14-29 Lk 9:7-9

32, taloha Kapernaomy(?); Avy nitory ny apostoly;

kelin’ny avaratra- olona 5 000 nomen-tsakafo

Paska tsinanan’ny Mt 14:13-21 Mr 6:30-44

(Jn 6:4) Ranomasin’i Lk 9:10-17 Jn 6:1-13

Galilia

Avaratra- Saika hatao mpanjaka i Jesosy;

tsinanan’ny nandeha teny ambony rano;

Ranomasin’i nanasitrana

Galilia; Mt 14:22-36 Mr 6:45-56

Genesareta Jn 6:14-21

Kapernaomy Ilay “mofon’aina”; mpianatra maro

nihemotra

Jn 6:22-71

32, Angamba Fomban-drazana manafoana ny

taorian’ny tany Tenin’Andriamanitra

Paska Kapernaomy Mt 15:1-20 Mr 7:1-23 Jn 7:1

Fenisia; Akaikin’i Tyro, Sidona; nankany

Dekapolisy Dekapolisy; olona 4 000

nomen-tsakafo

Mt 15:21-38 Mr 7:24–8:9

Magadana Sadoseo sy Fariseo nitady

famantarana indray

Mt 15:39–16:4 Mr 8:10-12

Avaratra- Nampitandrina momba ny lalivain’ny

tsinanan’ny Fariseo; nanasitrana jamba

Ranomasin’i Mt 16:5-12 Mr 8:13-26

Galilia;

Betsaida

Kaisaria- Jesosy ilay Mesia; nilaza

Filipo ny hahafatesany sy hitsanganany

Mt 16:13-28 Mr 8:27–9:1

Lk 9:18-27

Angamba Fiovan-tarehy teo anatrehan’i

Tendrombohitra Petera, Jakoba, Jaona

Hermona Mt 17:1-13 Mr 9:2-13

Lk 9:28-36

Kaisaria- Namoaka demonia tsy

Filipo tafavoakan’ny mpianatra

Mt 17:14-20 Mr 9:14-29

Lk 9:37-43

Galilia Nilaza indray ny hahafatesany sy

hitsanganany

Mt 17:22, 23 Mr 9:30-32

Lk 9:43-45

Kapernaomy Fahagagana nahazoana vola

handoavan-ketra

Mt 17:24-27

Kapernaomy Ny lehibe indrindra ao amin’ny

Fanjakana; fandaminana tsy

fifanarahana; famindram-po

Mt 18:1-35 Mr 9:33-50

Lk 9:46-50

Galilia; Niala tao Galilia hamonjy ny

Samaria Fetin’ny Trano Rantsankazo; afoy ny

zava-drehetra rehefa hanompo

an’Andriamanitra

Mt 8:19-22 Lk 9:51-62

Jn 7:2-10

Fanompoan’i Jesosy Tany Jodia

Fotoana Toerana Zava-nitranga

32, Jerosalema Jesosy nampianatra ampahibemaso

Fetin’ny nandritra ilay Fety

Trano Jn 7:11-52

Rantsankazo

Jerosalema Nampianatra taorian’ny Fety;

nanasitrana jamba

Jn 8:12–9:41

Angamba Nirahina hitory ny 70 lahy;

tany Jodia niverina, nitantara

Lk 10:1-24

Jodia; Ilay Samaritanina tsara fanahy;

Betania tao an-tranon’i Marta sy Maria

Lk 10:25-42

Angamba Nampianatra vavaka modely indray;

tany Jodia “mangataha foana”

Lk 11:1-13

Angamba Namaly fanendrikendrehana;

tany Jodia nanameloka taranaka ratsy fanahy

Lk 11:14-36

Angamba Jesosy nanameloka ny

tany Jodia mpihatsaravelatsihy rehefa

niara-nisakafo tamin’ny Fariseo

Lk 11:37-54

Angamba Niresaka momba ny

tany Jodia fiahian’Andriamanitra; mpanompo

mendri-pitokisana

Lk 12:1-59

Angamba Nanasitrana vehivavy nalemy tamin’ny

tany Jodia Sabata; fanoharana telo

Lk 13:1-21

32, Jerosalema Jesosy tamin’ny Fetin’ny

Fetin’ny Fitokanana; Mpiandry Tena Tsara

Fitokanana Jn 10:1-39

Fanompoan’i Jesosy Tany Atsinanan’i Jordana

Fotoana Toerana Zava-nitranga

Ampitan’i Maro no nino an’i Jesosy

Jordana Jn 10:40-42

Pere Nampianatra tany amin’ny tanàna

(ampitan’i sy vohitra; nankany Jerosalema

Jordana) Lk 13:22

Pere Fidirana ao amin’ilay Fanjakana;

nandrahona i Heroda; trano hilaozana

Lk 13:23-35

Angamba Fanetren-tena; fanoharana: Fanasambe

tany Pere tamin’ny sakafo hariva

Lk 14:1-24

Angamba Mandinika tsara izay takina amin’ny

tany Pere hoe mpianatra

Lk 14:25-35

Angamba Fanoharana: Ondry very, vola

tany Pere madinika very, zanaka adala

Lk 15:1-32

Angamba Fanoharana: Mpanompo tsy marina,

tany Pere mpanankarena sy Lazarosy

Lk 16:1-31

Angamba Famelan-keloka sy finoana; mpanompo

tany Pere tsy mahasoa

Lk 17:1-10

Betania Lazarosy natsangan’i Jesosy tamin’ny

maty

Jn 11:1-46

Jerosalema; Torohevitr’i Kaiafa hamelezana an’i

Efraima Jesosy; lasa i Jesosy

Jn 11:47-54

Samaria; Nanasitrana sy nampianatra rehefa

Galilia nandalo tao Samaria sy Galilia

Lk 17:11-37

Samaria na Fanoharana: Mpitondratena tsy

Galilia nitsaha-nangataka, Fariseo sy

mpamory hetra

Lk 18:1-14

Pere Nivily nankany Pere; nampianatra

momba ny fisaraham-panambadiana

Mt 19:1-12 Mr 10:1-12

Pere Nandray sy nitso-drano ankizy

Mt 19:13-15 Mr 10:13-16

Lk 18:15-17

Pere Tovolahy nanan-karena; fanoharana:

Mpamboly tanimboaloboka

Mt 19:16–20:16 Mr 10:17-31

Lk 18:18-30

Angamba Jesosy nilaza fanintelony ny

tany Pere hahafatesany sy hitsanganany

Mt 20:17-19 Mr 10:32-34

Lk 18:31-34

Angamba Nangataka toerana ao amin’ilay

tany Pere Fanjakana i Jakoba sy Jaona

Mt 20:20-28 Mr 10:35-45

Jeriko Nandalo an’i Jeriko ary nanasitrana

jamba roa lahy; nitsidika an’i

Zakaiosy; fanoharana: Farantsa folo

Mt 20:29-34 Mr 10:46-52

Lk 18:35–19:28

Fanompoan’i Jesosy Farany Tany Jerosalema

Fotoana Toerana Zava-nitranga

8 Nisana 33 Betania Tonga tany enina andro talohan’ny

Paska

Jn 11:55–12:1

9 Nisana Betania Fanasana tao an-tranon’i Simona

boka; nohosoran’i Maria menaka

i Jesosy; tonga hijery an’i Jesosy

sy Lazarosy ny Jiosy

Mt 26:6-13 Mr 14:3-9

Jn 12:2-11

Betania- Kristy niditra tamim-pandresena tao

Jerosalema Jerosalema

Mt 21:1-11, 14-17 Mr 11:1-11

Lk 19:29-44 Jn 12:12-19

10 Nisana Betania- Nozonina ilay aviavy tsy namoa;

Jerosalema nodiovina fanindroany ny tempoly

Mt 21:18, 19, 12, 13 Mr 11:12-17

Lk 19:45, 46

Jerosalema Lehiben’ny mpisorona sy mpanora-

dalàna nitady hamono an’i Jesosy

Mr 11:18, 19 Lk 19:47, 48

Jerosalema Adihevitra tamin’ny Grika; tsy nino

ny Jiosy

Jn 12:20-50

11 Nisana Betania- Nalazo ilay aviavy tsy namoa

Jerosalema Mt 21:19-22 Mr 11:20-25

Jerosalema, Tsy natokisana ny fahefan’i Kristy;

tempoly fanoharana: Zanaka mirahalahy

Mt 21:23-32 Mr 11:27-33

Lk 20:1-8

Jerosalema, Fanoharana: Mpamboly ratsy fanahy,

tempoly fanasana amin’ny fampakaram-bady

Mt 21:33–22:14 Mr 12:1-12

Lk 20:9-19

Jerosalema, Fanontaniana fandrika momba ny

tempoly hetra, fitsanganan’ny maty, didy

Mt 22:15-40 Mr 12:13-34

Lk 20:20-40

Jerosalema, Tsy nahateny ireo nanontanian’i

tempoly Jesosy momba ny razamben’ny Mesia

Mt 22:41-46 Mr 12:35-37

Lk 20:41-44

Jerosalema, Mpanora-dalàna sy Fariseo

tempoly nomelohina

Mt 23:1-39 Mr 12:38-40

Lk 20:45-47

Jerosalema, Vola madinik’ilay mpitondratena

tempoly Mr 12:41-44 Lk 21:1-4

Tendrombohi- Faminaniana: Ho rava i Jerosalema;

tra Oliva fanatrehan’i Jesosy; fifaranan’ny

rafitr’ity tontolo ity

Mt 24:1-51 Mr 13:1-37

Lk 21:5-38

Tendrombohi- Fanoharana: Virjiny folo, talenta,

tra Oliva ondry sy osy

Mt 25:1-46

12 Nisana Jerosalema Mpitondra fivavahana nikaon-doha

hamono an’i Jesosy

Mt 26:1-5 Mr 14:1, 2

Lk 22:1, 2

Jerosalema Nifanaraka hamadika an’i Jesosy

i Jodasy sy ny mpisorona

Mt 26:14-16 Mr 14:10, 11

Lk 22:3-6

13 Nisana Jerosalema Nanomana ny Paska

(alakamisy sy ny Mt 26:17-19 Mr 14:12-16

tolakandro) manodidina Lk 22:7-13

14 Nisana Jerosalema Nihinana ny Paska niaraka tamin’ny

12 lahy

Mt 26:20, 21 Mr 14:17, 18

Lk 22:14-18

Jerosalema Jesosy nanasa ny tongotry ny

apostoliny

Jn 13:1-20

Jerosalema Fantatra fa mpamadika i Jodasy;

nasaina nandeha

Mt 26:21-25 Mr 14:18-21

Lk 22:21-23 Jn 13:21-30

Jerosalema Sakafon’ny Fahatsiarovana natomboka

niaraka tamin’ny 11 lahy

Mt 26:26-29 Mr 14:22-25

Lk 22:19, 20, 24-30 [1Ko 11:23-25]

Jerosalema Filazana fa handa i Petera, hiely ny

apostoly

Mt 26:31-35 Mr 14:27-31

Lk 22:31-38 Jn 13:31-38

Jerosalema Mpanampy; fifankatiavana; fahoriana;

vavaka nataon’i Jesosy

Jn 14:1–17:26

Getsemane Fijaliana tao an-jaridaina; nisy

namadika i Jesosy ary nosamborina

Mt 26:30, 36-56 Mr 14:26, 32-52

Lk 22:39-53 Jn 18:1-12

Jerosalema Fitsarana teo anatrehan’i Anasy,

Kaiafa, Fitsarana Avo Jiosy;

nanda i Petera

Mt 26:57–27:1 Mr 14:53–15:1

Lk 22:54-71 Jn 18:13-27

Jerosalema Nananton-tena i Jodasy mpamadika

Mt 27:3-10 [As 1:18, 19]

Jerosalema Teo anatrehan’i Pilato, tany amin’i

Heroda, tany amin’i Pilato indray

Mt 27:2, 11-14 Mr 15:1-5

Lk 23:1-12 Jn 18:28-38

Jerosalema Saika hafahan’i Pilato nefa

natolotra hovonoina ihany

Mt 27:15-30 Mr 15:6-19

Lk 23:13-25 Jn 18:39–19:16

(zoma Golgota, Jesosy maty teo amin’ny hazo

t. 3:00 Jerosalema fijaliana; izay nitranga tamin’izay

tolakandro) Mt 27:31-56 Mr 15:20-41

Lk 23:26-49 Jn 19:16-30

Jerosalema Fatin’i Jesosy nesorina teo amin’ny

hazo fijaliana ary nalevina

Mt 27:57-61 Mr 15:42-47

Lk 23:50-56 Jn 19:31-42

15 Nisana Jerosalema Mpisorona sy Fariseo nampiambina

ny fasana

Mt 27:62-66

16 Nisana Jerosalema Jesosy nitsangana tamin’ny maty;

sy ny izay nitranga ny androtr’iny

manodidina Mt 28:1-15 Mr 16:1-8

Lk 24:1-49 Jn 20:1-25

Jerosalema; Jesosy Kristy niseho tatỳ aoriana

Galilia Mt 28:16-20 [1Ko 15:5-7]

[As 1:3-8] Jn 20:26–21:25

25 Iara Tendrombohi- Jesosy niakatra tany an-danitra,

tra Oliva, 40 andro taorian’ny nitsanganany

akaikin’i [As 1:9-12] Lk 24:50-53

Betania