Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jezirela

Jezirela

(Jezirèla) [Hamafy Voa Andriamanitra], Jezirelita (Jezirelìta).

1. Taranak’i Joda. Mety ho razamben’ny mponina tao Jezirela (No. 3) izy, na lehiben’ny mpiavy tonga nipetraka tao.​—1Ta 4:1, 3.

2. Zanakalahin’i Hosea mpaminany tamin’i Gomera vadiny. (Ho 1:3, 4) Jereo “Jezirela” No. 4 mba hahafantarana ny faminaniana raketin’io anarana io.

3. Tanàna tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda, saingy tsy fantatra izay tena nisy azy io. Mety ho i Jezirela No. 1 no nanorina azy io. (Js 15:20, 48, 56) Azo inoana fa io no tanàna niavian’i Ahinoama vadin’i Davida.​—1Sa 25:43; 27:3.

4. Tanàna teo amin’ny sisin-tanin’i Isakara. (Js 19:17, 18) Ankehitriny, dia maro no mihevitra azy io ho i Zerʽin (Tel Yizreʽel), tokotokony ho 11 km any avaratra avaratratsinanan’i Jenina (En-ganima). Eo atsimoatsinanan’izy io no misy an’ilay tandavan-kavoana vatosokay miendrika volan-tsinana izay lazain’ny lovantsofina fa ny Tendrombohitra Gilboa.

Tany Jezirela no nipetraka i Ahaba mpanjakan’ny Israely (t. 940-920 T.K.) sy i Jorama mpandimby azy (t. 917-905 T.K.), na dia i Samaria aza no renivohitry ny fanjakana tany avaratra. (1Mp 18:45, 46; 21:1; 2Mp 8:29) Teo akaikin’ilay lapa tany Jezirela no nisy ny tanimboalobok’i Nabota, ary teo i Elia mpaminany no nanonona ny fanamelohan’i Jehovah ny ankohonan’i Ahaba. (1Mp 21:17-29) Tanteraka tokoa ilay faminaniana. Novonoin’i Jeho i Jorama Mpanjaka zanakalahin’i Ahaba, ary natsipy teo amin’ilay sombin-tanin’i Nabota ny fatiny. Nohanin’ny alika mpirenireny tao Jezirela i Jezebela vadin’i Ahaba rehefa avy nasain’i Jeho nazera avy teny am-baravarankely. Natao antontany roa teo am-bavahadin’i Jezirela koa ny lohan’ireo 70 lahy zanak’i Ahaba, izay novonoin’ny mpitaiza azy tany Samaria. Tsy nisy afa-bela ny olo-manan-kajan’i Ahaba sy ny namany ary ny mpisorona tao Jezirela.​—2Mp 9:22-37; 10:5-11.

Faminanian’i Hosea. Tsy ny nandripahan’i Jeho ny ankohonan’i Ahaba ratsy fanahy no tian’i Jehovah holazaina tamin’ny hoe “ra nalatsaka tao Jezirela” ao amin’ny Hosea 1:4. Nanatanteraka ny didim-pitsaran’i Jehovah mantsy i Jeho tamin’iny. Meloka ho nandatsa-dra kosa i Jeho satria nanana toe-tsaina ratsy, ka namela ny fivavahana tamin’ny zanak’omby hitohy.​—2Mp 10:30, 31.

Nasain’i Jehovah nantsoin’i Hosea hoe Jezirela ny zanany lahy naterany tamin’i Gomera. Milaza faminaniana momba ny hanaovana ampamoaka ny ankohonan’i Jeho io anarana io. “Hamafy voa” Andriamanitra, izany hoe hanaparitaka voa izy. Tanteraka ny fanamelohana ny ankohonan’i Jeho tamin’ny andron’i Zakaria zafindohalik’i Jeho. Rehefa avy nanjaka enim-bolana izy dia novonoin’i Saloma ary nalain’io ny fanjakana. (2Mp 15:8-10) Tapitra hatreo ny tarana-mpanjaka avy amin’i Jeho. Tokotokony ho 50 taona tatỳ aoriana (tamin’ny 740 T.K.), dia resin’i Asyria ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, ary natao sesitany ny mponina tany, ka tsy nisy mpanjaka intsony tany. Tamin’izay no tapaka tanteraka ny “tsipìkan’ny Israely”, izany hoe resy tanteraka ny tafik’izy ireo. Nolazain’ilay faminaniana fa any amin’ny Lemaka Ivan’i Jezirela no hitranga izany, satria tany angamba ny Asyrianina no tena nandresy.​—Ho 1:4, 5.

Nasain’i Jehovah nilaza zavatra tsara momba ny dikan’ny anaran’i Jezirela koa anefa i Hosea mpaminany. Hamafy voa i Jehovah, ka hampitombo ny isan’ny Israely sy Joda, rehefa hanangona ny sisa tavela tamin’izy ireo Izy, ary hampody azy ireo any amin’ny taniny.​—Ho 1:11; 2:21-23; ampit. Za 10:8-10.

5. Ilay faritra rehetra nisy ny Lemaka Ivan’i Jezirela. Matetika ny hany antsoina hoe Jezirela, dia ilay lemaka iva manomboka eo amin’ny tanànan’i Jezirela tao amin’ny faritanin’i Isakara, ka mianatsimoatsinanana hatrany Beti-sana eo amin’ny morony andrefana amin’ny Lohasahan’i Jordana. Tafiditra amin’ilay antsoina hoe “Lohasahan’i Jezirela” koa anefa ankehitriny ny lemaka iva eo andrefan’i Jezirela, izany hoe ny Lemak’i Esdraelona (teny grika nandikana an’ilay teny hebreo hoe Jezirela). Antsoina hoe “Lohasahan’i Jezirela” àry ny lemaka rehetra manomboka any amin’ny Tandavan-tendrombohitra Karmela ka hatrany amin’ny Reniranon’i Jordana.

Eo an-tampon-kavoana be vato no misy ny tanànan’i Jezirela (Zerʽin), ka tazana avy eo ny ilany atsinanana amin’ny Lemaka Ivan’i Jezirela, izay mirefy 19 km latsaka kely mankany atsimoatsinanana ary 3 km eo ho eo ny sakany. An’ny Kananita io faritra io, tamin’ny andron’i Josoa, ary nanana kalesin’ady arifomba maro izy ireo. (Js 17:16) Teo amin’ny Lemaka Ivan’i Jezirela i Gideona sy ireo 300 lahy niaraka taminy no nahita ny famonjen’i Jehovah, rehefa nisahotaka ka nifamono ny tafika fahavalo, dia ny Midianita sy ny Amalekita ary ny Tatsinanana. (Mpts 6:33; 7:12-22) Tatỳ aoriana, rehefa niady tamin’ny Filistinina ny tafiky ny Israelita notarihin’i Saoly Mpanjaka dia nitoby teo akaikin’ny loharano tao Jezirela izy ireo (angamba i ʽAin Jalod eo am-pototr’i Gilboa eo amin’ny ilany avaratrandrefana, na i ʽAin el-Meiyiteh eo ambanin’ny tanànan’i Zerʽin). Avy tany Jezirela no nandrenesana an’ilay vaovao hoe maty i Saoly sy Jonatana zanany lahy. (1Sa 29:1, 11; 2Sa 4:4) Anisan’ny faritra nanjakan’i Isboseta zanakalahin’i Saoly àry i Jezirela sy ny manodidina. (2Sa 2:8, 9) Tamin’ny andro nanjakan’i Solomona, dia anisan’ny faritra niandraiketan’i Bana lehibem-paritra ny tany lonaky ny Lemak’i Jezirela.​—1Mp 4:7, 12.