Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jimna

Jimna

(Jimnà).

1. [[Andriamanitra] Anie Hanendry (na Hanisa); Nanendry (na Nanisa) [Andriamanitra]]. Iray amin’ireo zanakalahin’i Asera, ary ny anarany no voatonona voalohany. Razamben’ny Jimnita izy.​—Ge 46:17; No 26:44; 1Ta 7:30.

2. [Tsy Nety Nanao [Andriamanitra]]. Zanakalahin’i Helema. Lehilahy nahery fo sy natanjaka izy sady lohan’ny fianakaviambe avy amin’ny rainy, teo amin’ny fokon’i Asera.​—1Ta 7:35, 40.

3. [[Andriamanitra] Anie Hanendry (na Hanisa); Nanendry (na Nanisa) [Andriamanitra]]. Levita rain’i Kore. Ny fiandrasana ny vavahady teo atsinanana no anjara asan’i Kore tao amin’ny tempoly, ka niandraikitra ny fanatitra an-tsitrapo ho an’i Jehovah izy, tamin’ny andron’i Hezekia.​—2Ta 31:14.