Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jiosy

Jiosy

[An’i Joda].

Olona anisan’ny fokon’i Joda. Rehefa resy ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely vao nampiasain’ny Baiboly ny hoe Jiosy. Niresaka momba ny “fitenin’ny Jiosy” i Isaia, tamin’ny andron’i Hezekia. (Is 36:11, 13) Ny fanjakana tany atsimo matetika no nantsoina hoe Joda, ary ny mponina tany no nantsoina hoe taranak’i Joda na fokon’ny taranak’i Joda. I Jeremia, izay nanoratra ny bokin’ireo Mpanjaka ary naminany nanomboka tamin’ny 647 T.K., no voalohany niantso an’ireo mponina tany hoe Jiosy. (Jereo 2Mp 16:6; 25:25.) Nantsoina hoe Jiosy izay Israelita nody avy tany an-tsesitany (Ezr 4:12; 6:7; Ne 1:2; 5:17), ary tatỳ aoriana ny Hebreo rehetra eran-tany mba hanavahana azy tamin’ny hafa firenena. (Es 3:6; 9:20) Nilaza ny tenany ho Jiosy koa ny hafa firenena voafora nanaraka ny Fivavahana Jiosy. (Es 8:17) Mety ho olona nanaraka an’io fivavahana io anefa ireo antsoin’ny Soratra Hebreo hoe “mpivahiny.” (Je 22:3) Antsoin’ny Soratra Grika Kristianina indraindray hoe “niova ho amin’ny fivavahana jiosy” koa izy ireny. (As 2:10; 6:5; 13:43) Ahitana hoe “vehivavy jiosy” ao amin’ny Asan’ny Apostoly 24:24.

Nisy mpanandro tonga nanontany hoe: “Aiza ilay nateraka ho mpanjakan’ny Jiosy?”, tamin’i Jesosy mbola zaza. (Mt 2:1, 2) Nataon’i Pilato teo amin’ny hazo fijalian’i Jesosy ny soratra hoe: “Jesosy avy any Nazareta, Mpanjakan’ny Jiosy.”​—Jn 19:19.

Heviny an’ohatra. Nirehareha momba ny firazanany ny Jiosy, ary nihevitra fa nankasitrahan’Andriamanitra satria nitandrina ny Lalàna. Hoy anefa ny apostoly Paoly: “Fa tsy izay miseho etỳ ivelany no maha Jiosy ny olona iray, ary tsy ny famorana azy eo amin’ny nofo no maha voafora azy. Fa ny ao anaty no maha Jiosy azy, ary voafora fo izy ka ny fanahy no namorana azy, fa tsy ny fehezan-dalàna an-tsoratra. Koa tsy avy amin’ny olona, fa avy amin’Andriamanitra, ny fiderana izany olona izany.” (Ro 2:28, 29) Ny dikan’ny hoe Joda (“deraina”) no nataony tsilalaon-teny eo, ka nohazavainy fa izay mpanompon’Andriamanitra tso-po tarihin’ny fanahy ihany no mahazo fiderana avy amin’Andriamanitra. Nilaza koa izy fa ireo manam-pinoana hoatran’i Abrahama ihany no tena taranak’i Abrahama. (Ro 4) Tsy zava-dehibe izay fiaviana, satria hoy izy: “Tsy misy intsony na Jiosy na Grika [hafa firenena].” (Ga 3:28) Nenjehin’ny Jiosy mafy ny Kristianina tany Smyrna, ka nampaherezin’i Jesosy Kristy tafatsangana tamin’ny maty hoe: ‘Fantatro ny fanevatevan’ireo mihambo ho Jiosy nefa tsy izy, fa synagogan’i Satana.’​—Ap 2:9.