Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jiro

Jiro

Fitaovana manome hazavana. Asiana lahiny izy io, ka iny no mitroka ny menaka izay mirehitra sy mamelona ny lelafo. Rongony na ny atin’ny harefo na rongonilahy ny lahin-jiro. (Is 42:3; 43:17) Menaka oliva no tena nampiasaina fahiny (Ek 27:20), nefa nampiasaina koa ny menaky ny hazo terebinta.

Jiro fahiny misy sarina fitoeran-jiro jiosy

Samy nanana jiro sy fitoera-menaka ny virjiny dimy hendry tao amin’ny fanoharan’i Jesosy. (Mt 25:1-4) Nitondra jiro sy fanilo koa ireo nisambotra an’i Jesosy.​—Jn 18:3.

Tanimanga ny tavin-jiro, nefa nahitana tavin-jiro halimo koa tany Palestina. Hoatran’ny vilia kely ny jiro kananita, ka boribory ny fanambaniny ary mahitsy ny sisiny. (SARY, Boky Faha-2, p. 952) Nisy nivoaka kely ny sisiny iray, ary teo no nasiana lahin-jiro. Mety ho ny sisiny efatra koa no toy izany, ka efatra ny lahin-jirony. Tatỳ aoriana dia nisy tavin-jiro nisarona tanteraka ary nasiana lavaka iray teo an-tampony (somary afovoany) nampidinana menaka, ary lavaka iray hafa kosa nasiana ny lahin-jiro. Ny tavin-jiro hafa kosa nisy tahony boribory mijidina na indraindray mitsivalana, izay nifanandrify tamin’ny lavaka fasiana lahin-jiro. Nisy sarina olona na biby resahin’ny angano ny jiro grika sy romanina, fa ny an’ny jiro jiosy kosa sarina ravim-boaloboka na horonana.

Nivolontsôkôlà ny jiro fahiny hoatran’ny vilia kely. Ny sasany tamin’ny taonjato voalohany kosa nivolontsôkôlà tanora, mena volondaoranjy, ary nivolondavenona. Nasiana verinia mena ny jiro tamin’ny andron’ny Romanina.

Tao an-trano teo ambony zavatra vita amin’ny tanimanga, hazo, na vy no nasiana jiro, ary mety ho lavaka tao anaty rindrina na talantalana teo amin’ny rindrina na andry no nametrahana azy, na koa nahantona tamin’ny tady avy teny ambony. Nanazava ny efitra manontolo ny jiro teo amin’ny fitoerany toy izany.​—2Mp 4:10; Mt 5:15; Mr 4:21.

Tsy misy porofo hoe nampiasa labozia hoatran’ny antsika ny olona fahiny. Mafy ny savoka na jabora nanaovana labozia, fa rehefa azon’ny lelafo vao miempo. Menaka kosa no natao tamin’ny jiro fahiny. Nadikan’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques matetika hoe “labozia” (ohatra, Jb 29:3; Lk 11:33) ny hoe ner (heb.) sy hoe lyknôs (gr.). “Jiro” anefa no tokony ho izy.​—Jereo TV, Prot., Kat.

Tao amin’ny toerana masina. Volamena ny fitoeran-jiro tao, ary tsy toy ny an’ny fitoeran-jiro fampiasa tao an-trano ny bikabikany. Noravahana bokony sy felany nifanelanelana izy io, araka ny toromarik’i Jehovah Andriamanitra. (Ek 25:31) Nisy sampany telo avy ny andaniny roa tamin’ny vatany. Fito àry ny jiro kely tamin’ilay fitoeran-jiro. Menaka tena tsara avy amin’ny oliva voatoto ihany no natao tamin’ireo. (Ek 37:17-24; 27:20) Nasian’i Solomona fitoeran-jiro volamena folo sy fitoeran-jiro volafotsy maromaro tao amin’ny tempoly, tatỳ aoriana.​—1Mp 7:48, 49; 1Ta 28:15; 2Ta 4:19, 20; 13:11.

Toy ny jiro manazava i Jehovah. I Jehovah no tena manome hazavana sy tari-dalana. Hoy i Davida, rehefa novonjena teo an-tanan’i Saoly sy ny fahavalony izy: “Ianao no jiroko, Jehovah ô! Ary i Jehovah no manazava ny haizina misy ahy.” (2Sa 22:29) Hoy kosa izy ao amin’ny Salamo 18:28: “Ianao no hampirehitra ny jiroko, Jehovah ô!” Toy ny hoe nandrehitra ny jiro nentin’i Davida hanazavana ny lalany àry i Jehovah.

Jesosy Kristy. “Tsy hisy alina” ao amin’i Jerosalema Vaovao any an-danitra, hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana. Ny voninahitr’i Jehovah Andriamanitra mantsy no hanazava azy io, fa tsy ny masoandro na volana, tsy misy hafa amin’ilay rahona (nantsoin’ny Hebreo hoe Sekinà) nanazava ny Masina Indrindra tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly fahiny. (Le 16:2; ampit. No 9:15, 16.) Ny Zanak’ondry koa, dia i Jesosy Kristy, no “jirony.” Hanazava na hitari-dalana an’ireo firenena, na ny mponina ao amin’ny “tany vaovao”, ilay “tanàna.”​—Ap 21:22-25.

Mpanjaka taranak’i Davida. Notendren’i Jehovah Andriamanitra ho mpanjakan’ny Israely i Davida. Mpitari-dalana sy mpitondra hendry i Davida, satria nanaraka ny toromarik’Andriamanitra, ka nantsoina hoe “jiron’ny Israely.” (2Sa 21:17) Hoy i Jehovah rehefa nanao fifanekena taminy momba ilay fanjakana: “Ho mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny seza fiandriananao.” (2Sa 7:11-16) Ho “jiro” ho an’ny Israely àry ny mpanjaka taranak’i Davida avy amin’i Solomona zanany.​—1Mp 11:36; 15:4; 2Mp 8:19; 2Ta 21:7.

Toa maty ilay “jiro” rehefa naongana i Zedekia Mpanjaka ka nentina ho babo tany Babylona ary maty tany. Tsy nivadika tamin’ny fifanekeny anefa i Jehovah, fa niandry ny ‘fahatongavan’ilay manan-jo ara-dalàna’ hanjaka. (Ezk 21:27) I Jesosy Kristy no ilay Mesia “zanak’i Davida” nandova an’ilay seza fiandrianana mandrakizay. Tsy ho faty mihitsy àry ny ‘jiron’i’ Davida, satria hanjaka mandrakizay i Jesosy ka ho jiro hirehitra mandrakizay.​—Mt 1:1; Lk 1:32.

Tenin’Andriamanitra. “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (Mt 4:4) Toy ny jiro manazava ny lalan’ny mpanompony eto amin’ity tontolo maizina ity àry ny didiny. Hoy ny Salamo 119:105: “Jiro ho an’ny tongotro ny teninao, sady fahazavana ho an’ny lalako.” Hoy koa i Solomona Mpanjaka: “Fa jiro ny didy, fahazavana ny lalàna, ary lalana mankany amin’ny fiainana ny anatra sy ny fanitsiana.”​—Oh 6:23.

Hitan’ny apostoly Petera fa tanteraka ny faminaniana maro momba an’i Jesosy Kristy. Hitany koa i Jesosy niova tarehy teo an-tendrombohitra. Hoy àry izy: “Koa manana ny teny faminaniana isika, ary natao azo antoka kokoa izy io. Tsara àry ny ataonareo raha mandinika azy io ianareo, toy ny fandinika jiro mamirapiratra ao amin’ny toerana maizina, izany hoe ao am-ponareo, mandra-pahazavan’ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro.” (2Pe 1:19) Tokony havelan’ny Kristianina hanazava ny fony na hitari-dalana azy hanalavitra loza àry ny jiron’ny faminaniana, “mandra-pahazavan’ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro.”

Mpanompon’Andriamanitra. Hoy i Jaona zanak’i Zakaria mpisorona (taona 29): “Mibebaha, fa efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Mt 3:1, 2; Lk 1:5, 13) Tsy nankatò Lalàna ny Israelita, ka nirahina handrisika azy ireo hibebaka sy hino ny Zanak’ondrin’Andriamanitra i Jaona. Nampiverina Israelita maro ho amin’i Jehovah Andriamaniny izy. (Lk 1:16) Hoy àry i Jesosy momba azy: “Jiro nirehitra sy namirapiratra izany lehilahy izany, ary naniry hiravoravo vetivety tamin’ny fahazavany ianareo. Manana porofo lehibe noho ny porofo omen’i Jaona anefa aho, satria ny asa nanendren’ny Raiko ahy mihitsy izao no ataoko. Ary izany asa izany no manaporofo fa nirahin’ny Ray aho.”​—Jn 5:35, 36.

Hoy koa i Jesosy tamin’ny mpianany: “Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy takona afenina ny tanàna eo an-tampon-tendrombohitra. Rehefa mandrehitra jiro ny olona, dia tsy mametraka azy ao ambany sobika famarana fa eo amin’ny fitoeran-jiro, mba hanazava an’izay rehetra ao an-trano. Aoka hamirapiratra toy izany eo anatrehan’ny olona koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.” (Mt 5:14-16) Tokony hotadidin’ny mpanompon’Andriamanitra ny antony itondrany hazavana. Adala àry izy ary hahita loza raha tsy mety mampamirapiratra an’ilay hazavana.

Heviny an’ohatra hafa. Toy ny hoe jiro koa izay ampiasain’ny olona hanazavana ny lalany. Hoy ny ohabolana momba ny tsy fitovian’ny olo-marina sy ny ratsy fanahy: “Ny fahazavan’ny marina hampifaly azy, fa ho faty kosa ny jiron’ny ratsy fanahy.” (Oh 13:9) Hamirapiratra kokoa ny fahazavan’ny marina, fa ny jiron’ny ratsy fanahy kosa hovonoin’Andriamanitra. Ho ao anatin’ny haizina àry izy ka ho tafintohina, na dia toa namirapiratra be aza ny jirony ary toa nandeha tsara ny fiainany. Ho faty koa ny jiron’izay manozona ny rainy sy ny reniny.​—Oh 20:20.

Ny hoe ‘ho faty ny jiron’ny’ olona iray dia midika koa hoe tsy hanana hoavy tsara izy. Hoy mantsy ny Ohabolana 24:20: “Tsy hanana hoavy tsara ny olon-dratsy, ary ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy.”

Hoy i Bildada momba ny ratsy fanahy, tamin’izy nilaza an-kolaka hoe nanafina ny ratsy nataony i Joba: “Hihamaizina ny hazavana ao an-tranolainy, ary ao ny jirony no ho faty.” Hoy koa izy: “Tsy hanan-janaka na taranaka izy, eo amin’ny fireneny.” Jiro nomen’Andriamanitra ho an’i Davida rainy i Solomona. Ny hoe ho faty ny jiron’ny olona iray àry dia mety hidika hoe tsy hanan-taranaka handova azy izy.​—Jb 18:6, 19; 1Mp 11:36.

“Jiro” an’ohatra koa ny maso. Hoy i Jesosy: “Ny maso no jiron’ny vatana. Koa raha tsotra [madio; mifantoka amin-javatra iray] ny masonao, dia hazava tsara ny tenanao manontolo, fa raha mifantoka amin’ny zava-dratsy kosa ny masonao, dia ho maizina ny tenanao manontolo.” (Mt 6:22, 23, f.a.p.) Toy ny jiro ny maso satria mahita lalana, ka tsy ho tafintohina ilay olona na hidona amin-javatra. ‘Ny mason’ny fo’ (Ef 1:18) anefa no tian’i Jesosy holazaina, rehefa jerena ny teny manodidina.

“Tsy maty jiro mandritra ny alina” ny vehivavy mahafatra-po (Oh 31:18), izany hoe miasa mafy amin’ny alina. Vao mangiran-dratsy koa anefa izy dia efa mifoha mba hiasa indray.​—Ampit. Oh 31:15.

“Ny fofonain’ny olona no jiron’i Jehovah, izay ahafahana mijery hatrany anatin’ny fo.” (Oh 20:27) Mamoaka ‘fofonaina’ ny olona rehefa miteny. Izay lazainy àry, na tsara na ratsy, no ahalalana ny tena maha izy azy.