Joadina
(Joadìna) [I Jehovah dia Fahafinaretana].
Renin’i Amazia mpanjakan’ny Joda sady vadin’i Joasy. (2Mp 14:1, 2) “Joadina” no nanoratana an’ilay anarana amin’ny teny hebreo, fa “Joadana” (toy ny ao amin’ny 2 Ta 25:1) no tokony hamakiana azy, araka ny fanamarihana an-tsisim-pejy.