Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Joasy

Joasy

(Joàsy).

Misy fomba telo azo anoratana azy io amin’ny teny hebreo: Yôhʼash izay fahita matetika ary fanafohezana ny hoe Yehôhʼash, sy Yôhʽash toy ny eo amin’ny No. 1 sy 5.

1. Benjamita taranak’i Bekera.​—1Ta 7:6, 8.

2. Taranak’i Joda avy tamin’i Sela, ilay zanany lahy voatonona fahatelo.​—1Ta 2:3; 4:21, 22.

3. Rain’i Gideona Mpitsara, ary Abi-ezerita avy amin’ny fokon’i Manase. (Mpts 6:11, 15; 7:14; 8:13, 32) Nanana harem-be sy mpanompo maro izy, ary to teny teo amin’ny fiaraha-monina. Nanana alitara ho an’i Bala sy “tsato-kazo masina” koa izy, nefa noravan’i Gideona mangingina ireo, ary nosoloany alitara ho an’i Jehovah. Teo no nanolorany vantotr’ombilahy iray fito taona. Nasain’ny tao an-tanàna natolotr’i Joasy azy ireo àry ilay zanany mba hovonoina ho faty. Hoy anefa i Joasy: “Raha Andriamanitra tokoa i Bala, dia aoka izy no hiaro ny tenany.” Nantsoiny hoe Jerobala i Gideona nanomboka teo.​—Mpts 6:25-32; 8:29.

4. Zanak’i Sema Gibeatita. Anisan’ny lehilahy maherin’ny fokon’i Benjamina i Joasy, ary niandany tamin’i Davida tao Ziklaga, fony izy io nenjehin’i Saoly.​—1Ta 12:1-3.

5. Mpiadidy notendren’i Davida Mpanjaka hiandraikitra ny tahiri-menaka.​—1Ta 27:28, 31.

6. Anisan’ny nasain’i Ahaba nampiditra am-ponja an’i Mikaia, mpaminany tsy nivadika. Antsoina hoe “zanaky ny mpanjaka” izy. (1Mp 22:26, 27; 2Ta 18:25, 26) Mety ho taranak’i Ahaba Mpanjaka àry izy, na olona ambony tarana-mpanjaka, na nifandray akaiky tamin’ny fianakavian’ny mpanjaka.

7. Mpanjakan’ny Joda nandritra ny 40 taona (898-859 T.K.). Izy no faralahin’i Ahazia mpanjakan’ny Joda, ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.​—2Mp 12:1; 1Ta 3:11.

Nanao ny tenany ho mpanjaka i Atalia ratsy fanahy, reniben’i Joasy, raha vao maty i Ahazia. Novonoiny daholo anefa ny zanakalahin’i Ahazia, afa-tsy i Joasy kely (mbola tsy ampy herintaona tamin’izay), sao hisy hanohitra azy noho izy nandrombaka fahefana. Tsy maty i Joasy satria nafenin’i Joseba nenitoany, vadin’i Joiada Mpisoronabe, tao amin’ny tempoly nandritra ny enin-taona izy sy ny mpampinono azy.​—2Mp 11:1-3; 2Ta 22:10-12.

Rehefa fito taona i Joasy vao noresahin’i Joiada tamin’ny mpiadidy dimy hoe io zaza io no manan-jo hanjaka. Nomen’i Joiada ampinga sy fitaovam-piadiana avy tao an-tempoly ny lehilahy 500 nofehezin’ireo mpiadidy ireo, ka nasainy niambina nanodidina an’i Joasy sy hamono an’izay te hanakantsakana ny fanaovana azy ho mpanjaka teo an-tokotanin’ny tempoly. (2Mp 11:4-12, 21; 2Ta 23:1-11) Rehefa ren’i Atalia ny horakoraky ny vahoaka, dia tonga nihazakazaka izy sady niantso mafy hoe: “Fikomiana! Fikomiana!” Navoaka haingana anefa izy ary novonoina ho faty teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin-tsoavaly. Nanao fifanekena tamin’i Jehovah avy eo i Joiada sy ilay mpanjaka vaovao ary ny vahoaka fa tsy hivadika aminy. Narodan’izy ireo àry ny tranon’i Bala, nopotehiny ny alitarany sy ny sariny, ary novonoiny i Matana mpisorony.​—2Mp 11:13-20; 2Ta 23:12-21.

Nanao ny tsara foana i Joasy tanora, raha mbola velona i Joiada Mpisoronabe izay toy ny rainy sady mpanolo-tsaina azy. Nanambady izy rehefa 21 taona. Roa ny vadiny (Joadana no anaran’ny vadiny iray), ary niterahany zazalahy sy zazavavy ireo. Voaro àry ny razamben’ny Mesia taranak’i Davida, izay efa saika ripaka tanteraka.​—2Mp 12:1-3; 2Ta 24:1-3; 25:1.

Nila fanamboarana be ny tranon’i Jehovah satria efa 150 taona teo ho eo, sady natao tsirambina sy norobaina rehefa nitondra i Atalia. Nasain’i Joasy namory vola isan-tanàna eran’i Joda àry ny Levita, mba hanamboarana an’ilay trano. Nanao ihany ny Levita saingy tsy tamin’ny fony manontolo, ka tsy vita ilay asa. (2Mp 12:4-8; 2Ta 24:4-7) Novana àry ny fomba famoriana sy fitantanana ny vola, ka nazoto nanome ny olona, ary vita ihany ilay asa.​—2Mp 12:9-16; 2Ta 24:8-14.

Rehefa maty i Joiada Mpisoronabe tamin’izy 130 taona, dia notaomin’ireo andriana tsikelikely i Joasy Mpanjaka sy ny vahoaka, mba hiala amin’i Jehovah sy hanompo sampy sy “tsato-kazo masina” (sarina filahiana). Tsy nety nihaino an’ireo mpaminanin’i Jehovah nampitandrina azy koa izy ireo. (2Ta 24:15-19) Novonoin’i Joasy mihitsy aza i Zakaria zanak’i Joiada, noho izy nananatra ny vahoaka hoe: “Nahoana ianareo no mandika ny didin’i Jehovah?” Hoy i Zakaria rehefa ho faty: “Hojeren’i Jehovah anie izao ka hovaliany!”​—2Ta 24:20-22.

Tsy ela dia tonga ny famalian’i Jehovah. Tsy narovany intsony i Joda, ka notafihin’i Hazaela mpanjakan’i Syria sy ny miaramilany vitsivitsy. Voatery nanome azy ny volamena sy zava-tsarobidy tao amin’ny toerana masina ary ny fananany i Joasy. Lasa rera-po sy narary koa izy. (2Mp 12:17, 18; 2Ta 24:23-25) Taoriana kelin’izay, dia niray tetika ny mpanompony roa ka namono azy ho faty raha vao 47 taona monja izy. Nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida tany amin’ny razany izy, ary nodimbiasan’i Amazia zanany.​—2Mp 12:19-21; 2Ta 24:25-27.

8. Mpanjakan’ny Israely, ary zanakalahin’i Joahaza sy zafikelin’i Jeho. Nanjaka 16 taona izy teo antenatenan’ny taonjato fahasivy T.K. Mpanjakan’ny fanjakan’ny Joda tany atsimo i Joasy zanak’i Ahazia, tamin’ireo taona voalohandohany nanjakan’io Joasy zanak’i Joahaza io tany Israely tany avaratra.​—2Mp 13:10.

Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah i Joasy, ary navelany hitohy eran’ny fanjakany ny fivavahana tamin’ny zanak’omby. Rehefa narary efa ho faty anefa i Elisa mpaminany, dia nidina nankany aminy sy nihohoka nitomany teo aminy izy, ka niteny hoe: “Ry raiko ô, ry raiko ô, ny kalesin’adin’ny Israely mbamin’ny mpitaingin-tsoavaliny!” (2Mp 13:11, 14) Nandefa zana-tsipìka teo am-baravarankely tandrifin’i Syria izy, araka ny baikon’i Elisa, ary avy eo nikapoka ny tany tamin’ny zana-tsipìkany, saingy intelo monja. Tezitra i Elisa satria tokony ho nikapoka indimy na inenina izy, mba handreseny tanteraka ny Syrianina. Intelo ihany àry izy no handresy. (2Mp 13:15-19) Nandresy tokoa i Joasy rehefa niady intelo tamin’ny Syrianina, ka azony indray ny tanàna israelita maromaro nalain’i Hazaela rain’i Beni-hadada tamin’ny fanjakana tany avaratra.​—2Mp 13:24, 25.

Nanome miaramila 100 000 hokaramain’ny mpanjakan’ny Joda hiady tamin’ny Edomita koa i Joasy. Nalefa nody anefa izy ireo noho ny tenin’ny “lehilahin’Andriamanitra” iray. Efa voaloa ny karamany talenta volafotsy 100 (660 600 dolara), nefa tezitra izy ireo satria angamba tsy hahazo anjara amin’izay ho babo. Norobainy àry ny tanànan’ny fanjakana tany atsimo, hatrany Samaria (angamba tao ny toby fiaingany) ka hatrany Beti-horona, taorian’ny nodian’izy ireo tany avaratra.​—2Ta 25:6-10, 13.

Mety ho te hamaly faty i Amazia mpanjakan’ny Joda ka nihantsy ady tamin’i Joasy. Niady izy ireo ka nosamborin’i Joasy tao Beti-semesy i Amazia, ary avy eo nogorobahan’ny tafiny ny mandan’i Jerosalema, norobainy ny volamena sy volafotsy tao amin’ny tempoly sy ny tranon’ny mpanjaka, ary nisy olona nentiny ho takalon’aina tany Samaria. (2Mp 14:8-14; 2Ta 25:17-24) Farany, maty i Joasy ka nalevina tao Samaria, ary nodimbiasan’i Jeroboama II zanany.​—2Mp 13:12, 13; 14:15, 16.