Joba
(Jôba).
1. Zanakalahin’i Isakara, ary ny anarany no voatonona fahatelo. (Ge 46:13) Antsoina hoe Jasoba anefa izy ao amin’ny Nomery 26:24 sy ny 1 Tantara 7:1.
2. [Ankahalaina]. Lehilahy iray nonina tany Oza (Arabia ankehitriny). (Jb 1:1) Nilaza Andriamanitra fa ‘tsy nisy tahaka azy tetỳ ambonin’ny tany, fa lehilahy tsy nanan-tsiny izy, sady marina sy natahotra an’Andriamanitra ary nifady ny ratsy.’ (Jb 1:8) Toa midika izany fa tamin’ny fotoana nonenan’i Joba tany Oza, dia andevo tany Ejipta ireo foko 12 teo amin’ny Israely, izay mpihavana lavidavitra tamin’i Joba. Efa maty (tamin’ny 1657 T.K.) i Josefa zanak’i Jakoba tamin’izay. Nijaly sy niaritra ny tsy rariny izy nefa tsy nanan-tsiny mihitsy teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra. Mbola tsy mpaminany nirahin’i Jehovah hanafaka ny Israelita avy tany Ejipta koa i Mosesy, tamin’io. Tsy nisy olona tena tsy nivadika toa an’i Joba àry teto an-tany, taorian’ny nahafatesan’i Josefa sy talohan’ny fotoana nanaporofoan’i Mosesy fa tsy nanan-tsiny sy marina izy. Azo inoana fa tamin’izay fotoana izay no niresaka momba an’i Joba i Jehovah sy Satana.—Jb 1:6-12; 2:1-7.
Matetika no lazaina hoe i Mosesy no nanoratra ny tantaran’i Joba. Mety ho tamin’izy nonina 40 taona tany Midianina no nahalalany momba an’i Joba, ary mety ho tamin’ny Israely tany akaikin’i Oza (rehefa hifarana ilay dia tany an-tany efitra) Jb 42:16, 17.
no nandrenesany momba ny niafaran’ny fitsapana nahazo an’i Joba sy ny nahafatesany. Tamin’ny 1473 T.K. no niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita (mety ho taloha kelin’io i Joba no maty). Raha vitan’i Mosesy tamin’ny 1473 T.K. tany ho any àry ny bokin’i Joba, dia midika izany fa tamin’ny 1613 T.K. tany ho any i Joba no niharam-pitsapana. Mbola velona 140 taona taorian’ilay fitsapana mantsy izy.—Havan’i Abrahama i Joba, satria samy taranak’i Sema izy ireo. Mpivavaka tamin’i Jehovah i Joba na dia tsy Israelita aza. Izy no “nanan-karena indrindra tamin’ny Tatsinanana rehetra.” Nanambady izy ary niteraka fito lahy sy telo vavy. (Jb 1:1-3) Mpisorona ho an’ny fianakaviany izy ary nataony tsara izany andraikiny izany, ka nanolotra fanatitra ho an’Andriamanitra izy, noho izay mety ho fahotan’ny ankohonany.—Jb 1:4, 5.
Olona nohajaina i Joba teo am-bavahadin’ny tanàna. Na ny zokiolona sy ny andriana aza nanaja azy. (Jb 29:5-11) Mpitsara tsy niangatra izy, ary nanao ny rariny ka niaro ny mpitondratena, sady ray ho an’ny kamboty sy ny ory ary ny tsy nanan-kamonjy. (Jb 29:12-17) Nitandrina izy mba hadio fitondran-tena foana. Tsy nitoky tamin’ny harena izy sady tsy nanompo sampy. Nalala-tanana tamin’ny mahantra sy ny sahirana izy.—Jb 31:9-28.
Tsy nivadika mihitsy. Nilaza i Satana fa tsy maintsy hivadika i Joba. Navelan’i Jehovah hanao izay rehetra azony natao àry i Satana mba hitsapana an’i Joba, saingy tsy navelany hamono azy. Natoky mantsy i Jehovah fa tsy hivadika mihitsy i Joba. Fantatr’i Jehovah koa fa vitany ny hanarina ny fiainan’i Joba ary hamaly soa azy izy. Nanao izay ho afany i Satana ka naripany ny biby fiompin’i Joba sy ny mpanompony ary avy eo ny zanany. (Jb 1:13-19) Tsy nihevitra mihitsy anefa i Joba hoe nanaonao foana na nanao zava-dratsy Andriamanitra. Tsy niala tamin’Andriamanitra koa izy, na dia nanery azy hanao izany aza ny vadiny sy ny olon-kafa. (Jb 1:20-22; 2:9, 10) Ny marina momba an’Andriamanitra no nolazainy. (Jb 42:8) Rehefa nanarina izy, dia nanaiky sady nibaboka ny fahotany tamin’Andriamanitra. (Jb 42:1-6) Nanarina tokoa mantsy izy satria nifantoka loatra tamin’ny tenany, ka izy no nolazainy hoe marina fa tsy Andriamanitra.—Jb 32:2.
Tian’i Jehovah i Joba. Nataony lasa mpisorona ho an’izy telo lahy namany izy (na dia niady taminy aza izy ireo), rehefa tsy nivadika hatramin’ny faran’ilay fitsapana nanjo azy. Naverin’Andriamanitra toy ny teo aloha ny fiainan’i Joba, ary nahazo zanaka nahafinaritra indray izy, azo inoana fa tamin’ilay vadiny teo aloha ihany. Nahazo harena avo roa heny noho ny nananany taloha izy. Tonga namangy azy indray ny havany sy ny namany rehetra, ary nanaja azy sy nitondra fanomezana ho azy. (Jb 42:7-15) Mbola nahita ny zanany sy ny zafikeliny, hatramin’ny taranaka fahefatra, izy.—Jb 42:16.
Nasongadin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Ezekiela mpaminany fa modely ny amin’ny atao hoe olo-marina i Joba. (Ezk 14:14, 20) Niaritra fijaliana nandritra ny fotoana lava izy ka modely ho an’ny Kristianina koa. Tamin’ny farany anefa dia sambatra izy, ary hita amin’izany fa be fitiavana sy mamindra fo tokoa i Jehovah. (Jk 5:11) Mampahery be sady manatanjaka ny finoan’ny Kristianina ny niafaran’ilay fitsapana nanjo azy. Manasongadina sy manazava toro lalana maro ao amin’ny Baiboly ilay boky mitondra ny anarany.