Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Joba, Bokin’i

Joba, Bokin’i

Nosoratan’i Mosesy, hoy ny manam-pahaizana jiosy sy kristianina fahiny. Nosoratana tamin’ny teny hebreo izy io, rehefa jerena ireo tononkalo sy voambolana ao anatiny ary ny fomba fanoratra azy. Mitovy be koa ny fomba fitantara ao sy ny ao amin’ireo Boky Dimy Voalohany. Porofo izany fa i Mosesy no nanoratra azy io. Mety ho tamin’izy nonina 40 taona tany Midianina no nahare ny tantaran’i Joba. Mety ho nahafantatra ny nitahiana an’i Joba koa izy, rehefa tonga tany akaikin’i Oza ny Israelita tamin’izy ireo nankany amin’ny Tany Nampanantenaina (1473 T.K.).

Votoatiny. Hafakely ny bokin’i Joba satria saika adihevitra ranofotsiny izay nifanaovan’i Joba mpanompon’i Jehovah sy ny lehilahy telo nihambo ho nanompo Azy. Te hanitsy an’i Joba izy ireo saingy diso hevitra. Nanao fahotana lehibe mantsy, hono, i Joba ka nofaizin’Andriamanitra. Nanenjika an’i Joba àry izy ireo. (Jb 19:1-5, 22) Nandaha-teny intelo avy izy efatra mirahalahy, afa-tsy i Zofara izay nataon’i Joba tsy nahateny intsony tamin’ny farany. Nanitsy azy rehetra avy eo i Eliho (mpitondra tenin’i Jehovah) sy Andriamanitra.

Tokony hotadidin’izay mamaky na maka teny ao amin’ny bokin’i Joba àry, fa diso hevitra i Elifaza sy Bildada ary Zofara naman’i Joba. Marina ny zavatra nolazain’izy ireo indraindray, saingy diso ny fomba nampiharany azy. Toy izany koa ny nataon’i Satana, rehefa ‘nitondra [an’i Jesosy Kristy] nankany amin’ny tanàna masina, ka nametraka azy teo an-tampon’ny mandan’ny tempoly, ary niteny taminy hoe: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia mianjerà any ambany any. Fa voasoratra hoe: ‘Homeny baiko hitsinjo anao ny anjeliny, ka hitondra anao eny an-tanany izy ireo, mba tsy hidona amin’ny vato mihitsy ny tongotrao.’” Dia hoy i Jesosy taminy: “Voasoratra koa anefa hoe: ‘Aza mitsapa toetra an’i Jehovah Andriamanitrao.’”’​—Mt 4:5-7.

Nilaza ireo naman’i Joba fa faizin’Andriamanitra ny ratsy fanahy. Marina izany. (2Pe 2:9) Nanatsoaka hevitra anefa izy ireo fa vokatry ny fahotana lehibe nataon’ny olona iray ny fijaliana rehetra zakainy. Izany, hono, no famaizan’Andriamanitra azy. Tsy marina anefa ny zavatra nolazain’izy ireo momba an’Andriamanitra. (Jb 42:7) Nanendrikendrika azy izy ireo. Tsy mamindra fo, hono, izy. Tsy mahafaly azy koa, hono, ny tsy fivadihan’ny mpanompony, ary tsy misy atokisany izy ireny, na dia ny anjely aza. Resahin’ny Baiboly imbetsaka anefa fa tian’i Jehovah ny mpanompony. Atokisany koa ireo tsy mivadika aminy. Nilaza tamin’i Satana izy, ohatra, fa olo-marina i Joba. Namela ny Devoly hitsapa an’i Joba koa izy, satria natoky fa tsy hivadika mihitsy i Joba. Tsy namela azy ho faty anefa izy. (Jb 2:6) Hoy i Jakoba mpanoratra Baiboly momba ny nitahian’Andriamanitra an’i Joba: “Be fitiavana tokoa i Jehovah sady mamindra fo.”​—Jk 5:11.

Zava-dehibe. Tena ilaina ny bokin’i Joba satria manazava an’ilay adihevitra resahin’ny Genesisy 3:1-6 sy ny andininy hafa momba ny zon’Andriamanitra hitondra, sy ny tsy fivadihan’ny mpanompony eto an-tany. Tsy fantatr’i Joba io adihevitra io, kanefa nantitranteriny fa tsy nivadika izy na inona na inona nolazain’ireo namany telo lahy. (Jb 27:5) Tsy zatra nanota izy, ka tsy azony hoe nahoana izy no nijaly. Lasa nanamarin-tena be loatra àry izy rehefa nampangain’izy telo lahy foana. Nanontany an’Andriamanitra foana koa izy hoe nahoana izy no nijaly. Tsy mety izany satria tsy misy manan-jo hanontany an’i Jehovah hoe: “Nahoana ianao no nanao ahy toy izao?” (Ro 9:20) Namindra fo anefa i Jehovah ka namaly an’i Joba tamin’ny alalan’i Eliho mpanompony, sy niresaka taminy tao anatin’ny tafio-drivotra. Asongadin’ilay boky àry fa tsy mety ny manamarin-tena eo anatrehan’Andriamanitra.​—Jb 40:8.

Anisan’ny Soratra Masina sy sarobidy. Niresaka momba an’i Joba i Ezekiela sy Jakoba. (Ezk 14:14, 20; Jk 5:11) Neken’ny Jiosy koa fa avy amin’ny fanahy masina ny bokin’i Joba, toy ireo boky hafa ao amin’ny Soratra Hebreo ihany, na dia tsy Israelita aza i Joba.

Mifanaraka amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly ny bokin’i Joba. Izany no porofo lehibe indrindra fa marina ny voalazany. Resahiny koa ny zavatra ninoana sy ny fanao tamin’izany fotoana izany. Fantatsika tsara kokoa ny fikasan’i Jehovah, rehefa ampitahaintsika amin’ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly ny voalazan’ilay boky. Maro koa ny hevitra mitovitovy ao amin’ilay boky sy ny boky hafa anisan’ny Soratra Masina. Asehon’ny tabilao ato amin’ity lahatsoratra ity ny sasany amin’izany.

[Tabilao, pejy 66]

HEVITRA MISONGADINA: JOBA

Izay nanjo an’i Joba rehefa nilaza tamin’i Jehovah i Satana fa hivadika i Joba

Azo inoana fa nosoratan’i Mosesy rehefa nirenireny tany an-tany efitra ny Israely, na dia talohan’ny nahaterahan’i Mosesy aza i Joba no niharam-pitsapana

Lasa nahantra sy nijaly i Joba rehefa navelan’i Jehovah hitsapa azy i Satana (1:1–2:10)

Nilaza i Satana fa tia tena fotsiny i Joba matoa nanao ny marina

Nafoin’i Joba tao anatin’ny iray andro ny biby fiompiny sy ny zanany folo, nefa tsy nivadika izy

Voan’ny aretina naharikoriko sy nampanaintaina izy, nefa tsy nanozona an’Andriamanitra; tsy nivadika

Tonga “hiara-miory” amin’i Joba i Elifaza, Bildada, ary Zofara namany telo lahy (2:11–3:26)

Niara-nipetraka taminy fito andro izy ireo, nefa nangina fotsiny

Farany, niteny i Joba ary nanozona ny andro nahaterahany

Gaga izy hoe nahoana no navelan’Andriamanitra ho velona

Niady hevitra ela be i Joba sy ireo nihambo hampionona azy (4:1–31:40)

Nanota, hono, i Joba matoa nijaly, ary diso matoa nataon’Andriamanitra ho fahavalony

Hevi-diso, endrikendrika, lovantsofina ary fahitana azon’izy ireo no nentiny nandresena lahatra an’i Joba

Tokony hiaiky heloka sy hiova, hono, i Joba raha te hiadana indray

Nanizingizina i Joba hoe olo-marina izy; tsy azony hoe nahoana i Jehovah no namela azy hijaly; nataony tsy nahateny intsony izy telo lahy

Nilaza i Joba hoe anti-panahy nohajaina izy taloha nefa izao nijaly sy afa-baraka; nitandrina mafy foana izy mba tsy hanota

Nanitsy an’i Joba sy ireo namany i Eliho, tovolahy sendra teo (32:1–37:24)

Nilaza izy fa diso i Joba satria nanamarina ny tenany fa tsy Andriamanitra; noteneniny mafy izy telo lahy izay tsy nilaza ny marina rehefa namaly an’i Joba

Nasongadiny fa manao ny rariny i Jehovah, tsy miangatra, be voninahitra, ary mahery indrindra

Niteny avy tao anatin’ny tafio-drivotra i Jehovah (38:1–42:6)

Nanontaniany i Joba hoe taiza izy rehefa noforonina ny tany, fantany ve ireo zava-mahagaga eo amin’ny fiainan’ny bibidia; tena bitika àry ny olona raha oharina amin’Andriamanitra

Nanontaniany i Joba raha sahy hanakiana azy

Niaiky i Joba hoe nisy zavatra tsy takany; nibebaka ‘teo amin’ny vovoka sy ny lavenona’

Nifarana ny fitsapana an’i Joba, novalian-tsoa fa tsy nivadika (42:7-17)

Tsy faly tamin’i Elifaza, Bildada ary Zofara i Jehovah satria tsy nilaza ny marina izy ireo; nasainy nanao sorona sy niangavy an’i Joba hivavaka ho azy telo

Sitrana i Joba rehefa nivavaka ho an’ireo namany

Notahina izy ka nahazo biby fiompy avo roa heny noho ny teo aloha, ary nahazo zanaka folo indray, dia lahy fito sy vavy telo

[Tabilao, pejy 67]

Bokin’i Joba

Hevitra itovizana

Boky hafa

3:17-19

Tsy mahalala na inona na inona ny maty fa toy ny matory

Mpto 9:5, 10; Jn 11:11-14; 1Ko 15:20

10:4

Tsy toy ny an’ny olona ny fitsaran’Andriamanitra

1Sa 16:7

10:8, 9, 11, 12

Tena tsara ny fomba nanaovany ny olona

Sl 139:13-16

12:23

Avelany hihamatanjaka sy hiray hina hanohitra azy ny firenena maro, avy eo miaraka haringany

Ap 17:13, 14, 17

14:1-5

Teraka mpanota ny olona ka ho faty

Sl 51:5; Ro 5:12

14:13-15

Hatsangana ny maty

1Ko 15:21-23

17:9

Tsy mahatafintohina ny olo-marina izay ataon’ny hafa

Sl 119:165

19:25

Fikasan’i Jehovah ny hanavotra (hanafaka) an’ireo tsy mivadika

Ro 3:24; 1Ko 1:30

21:23-26

Mitovy ny manjo ny rehetra; mitovy daholo rehefa maty

Mpto 9:2, 3

24:3-12

Mampahory ny ratsy fanahy; ampahorina koa ny Kristianina

2Ko 6:4-10; 11:24-27

24:13-17

Aleon’ny ratsy fanahy ny haizina; mampahatahotra azy ny mazava

Jn 3:19

26:6

Miharihary eo imason’i Jehovah ny zava-drehetra

He 4:13

27:8-10

Tsy tena miantso an’i Jehovah ny mpivadi-pinoana, ary tsy henoiny

He 6:4-6

27:12

Milaza zava-poana ireo mahita “fahitana” avy ao am-pony fa tsy avy amin’Andriamanitra

Je 23:16

27:16, 17

Holovan’ny olo-marina ny harena nangonin’ny ratsy fanahy

De 6:10, 11; Oh 13:22

Toko 28

Izay matahotra an’i Jehovah no mahazo ny tena fahendrena, fa tsy izay mandinika ny zavaboary fotsiny

Mpto 12:13; 1Ko 2:11-16

30:1, 2, 8, 12

Enjehin’ny mpidonana-poana ny mpanompon’Andriamanitra

As 17:5

32:22

Ratsy ny mandoka amin’ny anaram-boninahitra

Mt 23:8-12

34:14, 15

Eo an-tanan’i Jehovah ny ain’ny nofo rehetra

Sl 104:29, 30; Is 64:8; As 17:25, 28

34:19

Tsy miangatra i Jehovah

As 10:34

34:24, 25

Manaisotra sy mametraka mpanjaka araka izay tiany izy

Da 2:21; 4:25

36:24; 40:8

Zava-dehibe ny manambara hoe marina izy

Ro 3:23-26

42:2

Hainy ny zava-drehetra

Mt 19:26

42:3

Faran’izay hendry izy

Is 55:9; Ro 11:33

Mahaliana koa ny mampitaha ireto: Jb 7:17 sy Sl 8:4; Jb 9:24 sy 1Jn 5:19; Jb 10:8 sy Sl 119:73; Jb 26:8 sy Oh 30:4; Jb 28:12, 13, 15-19 sy Oh 3:13-15; Jb 39:30 sy Mt 24:28.