Jobaba
(Jôbàba).
1. Zanakalahin’i Joktana ary taranak’i Sema. (Ge 10:21, 25, 29; 1Ta 1:23) Tsy fantatra ankehitriny hoe taiza marina no nanorim-ponenana ny taranak’i Jobaba.
2. “Zanakalahin’i Zera avy any Bozra.” Mpanjaka tany Edoma i Jobaba, taloha kelin’i Saoly ilay mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely. I Jobaba no mpanjaka nandimby an’i “Bela zanakalahin’i Beora.”—Ge 36:31-34; 1Ta 1:43-45.
3. Mpanjakan’i Madona, tanàna tany amin’ny faritra avaratra tamin’i Palestina. Nikambana tamin’i Jabina, mpanjakan’i Hazora, i Jobaba sy ny mpanjaka hafa mba hanafika ny Israelita. Resy “teo amoron’ny ranon’i Meroma” anefa izy ireo.—Js 11:1-8; 12:19.
4. Zanakalahin’i Saharaima sy Hodesy. Taranak’i Benjamina i Saharaima.—1Ta 8:1, 8, 9.
5. Taranak’ilay Benjamita atao hoe Saharaima. I Saharaima mantsy niteraka an’i Elpala, ary i Elpala niteraka an’i Jobaba.—