Jobily
(Jôbìly).
Ny taona faha-50 aorian’ny fito taona impito, izay nisaina nanomboka tamin’ny nidiran’ny Israely tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Midika hoe “tandrok’ondry” ny teny hebreo hoe yôhvel (na yôvel) ary ilazana ny fitsofana anjombona (tandrok’ondry) natao tamin’io taona io, ho fampahafantarana nanerana an’ilay tany fa tonga ny fahafahana.—Le 25:9, 10; jereo TANDROKA.
Ny enin-taona voalohany nidiran’ny firenen’Israely tao amin’ny Tany Nampanantenaina no namafy sy namboly ary nijinja izy ireo, fa taona sabata kosa ny taona fahafito. Navela hiala sasatra àry ny tany, ka tsy nisy nahazo namafy na nandrantsana. Tsy azo nojinjaina na dia ny vokatra avy tamin’ny voa latsaka tamin’ny fijinjana tamin’ny taon-dasa aza, ary tsy azo notazana ny voan’ny voaloboka tsy norantsanana. Afaka nihinana an’izay voa na voankazo naniry ho azy kosa ny Israelita, ny mpanompony, ny olona nokaramainy, ny vahiny, ny mahantra, ary ny biby fiompy sy bibidia. (Le 25:2-7; Ek 23:10, 11) Nanisa fito taona hoatran’izay impito (7 x 7 = 49) ny Israely, ka ny taona faha-50 nanaraka no taon-jobily.
Nitovitovy tamin’ny taona sabata ny Jobily. Navela hiala sasatra tanteraka indray ny tany, ka tsy azo natao ny namafy na nijinja. (Le 25:8-12) Ny vokatra niakatra tamin’ny taona faha-48 àry no natao sakafo tamin’io taona nodiavina io sy ireo roa taona mahery kely nanaraka, mandra-pijinja ny vokatra tamin’ny taona faha-51 (taona nanaraka ny Jobily). Notahin’i Jehovah manokana ny taona fahenina, ka ampy natao sakafo nandritra ny taona sabata ny vokatra. (Le 25:20-22) Nataon’Andriamanitra be dia be sy ampy tsara koa ny vokatra nojinjaina tamin’ny taona faha-48, mba hanan-kohanina ny Jiosy tamin’ny taona sabata sy ny Jobily ary ny taona nanaraka mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana, raha nitandrina ny lalàny izy ireo.
Azo lazaina hoe fety foana nandritra ny Jobily, satria taom-panafahana. Hita hoe nino an’i Jehovah Andriamaniny sy nankasitraka an’izay nomeny ary nifaly tamin’izany ny Israely, rehefa nankalaza azy io.
Notsofina ny anjombona (shôhfar na shôfar, tandroka mifaingoka) tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana (ny faha-10-n’ny volana fahafito na Tisry), ho fampahafantarana nanerana an’ilay tany fa tonga ny fahafahana. Nafahana ny mpanompo hebreo (maro tamin’izy ireo no tsy nahaloa trosa taloha ka nivarotra ny tenany), na dia mbola tsy tonga aza ny taona fahafito tokony hanafahana azy (Ek 21:2) ary latsaka ny enin-taona no nanompoany. Naverina tamin’ny tompony daholo koa ny tany lovany izay namidiny noho izy tra-pahasahiranana, ary nody tany amin’ny fianakaviany sy ny lovany ny tsirairay. An’i Jehovah mantsy ilay tany, fa mpivahiny sy mpiavy ny Israelita taminy. (Le 25:23, 24) Tsy nisy fianakaviana lasa nahantra hatramin’ny taranany fara mandimby, fa samy nanana ny haja amam-boninahiny izy ireo. Na izay nandanilany foana ny fananany aza mbola afaka namela lova ho an’ny taranany. ‘Tsy tokony hisy ho lasa mahantra [àry] teo amin’izy ireo’, raha nitandrina ny lalàn’Andriamanitra izy ireo.—Le 25:8-10, 13; De 15:4, 5.
Tsy nahazo natao varo-maty ny tany, araka ny lalàna momba ny Jobily. Raha nisy nivarotra ny lovany, dia arakaraka ny isan’ny taona tavela mandra-pahatongan’ny Jobily no nanombanana ny vidin’ilay tany. Toy izany koa no nanombanana ny vidin’izay tany tian’ny tompony havotana. Ny vidin’ny vokatra niakatra nandritra ny fotoana nampiasana an’ilay tany mandra-pahatongan’ny Jobily fotsiny àry no vidin’ilay tany. (Le 25:15, 16, 23-28) Tsy natao varo-maty koa ny trano tao anaty tanàna tsy nisy manda, satria anisan’ny saha izy ireny. Tsy naverina tamin’ny tompony kosa rehefa Jobily ny trano namidy tao anaty tanàna nisy manda, ankoatra ny tranon’ny Levita izay tsy nanana afa-tsy ny trano sy ny kijana nanodidina ny tanànany. Tsy azo namidy ny kijana nanodidina ny tanànan’ny Levita.—Le 25:29-34.
Nitondra soa ho an’ny Israelita tsirairay ary indrindra fa ho an’ilay firenena manontolo ny lalàna momba ny Jobily, izay fandaharana tena tsara. Niverina ho toy ny tamin’izy vao nahazo ny anjara lovany, araka izay nikasan’Andriamanitra azy, ilay firenena, rehefa nankatò ny lalàna momba ny Jobily. Mafy orina ny fitondrana. Tsy niovaova be ny toe-karena ka tsy voatery nitrosa ilay firenena. (De 15:6) Tsy niovaova koa ny vidin’ny tany, ary voasoroka ny olana ara-toe-karena, ohatra hoe nanan-karena ny Israely nefa bokan’ny trosa, nidangana na nidina be ny vidim-piainana, ary be ny tsy an’asa.
Tsy misy afa-tsy sokajin’olona roa any amin’ny tany maro: Ny mpanefohefo sy ny mahantra fadiranovana. Tsy nahitana toe-javatra mampalahelo toy izany anefa tany Israely, rehefa nohajaina ny lalàna momba ny Jobily. Nandray soa ny tsirairay, ka lasa natanjaka ny firenena. Tsy lasa nahantra na tsy an’asa noho ny fitotongan’ny toe-karena ny olona, fa afaka nampiasa ny talentany sy fahaizany ny rehetra mba hampandrosoana ilay firenena. Notahin’i Jehovah ny vokatry ny tany ary nahazo fanabeazana tsara ny vahoaka. Tonga lafatra ny fitondrana tany Israely noho ny fitarihan’i Jehovah, ka niadana ilay firenena rehefa nankatò.—Novakina tamin’ny vahoaka ny Lalàna isaky ny taona sabata, rehefa Fetin’ny Trano Rantsankazo na Fanangonam-bokatra. (De 31:10-12) Tokony ho lasa akaiky kokoa an’i Jehovah àry izy ireo, ary tsy ho nofehezin’iza na iza fa ho olona afaka foana. Nampitandrina azy ireo i Jehovah fa hahita loza izy ireo, raha tsy mankatò na tsy miraharaha matetika ny didiny (anisan’izany ny momba ny taona sabata sy ny Jobily).—Le 26:27-45.
Tamin’ny Tisry 1424 T.K. ny Jobily voalohany, raha isaina manomboka amin’ny taona nidiran’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina, tamin’ny 1473 T.K. (Le 25:2-4, 8-10) Tokony ho nankalaza ny Jobily im-17 àry izy ireo mandra-paharava an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Indrisy anefa fa tsy nanaiky an’i Jehovah ho Mpanjakany izy ireo. Nodikain’izy ireo ny didiny, anisan’izany ny lalàna momba ny Sabata, ka tsy notahiny intsony izy ireo. Nanala baraka an’Andriamanitra teo anatrehan’ny firenena izy ireo, ary tsy takany hoe ny fitondran’Andriamanitra no tena tsara.—2Ta 36:20, 21.
Heviny an’ohatra. Miresaka an-kolaka momba ny Jobily ny Soratra Grika Kristianina. Nilaza, ohatra, i Jesosy Kristy fa tonga “hitory fanafahana amin’ny babo” izy. (Lk 4:16-18) Hoy koa izy momba ny fanafahana amin’ny ota: ‘Tena ho afaka ianareo, raha ny Zanaka no manafaka anareo.’ (Jn 8:36) Nambara ho marina ho amin’ny fiainana sy nateraka ho zanak’Andriamanitra ny Kristianina voahosotra tamin’ny Pentekosta taona 33, ka hoy ny apostoly Paoly: ‘Efa nanafaka anareo tamin’ny lalàn’ny ota sy fahafatesana ny lalàn’ny fanahy. Io fanahy io dia manome fiainana ao amin’i Kristy Jesosy.’ (Ro 8:2) Hisy olon-kafa koa “hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana” mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. “Hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” izy ireo, raha tsy mivadika mihitsy rehefa iharam-pitsapana. (Ro 8:19-21) Hafahana amin’ny ota sy ny fahafatesana àry izy ireo. Ireo tena mpivavaka ireo no hasain’i Jehovah hikarakara indray ny tany, araka ny nikasany azy tany am-boalohany.—Ap 21:4; Ge 1:28; Is 65:21-25.