Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Joda

Joda

(Jòda).

[1-9: Deraina]

1. Zanakalahy fahefatra naterak’i Jakoba tamin’i Lea vadiny, tany Harana, any Padana-arama. (Ge 29:35; 1Ta 2:1) Sivy taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia nentin’i Jakoba niaraka tamin’ny ankohonany manontolo tany Kanana i Joda. (Ampit. Ge 29:4, 5, 32-35; 30:9-12, 16-28; 31:17, 18, 41.) Nipetraka niaraka tamin’ny rainy tany Sokota izy taorian’izay, ary avy eo tao Sekema. Tao ny zanakalahin’i Hamora no nametaveta an’i Dina anabavin’i Joda. Namaly faty i Simeona sy Levy ka namono ny lehilahy rehetra tao, ary nandroba an’ilay tanàna. Azo antoka fa anisan’ireo nanao izany koa i Joda.​—Ge 33:17, 18; 34:1, 2, 25-29.

Fifandraisany tamin’i Josefa. Nanjary nankahala an’i Josefa i Joda sy ny rahalahiny, satria tian’i Jakoba kokoa i Josefa. Vao mainka nankahala azy izy ireo, rehefa nitantaran’i Josefa ny nofiny anankiroa, izay milaza hoe ho lasa ambony noho izy ireo izy. Nirahin’i Jakoba i Josefa, tatỳ aoriana, mba hijery sao nisy naninonaninona ireo rahalahiny tany am-piandrasana ondry. Nanao tetika mba hamonoana azy ho faty izy ireo, raha vao nahatazana azy avy lavitra. Te hiaro an’i Josefa anefa i Robena, ka nanolo-kevitra hoe aleo atsipy ao anaty lavaka fanangonan-drano efa tsy nisy rano intsony izy. Nanaiky ireo rahalahiny.​—Ge 37:2-24.

Nahatazana Ismaelita maromaro mpivaro-mandeha izy ireo avy eo, ka nandresy lahatra an’ireo rahalahiny i Joda hoe aleo amidy amin’izy ireo i Josefa fa tsy vonoina. Azo inoana fa tsy teo i Robena tamin’izay. (Ge 37:25-27) Nitalaho tamin’ireo rahalahiny i Josefa mba hangoraka azy, nefa namidin’izy ireo farantsa volafotsy 20 (44 dolara, raha sekely volafotsy 20) ihany izy. (Ge 37:28; 42:21) Fahotana lehibe ilay nataon’i Joda (sy ny rahalahiny), na dia hita aza hoe ny hamonjy ny ain’i Josefa no tena noeritreretiny, sady nandray soa tamin’ilay nivarotana an’i Josefa ny ankohonan’i Jakoba manontolo tatỳ aoriana. Nanenjika an’i Joda foana àry ny eritreriny. (Ge 42:21, 22; 44:16; 45:4, 5; 50:15-21) (Famonoana ho faty no sazin’izay nanao izany fahotana lehibe izany, rehefa nahazo ny Lalàn’i Mosesy ny Israelita tatỳ aoriana; Ek 21:16.) Niray tsikombakomba tamin’ireo rahalahiny i Joda avy eo, ka nataon’izy ireo izay inoan’i Jakoba hoe novonoin’ny bibidia i Josefa. (Ge 37:31-33) Roapolo taona teo ho eo i Joda tamin’io.

Fianakavian’i Joda. Toa nandao an’ireo rahalahiny i Joda, taorian’izay. Nanangana ny tranolainy teo akaikin’ny toerana nipetrahan’i Hira adolamita izy, ary azo inoana fa lasa mpinamana izy ireo. Tamin’izay i Joda no nanambady ny zanakavavin’i Soa, lehilahy kananita, ka niteraka telo lahy, dia i Era, Onana, ary Sela. I Sela no faralahy ary teraka tany Akziba izy.​—Ge 38:1-5.

Nifidy an’i Tamara mba ho vadin’i Era lahimatoany i Joda, tatỳ aoriana. Nanao ratsy anefa i Era ka novonoin’i Jehovah. Nasain’i Joda hitondra loloha an’i Tamara i Onana, zanany lahy faharoa. ‘Narian’i Onana tamin’ny tany’ anefa ny tsirinainy rehefa nanao firaisana tamin’i Tamara izy, “mba tsy hanomezany taranaka ho an’ny rahalahiny.” Novonoin’i Jehovah koa àry izy. Hoy i Joda tamin’i Tamara, taorian’izay: “Mitoera ... any an-tranon-drainao, mandra-pahalehiben’i Sela.” Lehibe tokoa i Sela tatỳ aoriana, saingy mbola tsy nomen’i Joda ho vadin’i Tamara izy. Natahotra mantsy i Joda sao ho faty koa io zanany faralahy io.​—Ge 38:6-11, 14.

Maty vady i Joda tatỳ aoriana. Rehefa ren’i Tamara fa ho any Timna io rafozandahiny io, dia mody nanao mpivaro-tena izy ary nipetraka teo amin’ny fidirana ho ao Enaima, teo amin’ny lalana handalovan’i Joda. Tsy fantatr’i Joda hoe ny vinantovaviny io fa noheveriny ho mpivaro-tena, ka nanaovany firaisana. Fantatra tatỳ aoriana fa bevohoka i Tamara, ka nasain’i Joda nodorana toy ny fanao amin’ny mpivaro-tena. Ahoana anefa rehefa voaporofo fa izy no nahabevohoka azy? Hoy i Joda: “Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin’i Sela zanako lahy.” Toy ny hoe nitondra loloha an’i Tamara i Joda, ka nisolo tsy nahy an’i Sela. Zanany ara-dalàna àry izy roa lahy kambana (Pereza sy Zera) izay teraka, enim-bolana teo ho eo tatỳ aoriana. Tsy nanao firaisana tamin’i Tamara intsony izy taorian’izay.​—Ge 38:12-30.

Nividy sakafo tany Ejipta. Nisy mosary tao Kanana tatỳ aoriana. Re anefa fa nisy sakafo tany Ejipta. Nirahin’i Jakoba mba hividy sakafo tany àry ny zanany folo lahy, anisan’izany i Joda. I Josefa, rahalahin’izy ireo iray ray taminy, no mpiandraikitra ny sakafo tany Ejipta tamin’izay. Tonga dia nahafantatra an’ireo rahalahiny i Josefa, fa izy ireo kosa tsy nahafantatra azy. Niampanga azy ireo ho mpitsikilo i Josefa. Nanda izany izy ireo ka niresaka momba an’i Benjamina. Niteny àry i Josefa hoe tsy mahazo miverina any Ejipta izy ireo raha tsy miaraka amin’i Benjamina. Nasainy nogadraina koa i Simeona rahalahiny mba ho azo antoka hoe hitondra an’i Benjamina tokoa izy ireo.​—Ge 42:1-25.

Ara-dalàna raha tsy nety nandefa an’i Benjamina hiaraka tamin’ireo zanany lahy hafa ho any Ejipta i Jakoba. Nihevitra mantsy izy fa efa namoy zanaka roa lahy, dia i Josefa sy Simeona. Nanohina ny fo ny tenin’i Robena tamin’i Jakoba hoe: “Azonao vonoina ho faty ny zanako roa lahy raha tsy entiko miverina atỳ aminao [i Benjamina].” (Ge 42:36-38) Tsy naharesy lahatra an’i Jakoba anefa izany, angamba noho i Robena efa hita hoe tsy mendri-pitokisana satria nametaveta ny vadikelin-drainy. (Ge 35:22) I Joda no naharesy lahatra ny rainy tamin’ny farany, rehefa nampanantena fa hiantoka an’i Benjamina.​—Ge 42:36-38; 43:8-14.

Nandeha nividy sakafo tany Ejipta ireo zanakalahin’i Jakoba, dia nody. Nenjehin’ilay lehilahy niandraikitra ny tao an-tranon’i Josefa anefa izy ireo, ka tratrany teny an-dalana ary nolazainy hoe nangalatra. (Tetika nataon’i Josefa anefa izany.) Hita tao anaty gonin’i Benjamina ilay zavatra nolazaina fa nangalarina, ka niverina daholo izy rehetra ary niditra tao an-tranon’i Josefa. I Joda no niteny sy niaiky ny fahadisoan’izy ireo. Nanao teny naharesy lahatra izy avy eo mba hiarovana an’i Benjamina sy hitsimbinana ny rain’izy ireo. Nangataka àry izy mba ho izy no hatao mpanompo ho solon’i Benjamina. Nanohina be ny fon’i Josefa ny nandre ny fitalahoana vokatry ny fo nataon’i Joda, ka tsy voafehiny intsony ny fihetseham-pony. Nampahafantatra ny tenany amin’izay izy, rehefa izy sy ireo rahalahiny sisa no teo. Nilaza tamin’izy ireo i Josefa fa namela ny helony izy, na dia nivarotra azy ho andevo aza izy ireo. Nasain’i Josefa naka an’i Jakoba izy ireo taorian’izay ary hiverina any Ejipta, satria mbola haharitra dimy taona ilay mosary.​—Ge 44:1–45:13.

Rehefa akaiky ho tonga tany Ejipta i Jakoba sy ny ankohonany manontolo, dia ‘nirahin’i Jakoba hialoha azy ho any amin’i Josefa i Joda mba hampandre an’izay tany Gosena.’​—Ge 46:28.

Ambony noho ny rahalahiny. Lazaina hoe ambony noho ny rahalahiny i Joda. Nahoana? Satria izy tena niahy ny rainy efa antitra sady vonona hamoy ny fahafahany mba hiarovana ny fahafahan’i Benjamina. (1Ta 5:2) Efa niova izy fa tsy toy ilay tamin’izy mbola tanora intsony, tamin’izy niaraka tamin’ireo rahalahiny ka nandroba an’ireo mponina tao Sekema sy nanisy ratsy an’i Josefa ary avy eo namitaka an-drainy. Lasa anisan’ireo lehiben’ny foko 12 teo amin’ny Israely i Joda. Tena nahay nitondra olona izy, ka nahazo tsodrano tsara kokoa avy tamin’ny rainy efa ho faty. (Ge 49:8-12) Hazavaina etsy ambany ny fahatanterahan’izany tsodrano sady faminaniana izany.

2. Ilay foko avy amin’i Joda. Nitombo ho 74 600 ny vatan-dehilahy (20 taona no ho miakatra) tao amin’io foko io, 216 taona teo ho eo taorian’ny nahatongavan’i Joda tany Ejipta niaraka tamin’ny ankohonan’i Jakoba. Io no foko nanana vatan-dehilahy betsaka indrindra tamin’ireo foko 12. (No 1:26, 27) Niampy 1900 ny lehilahy voasoratra anarana tao amin’ilay foko, rehefa tapitra ireo 40 taona nivezivezen’ny Israelita tany an-tany efitra.​—No 26:22.

I Bezalila (avy amin’ny fokon’i Joda) sy Oholiaba mpanampy azy, izay avy amin’ny fokon’i Dana, no nitarika ny fanorenana ny tranolay masina sy ny fanamboarana an’ireo fanaka sy fitaovana tao anatiny. (Ek 35:30-35) Nitoby teo atsinanan’io toerana masina io ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Isakara ary ny fokon’i Zebolona, rehefa vita izy io.​—No 2:3-8.

Hita hatrany am-boalohany fa ho mpitarika i Joda. Voalazan’ilay tsodrano sady faminaniana notononin’i Jakoba fa ho mpitarika i Joda. (Ge 49:8; ampit. 1Ta 5:2.) Tanteraka izany rehefa jerena ny tantaran’ny fokon’i Joda hatramin’ny voalohany. Io foko io mantsy no niainga voalohany tamin’ilay dia namakivaky ny tany efitra, ary i Nasona mpiadidy teo aminy no nitarika azy ireo. (No 2:3-9; 10:12-14) Avy amin’io foko io koa i Kaleba, izay anisan’ireo mpitsikilo roa lahy tsy nivadika ka afaka niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Niady mba hahazoana ny faritany nomena ho an’ny fokon’i Joda izy tatỳ aoriana, na dia efa antitra aza, ary azon’izy ireo ilay faritany. Andriamanitra mihitsy no nanendry an’ilay foko mba hitarika ny ady tamin’ny Kananita, ary nanampy azy ny fokon’i Simeona. (No 13:6, 30; 14:6-10, 38; Js 14:6-14; 15:13-20; Mpts 1:1-20; ampit. De 33:7.) Ny fokon’i Joda koa, tatỳ aoriana, no notendren’i Jehovah ho loha laharana, tamin’ilay ady natao mba hanafaizana ny fokon’i Benjamina.​—Mpts 20:18.

Anjara tany. Ny faritanin’ny fokon’i Benjamina sy ny an’ny fokon’i Dana no teo avaratry ny faritany nomena ny fokon’i Joda. (Js 15:5-11; 18:11) Ny Ranomasin-tsira (Ranomasina Maty) no teo atsinanany (Js 15:5), ary ny Ranomasina Lehibe (Ranomasina Mediterane) no teo andrefany (Js 15:12). Toa nanomboka teo amin’ny tendrony atsimo amin’ny Ranomasina Maty ny sisin-taniny atsimo, ary avy eo nianatsimoandrefana nankany amin’ny fiakarana Akrabima. Nitohy hatrany Zina izany. Nianavaratra ilay izy rehefa tonga teo akaikin’i Kadesi-barnea, ary avy eo nandalo an’i Hezrona, Adara, Karka, Azmona, namakivaky ny lohasaha falehan-driakan’i Ejipta, ary nifarana tany amin’ny Ranomasina Mediterane. (Js 15:1-4) Nomena ho an’ny fokon’i Simeona ny faritra nanodidina an’i Beri-sheba, tao amin’ny faritanin’ny fokon’i Joda. (Js 19:1-9) Nanorim-ponenana tao amin’ny faritanin’i Joda koa ny Kenita. Tsy Israelita izy ireo, fa havan’i Mosesy satria taranaky ny rafozandahiny.​—Mpts 1:16.

Nisy faritra maromaro niavaka tsara tao amin’ny faritanin’i Joda fahiny. Nisy an’i Negeba, ohatra, tany atsimo. Saika lembalemba avokoa izy io, ary nahatratra 450 m ka hatramin’ny 600 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina. Teo koa ny Lemak’i Filistia. Lemaka teo amoron’ny Ranomasina Mediterane izy io, ary nisy dongom-pasika izay niditra an-tanety hatrany amin’ny 6 km. Nisy havoana kely be dia be io lemaka io, ary naniry tao fahiny ny voaloboka sy oliva ary varimbazaha be dia be. (Mpts 15:5) Faritra be havoana, noelanelanin’ny lohasaha maro, no teo atsinanan’ny Lemak’i Filistia, ary nahatratra 450 m tany ho any ambonin’ny haabon’ny ranomasina ny haavon’ireny havoana ireny tany amin’ny tapany atsimo. Nantsoina hoe Sefela (midika hoe “Faritra Iva”) ilay faritra, ary be aviavidia naniry tany fahiny. (1Mp 10:27) Iva tokoa izy io raha oharina amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda, tany atsinanana kokoa, izay nahatratra 600 m tany ho any ka hatramin’ny 1000 m mahery ambonin’ny haabon’ny ranomasina. Havoana maro mangadihady no tany amin’ny tehezana atsinanana tamin’ireo tendrombohitr’i Joda. Nantsoina hoe Tany Efitr’i Joda io faritra io.

Azo inoana fa resin’i Josoa sy ny miaramilany ny tafiky ny Kananita tao amin’ny faritanin’i Joda. Niverina tao amin’ny tanàna nisy azy taloha anefa ireo Kananita tao amin’ireo tanàna toa an’i Hebrona sy Debira, angamba rehefa niady tany an-toeran-kafa ny Israelita. Toa tsy nisy toby miaramila israelita mantsy tao amin’ireny tanàna ireny. Tsy maintsy niady indray àry ny Israelita mba hahazoana azy ireny. (Ampit. Js 12:7, 10, 13; Mpts 1:10-15.) Tsy voaroakany anefa ny mponina teny amin’ny lemaka iva, satria nanana kalesin’ady arifomba. Anisan’ireny ny Filistinina tao Gata sy Asdoda.​—Js 13:2, 3; Mpts 1:18, 19.

Tamin’ny andron’ny Mpitsara ka hatramin’ny andron’i Saoly. Nanjaka ny korontana tamin’ny andron’ny Mpitsara, ary matetika ny fokon’i Joda sy ireo foko hafa no nanjary nanompo sampy. Navelan’i Jehovah hanafika tao amin’ny faritanin’i Joda àry ireo firenena nanodidina, indrindra fa ny Amonita sy ny Filistinina. (Mpts 10:6-9) Tsy teo ambany fahefan’ny fokon’i Joda intsony ireo tanàna filistinina, toa an’i Gaza sy Ekrona ary Askelona, tamin’ny andron’i Samsona. Ny Filistinina mihitsy aza no nifehy an’ilay foko. (Mpts 15:9-12) Toa tamin’ny andron’i Samoela vao nalain’ny Israely tamin’ny Filistinina ny faritanin’i Joda mbola teo am-pelatanan’izy ireo.​—1Sa 7:10-14.

Taorian’ny nanosoran’i Samoela an’i Saoly (avy amin’ny fokon’i Benjamina) ho mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely, dia niady teo ambany fitarihan’i Saoly ary tsy nivadika taminy ny fokon’i Joda. (1Sa 11:5-11; 15:3, 4) Ny Filistinina no niady matetika tamin’ny Israelita tamin’izany (1Sa 14:52), ary toa nahery noho ny Israelita indray izy ireo. (1Sa 13:19-22) Nihena tsikelikely anefa ny herin’izy ireo. Resin’i Saoly sy Jonatana imbetsaka izy ireo, hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona, noho ny fanampian’i Jehovah. (1Sa 13:23–14:23, 31) Resy indray ny Filistinina tatỳ aoriana rehefa nanafika an’i Joda. Namono an’i Goliata, miaramila solontenan’ny tafik’izy ireo, mantsy ilay tovolahy mpiandry ondry atao hoe Davida, avy amin’ny fokon’i Joda. (1Sa 17:4, 48-53) Notendren’i Saoly ho mpifehy ny miaramila israelita i Davida taorian’izay. Efa voahosotra ho mpanjakan’ny Israely handimby azy rahateo i Davida. Nanohana an’i Saoly foana izy ary imbetsaka no nandresy an’ireo Filistinina. (1Sa 18:5-7) Toy ny “zana-diona” ny fokon’i Joda teo, satria mbola tsy nahazo fahefana hanjaka i Davida.​—Ge 49:9.

Nihevitra an’i Davida ho nanohintohina ny fitondrany sy ho fahavalom-pirenena i Saoly, tatỳ aoriana. Tsy nivadika tamin’i Saoly mihitsy anefa i Davida satria voahosotr’i Jehovah i Saoly. Tsy niandany tamin’ny fahavalon’ny Israely mihitsy koa izy, sady tsy nanisy ratsy an’i Saoly na namela ny hafa hanao izany. (1Sa 20:30, 31; 24:4-22; 26:8-11; 27:8-11; 30:26-31) Niady tamin’ny fahavalon’ny Israely kosa aza izy. Novonjeny, ohatra, ny tanànan’i Keila tao Joda, rehefa notafihin’ny Filistinina.​—1Sa 23:2-5.

Tanteraka tamin’i Davida koa ny tsodranon’i Jakoba. Hitan’Andriamanitra tatỳ aoriana fa mety amin’izay ny hanesorana ny fahefan’ny mpanjaka amin’ny fokon’i Benjamina ka hanomezana izany ho an’ny fokon’i Joda. Nohosoran’ireo lehilahy anisan’ny fokon’i Joda ho mpanjaka i Davida, tany Hebrona, rehefa maty i Saoly. Mbola nanohana ny taranak’i Saoly anefa ireo foko hafa, ka nanao an’i Isboseta zanakalahin’i Saoly ho mpanjakan’izy ireo. Niady matetika ireo fanjakana roa ireo, ary tsy nifarana izany raha tsy efa nivadika mba hanohana an’i Davida i Abnera, tanana ankavanan’i Isboseta. Nisy namono i Isboseta, tsy ela taorian’izay.​—2Sa 2:1-4, 8, 9; 3:1–4:12.

Inona no nitranga rehefa lasa mpanjaka teo amin’ny Israely rehetra i Davida? Nidera an’i Joda ireo ‘zanak’i Jakoba’, izany hoe ny foko rehetra teo amin’ny Israely. Niankohoka teo anatrehan’i Davida, mpanjaka solontenan’ilay foko, koa izy ireo. Afaka niditra tao amin’ny faritanin’i Benjamita àry i Davida mba hanafika an’i Jerosalema. Nataony renivohitry ny fanjakany i Jerosalema rehefa voababony i Ziona, ilay tanàna voaro mafy tao. Azo lazaina hoe nanao ny tsara foana i Davida, ka noho izy no niderana ny fokon’i Joda, araka ny efa nambaran’i Jakoba talohan’ny nahafatesany. Noderaina hoe tia rariny sy tia fahamarinana ilay foko sady nahavita be tamin’ny firenen’Israely, anisan’izany ny fiarovana azy io. Teo amin’ny hatoky ny fahavalony tokoa ny tanan’i Joda satria noresen’i Davida ny Filistinina (izay efa indroa no nitady hanongana azy tsy ho mpanjaka tao Ziona), ny Moabita, ny Syrianina, ny Edomita, ny Amalekita, ary ny Amonita. Tamin’ny andron’i Davida àry vao azon’ny Israely ny faritany rehetra tao anatin’ny sisin-tany nofaritan’Andriamanitra ho azy ireo.​—Ge 49:8-12; 2Sa 5:1-10, 17-25; 8:1-15; 12:29-31.

Tsy niala tamin’ny fokon’i Joda ny tehim-panjakana sy ny tehim-pahefana nandritra ny 470 taona, satria efa nanao fifanekena mandrakizay tamin’i Davida i Jehovah hoe haharitra ny Fanjakany. (Ge 49:10; 2Sa 7:16) Nandritra ny fanjakan’i Davida sy Solomona ihany anefa no tsy nivaky ilay fanjakana ary niankohoka teo anatrehan’i Joda ny foko rehetra teo amin’ny Israely. Nivadi-pinoana i Solomona tamin’ny fotoana faramparany nanjakany. Nisy vokany izany satria nesorin’i Jehovah tamin’i Rehoboama (mpanjaka avy amin’ny fokon’i Joda nandimby an’i Solomona) ny foko folo ary nomeny an’i Jeroboama. (1Mp 11:31-35; 12:15-20) Ny Levita sy ny fokon’i Benjamina ary ny fokon’i Joda ihany sisa no tsy nivadika tamin’ny ankohonan’i Davida.​—1Mp 12:21; 2Ta 13:9, 10.

3. Antsoina hoe Joda ny fanjakana nisy ny fokon’i Joda sy Benjamina. (2Ta 25:5) Ireo foko folo hafa kosa lasa fanjakana nahaleo tena, taorian’ny nahafatesan’i Solomona, ary i Jeroboama Efraimita no mpanjakan’izy ireo.

Tsy ela tatỳ aoriana, tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama, dia tonga i Sisaka mpanjakan’i Ejipta mba hanafika ny fanjakan’ny Joda. Namabo an’ireo tanàna voaro mafy teny amin’ny lalany izy, ary tonga hatrany Jerosalema.​—1Mp 14:25, 26; 2Ta 12:2-9.

Matetika no niady ny fanjakan’ny Joda sy ny Israely, nandritra ny 40 taona teo ho eo, tamin’ny andro nanjakan’i Rehoboama sy Abiama (Abia) ary Asa, izay samy avy amin’ny fokon’i Joda. (1Mp 14:30; 15:7, 16) I Josafata no mpanjaka nandimby an’i Asa, ary nalainy ho vadin’i Jorama zanany lahy i Atalia zanakavavin’i Ahaba, mpanjaka ratsy fanahy teo amin’ny Israely. Marina fa tsy niady intsony ireo fanjakana roa vokatr’izany, nefa nanimba ny fanjakan’ny Joda izany. Nivadi-pinoana tanteraka mantsy i Jorama, satria notaomin’i Atalia. Nanafika an’i Joda ny Filistinina sy ny Arabo tamin’ny andro nanjakan’i Jorama, ka naka babo sy namono ny zanakalahin’i Jorama rehetra, ankoatra an’i Joahaza (Ahazia) faralahiny. Lasa mpanjaka i Ahazia tatỳ aoriana. Nanaiky hotaomin’i Atalia ratsy fanahy koa anefa izy. Maty nisy namono izy tatỳ aoriana, ka novonoin’i Atalia daholo koa ny tarana-mpanjaka. Tsy maty anefa i Joasy kely (izay nanan-jo ara-dalàna handova ny fanjakan’i Davida), satria nisy nanafina izy. Azo antoka fa Andriamanitra no nahatonga izany. Nanao ny tenany ho mpanjaka i Atalia tamin’izay, mandra-pamoahan’i Joiada Mpisoronabe baiko hamonoana azy.​—2Ta 18:1; 21:1, 5, 6, 16, 17; 22:1-3, 9-12; 23:13-15.

Nanao ny tsara i Joasy, tamin’ny voalohany. Niala tamin’ny fivavahana marina anefa izy, rehefa maty i Joiada Mpisoronabe. (2Ta 24:2, 17, 18) Tsara fiandohana koa i Amazia, zanak’i Joasy, raha vao nanomboka nanjaka, nefa niova izy tatỳ aoriana. Niady indray ny fanjakan’ny foko folo sy ny fanjakan’ny Joda, tamin’ny fotoana nanjakany, ka resy tanteraka ny fanjakan’ny Joda. Efa an-taonany maro anefa no tsy nisy ady teo amin’ireo fanjakana ireo. (2Ta 25:1, 2, 14-24) I Ozia (Azaria) no mpanjakan’ny Joda, taorian’izay. Nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah foana izy, afa-tsy tamin’ilay fotoana nitsofohany tao amin’ny toerana masina nefa tsy nahazo alalana. Mpanjaka tsy nivadika koa i Jotama, izay nandimby azy. Tsy toy izany kosa i Ahaza, zanak’i Jotama, satria nalaza ho mpanompo sampy be.​—2Ta 26:3, 4, 16-20; 27:1, 2; 28:1-4.

Samy nanafika an’i Joda daholo na ny Edomita, na ny Filistinina, na ny fanjakan’ny foko folo, na ny Syrianina, tamin’ny andron’i Ahaza Mpanjaka. Niray tetika mihitsy ny Syrianina sy ny Israelita fa hanongana an’i Ahaza ary hanendry olon-kafa tsy taranak’i Davida mba ho mpanjakan’ny Joda. Na dia nanome toky aza i Isaia mpaminany fa tsy hitranga izany, dia tsy nino azy i Ahaza fa nanome tsolotra an’i Tiglato-pilesera III, mpanjakan’i Asyria, mba ho tonga hanampy azy. Tsy fahendrena anefa izany. Nampitondra zioga mavesatra an’i Joda i Asyria, vokatr’izany.​—2Ta 28:5-21; Is 7:1-12.

Namerina ny fivavahana marina i Hezekia, zanak’i Ahaza, ary nikomy tamin’ny mpanjakan’i Asyria. (2Mp 18:1-7) Nanafika an’i Joda àry i Sankeriba ka nambabo tanàna maro voaro mafy. Tsy azony mihitsy anefa i Jerosalema, satria nandripaka olona 185 000 tao an-tobin’ny Asyrianina ny anjelin’i Jehovah iray, tao anatin’ny indray alina monja. Afa-baraka i Sankeriba, ka nody tany Ninive. (2Mp 18:13; 19:32-36) Valo taona teo ho eo talohan’izay, izany hoe tamin’ny 740 T.K., no efa rava ny fanjakan’ny foko folo, rehefa resin’ny Asyrianina i Samaria renivohiny.​—2Mp 17:4-6.

Nampiroborobo ny fanompoan-tsampy indray ny mpanjakan’ny Joda nanaraka, izany hoe i Manase, zanak’i Hezekia. Nibebaka anefa izy rehefa nentin’ny mpanjakan’i Asyria ho babo tany Babylona. Namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina izy, rehefa tafaverina tany Jerosalema. (2Ta 33:10-16) Namerina ny fanompoan-tsampy tao Joda indray anefa i Amona zanany.​—2Ta 33:21-24.

Tamin’ny andro nanjakan’i Josia zanak’i Amona no nisy ezaka manokana farany hamongorana ny fanompoan-tsampy. Tsy tena nibebaka anefa ny ankamaroan’ny olona, na dia teo aza izany. Nasain’i Jehovah noravana tanteraka àry i Joda sy Jerosalema. Ahoana no niafaran’i Josia? Novonoin’i Farao izy, rehefa nifanandrina tamin’ny tafika ejipsianina tao Megido. Teny an-dalana mba hanampy ny mpanjakan’i Asyria tany Karkemisy ny Ejipsianina tamin’io.​—2Mp 22:1–23:30; 2Ta 35:20.

Ratsy fanahy daholo ireo mpanjaka efatra farany tao Joda. Ireto avy izy ireo: Joahaza, Joiakima, Joiakina, ary Zedekia. Nesorin’i Farao Neko tsy ho mpanjaka i Joahaza, ary ny tanin’i Joda nampandoaviny sazy midangana be. I Joiakima rahalahin’i Joahaza avy eo no nataony mpanjaka tao. (2Mp 23:31-35) Lasa teo ambany fahefan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona i Joiakima, valo taona teo ho eo taorian’ny nahalasa mpanjaka azy. Efa resin’ny Babylonianina tao Karkemisy ny Ejipsianina tamin’izay. Nanompo ny mpanjakan’i Babylona nandritra ny telo taona i Joiakima, nefa avy eo nikomy taminy. (2Mp 24:1; Je 46:2) Nanafika an’i Jerosalema i Nebokadnezara taorian’izay. Angamba izy te hisambotra an’ilay mpanjaka nikomy, ka hanagadra azy any Babylona. (2Ta 36:6) Tsy tongany tany Babylona mihitsy anefa i Joiakima, satria maty. Tsy lazain’ny Baiboly ny antony nahafaty azy. I Joiakina no lasa mpanjaka taorian’izay. Nanjaka nandritra ny telo volana sy folo andro monja izy, ary avy eo nitolo-batana tany amin’i Nebokadnezara. Lasa sesitany tany Babylona àry izy sy ny olona tao an-dapany ary ny vahoakany an’arivony. I Zedekia, dadatoan’i Joiakina, no notendren’i Nebokadnezara ho mpanjaka tao Joda tatỳ aoriana.​—2Mp 24:6, 8-17; 2Ta 36:9, 10.

Nikomy i Zedekia, tamin’ny taona fahasivy nanjakany, tamin’izy mbola teo ambany fahefan’i Babylona. Nangataka tamin’i Ejipta àry izy mba hanampy azy hanohitra an’i Babylona. (2Mp 24:18–25:1; 2Ta 36:11-13; Ezk 17:15-21) Nandefa ny tafiny mba hamely an’i Joda i Nebokadnezara, noho io fikomiana io. Nataony fahirano nandritra ny herintaona sy tapany i Jerosalema, ka voagorobaka ny mandany tamin’ny farany. Nandositra i Zedekia nefa voasambotra. Novonoina teo imasony ireo zanany lahy, ary avy eo nopotsirina ny mason’i Zedekia. Ny volana nanaraka, dia natao sesitany ny ankamaroan’ireo Israelita tsy maty. Olona ambany saranga vitsivitsy sisa no tavela tao Joda, ary i Gedalia no voatendry ho governora tao. Nisy namono anefa izy, ka nitsoaka tany Ejipta ny olona. Tsy nisy mponina intsony àry tao Joda, tamin’ny volana fahafito tamin’ny taona 607 T.K.​—2Mp 25:1-26; jereo ao amin’ny lahatsoratra momba an’ireo mpanjaka tsirairay ny tsipiriany.

Mbola tsy niala tamin’i Joda ny fahefan’ny mpanjaka. Tsy niala tanteraka tamin’ny fokon’i Joda ny tehim-panjakana sy ny tehim-pahefana, na dia rava aza ny fanjakan’ny Joda. Naminany i Jakoba tamin’izy efa ho faty fa tsy maintsy ho avy amin’ny fokon’i Joda ilay mpanjaka izay handova mandrakizay ny seza fiandrianana. Izy io ilay nantsoiny hoe Silo (midika hoe “Ilay Tompony; Izy no Tompony”). (Ge 49:10) Izany no antony nilazan’i Jehovah toy izao tamin’i Zedekia, talohan’ny naharavan’ny fanjakan’ny Joda: “Esory ny fehilohan’ny mpanjaka, ary tsoahy ny satroboninahitra. Tsy ho toy ny taloha intsony ny toe-javatra. Asandrato ny ambany, ary ampietreo ny ambony. Horavako, horavako, horavako izany, ary izany koa aza dia tsy ho lasan’iza na iza, mandra-pahatongan’ilay manan-jo ara-dalàna hahazo izany. Dia homeko azy izany.” (Ezk 21:26, 27) I Jesosy Zanak’Andriamanitra io voalaza fa manan-jo ara-dalàna io. Manaporofo izany ny tenin’ny anjely Gabriela tamin’ilay virjiny jiosy atao hoe Maria, 600 taona teo ho eo tatỳ aoriana. (Lk 1:31-33) Mendrika ny antsoina hoe “Liona avy amin’ny fokon’i Joda” àry i Jesosy Kristy.​—Ap 5:5.

Ampitahaina amin’ny fanjakana tany avaratra. Nilamina be ny fanjakan’ny Joda sady naharitra 133 taona fanampiny teo ho eo, raha ampitahaina amin’ny fanjakana tany avaratra. Antony maromaro no nahatonga izany: 1) Efa nanao fifanekena tamin’i Davida Andriamanitra, ka ny taranak’i Davida foana no nanjaka tao Joda. Ny tany avaratra kosa dia zara raha nisy antsasak’ireo mpanjaka no nodimbiasan’ny zanany lahy. 2) Mbola nanompo tao amin’ny tempolin’i Jerosalema foana ireo mpisorona taranak’i Arona, ka nankasitrahan’i Jehovah izany ary nanamora ny fiverenan’ilay firenena tamin’Andriamaniny rehefa nivadika izy ireo. (2Ta 13:8-20) Ny fanjakana tany avaratra kosa nivavaka tamin’ny zanak’omby ary tsy niala tamin’izany mihitsy, satria te hahaleo tena sy te hisaraka foana tamin’ny fanjakan’ny Joda. Tsy niezaka nanafoana an’ilay fivavahana mihitsy àry izy ireo. (1Mp 12:27-33) 3) Tena niavaka ny efatra tamin’ireo mpanjaka 19 tao Joda, satria nafana fo tamin’ny fivavahana marina sady nanao ezaka manokana mba hamerenana izany tamin’ny laoniny.

Hita tamin’ny tantaran’ireo fanjakana roa ireo anefa fa adala izay tsy miraharaha ny lalàn’i Jehovah sy izay miantehitra amin’ny fifanekena ara-tafika mba hahazoana fiarovana. Niharihary koa fa nahari-po tamin’ny vahoakany i Jehovah, na dia tsy nankatò matetika aza izy ireo. Imbetsaka izy no naniraka ny mpaminaniny mba hampirisihana azy ireo hibebaka, nefa matetika no tsy nisy vokany izany. (Je 25:4-7) Anisan’ireo mpaminany nanompo tao Joda i Semaia, Ido, Azaria, Odeda, Hanany, Jeho, Eliezera, Jahaziela, Mika, Hosea, Isaia, Zefania, Habakoka, ary Jeremia.​—Jereo ISRAELY No. 2 sy 3.

Taorian’ny sesitany. Tamin’ny 537 T.K., dia azo inoana fa nisy Israelita avy amin’ny foko samihafa niverina tany Joda, rehefa namoaka didy i Kyrosy hoe afaka miverina sy manorina ny tempoly indray ny Israelita. (Ezr 1:1-4; Is 11:11, 12) Tanteraka ny Ezekiela 21:27 tamin’izay, ka tsy nisy mpanjaka taranak’i Davida mihitsy nanjaka teo amin’ireo vahoaka tafaverina ireo. Tsara homarihina koa fa tsy mitantara mihitsy ny Baiboly hoe nifampialona ireo foko. Midika izany fa lasa tafaray tokoa i Efraima sy Joda.​—Is 11:13.

4. Mety ho ilay Levita atao hoe Hodavia na Hodeva ihany i Joda. Nanan-janakalahy maromaro niverina tany Jerosalema, niaraka tamin’i Zerobabela, izy.​—Ezr 2:40; 3:9; Ne 7:43.

5. Levita iray anisan’ireo niara-niverina tany Jerosalema tamin’i Zerobabela.​—Ne 12:1, 8.

6. Levita iray anisan’ireo nandroaka ny vadiny hafa firenena sy ny zanany tamin’ireny vehivavy ireny.​—Ezr 10:23, 44.

7. Benjamita iray nonina tao Jerosalema. Anisan’ny mpiandraikitra tao izy, taorian’ny sesitany.​—Ne 11:7, 9.

8. Olona nandray anjara tamin’ilay filaharam-be nalamin’i Nehemia rehefa notokanana ny mandan’i Jerosalema.​—Ne 12:31, 34.

9. Mpisorona nahay zavamaneno ary nandray anjara tamin’ilay filaharam-be, rehefa notokanana ny mandan’i Jerosalema.​—Ne 12:31, 35, 36.

10. Razamben’i Maria renin’i Jesosy. Zafiafin’i Zerobabela izy, rehefa jerena ny lisitra.​—Lk 3:26, 27.

11. “Mpanompon’i Jesosy Kristy, sady rahalahin’i Jakoba.” Izany no nolazain’ilay nanoratra ny bokin’i Joda momba ny tenany. Toa hafa mihitsy ilay “Jodasy zanak’i Jakoba”, iray tamin’ireo apostoly 11 tsy nivadika tamin’i Jesosy Kristy. (Lk 6:16) Tsy nolazainy hoe apostolin’i Jesosy Kristy izy fa ‘mpanompo.’ Rehefa miresaka momba ny apostoly koa izy dia “izy ireo” no teny ampiasainy, izany hoe tsy anisan’izy ireo izy.​—Jd 1, 17, 18.

Misy olon-kafa koa nantsoina hoe Joda na Jodasy ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, fa miavaka ity mpanoratra Baiboly ity satria voalaza ny anaran’ny rahalahiny. (Jereo JODASY No. 5.) Asehon’izany fa betsaka ny Kristianina nahalala an’i Jakoba rahalahiny. Jakoba iray ihany anefa no tena be mpahafantatra. Nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “andrin’ny” fiangonana tao Jerosalema izy, ary “rahalahin’ny Tompo.” (Ga 1:19; 2:9; jereo koa As 12:17; 15:13-21.) Rahalahin’i Kristy Jesosy hafa ray aminy àry i Joda na Jodasy. (Mt 13:55; Mr 6:3) Nanetry tena anefa izy ka tsy nasongadiny ny rohim-pihavanana nisy teo aminy sy ilay Zanak’Andriamanitra. Nolazainy kosa fa “mpanompon’i Jesosy Kristy” izy.

Kely ihany ny zavatra fantatra momba ny fiainan’i Joda. Angamba izy anisan’ireo niteny hoe ‘voa ny sain’i Jesosy’, tamin’i Kristy Jesosy nanomboka ny fanompoany. (Mr 3:21) Na ahoana na ahoana dia tsy naneho finoana an’i Kristy Jesosy i Joda sy ireo rahalahiny hafa, tamin’izay.​—Jn 7:5.

Rehefa nitsangana tamin’ny maty anefa i Jesosy, dia niseho tamin’i Jakoba, rahalahiny hafa ray. (1Ko 15:7) Tsy maintsy ho nandresy lahatra azy àry izany fa i Jesosy tokoa no Mesia. Tsy izy ihany anefa no resy lahatra fa i Joda sy ireo rahalahiny hafa koa. Teo koa àry izy ireo talohan’ny Pentekosta taona 33, rehefa naharitra nivavaka tao amin’ny efitra ambony rihana tao Jerosalema ireo apostoly 11 tsy nivadika sy ny rahalahy hafa. Toa anisan’ireo olona 120 teo ho eo nivory koa izy ireo, rehefa nofidina tamin’ny antsapaka i Matia mba hisolo an’i Jodasy Iskariota, izay nivadika. (As 1:14-26) Raha izany no izy, dia nahazo ny fanahy masina koa izy ireo tamin’ny Pentekosta.​—As 2:1-4.