Jodasy
(Jodàsy) [avy amin’ny teny heb., ary endriny hafa amin’ilay anarana hoe Joda].
1. Anisan’ireo razamben’i Jesosy izy, satria taranak’i Natana razamben’i Maria. Zanakalahin’i Josefa i Jodasy, ary rain’i Simeona. Izy no taranaka fahafito avy tamin’i Natana zanak’i Davida, ka midika izany fa niaina talohan’ilay sesitany tany Babylona izy.—Lk 3:30, 31.
2. Jodasy avy any Galilia. Niresaka momba azy teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy i Gamaliela. (As 5:37) Nitaona ny Jiosy hikomy i Jodasy tamin’ny fotoanan’ilay fisoratana anarana tamin’ny andron’i Kyrenio governoran’i Syria, tamin’ny taona 6. Imbetsaka i Josèphe no niresaka momba an’i Jodasy. Hoy izy: “Nitaona an’ireo mpiray firenena taminy hikomy [i Jodasy], ka nilaza hoe kanosa izy ireo satria nanaiky handoa hetra ho an’ny Romanina sady nanaiky hofehezin’ny tompo mety maty fa tsy ilay Andriamanitra tompon’izy ireo. Filozofa io lehilahy io, ary namorona sekta hafa mihitsy.” (Ny Adin’ny Jiosy, II, 118 [viii, 1]) Indray mandeha i Josèphe no niantso azy hoe Jodasy Golanita. Misy mihevitra fa avy any Golana, faritra iray tany atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia, ny hoe Golanita. Nilaza imbetsaka koa anefa i Josèphe hoe Galilianina, toa an’i Gamaliela, i Jodasy. (Rakitry ny Ela Jiosy, XVIII, 4 [i, 1]; XVIII, 23 [i, 6]) Nitaky fahafahana ireo mpikomy ireo, saingy tsy nahomby mihitsy. “Maty” i Jodasy, “ka niparitaka izay rehetra nanaiky azy.” (As 5:37) Nikomy koa ny taranany sasany.—Ny Adin’ny Jiosy, II, 433-440 (xvii, 8); VII, 253 (viii, 1).
3. Anisan’ireo apostoly 12 lahy, ary antsoina koa hoe Tadeo sy “Jodasy zanak’i Jakoba.” Tononina miaraka amin’i Jakoba zanak’i Alfeo i Tadeo, rehefa mitanisa an’ireo apostoly ny Matio 10:3 sy ny Marka 3:18. Ilay lisitra ao amin’ny Lioka 6:16 sy Asan’ny Apostoly 1:13 kosa tsy manonona an’i Tadeo fa “Jodasy zanak’i Jakoba”, ka azo inoana fa anarana hafa iantsoana ny apostoly Jodasy ny hoe Tadeo. Mety hifangaro ireo apostoly roa nantsoina hoe Jodasy, ka izany angamba no nampiasana ny hoe Tadeo indraindray. Misy mpandika teny milaza hoe “Jodasy, rahalahin’i Jakoba” ao amin’ireo andininy roa ireo, satria tsy voafaritra mazava ny rohim-pihavanana nisy teo amin’i Jodasy sy Jakoba raha ny teny grika no jerena. Ny Peshitta syriàka no nampiasa an’ilay hoe ‘zanaka.’ Baiboly maoderina maro àry no milaza hoe “Jodasy zanak’i Jakoba.” (Prot., DIEM, FFBF) Antsoina fotsiny hoe Jodasy izy ao amin’ny Jaona 14:22, ary ao ihany no toy izany. Lazainy hoe “Jodasy, tsy Iskariota” izy ao, mba hahalalana hoe Jodasy iza no resahina.
Misy Baiboly (JM) manisika teny hoe “Lebeo izay atao hoe” eo alohan’ny hoe “Tadeo”, ao amin’ny Matio 10:3. Ahitana an’ireo teny ireo mantsy ao amin’ny Soratra Voaray (soratra niaingana rehefa nandika ny Soratra Grika ho amin’ny teny maro hafa). Tsy misy an’ireo kosa ny soratra nataon’i Westcott sy Hort, satria tsy ahitana azy ireo ny sora-tanana maro, anisan’izany ny Sinaiticus.
4. Jodasy Iskariota, zanak’i Simona, ary apostoly ratsy laza satria namadika an’i Jesosy. Tsy voaresaka mivantana ao amin’ny Baiboly ny fianakaviany sy ny fiainany talohan’ny naha apostoly azy. Samy nantsoina hoe Iskariota izy sy ny rainy. (Lk 6:16; Jn 6:71) Maro no mihevitra fa avy any Keriota-hezrona, tanànan’i Joda, izy mianaka matoa nantsoina toy izany. Raha marina izany, dia i Jodasy irery no Jodianina tamin’ireo apostoly 12. Ny hafa rehetra mantsy Galilianina daholo.
Resahina voalohany i Jodasy rehefa mitanisa an’ireo apostoly ny Filazantsara, taoriana kelin’ny Paska taona 31, ary herintaona sy tapany taorian’ny nanombohan’i Jesosy ny fanompoany. (Mr 3:19; Lk 6:16) Tsy maintsy ho efa elaela i Jodasy no mpianatr’i Jesosy, ary avy eo vao nofidiny ho apostoly. Raha jerena ny asa soratra maro, dia hoatran’ny hoe tsy nanana afa-tsy toetra ratsy i Jodasy. Azo inoana anefa fa nisy fotoana izy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra sy Jesosy, ary izany no antony nahavoafidy azy ho apostoly. Izy koa no nampiandraiketina ny tahirim-bolan’i Jesosy sy ny 12 lahy. Hita amin’izany fa natokisana izy tamin’izay, ary tena nahay na nahita fianarana. Tsy i Matio mantsy no notendrena hiandraikitra izany, na dia efa zatra nikirakira vola sy nanao kajy aza. (Jn 12:6; Mt 10:3) Lasa ratsy toetra be anefa i Jodasy, ary tena tsy azo nalan-tsiny izy. Azo antoka fa izany no antony nanononana azy farany indrindra rehefa mitanisa an’ireo apostoly ny Baiboly, ary izany koa no nilazana azy hoe “ilay namadika an’i Jesosy tatỳ aoriana” sy “ilay nanjary mpamadika.”—Mt 10:4; Lk 6:16.
Mt 10:1, 4, 5) Taoriana kelin’ny niverenan’i Jodasy, dia nanameloka azy ampahibemaso i Kristy, na dia tsy nanonona ny anarany aza. Mbola tsy ampy herintaona akory no nanendrena azy ho apostoly tamin’izay. Fa inona no nitranga? Nisy mpianatra nandao an’i Jesosy, satria tafintohina noho ny fampianarany. Nilaza kosa i Petera fa tsy hiala amin’i Kristy izy 12 lahy. Hoy anefa i Jesosy: “Nifidy anareo roa ambin’ny folo lahy tokoa aho, nefa ny anankiray aminareo dia mpanendrikendrika [gr.: diabôlôs, midika hoe “devoly” na “mpanendrikendrika”].” Asehon’ilay fitantarana fa i Jodasy io efa lasa mpanendrikendrika io, ary izy no “hamadika azy, nefa dia anisan’ny roa ambin’ny folo lahy.”—Jn 6:66-71.
Lasa ratsy toetra. Nirahina hitory i Jodasy sy ny apostoly hafa, tamin’ny Paska taona 32 tany ho any. (Hoy i Jaona tamin’izay: ‘Hatrany am-piandohana dia efa fantatr’i Jesosy hoe iza ilay hamadika azy.’ (Jn 6:64) Efa fantany fa namany akaiky no hamadika azy, satria efa nilaza izany ny faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo. (Sl 41:9; 109:8; Jn 13:18, 19) Namantatra mialoha ny hoavy koa Andriamanitra ka efa hitany fa hisy amin’ireo naman’i Jesosy hivadika aminy. Tsy hoe efa voalahatr’Andriamanitra anefa hoe tsy maintsy i Jodasy no hamadika. Tsy mandahatra mialoha toy izany izy, raha ny toetrany sy izay efa fanaony talohan’izay no jerena. (Jereo FANTATRA MIALOHA, VOATENDRY MIALOHA.) Hitantsika teo kosa fa mbola tsy nivadika tamin’Andriamanitra sy Jesosy i Jodasy, tamin’izy voatendry ho apostoly. Inona àry no tian’i Jaona holazaina amin’ilay hoe ‘efa fantatr’i Jesosy hatrany am-piandohana’? Te hilaza izy hoe vao nanomboka niova i Jodasy dia efa hitan’i Jesosy izany. Tsikariny raha vao nanomboka nilefitra i Jodasy ka tsy niady tamin’ny fahalemeny sy ny ota tao anatiny. (Jn 2:24, 25; Ap 1:1; 2:23) Tsy maintsy ho fantatr’i Jodasy hoe izy ilay “mpanendrikendrika” nolazain’i Jesosy, nefa mbola niaraka tamin’i Jesosy sy ireo apostoly tsy nivadika ihany izy, ary toa tsy niova.
Tsy lazain’ny Baiboly amin’ny an-tsipiriany hoe inona no nahatonga an’i Jodasy hivadika. Manampy antsika hahalala izany anefa ny zava-nitranga tamin’ny 9 Nisana 33, izany hoe dimy andro talohan’ny nahafatesan’i Jesosy. Tao an-tranon’i Simona boka, tany Betania, i Maria anabavin’i Lazarosy, tamin’izay. Nanosotra menaka manitra nitentina 300 denaria (nitovitovy tamin’izay azon’ny mpikarama nandritra ny herintaona) an’i Jesosy i Maria. (Mt 20:2) Nanohitra mafy an’izany i Jodasy ka nilaza fa azo namidy ilay menaka ary “nomena ny mahantra” ny vidiny. Hoatran’ny mitombina tokoa izany, ary azo inoana fa nanaiky fotsiny an’izany ny apostoly hafa. Nanitsy azy ireo anefa i Jesosy. Ny tena nahatezitra an’i Jodasy dia satria izy no nitana ny boatim-bola ary ‘mpangalatra izy, ka nakany ny tao anatiny.’ Hita amin’izany fa tia vola loatra izy sady zatra nangalatra.—Jn 12:2-7; Mt 26:6-12; Mr 14:3-8.
Nizaka ny vokany. Nibedy an’ireo apostoly i Jesosy ary nanazava ny fomba tokony hampiasana ny vola. Azo antoka fa nanindrona an’i Jodasy ny teniny. Voalaza fa ‘niditra tao amin’i Jodasy i Satana’ tamin’izay. Inona no dikan’izany? Azo inoana fa nanaiky hanao ny sitrapon’ny Devoly ilay apostoly nivadika, ka lasa nampiasain’i Satana hanatanteraka ny fikasany hanakantsakana an’i Kristy. Nankany amin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly i Jodasy, andro vitsivitsy taorian’izay, tamin’ny 12 Nisana. Nanontany azy ireo izy hoe ohatrinona no omen’izy ireo azy mba hamadihany an’i Jesosy. Hita teo indray fa tia vola loatra izy. (Mt 26:14-16; Mr 14:10, 11; Lk 22:3-6; Jn 13:2) Niara-nivory tamin’ireo “anti-panahin’ny vahoaka”, na ireo olona to teny anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy, ny lehiben’ny mpisorona tamin’io andro io. (Mt 26:3) Nanam-pahefana ireo lehiben’ny mpiambina ny tempoly, ka izany no mety ho antony niantsoana azy ireo teo. Nilaina koa izy ireo mba ho ara-dalàna ny fisamborana an’i Jesosy nokasaina hatao.
Nahoana no farantsa volafotsy telopolo fotsiny no nomen’ireo mpitondra fivavahana jiosy mba hamadihan’i Jodasy an’i Jesosy?
Farantsa volafotsy 30 (raha sekely dia 66 dolara) no vola nomen’ireo mpitondra fivavahana. (Mt 26:14, 15) Tian’izy ireo haseho fa tsy nisy dikany taminy i Jesosy, ary tena tsinontsinona. Sekely 30 no vidin’ny mpanompo iray. (Ek 21:32) “Farantsa volafotsy telopolo” koa no karama nomena an’i Zakaria, satria natao tsinontsinona izy nefa izy no mpiandry ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy faly i Jehovah satria tena kely dia kely izany, sady ahitana hoe tena nanao tsinontsinona azy ilay vahoaka tsy ampy finoana. (Za 11:12, 13) Nihevitra an’i Jesosy ho tsinontsinona koa àry ireo mpitondra fivavahana nanolotra farantsa volafotsy 30. Nanatanteraka ny Zakaria 11:12 koa izy ireo, satria nanao tsinontsinona an’i Jehovah rehefa nanao toy izany tamin’ilay solontena nirahiny hiandry ny Israely. “Nanaiky” an’ilay vola i Jodasy, izay efa lasa ratsy toetra, “ka nitady izay fotoana mety tsara hamadihany an’i Jesosy ka hanolorany azy tamin’ ireo, amin’ny fotoana tsy misy olona.”—Lk 22:6.
Alina farany niarahany tamin’i Jesosy. Efa nivadika tamin’i Kristy tany am-pony i Jodasy nefa mbola niaraka taminy ihany. Niara-nivory tamin’i Jesosy sy ny apostoly izy tamin’ny 14 Nisana 33 mba hankalaza ny Paska. Nanompo an’ireo apostoly i Jesosy nandritra ny sakafon’ny Paska, ka nanetry tena ary nanasa ny tongotr’izy ireo. Nanaiky hosasany i Jodasy. Tena mpihatsaravelatsihy mihitsy izy! Hoy anefa i Jesosy: “Tsy ianareo rehetra no madio.” (Jn 13:2-5, 11) Nilaza koa izy fa hisy hamadika azy ny apostoly niara-nihinana taminy teo an-databatra. Mody nanontany i Jodasy hoe: “Izaho ve izany?” Amin’izay angamba tsy hita hoe izy ilay izy. Notoloran’i Jesosy sombi-mofo i Jodasy mba hahafantaran’ny hafa hoe izy ilay hamadika azy. Hoy i Jesosy taminy: “Ataovy haingana izay ataonao.”—Mt 26:21-25; Mr 14:18-21; Lk 22:21-23; Jn 13:21-30.
Niala teo avy hatrany i Jodasy. Lasa izy talohan’ny nanombohan’i Jesosy nankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo voalohany. Ny fampitahana ny Matio 26:20-29 sy ny Jaona 13:21-30 no ahalalantsika izany. Azo inoana àry fa tsy araka ny filaharan’ny zava-niseho ny fitantaran’i Lioka. Tsy maintsy ho efa lasa mantsy i Jodasy vao nidera an’ireo apostoliny i Kristy noho izy ireo nifikitra taminy. Tsy mendrika izany teny fiderana izany i Jodasy sady azo antoka fa tsy anisan’ireo nanaovana an’ilay ‘fifanekena ho amin’ny fanjakana.’—Lioka 22:19-30.
Hitan’i Jodasy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane i Jesosy sy ireo apostoly tsy nivadika, taorian’izay. Fantany tsara io toerana io, satria efa nankao izy ireo taloha. Nisy vahoaka be niaraka taminy, ka anisan’izany ny miaramila romanina sy ny mpitari-tafika iray. Nitondra kibay sy sabatra ilay vahoaka, ary koa fanilo sy jiro ilaina raha takon-drahona ny volana fenomanana na raha tao amin’ny maizimaizina i Jesosy. Azo inoana fa tsy fantatry ny Romanina i Jesosy, ka nisy famantarana efa nifanarahan’izy ireo tamin’i Jodasy, mba hahalalany azy. Niarahaba an’i Kristy àry i Jodasy sady “nanoroka azy” hoatran’ireny tena tia azy ireny. Tena nihatsaravelatsihy izy! (Mt 26:47-49; Jn 18:2-12) Tatỳ aoriana vao tsapany ny halehiben’ny helony. Naveriny tany amin’ny lehiben’ny mpisorona ireo farantsa volafotsy 30, ny ampitso maraina, nefa tsy nety nandray ireo. Natsipin’i Jodasy tao amin’ny tempoly àry ilay vola.—Mt 27:1-5.
Ny nahafatesany. Nananton-tena i Jodasy, hoy ny Matio 27:5, fa ny Asan’ny Apostoly 1:18 kosa milaza hoe: ‘Nianjera izy ka ny lohany no lasa aloha. Ary vaky ny tao anatiny ka nipoaka, dia nipotsaka daholo ny tsinainy.’ Toa ny fomba namonoan’i Jodasy ny tenany no nolazain’i Matio, fa ny Asan’ny Apostoly kosa nanazava ny vokany. Raha aravona ireo fitantarana ireo, dia toa nananton-tena teny amin’ny hantsana i Jodasy ary tapaka ny tady na sampan-kazo nihantonany, ka latsaka izy. Notsenain’ny vato tany ambany izy ary niparitaka ny tao anatiny. Mety ho marina izany raha jerena ny paozipaozin’ny tany nanodidina an’i Jerosalema.
Nividianana saha fandevenana ireo farantsa volafotsy 30, taorian’ny nahafatesan’i Jodasy. Iza no nividy izany? Milaza mantsy ny Matio 27:6, 7 fa nividianan’ireo lehiben’ny mpisorona saha ilay vola, satria nihevitra izy ireo fa tsy azo narotsaka tao amin’ny toerana masina fitehirizan-karena ilay izy. Hoy kosa ny Asan’ny Apostoly 1:18, 19 momba an’i Jodasy: “Nividy saha tamin’ny vola azony tamin’ny tsy fahamarinana izy.” Inona no marina? Angamba ireo mpisorona no nividy an’ilay saha, saingy azo lazaina hoe i Jodasy no nividy azy satria avy tany aminy ilay vola. Hoy i A. Edersheim: “Tsy azo natao tao amin’ny fitehirizan-karenan’ny Tempoly, mba hividianana zavatra masina, ny vola azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Nasain’ny Lalàna jiosy naverina tany amin’ny tompony ilay izy, ary raha nisisika ny hanome izany izy, dia nampirisihina hampiasa izany hanasoavana ny vahoaka. ... Raha araka ilay lalàna àry, dia mbola noheverina ho volan’i Jodasy ilay izy ary izy no nividy an’ilay antsoin’ny maro hoe ‘sahan’ny mpanefy tanimanga.’” (Ny Andron’i Jesosy Ilay Mesia sy ny Fiainany, 1906, Boky II, p. 575) Nanatanteraka an’ilay faminanian’ny Zakaria 11:13 ny nividianana an’io saha io.
Nanao fanahy iniana i Jodasy rehefa namadika an’i Jesosy. Tena ratsy toetra, sy tia vola loatra, ary nihatsaravelatsihy sy be tetika koa izy. Nanenina sy nanamelo-tena izy tatỳ aoriana, ary toy izany no mety ho tsapan’izay ninia namono olona. An-tsitrapo anefa no nifidianan’i Jodasy hifampiraharaha tamin’ny mpanora-dalàna sy Fariseo, izay efa nolazain’i Jesosy hoe nampiova finoana olona sady nanao an’ireny olona ireny ho mendrika ny Gehena avo roa heny noho izy ireo. Nifampiraharaha tamin’ireo mendrika “ny fanamelohana ho any amin’ny Gehena” i Jodasy. (Mt 23:15, 33) Tamin’ilay alina farany niainany teto an-tany, dia hoy i Jesosy momba an’i Jodasy: “Tsara kokoa ho an’izany olona izany raha tsy teraka akory.” Niantso azy hoe “ilay zanaky ny fandringanana” i Kristy, tatỳ aoriana.—Mr 14:21; Jn 17:12; He 10:26-29.
Salamo 109:8 i Petera, taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra ary talohan’ny Pentekosta taona 33. Nohazavainy tamin’ireo mpianatra 120 teo ho eo tafavory tamin’izay, fa toa mety ny hifidianana solon’i Jodasy. Nisy rahalahy roa natolotra, ary natao ny antsapaka ka i Matia no voafidy “hanao izao fanompoana izao sy ho apostoly hisolo an’i Jodasy, izay niala mba hankany amin’ny toerany.”—As 1:15, 16, 20-26.
Nosoloana izy. Nanazava an’ilay faminaniana ao amin’ny5. Iray tamin’izy efa-dahy rahalahin’i Jesosy hafa ray. (Mt 13:55; Mr 6:3) Azo inoana fa niaraka tamin’izy telo lahy rahalahiny sy Maria reniny tany Kana i Jodasy, tamin’i Jesosy nanao fahagagana, teo am-piandohan’ny fanompoany. Niaraka tamin’i Jesosy sy ny mpianany nankany Kapernaomy sy nijanona kely tany izy taorian’izay. (Jn 2:1-12) Toa nanaraka an’i Maria sy ny rahalahiny koa izy, herintaona mahery tatỳ aoriana, rehefa nitady an’i Jesosy izy ireo. (Mt 12:46) Na izany aza, dia voalaza fa mbola “tsy nino azy” ny rahalahiny, anisan’izany i Jodasy, tamin’ny taona 32. (Jn 7:5) Taloha kelin’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nasainy nokarakarain’ny apostoly Jaona ny reniny, izay nino azy. Porofo lehibe izany fa mbola tsy mpianany i Jodasy na ny rahalahiny, tamin’izay. (Jn 19:26, 27) Ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty angamba no naharesy lahatra an’i Jodasy. Nivory sy naharitra nivavaka niaraka tamin’ny apostoly sy ny mpianatra hafa mantsy izy, taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra ary talohan’ny Pentekosta taona 33. (As 1:13-15) Tsy maintsy ho anisan’ireo mpino voalohany nahazo fanahy masina àry i Jodasy. Azo inoana fa izy ihany ilay Joda nanoratra ny bokin’i Joda, tamin’ny taona 65 tany ho any.—Jereo JODA.
6. Lehilahy iray avy any Damaskosy ary nanan-trano teo amin’ilay lalana atao hoe Imahitsy. Nipetraka tao amin’i Jodasy i Saoly (Paoly) raha vao niova ho Kristianina, ary jamba izy tamin’izay. Nirahina tany an-tranon’i Jodasy àry i Ananiasy mba hametra-tanana tamin’i Saoly. (As 9:11, 17) Tsy lazain’ny Baiboly na mpianatr’i Kristy i Jodasy tamin’izay, na tsia. Mety ho tsy mpino izy, matoa nanaiky hampiantrano an’i Saoly nefa i Ananiasy sy ny Kristianina hafa natahotra hanatona an’i Saoly. Mbola nalaza ho mpanenjika mantsy izy tamin’izay.—As 9:13, 14, 26.
7. Jodasy izay atao hoe Barsabasy. Anisan’ireo mpianatra roa lahy niangavian’ny filan-kevi-pitantanana tany Jerosalema, mba hiaraka tamin’i Paoly sy Barnabasy izy. Nirahina hitondra ny taratasy momba ny famorana mantsy i Paoly sy Barnabasy, ary nosoratana ho an’ireo ‘rahalahy tany Antiokia sy Syria ary Kilikia’ izy io (t. 49 A.K.). Voalaza fa “nitana andraikitra lehibe teo anivon’ny rahalahy” i Jodasy sy Silasy namany (As 15:22), ary tonga hatreo Antiokia izy roa lahy, fa tsy misy filazana hoe nandeha lavitra kokoa. Nasaina nanamafy am-bava an’izay voasoratra tao amin’ilay taratasy izy ireo. “Mpaminany” i Jodasy, ary mpandahateny mpitsidika tamin’izay, ka nampahery an’ireo rahalahy tany Antiokia tamin’ny lahateny maro, sady nanatanjaka azy ireo.—As 15:22, 23, 27, 30-32.
Milaza ny Asan’ny Apostoly 15:33 fa niverina tany Jerosalema i Jodasy sy Silasy, rehefa avy “nijanona kelikely” niaraka tamin’ireo Kristianina tao Antiokia. Misy andininy faha-34 ny sora-tanana sasany (toy ny Kôdeksa Ephraemi sy Kôdeksa Bezae), ka mitovitovy amin’izao no voalaza ao: “Mbola nankasitraka ny hijanona anefa i Silasy, ka dia Joda [Jodasy] irery no niverina tany Jerosalema.” Tsy ahitana an’io andininy io ny sora-tanana azo antoka sy tranainy kokoa (Sinaiticus, Alexandrinus, st Vaticanus No. 1209). Angamba izy io fanamarihana teny an-tsisim-pejy, ary natao hanazavana ny andininy faha-40, saingy tafiditra tao anatin’ilay fitantarana, tatỳ aoriana.
Misy mpivaofy teny milaza fa rahalahin’i “Josefa atao hoe Barsabasy” (mpianatr’i Kristy saika nasolo an’i Jodasy Iskariota), ity Jodasy atao hoe Barsabasy ity. (As 1:23) Tsy misy porofo manamarina izany anefa fa mety hoe nitovy anarana fotsiny izy ireo. Resahina farany ao amin’ny Baiboly i Jodasy tamin’izy niverina tany Jerosalema.