Jodia
(Jodìa) [avy amin’ny teny heb., An’i Joda].
Faritra tany Palestina, saingy tsy tena fantatra ny sisin-taniny. Toa 80 km teo ho eo ny avy tany atsinanana nankany andrefana, ary 50 km teo ho eo ny avy tany avaratra nankany atsimo. I Samaria no teo avaratra ary i Idomea no teo atsimo. Ny Ranomasina Maty sy ny Lohasahan’i Jordana no namefy azy, avy tany atsinanana. Rehefa lasa anisan’i Jodia i Idomea, dia toa i Gaza no farany andrefana ary i Masada no farany atsinanana tamin’ny sisin-tany tany atsimo.
Milaza ny Matio 19:1 fa rehefa niala tao Galilia i Jesosy dia nankany amin’ny “sisin-tanin’i Jodia rehefa avy niampita ny Reniranon’i Jordana.” Mety hidika izany fa niampita an’i Jordana izy rehefa niala tany Galilia, ka avy tany Pere ny lalany niditra tao Jodia.
I Heroda Lehibe no “mpanjakan’i Jodia” tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jaona Mpanao Batisa sy Jesosy. (Lk 1:5) Tany am-boalohany, dia ny Antenimieran-doholona Romanina no nanendry azy ho mpanjakan’i Jodia. Nihanitombo anefa ny faritra nofeheziny, ka tamin’ny fotoana nahafatesany dia efa nofeheziny avokoa i Jodia, Galilia, Samaria, Idomea, Pere ary ny faritra hafa. Ny fitondrana an’i Jodia sy Samaria ary Idomea no nolovan’i Arkelaosy zanak’i Heroda Lehibe. (Ampit. Mt 2:22, 23.) Rehefa nosazin’ny Romanina izy ka natao sesitany, dia governora romanina no lasa nitondra an’i Jodia, ka tany Kaisaria izy ireny no nipetraka. Governora foana no nitondra an’i Jodia mandra-pahatongan’ny fotoana nikomian’ny Jiosy tamin’ny taona 66. Maningana ihany anefa ny nitondran’i Heroda Agripa I nandritra ny fotoana kelikely nanerana an’i Palestina.—As 12:1.
Tanteraka ny faminaniana momba ny Mesia nampanantenaina, tamin’ny faran’ny taonjato voalohany T.K., rehefa teraka tao Betlehema tany Jodia i Jesosy. (Mt 2:3-6; Lk 2:10, 11) Taorian’ny fitsidihan’ireo mpanandro tatsinanana, dia nampitandreman’ny anjely tao amin’ny nofy i Josefa ray nitaiza an’i Jesosy hoe nikasa hamono an’ilay zaza i Heroda Lehibe. Nentin’i Josefa nandositra nankany Ejipta àry ny fianakaviany. Rehefa maty i Heroda, dia tsy niverina tany Jodia i Josefa fa nonina tany Nazareta, tany Galilia. I Arkelaosy zanak’i Heroda mantsy no lasa mpitondra an’i Jodia, ary Andriamanitra rahateo efa nampitandrina an’i Josefa tao amin’ny nofy.—Mt 2:7-23.
I Pontio Pilato no governora romanina nitondra an’i Jodia, rehefa nanomana ny hahatongavan’ny Mesia i Jaona Mpanao Batisa, tamin’ny lohataonan’ny taona 29. Maro ny olona nandre ny fitorian’i Jaona tany amin’ny Tany Efitr’i Jodia, ka natao batisa ho porofo fa nibebaka izy ireo. Nisy Jodianina tamin’izy ireny. (Mt 3:1-6; Lk 3:1-16) Tsy ampy valo volana tatỳ aoriana, dia afaka nanararaotra niverina tamin’i Jehovah tamin’ny fony manontolo indray ny mponina tany Jodia, rehefa nanomboka ny fanompoany i Jesosy. Nisy fotoana aza maro kokoa noho ny olona nataon’i Jaona batisa ny nataon’ny mpianatr’i Jesosy batisa. (Jn 3:22; 4:1-3) Rehefa niala tany Jodia i Jesosy fa ho any Galilia, dia maro be ny olona avy tany Jerosalema sy Jodia nanaraka azy ka nandray soa tamin’ny fanompoana nataony tany. (Mt 4:25; Mr 3:7; Lk 6:17) Azo antoka fa Jodianina maro no nanahaka an’ireo Galilianina. Lasa nahaliana azy ireo koa mantsy ny hafatra notorin’i Jesosy, rehefa nahita ny zavatra nataony tany Jerosalema izy ireo tamin’ny andro fety (Paska taona 30). (Jn 4:45) Niely nanerana an’i Jodia koa ny vaovao momba ny fahagagana nataony tany Galilia, anisan’izany ny nananganany tamin’ny maty ny zanaka lahitokan’ny mpitondratena iray tany Naina.—Lk 7:11-17.
Nanohitra mafy an’i Jesosy anefa ny mpitondra fivavahana tany Jodia. Toa nahataona Jodianina maro kokoa noho ny Galilianina izy ireo. Nanomboka tamin’ny Paska taona 31, dia efa notandindomin-doza foana i Jesosy isaky ny tany Jodia. (Jn 5:1, 16-18; 7:1) Na izany aza anefa, dia nanatrika fety tany Jerosalema ihany izy, ary nanararaotra nitory. (Jn 7:10-13, 25, 26, 32; 10:22-39) Toa tany Jodia i Jesosy no naniraka an’ireo 70 lahy hitory, taorian’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo tamin’ny taona 32. (Lk 10:1-24) Tatỳ aoriana, dia nanapa-kevitra ny ho any Jodia ihany i Jesosy na dia efa nisy nikasa hitora-bato azy aza talohan’izay. Reny mantsy hoe maty i Lazarosy namany. Nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty izy tany Betania, ka vao mainka nitady hamono azy ny mpitondra fivavahana. Hoy ny sasany tamin’izy ireo: “Raha avelantsika amin’izao izy, dia hino azy daholo ny rehetra, ary ho avy ny Romanina ka haka ny tempolintsika sy ny firenentsika.”—Jn 11:5-8, 45-53.
Ny fanompoan’i Jesosy tany Galilia no tena resahin’ireo Filazantsara telo voalohany (satria toa nandray kokoa ny olona tany). Tsy midika anefa izany hoe nataony an-kilabao i Jodia. Raha tsy izany mantsy, dia tsy ho afaka niteny tamin’i Pilato ny fahavalony hoe: “Mampirisika vahoaka hikomy izy rehefa nampianatra eran’i Jodia, nanomboka hatrany Galilia ka hatratỳ.”—Lk 23:5.
Vao mainka niroborobo ny fitoriana tao Jerosalema sy Jodia, taorian’ny nahafatesan’i Kristy Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty. (As 1:8) Tamin’ny Pentekosta taona 33, dia azo antoka fa nisy Jodianina tamin’ireo 3000 nandray tsara ny fitorian’i Petera sy natao batisa. Tsy nitsaha-nitombo ny fiangonana kristianina tao Jerosalema taorian’izay. (As 2) Mbola nisy foana anefa ny fanoherana. (As 4:5-7, 15-17; 5:17, 18, 40; 6:8-12) Nahery vaika ny fanenjehana ny Kristianina taorian’ny nitoraham-bato an’i Stefana, ka “niparitaka nanerana ny faritr’i Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny apostoly ihany.” (As 8:1) Vao mainka anefa niely ny hafatra notorin’ny Kristianina, rehefa niparitaka izy ireo. Azo inoana fa izay no nampisy fiangonana vaovao tany Jodia sy tany an-toeran-kafa. (As 8:4; Ga 1:22) Rehefa lasa Kristianina ilay mpanenjika atao hoe Saoly avy any Tarsosy, dia “nandry feizay ny fiangonana eran’i Jodia sy Galilia ary Samaria. Koa nihanatanjaka ny fiangonana, sady nandeha tamin’ny fahatahorana an’i Jehovah sy ny fampiononan’ny fanahy masina, ka tsy nitsaha-nitombo.” (As 9:31) Nitory tao Jerosalema sy tao Jodia mihitsy aza ny apostoly Paoly, ilay mpanenjika taloha. (As 26:20) Lasa nisy fiangonana vaovao maro àry noho ny ezaka nataon’i Paoly sy ny hafa, ka ny apostoly sy ny anti-panahy teo anivon’ny fiangonana tao Jerosalema no filan-kevi-pitantanan’ireny fiangonana rehetra ireny.—As 15:1-33; Ro 15:30-32.
Toa maro ny Kristianina jiosy nahantra tany Jodia. Tena nahasoa sy nampahery azy ireo àry ny fanomezana vonjy rano vaky avy tamin’ireo rahalahiny kristianina tany an-toeran-kafa. (As 11:28-30; Ro 15:25-27; 1Ko 16:1-3; 2Ko 9:5, 7) Tsy nivadika mihitsy ireo Jiosy lasa Kristianina tany Jodia, na dia nijaly noho ny fanenjehan’ireo mpiray tanindrazana taminy aza. (1Te 2:14) Rehefa niala tao Jerosalema ny tafika romanina notarihin’i Cestius Gallus tamin’ny taona 66, dia nankatò ny teny efa nolazain’i Jesosy ny Kristianina tany Jerosalema sy Jodia, ka nandositra tany an-tendrombohitra. Nieren-doza àry izy ireo tamin’ilay fandravana nahatsiravina nanjo an’i Jerosalema tamin’ny taona 70.—Mt 24:15, 16; Mr 13:14; Lk 21:20, 21.