Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Joela, Bokin’i

Joela, Bokin’i

Boky anisan’ny Soratra Hebreo nosoratan’i “Joela, zanak’i Petoela.” (Jl 1:1) Tsy fantatra loatra ny mombamomba an’ilay mpaminany. Mety ho tany Joda izy no naminany ary tao Jerosalema no nipetraka, matoa izy niresaka momba an’i Joda sy Jerosalema ary ny tranon’i Jehovah. (1:9, 14; 2:17, 32; 3:1, 2, 16-20) Niresaka momba ny “lemaka ivan’i Josafata” koa izy. (3:2, 12) Taorian’ilay fandresena niezinezina nomen’i Jehovah an’i Josafata Mpanjaka àry izy no nanoratra ny bokiny, saingy tsy fantatra marina hoe oviana.

Fotoana nanoratana azy. Teo anelanelan’ny 800 T.K. tany ho any (na talohan’izay) sy 400 T.K. tany ho any no heverin’ireo manam-pahaizana fa nanoratana an’ilay boky. Nahoana? Hoy Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (nataon’i James Orr, 1960, Boky III, p. 1690): “Izay tsy noresahin’ilay mpaminany [ohatra hoe ny momba ny Kaldeanina, Asyrianina, mpanjaka jodianina, ary fanjakan’ny foko folo] no ankamaroan’ny porofo omen’izy ireo. Tsy mitombina anefa raha izay tsy noresahiny no atao porofo.” Tsy tena hay koa raha namerina ny tenin’ny mpaminany hafa i Joela, na izy ireo no naka teny tao amin’ny bokiny. Taorian’ny sesitany tany Babylona i Joela (2:32) no nanoratra ny bokiny, raha ny tenin’i Obadia (17) no naveriny. Mety ho i Obadia anefa no naka teny tao amin’ilay boky, na koa i Amosa, izay mpaminany velona ela be talohan’i Obadia. (Ampitahao Jl 3:16 sy Am 1:2.) Tamin’ny andron’i Ozia (Am 1:1) àry, izany hoe mety ho tamin’ny 820 T.K. tany ho any, fara fahatarany, i Joela no nanoratra ny bokiny. Tsy tena azo antoka izany, nefa toa manamarina izany ny nametrahana ny bokin’i Joela eo anelanelan’ny bokin’i Hosea sy Amosa, ao amin’ny Soratra Hebreo.

Anisan’ny Soratra Masina. Neken’ny Jiosy ho anisan’ny Baiboly ny bokin’i Joela, ka nataony faharoa amin’ireo boky 12 farany ao amin’ny Soratra Hebreo. Mifanaraka tsara amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly koa izy io. (Ampitahao Jl 2:2 sy Ze 1:14, 15; Jl 2:4, 5, 10 sy Ap 9:2, 7-9; Jl 2:11 sy Ml 4:5; Jl 2:12 sy Je 4:1; Jl 2:13 sy Ek 34:6, No 14:18, Sl 86:15, ary 106:45; Jl 2:31 sy Is 13:9, 10, Mt 24:29, 30 ary Ap 6:12-17.) Maro koa ny faminanian’i Joela tanteraka. Niharan’ny didim-pitsaran’i Jehovah tokoa, ohatra, i Tyro sy Filistia ary Edoma. (Jl 3:4, 19; jereo ny tsipiriany momba izany ao amin’ny EDOMA, EDOMITA; FILISTIA, FILISTININA;  ; TYRO.) Tanteraka koa ny faminanian’i Joela, hoy ny apostoly Petera, rehefa nilatsaka tamin’ny mpianatr’i Jesosy Kristy ny fanahin’Andriamanitra tamin’ny Pentekosta taona 33. (Jl 2:28-32; As 2:17-21) Nampiharin’i Paoly tamin’ireo Jiosy sy tsy Jiosy niantso ny anaran’i Jehovah sy nino Azy koa ny Joela 2:32.​—Ro 10:12, 13.

[Tabilao, pejy 83]

HEVITRA MISONGADINA: JOELA

Faminaniana manasongadina ny famalian’i Jehovah sy ny famindram-pony

Nosoratana tamin’ny 820 T.K. tany ho any, sivy taona taorian’ny nanombohan’i Ozia nanjaka, ary 100 taona teo ho eo taorian’ny nandresen’i Jehovah an’i Moaba sy Amona ary ny mponin’i Seira tamin’ny andron’i Josafata

Hotafihin’ny valala ilay tany ka ho lao; akaiky ny andron’i Jehovah (1:1–2:11)

Hiresaka momba an’ilay loza ny taranaka mifandimby

Tsy hisy zavamaniry intsony ao amin’ilay tany, ka hitsahatra ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ao an-tranon’i Jehovah

Nasaina nitomany sy niantso vonjy tamin’i Jehovah ny mpisorona

Ho avy ny andron’i Jehovah ary handravarava ny “tafiny”

Nasaina niverina tamin’i Jehovah ny Israely; handatsaka ny fanahiny Izy (2:12-32)

Nasaina ‘niverina’ tamin’i Jehovah ny mponin’i Ziona; hataony mamokatra indray ny tanin’izy ireo ary harovany amin’ilay “tavaratra” izy ireo

Handatsaka ny fanahiny amin’ny vahoakany i Jehovah, ary hanisy fambara eny amin’ny lanitra sy ny tany alohan’ilay ‘androny lehibe sady mampahatahotra’

Ho afa-mandositra izay miantso ny anaran’i Jehovah amin’izay

Hotsaraina eo amin’ny “lemaka ivan’i Josafata” ireo firenena (3:1-21)

Hotsaraina ireo firenena mampijaly ny vahoakan’Andriamanitra

Asaina hiomana hiady amin’i Jehovah sy hidina eo amin’ny lemaka ivan’i Josafata izy ireo; ho potipotika toy ny voaloboka anaty famiazam-boaloboka izy ireo eo

Ho fialofan’ny olony i Jehovah amin’izay

Ho lasa tany efitra i Ejipta sy Edoma, fa i Joda kosa honenana sy hahavokatra be; hitoetra ao Ziona i Jehovah