Johanana
(Johanàna) [“I Jehovah dia Niantra; I Jehovah dia Tsara Fanahy”].
Misy fomba roa azo anoratana azy io amin’ny teny hebreo: Yehôh·hanan sy Yôh·hanan. Avy amin’io anarana hebreo io ny hoe Jaona.
1. Benjamita mpiady mahery sy mahay, izay sady kavia no kavanana, ary anisan’ireo nankany amin’i Davida tao Ziklaga.—1Ta 12:1-4.
2. Manamboninahitra gadita anisan’ireo mpiady 11 tena niavaka izay niandany tamin’i Davida tany an-tany efitra.—1Ta 12:8, 12-15.
3. Korahita mpiandry vavahady tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka. Izy no fahenina tamin’ny zanak’i Meselemia.—1Ta 26:1-3.
4. Lehiben’ny tafik’i Josafata mpanjakan’ny Joda. Nifehy miaramila 280 000 izy. (2Ta 17:12, 14-16) Mety ho izy ihany ilay No. 3.
5. Rain’i Ismaela, izay niaraka tamin’i Joiada sy ny lehibe hafa, mba hanongana an’i Atalia ka hametraka an’i Joasy ho mpanjakan’ny Joda. (2Ta 23:1-3) Mety ho izy ihany ilay No. 2.
6. Mpisoronabe. Azo inoana fa i Azaria zanany no mpisoronabe, tamin’i Ozia Mpanjaka lasa sahisahy ratsy.—1Ta 6:9, 10; 2Ta 26:19, 20.
7. Efraimita, ary rain’i Azaria izay lohany tao amin’ilay foko (t. 760 T.K.), fony nanjaka tany Joda i Ahaza ary nanjaka tany Israely i Peka.—2Ta 28:1, 6, 12.
8. Lahimatoan’i Josia Mpanjaka. (1Ta 3:15) Maty talohan-drainy izy, matoa tsy voaresaka mihitsy hoe lasa mpanjakan’ny Joda toa an’ireo zandriny telo lahy.—2Mp 23:30, 34; 24:17; Je 22:11; jereo JOSIA No. 1.
9. Zanakalahin’i Karea ary anisan’ny lehiben’ny tafika nijanona tao Joda, rehefa natao sesitany tany Babylona ny Jiosy (607 T.K.). Tonga dia nanohana an’i Gedalia voatendry ho governora izy. Reny ny tetik’i Ismaela hamono azy io, ka nangataka alalana hamono an’i Ismaela mangingina izy. Tsy nety anefa i Gedalia. (Je 40:7, 8, 13-16) Novonoin’i Ismaela izy io ka namaly faty i Johanana sy ny tafika, ary nanafaka an’ireo nobaboin’i Ismaela, izay nitsoaka tany amin’ny Amonita. (Je 41:11-16) Natahotra ny hosazin’ny Babylonianina ry Johanana, ka nanontany an’i Jeremia mpaminany momba izay tokony hataony. Nanoro hevitra azy mba hijanona tao amin’ilay tany i Jehovah, nefa tsy nety izy ireo fa nitsoaka tany Ejipta ary nentiny koa i Jeremia.—Je 42:1–43:7; 2Mp 25:23-26.
10. Zanakalahin’i Hakatana ary lohan’izy 110 lahy anisan’ny fianakaviamben’i Azgada, izay niara-niverina taminy sy Ezra tany Jerosalema (468 T.K.).—Ezr 8:1, 12.
11. Lohan’ny fianakaviamben’i Amaria mpisorona, tamin’ny andron’i Joiakima mpandimby an’i Jesoa Mpisoronabe.—Ne 12:10, 12, 13.
12. Zanakalahin’i Eliasiba nanana efitra fisakafoana tao an-tempoly. Nankao amin’ilay efitra i Ezra, rehefa nalahelo noho ny fivadihan’ny vahoaka.—Ezr 10:6.
13. Iray tamin’izy efa-dahy zanak’i Bebay. Nandroaka ny vadiny hafa firenena sy ny zanany izy ireo, tamin’ny andron’i Ezra.—Ezr 10:28, 44.
14. Zanakalahin’i Tobia Amonita fahavalon’i Nehemia. Israelita ny vadiny.—Ne 6:17-19.
15. Zafikelin’i Eliasiba, izay mpisoronabe tamin’ny andron’i Nehemia. Fahadisoan’ny mpanao dika soratra angamba ilay hoe Jonatana ao Nehemia 12:11, satria mitovy be ny hoe “Johanana” sy “Jonatana” amin’ny teny hebreo. Ahitana hoe Johanana ny Nehemia 12:22, 23, sy ny taratasy iray miaraka amin’ny Horonana Papyrus tao Éléphantine. Milaza ilay taratasy fa mpisoronabe izy.—Rakitry ny Ela Jiosy, nataon’i F. Josèphe, XI, 297 (vii, 1).
amin’ny16. Zanakalahin’i Elioenay. Ao amin’ny lisitry ny taranak’i Davida ny anaran’i Johanana ary ny an’i Zerobabela sy ny taranany.—1Ta 3:1, 10, 19, 24.
17. Mpisorona tao an-tempoly, rehefa notokanana ny mandan’i Jerosalema voaorina indray.—Ne 12:40-42.