Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Joiada

Joiada

(Jôiàda) [I Jehovah Anie Hahalala].

1. Rain’i Benaia, izay antsoina matetika hoe “Benaia zanak’i Joiada.” Anisan’ny lehilahy maherin’i Davida i Benaia, sady lehiben’ny tafik’i Solomona. (2Sa 23:8, 20, 22, 23; 1Mp 2:35) Mpisorona kosa i Joiada ary nantsoina hoe “lehiben’ny mpisorona” sy “mpitarika ny taranak’i Arona.” Anisan’ny niandany tamin’i Davida izy rehefa lasa mpanjakan’ny Israely rehetra tao Hebrona izy io.​—1Ta 27:5; 12:27, 38.

2. Mpanolo-tsain’i Davida Mpanjaka sady toa zafikelin’ilay No. 1.​—1Ta 27:33, 34.

3. Mpisoronabe tamin’ny andron’i Jorama, Ahazia, Atalia, ary Joasy. Nanambady an’i Joseba, na koa Josebata, zanakavavin’i Jorama Mpanjaka i Joiada (hany mpisoronabe voalaza fa nanambady fianakavian’ny mpanjaka). Ilay izy nanongana an’i Atalia sy nanandratra ny fivavahana marina tao Joda no tena nahalalana azy. Namono an’ireo zanak’i Ahazia Mpanjaka rehetra mantsy i Atalia ka nanao ny tenany ho mpanjaka, rehefa nisy namono io zanany io. Nalain’i Joseba (anabavin’i Ahazia nefa mety hoe tsy zanak’i Atalia) anefa i Joasy kely zanak’i Ahazia, ary nafeniny enin-taona. Tamin’ny taona fahafito i Joiada no nangataka ny fanampian’ny Levita sy ny lehiben’ny Karianina mpiaro ny mpanjaka, ary ny mpihazakazaka sy ny lohan’ny fianakaviambe tany Israely. Nanaiky izy ireo, ka naseho vahoaka i Joasy, ary nambara fa mpanjaka. Nasain’i Joiada nentina tany ivelan’ny tempoly i Atalia avy eo, ary novonoina.​—2Mp 11:1-16; 2Ta 22:10–23:15.

Nampandroso avy hatrany ny fivavahana marina i Joiada. Nohavaoziny ny fifanekena nataon’ny Israely hoe tsy hivadika amin’i Jehovah, ka noravan’ny vahoaka ny tranon’i Bala, narodana ny alitarany sy ny sariny, ary novonoina ny mpisorony. Naverin’i Joiada indray ny asa rehetra tao amin’ny tempoly. Tena nisy heriny tsara tamin’i Joasy izy. Namboarin’izy sy Joasy ny simba tamin’ny tempoly, ary nampanao fitaovana samihafa ho an’ny tranon’i Jehovah izy ireo. Maty i Joiada rehefa 130 taona. “Nanao soa teo amin’ny Israely sy tamin’Andriamanitra ary tamin’ny tranon’Andriamanitra” izy, ka niara-nalevina tamin’ny mpanjaka. Voninahitra lehibe tokoa izany! Indrisy fa nihaino an’ireo andrianan’ny Joda i Joasy ka niala tamin’i Jehovah, rehefa maty ilay nandrisika azy hanao ny tsara. Nasainy novonoina mihitsy aza i Zakaria zanak’i Joiada, satria niteny mafy an’ireo nivadika.​—2Mp 11:17–12:16; 2Ta 23:16–24:22.

4. Mpisorona nosoloana an’i Zefania zanak’i Mahaseia, tamin’ny andron’i Jeremia.​—Je 29:24-27.

5. Zanakalahin’i Pasea. Anisan’ny nanamboatra ny Vavahadin’ilay Tanàna Taloha izy, rehefa naorin’i Nehemia indray ny mandan’i Jerosalema.​—Ne 3:6.

6. Zafiafin’i Jesoa sy rain’i Johanana (Jonatana), tao amin’ny tetirazan’ny mpisoronabe taorian’ny sesitany. (Ne 12:10, 11, 22) Nolotoin’ny iray tamin’ny zanak’i Joiada ny tenany sy ny asa fisoronana, satria nalainy ho vady ny zanakavavin’i Sanbala Horonita. Noroahin’i Nehemia àry izy.​—Ne 13:28, 29.