Joiakima
(Joiakìma) [mety hidika hoe “I Jehovah dia Manangana”].
1. Anisan’ny mpanjaka faramparany tao Joda, ary zanakalahin’i Josia tamin’i Zebida. Eliakima no anarany taloha. (2Mp 23:34, 36; 1Ta 3:15) Be dia be ny tsy rariny sy fampahoriana ary vonoan’olona, nandritra ny 11 taona teo ho eo nanjakan’i Joiakima (628-618 T.K.). (2Ta 36:5; Je 22:17; 52:2) Matetika koa no notafihin’ny mpandroba kaldeanina sy syrianina sy moabita ary amonita ny Joda tamin’izany.—2Mp 24:2.
I Joahaza zandrin’i Eliakima no nofidin’ny taranak’i Joda ho mpanjaka handimby an’i Josia, rehefa maty izy io. Nentin’i Farao Neko ho babo anefa i Joahaza afaka telo volana teo ho eo, ka i Eliakima (25 taona) indray no nataony mpanjaka ary novany hoe Joiakima ny anaran’izy io. Nitaky hetra be tamin’ny fanjakan’ny Joda koa i Neko. Naka volafotsy sy volamena tamin’ny vahoakany àry i Joiakima Mpanjaka handoavana izany. (2Mp 23:34-36; 2Ta 36:3-5) Efa navesatra tamin’ny vahoaka ny nandoa ilay hetra, nefa mbola nikasa hanorina lapa vaovao sy mirenty koa izy. Tsy nomeny karama ny mpiasany, angamba mba hihenan’ny fandaniana. Nilaza àry i Jehovah fa hahita loza io mpanjaka ratsy fanahy io, ka ho toy ny fandevina ampondra no handevenana azy.—Je 22:13-19.
Vao nanjaka kelikely i Joiakima dia nampitandrina i Jeremia fa ho rava i Jerosalema sy ny tempoliny, raha tsy nibebaka ny vahoaka. Norahonana ho faty i Jeremia taorian’izay. Nisy olona ambony atao hoe Ahikama anefa niaro azy. Nilaza faminaniana toy ny an’i Jeremia i Oria talohan’izay, ka tezitra be i Joiakima ary tapa-kevitra ny hamono azy. Natahotra i Oria ka nandositra tany Ejipta, kanjo nasain’ilay mpanjaka nalaina tany izy ary novonoina tamin’ny sabatra.—Je 26:1-24.
Samy te hifehy an’i Syria-Palestina i Nebokadnezara sy Farao Neko ka niady tao Karkemisy teo akaikin’i Eofrata, 600 km mahery tany avaratr’i Jerosalema. Resin’i Nebokadnezara anefa i Neko tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima (625 T.K.). (Je 46:1, 2) Tamin’io taona io koa i Jeremia no nampanoratra an’i Baroka mpitan-tsorany ny hafatra notoriny nanomboka tamin’ny taona faha-13 nanjakan’i Josia (enin-taona teo ho eo i Joiakima tamin’izay). Novakin’i Jehody tamin’i Joiakima Mpanjaka tao amin’ny trano ririnina ny horonana nisy an’io hafatra fanamelohan’i Jehovah an’i Israely sy Joda ary ny firenena rehetra io, efa ho herintaona tatỳ aoriana, tamin’ny volana fahasivy (Kisleo na Novambra/Desambra). Raha vao nahavaky tsanganan-tsoratra telo na efatra anefa izy, dia notapatapahina ilay izy ary natsipy tao anaty afo tao am-patana. Nodorana tsikelikely àry ilay horonana ka may daholo, na dia niangavy an’i Joiakima tsy hanao izany aza ny andrianany telo. Tena tsy neken’i Joiakima mantsy ilay faminaniana hoe horavan’ny mpanjakan’i Babylona i Joda. Toa mbola tsy nanafika an’i Jerosalema na nifehy an’i Joiakima àry i Nebokadnezara tamin’izay.—Je 36:1-4, 21-29.
Notafihin’i Nebokadnezara i Joiakima, ka ‘lasa mpanompony [na teo ambany fahefany] nandritra ny telo taona. Nikomy taminy anefa izy.’ (2Mp 24:1) Azo inoana fa io taona fahatelo nifehezan’i Babylona an’i Joiakima io no resahin’ny Daniela 1:1, fa tsy ny taona fahatelo tamin’ireo 11 taona nanjakany tao Joda. Mbola i Neko mpanjakan’i Ejipta mantsy no nifehy azy tamin’izay, fa tsy ny Babylonianina. Tamin’ny taona fahefatra nanjakany vao resin’i Nebokadnezara tao Karkemisy (625 T.K. [toa taorian’ny Nisana]) ny Ejipsianina nifehy an’i Syria-Palestina. (Je 46:2) Noho i Joiakima nikomy tamin’i Babylona no naharava ny fanjakany, rehefa avy nitondra 11 taona teo ho eo izy. Tamin’ny faramparan’ny taona fahavalo nanjakany, teo am-piandohan’ny 620 T.K., àry no nanomboka ny taona fahatelo nifehezan’i Babylona azy.
Notafihin’i Nebokadnezara sy nataony fahirano i Jerosalema, hoy i Daniela (1:1, 2), ary natolotra teo an-tanany i Joiakima sy ny fitaovana sasany tao amin’ny tempoly. Ny 2 Mpanjaka 24:10-15 kosa milaza fa i Joiakina zanak’i Joiakima no nitolo-batana sy nivoaka ho any amin’ny Babylonianina, rehefa avy nanjaka telo volana sy folo andro monja. Toa maty nandritra ilay fahirano na angamba teo am-piandohany àry i Joiakima. Efa naminany i Jeremia (22:18, 19; 36:30) hoe tsy halevina amin’ny fomba mihaja i Joiakima, fa hatsipy any ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema ny fatiny, ka ho main’ny hainandro amin’ny antoandro ary hirotsahan’ny fanala amin’ny alina. Tsy resahina hoe ahoana no ‘nanolorana an’i Joiakima teo an-tanan’i Nebokadnezara.’ (Da 1:2) Nitranga angamba izany rehefa maty nandritra ilay fahirano izy fa ny zanany kosa nentin’i Nebokadnezara ho babo, ka tsy nisy taranany lasa mpanjaka intsony. Tsy voamarina ilay resahin’ny lovantsofina jiosy (notantarain’i Josèphe) hoe novonoin’i Nebokadnezara i Joiakima, ary nasainy natsipy tany ivelan’ny mandan’i Jerosalema ny fatiny. (Rakitry ny Ela Jiosy, X, 97 [vi, 3]) Na ahoana na ahoana fomba nahafatesany, dia toa tsy nampiasaina ny gadra varahina nentin’i Nebokadnezara hamatorana azy.—2Ta 36:6.
Natao sesitany tany Babylona i Daniela sy ny Jodianina hafa, anisan’izany ny olona ambony sy ny fianakavian’ny mpanjaka, rehefa tapitra ny fanaovana fahirano an’i Jerosalema, izay niandoha tamin’ny “taona fahatelo” nanjakan’i Joiakima (teo ambany fahefan’i Nebokadnezara). Mbola tsy nisy resaka hoe nisy olona natao sesitany tany talohan’izay, ka toa nandritra ny fotoana fohy nanjakan’i Joiakina, mpandimby an’i Joiakima, no nitrangan’izany.—2Mp 24:12-16; Je 52:28.
I Zedekia dadatoan’i Joiakina no notendren’i Nebokadnezara ho mpanjakan’ny Joda, rehefa avy nitolo-batana i Joiakina zanak’i Joiakima. (2Ta 36:9, 10) Tanteraka àry ny faminanian’i Jeremia hoe tsy hisy amin’ny taranak’i Joiakima hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida. (Je 36:30) Nanjaka telo volana sy folo andro monja i Joiakina.
2. Zanakalahin’i Jesoa Mpisoronabe sady mpandimby azy, taorian’ny sesitany. (Ne 12:10, 12, 26) I Joiakima no mpisoronabe rehefa niverina i Ezra (Rakitry ny Ela Jiosy, XI, 121 [v, 1]), fa i Eliasiba zanak’i Joiakima kosa rehefa tonga i Nehemia tamin’ny 455 T.K.—Ne 3:1.