Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Joiakina

Joiakina

(Joiakìna) [mety hidika hoe Nataon’i Jehovah Mafy Orina].

Zanakalahin’i Joiakima mpanjakan’ny Joda, sy Nehosta. (2Mp 24:6, 8; 2Ta 36:8) Anarana iantsoana azy koa ny hoe Jekonia (fomba hafa ilazana ny hoe Joiakina) na Konia (fanafohezana ny hoe Jekonia).​—Es 2:6; Je 28:4; 37:1.

Lasa mpanjaka i Joiakina tamin’izy 18 taona, ary notohizany ny zava-dratsy nataon-drainy. (2Mp 24:8, 9; 2Ta 36:9; ampit. Prot.) Nikomy i Joiakima rainy tamin’ny taona fahatelo (618 T.K.) nanjakan’izy io teo ambany fifehezan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. (2Mp 24:1) Natao fahirano àry i Jerosalema. Mety hoe tsy ny fotoana fohy nanjakan’i Joiakina fotsiny ilay hoe “nandritra izany fotoana izany”, fa vanim-potoana lava kokoa. (2Mp 24:10) Efa nanomboka tamin’ny fotoana nanjakan-drainy àry ilay fahirano, rehefa jerena ny Daniela 1:1, 2. Toa maty nandritra ilay fahirano i Joiakima, ka nandimby azy i Joiakina. Tsy nanjaka intsony anefa izy rehefa afaka telo volana sy folo andro, satria nitolo-batana tamin’i Nebokadnezara tamin’ny 617 T.K. (volana Adara, araka ny tantara babylonianina iray). (2Mp 24:11, 12; 2Ta 36:9; Tantaran’i Asyria sy Babylona, nataon’i A. Grayson, 1975, p. 102) Natao sesitany tany Babylona izy, araka ny tenin’i Jehovah. (Je 22:24-27; 24:1; 27:19, 20; 29:1, 2) Nentina tany koa ny ankohonany, ny tandapa, ny mpanao asa tanana, ary ny miaramila mpiady.​—2Mp 24:14-16; jereo NEBOKADNEZARA.

Nentin’i Nebokadnezara koa “ny zava-tsarobidy rehetra notehirizina tao an-tranon’i Jehovah, sy ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’ny mpanjaka”, araka ny 2 Mpanjaka 24:12-16. Koa nahoana àry ny Daniela 1:1, 2 no milaza fa “ny fitaovana sasany” ihany no nalainy? Angamba satria ny fitaovana volamena no tena resahin’ilay Mpanjaka Faharoa, fa ny fitaovana hafa kosa navela. Na koa nentina tany Babylona aloha “ny fitaovana sasany tao an-tranon’i Jehovah” rehefa resy i Jerosalema natao fahirano (satria nikomy tamin’ny mpanjakan’i Babylona i Joiakima), ary taoriana kelin’izay vao nentina niaraka tamin’i Joiakina ny “zava-tsarobidy [hafa] tao an-tranon’i Jehovah.” Toa milaza izany an-kolaka ny 2 Tantara 36:6-10. Toa voalaza ao fa rehefa naharesy an’i Jerosalema i Nebokadnezara, dia lasa ary ‘naniraka ny mpanompony [izy], ka nentina ho any aminy tany Babylona i Joiakina mbamin’ny zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah.’ Izany koa no nataony folo taona tatỳ aoriana, rehefa avy nandresy tanteraka sy nandrava an’i Jerosalema (607 T.K.) izy. Nankany Ribla “tany Hamata” izy, ka i Nebozaradana lehiben’ny mpiaro azy no nanankinany ny asa faramparany tao Jerosalema.​—2Mp 25:8-21.

Niteraka fito lahy i Joiakina tany Babylona (1Ta 3:16-18), ka nisy foana ny tarana-mpanjaka hiavian’ny Mesia. (Mt 1:11, 12) Tsy nisy nanjaka tao Jerosalema anefa ny taranany, araka ny voalazan’ny faminaniana. Toy ny tsy nanan-janaka àry izy, satria tsy nisy nitondra nandimby azy ny taranany.​—Je 22:28-30.

Nanomboka naminany i Ezekiela tamin’ny taona fahadimy nanaovana sesitany an’i Joiakina. (Ezk 1:2) Nafahana avy tao am-ponja i Joiakina tokotokony ho 32 taona tatỳ aoriana (580 T.K.), rehefa nandimby an’i Nebokadnezara i Evila-merodaka (Avila-Mardoka). Nasandratra ho ambony noho ny mpanjaka babo hafa izy, nihinana teo an-databatr’i Evila-merodaka, ary nomena anjara sakafo isan’andro.​—2Mp 25:27-30; Je 52:31-34.

Misy ny lisitry ny sakafo nomena an’i Joiakina sy ny dimy tamin’ireo zanany ny takelaka tanimangan’ny fanjakan’i Babylona.