Joiariba
(Joiarìba) [I Jehovah Anie Hiady; Niady [ho Antsika] teo Amin’ny Fitsarana i Jehovah].
Mpisorona izy, ary ny fianakaviambe avy amin’ny rainy no voafidy tamin’ny antsapaka ho voalohany tamin’ireo antoko-mpisorona 24 nalamina tamin’ny fotoana nanjakan’i Davida. (1Ta 24:1-3, 5-7) Taorian’ny sesitany, dia nisy nonina tany Jerosalema ny taranak’io fianakaviambe io, na ny taranaky ny mpisorona hafa iray nantsoina koa hoe Joiariba. (1Ta 9:3, 10) Andininy mifanitsy amin’io ny Nehemia 11:10, ary Joariba no nanoratana ny anarany ao.