Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jokebeda

Jokebeda

(Jôkebèda) [mety hidika hoe I Jehovah dia Voninahitra].

Zanakavavin’i Levy, izay nanambady an’i Amrama nitovy foko taminy, ary niteraka an’i Miriama sy Arona ary Mosesy. (Ek 6:20; No 26:59) Nanam-pinoana sy natoky an’i Jehovah Andriamaniny i Jokebeda. Nandidy ny hamonoana ny zazalahikely, ohatra, i Farao, nefa tsy novonoin’i Jokebeda ny zanany kely, izay nantsoina hoe Mosesy tatỳ aoriana. Rehefa afaka telo volana, dia tsy vitany intsony ny nanafina azy tao an-trano, ka nataony tao anaty vata kely zozoro ilay zaza ary napetrany teny amin’ny bararata naniry teny amoron’i Neily. Hitan’ny zanakavavin’i Farao ilay zaza ka nalainy ho zanany. Ny renin’i Mosesy no nasaina nampinono azy, taorian’izay. Nihalehibe ilay zaza, ary nampianatra azy ny fivavahana madio i Jokebeda sy ny vadiny, toy ny nataony tamin’ireo zanany hafa. Hita ny vokatr’izany rehefa lehibe ireo zanany ireo.​—Ek 2:1-10.

Anabavin’i Kehata rain’i Amrama i Jokebeda, raha ny soratra nataon’ny Masoreta no jerena. Midika izany fa nanambady ny nenitoany i Amrama. Tsy voarara izany tamin’izay fotoana izay. (Ek 6:18, 20) Misy anefa manam-pahaizana mihevitra fa zanaky ny rahalahin-drain’i Amrama i Jokebeda, fa tsy nenitoany. Izany mantsy no hita ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, sy ny Peshitta syriàka, ary resahin’ny lovantsofina jiosy. Izao, ohatra, no voasoratra ao amin’ny Eksodosy 6:20: “Jokabeda zanakavavin’ny rahalahin-drain’i Amrama.” (LXX, Bagster) “Amrama nanambady an’i Jokabera zanakavavin’ny dadatoany.” (La) “Amrama nanambady vehivavy havany antsoina hoe Jokabeda.” (Kx) Toy izao ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Baibolin’i Rotherham, eo amin’ilay hoe “anabavin-drainy”: “Mety ho vehivavy havan-drainy fotsiny io.” Hoy i Thomas Scott, ao amin’ilay hoe Fanazavana Fohy (1832): “Tsy nenitoan’i Amrama i Jokebeda fa zanaky ny rahalahin-drainy, raha jerena ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny lovantsofina jiosy.” Hoy ny Fanazavana Hevi-teny nataon’i Clarke: “Mihevitra ireo mpanao tsikera mahay indrindra fa zanaky ny mpiray tam-po i Jokebeda sy Amrama, fa tsy nenitoan’i Amrama i Jokebeda.” Mety hidika hoe ‘zafikelin’i Levy’ ilay hoe “zanakavavin’i Levy” ao amin’ny Nomery 26:59, satria ampiasaina hilazana “zafikely” koa ny hoe “zanaka” ao amin’ny andininy maro be ao amin’ny Soratra Masina. Misy fanazavana toy izao ao amin’ny Baibolin’i Fenton, eo amin’ilay hoe ‘naterak’i Levy’, eo amin’io andininy io: “Tsy midika hoe tena naterak’i Levy io fomba fitenenana hebreo io, fa midika fotsiny hoe avy amin’ny Fokon’i Levy. Tsy mety ho zanaka naterak’i Levy anefa i Jokebeda, satria be loatra ny elanelan’ny fotoana niainan’izy ireo.”

Raha marina anefa izay voalazan’ny soratra nataon’ny Masoreta, ao amin’ny Eksodosy 6:20, dia nenitoan’i Amrama i Jokebeda, fa tsy zanaky ny rahalahin-drainy. Raha raisina àry hoe i Levy no rain’i Jokebeda, dia tsy maintsy ho tanora kokoa noho ny renin’i Kehata ny renin’i Jokebeda. Amin’izay vao mitombina ny hoe nenitoan’i Amrama i Jokebeda, satria anabavin’i Kehata izy na dia hafa reny aza.