Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jokmeama

Jokmeama

(Jôkmeama) [Aoka Hitsangana ny Olona (na Mitsangàna)].

1. Tanàna efraimita nomena ny Kehatita. (1Ta 6:66, 68) Toa i Jokmeama ihany ilay antsoin’ny Josoa 21:22 hoe “Kibzaima”, angamba anarana hafa niantsoana azy, na anarany taloha. Tsy fantatra ny toerana nisy azy.

2. Faritra teo amin’ny sisin’ny faritany niandraiketan’i Bana zanak’i Ahiloda. Anisan’ny lehibem-paritra 12 niasa ho an’i Solomona i Bana. (1Mp 4:12) Mety ho io faritra io ihany ilay nantsoina hoe Jokneama.