Jokneama
(Jôkneama).
Tanàna resin’i Josoa tany Karmela. (Js 12:7, 22) An’ny fokon’i Zebolona izy io tany am-boalohany (Js 19:10, 11), fa nomena ny Levita Merarita tatỳ aoriana. (Js 21:34) Maro no milaza azy io ho i Tell Keimon (Tel Yokneʽam) eo amin’ny dongon-tany iray eo am-pototry ny Tendrombohitra Karmela, tokotokony ho 11 km any avaratrandrefan’i Megido sady ahatazanana ny Lohasahan’i Jezirela. Mety ho diso tsipelina ilay “Jokmeama” ao amin’ny 1 Mpanjaka 4:12 fa tokony hoe “Jokneama.”