Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Joktana

Joktana

(Jôktàna).

Taranak’i Ebera ary rahalahin’i Palega. Niteraka 13 lahy i Joktana. (Ge 10:25-29; 1Ta 1:19-23) Toa mbola fantatra any amin’ny toerana maro any amin’ny faritra atsimo sy atsimoandrefana amin’i Arabia ny anaran’ny taranak’i Joktana sasany. Voalaza fa i Joktana, fa tsy ireo foko avy tamin’ireo zanakalahin’i Abrahama tamin’i Hagara sy Ketora, no razamben’ny mponina voalohany tany Arabia. Lazain’ny Baiboly fa “hatrany Mesa ka hatrany Sefara” (Ge 10:30) ny faritra nonenan’ny taranak’i Joktana, na dia tsy tena fantatra aza hoe taiza marina ilay izy.