Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jonadaba

Jonadaba

(Jonadàba) [I Jehovah dia Tia Manome (Tsara Toetra; Malala-tanana)].

1. Zanakalahin’i Simea rahalahin’i Davida. “Lehilahy tena marani-tsaina” nefa fetsy i Jonadaba. Izy no atidoha nikotrika an’ilay tetika nataon’i Amnona zanak’i Davida, ary niafara tamin’ny fametavetana an’i Tamara izany. Nivaky taminy mantsy i Amnona fa raiki-pitia tamin’io anabaviny hafa reny io izy. Namaly faty i Absaloma anadahin’i Tamara iray tam-po taminy, ka namono an’i Amnona. Rehefa nisy nilaza tamin’i Davida fa novonoin’izy io daholo ny zanakalahin’ny mpanjaka, dia i Jonadaba no nanome toky an’i Davida fa i Amnona irery no maty. (2Sa 13:3-5, 14, 22, 28-33) Mety ho izy ilay “Jonatana” resahin’ny 2 Samoela 21:21 sy 1 Tantara 20:7.

2. Zanakalahin’i Rekaba, ary naman’i Jeho Mpanjaka. Tsy sendra nihaona tamin’i Jeho fotsiny izy, fa “tamy hitsena azy” mihitsy, ary i Jeho koa faly niarahaba azy. Nanohana tanteraka ny fanapahan-kevitr’i Jeho hamongotra ny fivavahana tamin’i Bala tany Israely koa izy, matoa nekeny foana izay soso-kevitra naroson’izy io. Namaly hoe “Eny” izy rehefa nanontanian’i Jeho hoe: “Mahitsy amiko ve ny fonao?” “Atolory ahy àry ny tananao”, hoy i Jeho, dia natolony azy ny tanany. Vonona koa izy rehefa hoy i Jeho tao anaty kalesy: “Andao hiaraka amiko, ary jereo fa tsy leferiko mihitsy ny fandrafiana an’i Jehovah.” Rehefa novorina tao an-tranon’i Bala ny mpivavaka rehetra taminy, dia niaraka tamin’i Jeho nankany Samaria sy nankao an-tranon’i Bala i Jonadaba, ary tsy nandao azy rehefa novonoina izy rehetra. I Jeho rahateo koa natoky azy tanteraka.​—2Mp 10:15-28.

Nasain’i Jehovah nataon’i Jeremia ohatra ny Rekabita taranak’i Jonadaba, efa ho 300 taona tatỳ aoriana. Nankatò foana ny didin’i Jonadaba razambeny mantsy izy ireo, tsy hoatran’ny mponin’i Joda sy Jerosalema izay tsy nankatò an’Andriamanitra. Nanafatra an’ireo Rekabita izy mba hipetraka an-tranolay, tsy hamafy voa, ary tsy hanao tanimboaloboka na hisotro divay. Tsy nety nisotro àry izy ireo rehefa notoloran’i Jeremia divay, ho fankatoavana ny didin’i Jonadaba, ka nampanantena i Jehovah hoe: “Hisy olona avy amin’ny taranak’i Jonadaba zanak’i Rekaba foana hitsangana eo anatrehako mandrakariva.”​—Je 35:1-19.