Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jonatana

Jonatana

(Jônatàna) [I Jehovah dia Nanome].

Nadika hoe “Jonatana” ireo anarana hebreo roa hoe Yôhnatan sy Yehôhnatan.

1. Levita mpisoron’ilay fivavahan-diso tao an-tranon’i Mika tany Efraima, ary nanao izany asa izany koa ho an’ireo Danita, tatỳ aoriana. Matetika izy no lazaina hoe tovolahy Levita ao amin’ny Mpitsara toko faha-17 sy 18, ary antsoina hoe “Jonatana zanak’i Gersoma, zanak’i Mosesy” ao amin’ny Mpitsara 18:30. Marina fa lazaina hoe “anisan’ny fianakavian’i Joda” izy eo aloha kokoa, nefa mety hidika fotsiny izany fa nipetraka tany Betlehema, izay ao amin’ny faritanin’i Joda, izy.​—Mpts 17:7.

Nandehandeha teny i Jonatana, ary tonga tao an-tranon’i Mika tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, rehefa ela ny ela. Efa nanangana sary sokitra tao an-tranony i Mika tamin’izay. Nanaiky ho lasa mpisorona ho an’ny ankohonan’i Mika i Jonatana, na dia tsy anisan’ny fianakavian’i Arona aza, ary na dia sary sokitra aza no nivavahana. Tatỳ aoriana, dia nisy Danita dimy lahy tonga mba hitady tany honenana ho an’ny fokony, ary nihaona tamin’i Jonatana. Niangavy an’i Jonatana izy ireo mba hanontany an’Andriamanitra raha hahomby ny diany na tsia. Namaly tamin’ny anaran’i Jehovah i Jonatana, ka nilaza fa hotahina izy ireo.

Nandalo teo amin’ny tranon’i Mika ny Danita 600 lahy sy ny fianakaviany ary ny biby fiompiny, raha iny izy ireo hianavaratra iny. Nalain’izy ireo ilay sary sokitra sy ireo zavatra hafa nampiasaina tamin’ilay fivavahan-diso. Notaominy hanaraka azy koa i Jonatana, mba ho mpisorona ho azy ireo fa tsy ho an’ny ankohonana iray monja. (Mpts 17:7–18:21) Tia tena i Jonatana ka nanaiky, ary ‘lasa mpisorona ho an’ny fokon’ny Danita izy sy ny zanany, mandra-pahatongan’ny andro nanaovana sesitany ny mponin’ilay tany.’ (Mpts 18:30) Oviana izany? Milaza ny mpivaofy teny sasany fa mety ho tamin’ny fotoana nandresen’i Tiglato-pilesera III an’ilay faritra, na tamin’ny nandresena ny foko rehetra tany avaratra, tamin’ny 740 T.K. (2Mp 15:29; 17:6) Azo antoka anefa fa sesitany efa taloha no resahin’io andininy io, satria azo inoana fa i Samoela no nanoratra ny bokin’ny Mpitsara. Milaza ny Mpitsara 18:31 fa notehirizin’ireo Danita ilay sary sokitra, ka “najorony ho azy ireo nandritra ny andro rehetra naha tao Silo ny tranon’ilay tena Andriamanitra.” Fantatra avy amin’izany ny fotoana nitrangan’ilay sesitany resahin’ny andininy faha-30, ary vao mainka manamafy fa nanao ny asan’ny mpisorona foana ny fianakavian’i Jonatana, mandra-pahatongan’ny fotoana namaboan’ny Filistinina an’ilay Vata misy ny fifanekena. Misy anefa milaza hoe ‘mandra-pahatongan’ny andro nitondrana an-tsesitany an’ilay vata’ no tokony handikana an’io andininy faha-30 io. (1Sa 4:11, 22) Tsy manova ny fotoana nanaovan’ny fianakavian’i Jonatana ny asan’ny mpisorona anefa izany. Tsy voatery hovana hoatran’io ilay andininy, satria mety hidika koa izy io fa toy ny hoe natao sesitany ny mponin’ilay tany, rehefa nobaboin’ny Filistinina ilay Vata.

2. Lahimatoan’i Saoly, ilay mpanjaka avy amin’ny fokon’i Benjamina. I Jonatana no tian’i Saoly indrindra tamin’ny zanany. Azo inoana fa i Ahinoama zanakavavin’i Ahimaza no reniny. (1Sa 14:49, 50) Naman’i Jonatana i Davida, ary nahafoy tena ho azy izy sady nanohana an’io mpanjaka notendren’i Jehovah io. Ireo no tena nampiavaka an’i Jonatana.

Tamin’i Saoly vao nanjaka kelikely no misy resaka voalohany momba an’i Jonatana. Voalaza hoe nisy miaramila arivo teo ambany fifehezany ary nahery izy. (1Sa 13:2) Azo inoana fa efa 20 taona na mahery izy tamin’io, ka midika izany fa efa ho 60 taona teo ho eo izy, fara fahakeliny, tamin’izy maty tamin’ny 1078 T.K. tany ho any. (No 1:3) Telopolo taona i Davida, rehefa maty i Jonatana. (1Sa 31:2; 2Sa 5:4) Zokin’i Davida 30 taona teo ho eo àry izy, nefa mpinamana izy ireo. Tamin’i Saoly lasa mpanjaka, dia efa olon-dehibe i Jonatana na dia mbola tanora aza. Tsy mahagaga raha hita hoe tsara toetra sy matotra izy, satria azo inoana fa nitaiza azy tsara ny rainy. Tena nanetry tena sy nankatò ary nanaja an’i Jehovah sy ny fanapahan-keviny mantsy i Saoly, tamin’izy mbola tsy mpanjaka.​—1Sa 9:7, 21, 26; 10:21, 22.

Tena be herim-po i Jonatana, raha jerena izay voatantara voalohany momba azy. Nanafika an’ilay toby miaramilan’ny Filistinina tao Geba izy, niaraka tamin’ny lehilahy arivo zara raha nanana fitaovam-piadiana. Nitoby tao Mikmasy ny fahavalo, raha vao nahita an’izany. Nandao mangingina an’i Saoly sy ny miaramilany i Jonatana sy ny mpitondra fiadiany, ary nanatona an’ilay toby mpitilin’ny fahavalo. Raha io zavatra nataony io fotsiny no jerena, dia hita fa be herim-po izy, sady hainy ny nanome toky ny hafa. Nanaiky hotarihin’i Jehovah koa anefa izy, satria niandry famantarana avy taminy vao nanao zavatra. Be herim-po tokoa izy roa lahy ka Filistinina 20 teo ho eo no matiny. Raikitra ny ady teo amin’ny tafika roa tonta vokatr’izany, ary nandresy ny Israely. (1Sa 13:3–14:23) Tsy nisaina tsara i Saoly nandritra an’ilay ady, ka nilaza hoe voaozona izay mihinan-kanina alohan’ny hifaranan’ilay ady. Tsy nahalala momba izany anefa i Jonatana ka nihinana tantelidia. Nampamoahin’i Saoly izy taorian’izay, ary vonona ny ho faty. Navotan’ny vahoaka anefa izy, satria niaiky izy ireo fa niara-niasa tamin’Andriamanitra izy tamin’iny andro iny.​—1Sa 14:24-45.

Niavaka tokoa ny zava-bitan’i Jonatana, ary hita fa mpiady be herim-po sy nahay ary nahery izy. Rariny raha nolazaina hoe “haingam-pandeha noho ny voromahery”, ary “mahery noho ny liona”, izy sy Saoly. (2Sa 1:23) Tena nahay nandefa zana-tsipìka koa izy. (2Sa 1:22; 1Sa 20:20) Mety ho ny herim-pony no tena nahatonga an’i Saoly ho tia azy. Miharihary fa tena nifandray am-po izy mianaka. (1Sa 20:2) Andriamanitra anefa no tena nifikiran’i Jonatana, ary tsy nivadika tamin’i Davida namany mihitsy koa izy.

Hitendry mozika ho an’i Saoly no nidiran’i Davida voalohany tao an-dapan’ny mpanjaka. Niala tamin’i Saoly mantsy ny fanahin’i Jehovah ka lasa nikorontan-tsaina izy, ary azo antoka fa nahamarika izany i Jonatana. ‘Lehilahy matanjaka sy mahery fo sady lehilahy mpiady’ i Davida, na dia mbola tanora aza, ary “tena tia be azy i Saoly, ka nanjary mpitondra ny fiadiany izy.”​—1Sa 16:14-23.

Lasa mpinamana be i Davida sy Jonatana, taorian’ny namonoan’i Davida an’i Goliata. Hitan’i Jonatana tamin’io fa be herim-po i Davida rehefa niaro ny vahoakan’i Jehovah, ka izany no tena nahatonga azy ho tia an’i Davida. Ren’i Jonatana i Davida nitantara tamin’i Saoly, ka “nanjary niraiki-po be tamin’i Davida i Jonatana, ka tia azy toy ny tenany mihitsy.” (1Sa 18:1) “Nanao fifanekena” izy roa lahy hoe hinamana foana. Samy mpiady be herim-po izy ireo sady mpanompon’Andriamanitra nafana fo. Voamarik’i Jonatana fa nanana ny fanahin’Andriamanitra i Davida. (1Sa 18:3) Tsy nialona azy izy, na nihevitra azy ho rafiny, toy ny nataon’i Saoly. Nohajainy kosa ny safidin’Andriamanitra, ka modely ho an’ilay namany tanora izy. Tsy nanatanteraka ny fanirian’i Saoly hamono an’i Davida izy. Nampitandrina an’i Davida kosa izy ary niezaka niaro azy. Rehefa voatery nandositra i Davida, dia nankany aminy i Jonatana, ary nanao fifanekena izy roa lahy mba hiarovan’i Davida azy sy ny ankohonany.​—1Sa 19:1–20:17.

Te hiaro an’i Davida i Jonatana ka niresaka tamin’i Saoly indray. Saika nahafaty azy anefa izany, satria tezitra be i Saoly ka notorahany tamin’ny lefona ilay zanany naterany. Nankany an-tsaha i Jonatana taorian’izay, ary mody hoe hanao fanazaran-tena handefa zana-tsipìka. Efa nifanaraka anefa izy sy Davida hoe hihaona any. (1Sa 20:24-40) Nianiana indray izy ireo fa hifankatia foana. “Nifanoroka izy roa lahy ary samy nitomany, ka ny iray nitomany ny iray, ary ny iray koa nitomany ny iray.” Nisy lehilahy nifanao toy izany koa tantarain’ny Baiboly, ary mbola misy manao toy izany ankehitriny any amin’ny tany sasany. (1Sa 20:41; Ge 29:13; 45:15; As 20:37) Mbola afaka nihaona farany tamin’i Davida i Jonatana tatỳ aoriana, tany Horesa. ‘Nanamafy ny fatokisan’i Davida an’Andriamanitra’ izy. Nanavao an’ilay fifanekena nataony izy ireo tamin’izay.​—1Sa 23:16-18.

Tsy milaza ny Baiboly hoe niaraka tamin’i Saoly rainy i Jonatana, tamin’i Saoly nanafika an’i Davida. Nanao vivery ny ainy mihitsy kosa i Jonatana, rehefa niady tamin’ny fahavalon’Andriamanitra, izany hoe ny Filistinina. Tao anatin’ny iray andro no nahafatesan’izy sy ny rahalahiny roa ary ny rainy, ary nahanton’ny Filistinina teo amin’ny mandan’i Beti-sana ny fatin’izy ireo. Nalain’ireo lehilahy mahery fon’i Jabesi-gileada anefa ireo faty ireo, ka naleviny tany Jabesy. Tatỳ aoriana, dia nalain’i Davida ny taolambalon’i Saoly sy Jonatana ka naleviny tao Zela. (1Sa 31:1-13; 2Sa 21:12-14; 1Ta 10:1-12) Nitomany be i Davida noho ny nahafatesan’i Jonatana, ilay namana tsy foiny, ary nanao hira fisaonana ho an’i Saoly sy Jonatana mihitsy aza izy. “Ilay Tsipìka” no lohatenin’izy io. (2Sa 1:17-27) Tena tsara fanahy tamin’i Mefiboseta, zanakalahin’i Jonatana, i Davida. Nalemy tongotra izy io, ary dimy taona izy rehefa maty ny rainy. Nisakafo teo an-databatry ny mpanjaka foana izy, tatỳ aoriana. (2Sa 4:4; 9:10-13) Be dia be ny taranak’i Jonatana.​—1Ta 8:33-40.

3. Zanakalahin’i Abiatara Mpisoronabe, ary iray tamin’ireo mpitondra hafatra tany amin’i Davida. Tsy tao Jerosalema mantsy i Davida tamin’izay fa nandositra an’i Absaloma mpikomy. Toa nanohana an’i Adonia i Jonatana tatỳ aoriana, rehefa nikomy izy io. Niaraka tamin’i Davida i Abiatara, rain’i Jonatana, tamin’i Davida nandositra an’i Saoly, ary notendrena ho mpisoronabe izy tatỳ aoriana. Tamin’i Absaloma nandrombaka fahefana, dia naniraka an’i Abiatara sy Zadoka ho any an-drenivohitra i Davida mba hitantara taminy an’izay nitranga tany. Tamin’izay no voaresaka voalohany ao amin’ny Baiboly i Jonatana mpisorona, zanak’i Abiatara. Izy sy Ahimaza zanak’i Zadoka no nasaina nampita tamin’i Davida ny hafatra avy tamin’ny rain’izy ireo sy avy tamin’i Hosay. (2Sa 15:27-29, 36) Tsy maintsy ho tratra izy roa lahy raha niditra tao an-tanàna, ka teo amin’ny lavadrano iray nantsoina hoe En-rogela (tsy lavitra ny tanàna) izy ireo no niandry. Nomen’i Hosay torohevitra i Absaloma, ary toa tiany ilay izy. Nirahina haingana àry i Jonatana sy Ahimaza, izay efa niandry fotsiny, ka nampita hafatra tany amin’ny mpanjaka. Nisy nahita anefa izy roa lahy ka nisy nanenjika, ary efa saika tratra. Nanampy azy ireo sy nanafina azy tao anaty lavadrano ny vehivavy iray, mandra-pahalasan’ireo nanenjika. Nankany amin’i Davida izy ireo avy eo, ary nasainy niampita an’i Jordana i Davida.​—2Sa 17:15-22.

Rehefa akaiky ho faty i Davida, dia nanao tetika i Adonia zanany lahy mba ho izy no ho lasa mpanjaka, fa tsy Solomona. Nanohana azy i Abiatara. Nitaona an’i Jonatana angamba i Abiatara rainy, ka toa nivadika nanohana an’io mpandrombaka fahefana io koa izy. Nanao fanasambe i Adonia, ary tamin’izay i Jonatana no nilaza taminy hoe tsy nahomby ny tetik’izy ireo satria notendren’i Davida ho mpanjaka i Solomona. Tsy miresaka momba an’i Jonatana intsony ny Baiboly taorian’izay. Angamba izy noroahina niaraka tamin’ny rainy. Ny azo antoka anefa dia tsy navela hanao ny asan’ny mpisoronabe intsony ny fianakaviany.​—1Mp 1:41-43; 2:26, 27.

4. Zana-drahalahin’i Davida Mpanjaka, ary namono an’ilay lehilahy goavam-be izay nila ady tamin’ny Israely tao Gata. (2Sa 21:20, 21; 1Ta 20:6, 7) Voalaza hoe zanakalahin’i Simea na Simey, rahalahin’i Davida, i Jonatana. I Jonadaba no lazain’ny 2 Samoela 13:3 hoe zanak’i Simea rahalahin’i Davida. Mihevitra àry ny mpivaofy teny sasany hoe i Jonatana ihany io Jonadaba io.​—Jereo JONADABA No. 1.

5. Anisan’ireo lehilahy mahery tao amin’ny tafik’i Davida. Zanakalahin’i Sage Hararita i Jonatana.​—2Sa 23:8, 32; 1Ta 11:26, 34.

6. Zanakalahin’i Ozia ary niandraikitra ny zava-tsarobidin’i Davida Mpanjaka “tany an-tsaha, sy tao amin’ireo tanàna sy tanàna kely, ary tany amin’ireo tilikambo”, afa-tsy ny tany Jerosalema. (1Ta 27:25) Notononina taorian’i Azmaveta mpiandraikitra ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka i Jonatana, saingy notononina talohan’ireo olona niandraikitra zavatra isan-karazany, toy ny tanimboaloboka na ny sahan’oliva.​—1Ta 27:25-28.

7. Lehilahy nahira-tsaina, ary mpitan-tsoratra sady mpanolo-tsain’i Davida Mpanjaka. (1Ta 27:32) Ilay teny hebreo hoe dôhd, izay midika matetika hoe “dadatoa” na “rahalahin-dray”, no hita ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta, rehefa miresaka momba ny rohim-pihavanan’i Davida sy Jonatana. Roa anefa ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly mampiseho fa zanaky ny iray tam-po amin’i Davida i Jonatana. Azo inoana àry fa malalaka kokoa ny hevitr’ilay teny hoe dôhd, ka midika hoe “havana”, ary ‘zana-drahalahin-dray’ (TV) no heviny eto. Izy ihany àry ilay No. 4.

8. Anisan’ny Levita nirahin’i Josafata tamin’ny taona fahatelo nanjakany, mba hampianatra ny mponin’i Joda ny lalàn’i Jehovah.​—2Ta 17:5, 7-9.

9. Mpitan-tsoratra, ary ny tranony no natao fonja. Tao i Jeremia no nogadraina. (Je 37:15, 20; 38:26) Azo inoana fa nisy lakaly azo natao fonja tao amin’ilay trano.

10. Lehiben’ny tafika tany ambanivohitra, rehefa resin’i Nebokadnezara i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Zanakalahin’i Karea i Jonatana ary rahalahin’i Johanana. Taorian’ny nanendrena an’i Gedalia mba hiandraikitra ny olona sisa tavela tao amin’ilay tany, dia tonga tany aminy i Jonatana sy ireo lehiben’ny tafika avy tany ambanivohitra. Nanome toky i Gedalia tamin’izay fa tsy misy tokony hatahorany. (Je 40:7-10) Azo inoana fa anisan’ireo tonga mba hampitandrina an’i Gedalia i Jonatana hoe nisy nitady hamono izy, nefa tsy niraharaha an’izany i Gedalia.​—Je 40:13-16.

11. Iray tamin’izy mirahalahy zanak’i Jada ary taranak’i Joda avy tamin’i Hezrona sy Jeramela. Maty tsy niteraka i Jatera rahalahiny, fa i Jonatana kosa nanan-janaka roa lahy, dia i Peleta sy Zaza.​—1Ta 2:3, 25, 26, 28, 32, 33.

12. Israelita iray taranak’i Adina. Nanan-janakalahy atao hoe Ebeda i Jonatana ary niara-niverina tamin’i Ezra tany Jerosalema izy io, tamin’ny 468 T.K., taorian’ny sesitany tany Babylona.​—Ezr 8:1, 6.

13. Zanakalahin’i Asahela. Nanohitra an’i Ezra i Jonatana, satria angamba tsy nekeny ilay hevitr’i Ezra hoe tokony hisaraka amin’ireo vehivavy hafa firenena ny Jiosy avy any an-tsesitany. Misy milaza anefa fa tsy ilay baikon’i Ezra no notoheriny fa ny fomba hanatanterahana an’ilay izy.​—Ezr 10:15.

14. Zanakalahin’i Joiada ary zafikelin’i Eliasiba Mpisoronabe. (Ne 12:10, 11) Misy milaza fa tokony hoe “Johanana” ilay hoe “Jonatana” ao amin’ny andininy faha-11. I “Johanana” mantsy no lazain’ny Nehemia 12:22, 23 hoe “zanak’i Eliasiba”, ary mety hidika hoe “zafikely” ilay hoe “zanaka.”​—Jereo JOHANANA No. 7.

15. Mpisorona lohan’ny fianakaviamben’i Meliko, tamin’ny andron’i Joiakima Mpisoronabe.​—Ne 12:12, 14.

16. Lohan’ny fianakaviamben’ny mpisorona taorian’ny sesitany, tamin’ny andron’i Joiakima mpandimby an’i Jesoa.​—Ne 12:10, 12, 18.

17. Zanakalahin’i Semaia taranak’i Asafa ary rain’i Zakaria mpisorona, izay nitsoka trompetra nandritra an’ilay filaharam-be teo ambonin’ny mandan’i Jerosalema rehefa voaorina indray izy io.​—Ne 12:31, 35, 36.