Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jopa

Jopa

(Jôpa) [[Tanàna] Kanto (Tsara Tarehy)].

Seranana tranainy tokotokony ho 55 km any andrefana avaratrandrefan’i Jerosalema. Teo amin’ny nisy azy io no misy an’i Yafo ankehitriny (Jaffa amin’ny Arabo; Tel Aviv-Yafo ankehitriny rehefa nakambana tamin’ny hoe Tel Aviv tamin’ny 1950). Tokony ho 35 m ny haavon’ilay havoana be vato misy ny tanàna. Ny seranana ao Jopa ihany no seranana voajanahary eo anelanelan’ny Tendrombohitra Karmela sy ny sisin-tanin’i Ejipta. Misy harambato iva eny amin’ny 100 m eo ho eo miala ny morontsiraka. Misy fomba roa ahafahan’ny sambo miditra eo amin’ilay seranana: Na miditra avy eo amin’ny banga eo amin’ilay harambato; na miditra avy any amin’ny tendrony avaratra, izay tsy misy manakana nefa marivo. Ilay harambato rahateo tsy ahafahana miditra avy any atsimo.

Seranan’i Yafo ankehitriny (Jopa); tao amin’io tanàna io i Petera no nahazo fahitana izay nanomana azy hitory tamin’ny hafa firenena

Teo amin’ny sisin-tanin’i Dana no nisy an’i Jopa tany am-boalohany, na dia tsy voatery ho anisan’ny tanin’izy ireo aza izy io. (Js 19:40, 41, 46) Miresaka sambo ny Mpitsara 5:17 rehefa manonona an’i Dana. Asehon’izany fa mety ho nifehy ny seranan-tsambo tao Jopa ny Danita.

Azo inoana hoe nohatsaraina ny seranana tao Jopa, satria lehibe ny raharaham-barotra nifanaovan’i Solomona Mpanjaka tamin’ny firenen-kafa. (1Mp 10:22, 28, 29) Tao Jopa no tonga ireo hazo avy tany amin’ny alan’i Libanona, izay nataon’ny mponin’i Tyro zahatra ka nalefany teny an-dranomasina, mba hanorenana ny tempoly. (2Ta 2:16) Tao koa i Jona mpaminany no naka sambo ho any Tarsisy, mba handositra ny asa nanendrena azy. (Jo 1:3) Taorian’ny sesitany tany Babylona, dia mbola tao amin’ny seranan’i Jopa ihany no tonga ireo hazo avy tany amin’ny alan’i Libanona, izay nampiasaina rehefa naorina indray ny tempoly.​—Ezr 3:7.

Nisy fiangonana kristianina tany Jopa, tamin’ny taonjato voalohany. Kristianina teo anivon’izy io i Dorkasy (Tabita). “Be tokoa ny asa soa vitany sy ny fiantrany ny mahantra” tao. Tanàna teo akaiky teo i Lyda, ary tao i Petera tamin’i Dorkasy maty. Niangaviana hankany Jopa àry i Petera, ary nanangana an’i Dorkasy tamin’ny maty. Nanjary nalaza eran’i Jopa izany, ka maro no lasa mpino. (As 9:36-42) Nijanona andro vitsivitsy tao i Petera. Nampiantrano azy i Simona mpanao hoditra, izay nanana trano teo amoron-dranomasina. (As 9:43; 10:6) Tao an-tampon-tranon’i Simona i Petera no nahazo fahitana avy tamin’Andriamanitra hoe tokony hitoriana ny tsy Jiosy. Tamin’izay no tonga ireo iraka nalefan’i Kornelio, izay hafa firenena. Tsy nisalasala nankany Kaisaria niaraka tamin’ireo iraka ireo àry i Petera. Nisy rahalahy jiosy enina avy any Jopa koa niaraka taminy.​—As 10:9-45; 11:5-14.