Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jorama

Jorama

(Joràma) [I Jehovah dia Avo (Misandratra)].

1. Zanakalahin’i Toy mpanjakan’i Hamata. Nandresy an’i Hadadezera mpanjakan’i Zoba i Davida Mpanjaka, ka nirahin’i Toy ho any aminy i Jorama mba hiarahaba azy, sy hitondra fanomezana lafo vidy vita tamin’ny volamena sy volafotsy ary varahina. Neken’i Davida sy nohamasininy ho an’i Jehovah ireo fanomezana. (2Sa 8:5, 9-11) Soratana hoe Hadorama ny hoe Jorama any amin’ny tantara mitovy amin’io.​—1Ta 18:9-11.

2. Taranak’i Eliezera Levita zanak’i Mosesy. Toa velona tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka izy.​—1Ta 26:24, 25; Ek 18:2-4.

3. Iray tamin’ireo mpisorona roa nofidin’i Josafata tamin’ny 934 T.K. (taona fahatelo nanjakany), mba hitety tanàna hampianatra “ny boky misy ny lalàn’i Jehovah.” Nisy andriana sy Levita niaraka taminy.​—2Ta 17:7-9.

4. Zanakalahin’i Ahaba sy Jezebela nandimby an’i Ahazia zokiny, ka lasa mpanjaka fahafolo tao amin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra (t. 917 T.K.). Nanjaka 12 taona izy. (2Mp 1:17, 18; 3:1; 9:22) Tsy tokony hafangaro izy sy Jorama mpanjakan’ny Joda sady zaodahiny. (Jereo No. 3.) Nesoriny ny tsangambato masin’i Bala nataon-drainy, nefa mbola nanao “izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy”, satria nivavaka tamin’ny zanak’omby nataon’i Jeroboama.​—1Mp 12:26-29; 16:33; 2Mp 3:2, 3.

Nampian’i Josafata mpanjakan’ny Joda sy ny mpanjakan’i Edoma i Jorama mba hanafika an’ireo Moabita ka nandresy, satria nataon’i Jehovah nahita zavatra tsy tena nisy ireo Moabita. Nasain’i Elisa mpaminany nihady tatatra ny tao amin’ny tobin’ny Israely, mba hanangonana ny rano tena nilaina izay nomen’Andriamanitra. Notarafin’ny masoandro ilay rano nony maraina, ka noheverin’ny Moabita fa ra. Nieritreritra àry izy ireo fa nifamono ny tafik’ireo mpanjaka telo ka niroso haka babo izy ireo, kanjo maro be no ripaka.​—2Mp 3:4-27.

Nampitondrain’ny mpanjakan’i Syria taratasy ho an’i Jorama i Namàna lehiben’ny tafiny, mba hositranina tamin’ny habokana. Nihevitra i Jorama fa nila ady taminy ilay mpanjaka, ka hoy izy: ‘Izaho angaha Andriamanitra ka mahay mamono na misakana tsy ho faty, na manasitrana habokana?’ Nasain’i Elisa nalefan’i Jorama tany aminy anefa i Namàna, mba ho fantatr’ilay lehiben’ny tafik’i Syria fa manana mpaminany mahavita manasitrana ilay tena Andriamanitra, ao amin’ilay tany.​—2Mp 5:1-8.

Nisy tetikadin’ny Syrianina nampahafantarin’i Elisa mpaminanin’i Jehovah an’i Jorama mialoha. (2Mp 6:8-12) Nisy nataon’Andriamanitra nandamòka koa ny fanafihan’i Syria an’i Israely, tamin’ny andron’i Jorama.​—2Mp 6:13–7:20.

Na nanehoan’Andriamanitra hatsaram-panahy feno fitiavana toy izany aza i Jorama, dia tsy nibebaka na niverina tamin’i Jehovah tamin’ny fony manontolo mandra-pahafatiny. Tsy nampoizina ny nahafatesany tany Jezirela. Nitsabo ny ratrany tany izy, satria naratra tamin’izy niady tamin’ny Syrianina. Nivoaka hitsena an’i Jeho izy, ary nanao hoe: “Fihavanana ve, ry Jeho?” Tsy nety hihavana i Jeho ka nandositra izy, kanjo notifirin’i Jeho tamin’ny tsipìka ka voa ny fony. Novonoina àry ilay “zanaky ny mpamono olona” (2Mp 6:32), ary natsipy teo amin’ny tanin’i Nabota ny fatiny.​—2Mp 9:14-26.

5. Lahimatoan’i Josafata ary lasa mpanjakan’ny Joda tamin’izy 32 taona. (2Ta 21:1-3, 5, 20) Toa niara-nitondra nandritra ny taona vitsivitsy izy sy ny rainy. (2Mp 1:17; 8:16) Nanomboka tamin’ny 913 T.K. kosa ireo valo taona nanjakany. (2Mp 8:17) Nitovy ny anaran’ny mpanjaka tany avaratra sy tany atsimo nandritra ireo taona ireo. Zaodahin’i Jorama mpanjakan’ny Israely koa i Jorama mpanjakan’ny Joda, satria nanambady an’i Atalia anabaviny, zanak’i Ahaba sy Jezebela.​—2Mp 8:18, 25, 26; jereo No. 2.

Tsy mba hoatran’i Josafata rainy i Jorama, satria tsy nanao izay mahitsy. Ny fitaoman’i Atalia vadiny no anisan’ny nahatonga izany. (2Mp 8:18) Novonoiny ny rahalahiny enina sy ny andriana sasany tao Joda, ary notaominy hiala tamin’i Jehovah sy hanompo sampy ny vahoaka. (2Ta 21:1-6, 11-14) Nisy olana foana koa tao amin’ny fanjakany ary niady tamin’ny firenen-kafa izy. Nikomy tamin’ny Joda i Edoma, avy eo i Libna. (2Mp 8:20-22) Nanoratra ho an’i Jorama i Elia mpaminany hoe: “Noho izany, dia hahatonga loza lehibe amin’ny vahoakanao sy ny vady aman-janakao ary ny fanananao rehetra i Jehovah. Ary ho voan’ny aretin-tsinay mafy ianao mandra-pipotsaky ny tsinainao, satria hihombo isan’andro ny aretinao.”​—2Ta 21:12-15.

Izany tokoa no nitranga. Navelan’i Jehovah ho resin’ny Arabo sy Filistinina i Joda, ka lasa babo ireo vadin’i Jorama sy ny zanany, afa-tsy i Joahaza (na Ahazia) faralahiny. Tsy navelany nentina ho babo izy io, noho ny fifanekena momba ilay Fanjakana nataony tamin’i Davida. “Taorian’izany rehetra izany, dia nataon’i Jehovah voan’ny aretin-tsinay tsy mety sitrana” i Jorama. “Nipotsaka ny tsinainy”, roa taona taorian’izay, ka maty izy tamin’ny farany. “Maty” ilay lehilahy ratsy fanahy, “nefa tsy nisy nalahelo azy.” Nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida izy, “fa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.” Nandimby azy i Ahazia zanany.​—2Ta 21:7, 16-20; 22:1; 1Ta 3:10, 11.