Jordana
(Jôrdàna).
Renirano lehibe indrindra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Io no sisin-tany voajanahary manasaraka ny ankamaroan’ny faritra atsinanana sy andrefana amin’i Palestina. (Js 22:25) Tao amin’ny Debok’i Hola fahiny no niandoha ny tena Jordana. Faritra be heniheny sy farihy izy io taloha, saingy efa maina ankehitriny. Be rano mandeha any avaratry ny Debok’i Hola, ka ireny no loharanon’i Jordana. Ireto ny telo lehibe indrindra amin’ireny, avy any atsinanana miankandrefana: Nahr Banyas (Nahal Hermona), Nahr el-Ledana (Nahal Dana), Nahr Hasbani (Nahal Senir). Ireo no tena mampisy an’i Jordana. I Yarmok (Jarmoka) sy Jaboka no sakelidrano lehibe indrindra avy any atsinanana mivarina ao Jordana. Somary mamotaka ankehitriny ny ankamaroan’ny reniranon’i Jordana.
Mikoriana miadana i Jordana eo amin’ny 3 km eo ho eo, raha vao mivoaka ny Debok’i Hola. Misasasasa mafy anefa izy avy eo, rehefa mandalo lalana tery be vatovy (bazalta), alohan’ny ahatongavany eo amin’ny Ranomasin’i Galilia. Rehefa mivoaka avy eo amin’ny tendrony atsimo amin’ny Ranomasin’i Galilia izy io ka mankany amin’ny Ranomasina Maty, dia miolikolika be eo amin’ny 320 km eo ho eo, kanefa 105 km eo ho eo monja ilay halaviran-dalana raha refesina mahitsy.—SARY, Vol. 1, p. 334.
Mitsontsorika be ny lalan’i Jordana avy eo amin’ny Debok’i Hola, ka tafidina tokony ho 270 m ambany kokoa izy io rehefa tonga any amin’ny Ranomasin’i Galilia, nefa 16 km eo ho eo fotsiny ny halaviran-dalana amin’izany. Rehefa manohy ny lalany avy eo amin’ny Ranomasin’i Galilia mankany amin’ny Ranomasina Maty i Jordana dia ahitana riandrano 27 ary mbola tafidina tokotokony ho 180 m ambany kokoa ny lalan’ilay renirano.
Mirefy 6 km ka hatramin’ny 13 km ny sakan’ny lemaka ikorianan’i Jordana rehefa tafavoaka ny Ranomasin’i Galilia izy io. Tokony ho 22 km anefa ny sakan’ilay lohasaha rehefa tonga ao Jeriko. Mirefy 500 m ka hatramin’ny 3 km eo ho eo ny sakan’ilay lohasaha eo amin’ny faritra iva kokoa (Zor) ka eo i Jordana no miolikolika be mamakivaky kirihitra matevina feno tsilo sy zavamaniry mandadina, sy raozy laorie sy tamariska sy hazomalahelo ary hazo aravaha. Nisy liona nandehandeha tao amin’io “kirihitrala matevina eny amoron’i Jordana” io, fahiny. (Je 49:19; 50:44; Za 11:3) Mbola misy amboadia any ankehitriny. Mahatratra 38° C ny mari-pana any amin’io ala mafana sy mando io mandritra ny vanin-taona mafana. Rehefa miempo kosa ny lanezin’i Hermona amin’ny lohataona, dia tondraka i Jordana eo amin’iny faritra iny ka dobo rano ny Zor.
Raha ampitahaina amin’io faritra iva misy kirihitra io ny faritra avo kokoa amin’ilay lohasaha (Ghor) dia 46 m ny elanelan’ny haavon’izy ireo, ka havoana volondavenona mangadihady sy nokaohin’ny riaka no manelanelana an’ireo faritra ireo. Misy tanimboly sy tanimbilona ny 40 km eo ho eo amin’ny Ghor, any atsimon’ny Ranomasin’i Galilia, fa ny ankoatra izay dia tany lavavolo ny ankamaroany. Azo inoana fa namokatra be anefa iny faritra iny, indrindra fa teny akaikin’ny Ranomasina Maty, tamin’ny andron’i Abrahama sy Lota, talohan’ny nandravana an’i Sodoma sy Gomora.—Ge 13:10, 11.
Marivo ny ranon’i Jordana sady misy riandrano maro sy rano mitambolimbolina be ka tsy azon’ny sambo andehanana. Voalaza fa 60 fara fahakeliny ny toerana azo iampitana an-tongotra an’ilay renirano rehefa tsy tondraka ny rano. Nampiasain’ny miaramila ireny toerana ireny fahiny satria teny ihany no nahafahana niampita an’i Jordana.—Mpts 3:28; 12:5, 6.
Mirefy 1 m ka hatramin’ny 3 m eo ho eo ny halalin’i Jordana rehefa dilan’ny Ranomasin’i Galilia, ary tokotokony ho 27 m ka hatramin’ny 30 m ny sakany. Tondraka anefa i Jordana amin’ny lohataona, ka lasa lehibe kokoa sy lalina kokoa. (Js 3:15) Nampidi-doza ho an’ny firenen’Israely (nisy lehilahy sy vehivavy ary ankizy) ny niampita an’i Jordana rehefa tondraka, indrindra fa teny akaikin’i Jeriko. Mahery be mantsy ny rano eo, ary nisy olona nandro lasan’ny rano teo, tsy ela izay. Nanao fahagagana anefa i Jehovah ary notohanany tsy hikoriana ny ranon’i Jordana ka afaka niampita tamin’ny tany maina ny Israelita. (Js 3:14-17) Nisy fahagagana toy izany koa taonjato maro tatỳ aoriana, tamin’i Elia niaraka tamin’i Elisa, sy tamin’i Elisa nandeha irery.—2Mp 2:7, 8, 13, 14.
Voaresaka koa i Jordana rehefa nositranina tamin’ny fomba mahagaga i Namàna. Nampisaintsaina azy ny mpanompony, satria noheveriny fa tsara kokoa noho ny rano rehetran’ny Israely ireo reniranon’i Damaskosy. Nankatò ihany izy ka nandro impito tao Jordana. Sitrana tanteraka ny habokany taorian’ny nisitrihany fanimpitony.—2Mp 5:10-14.
Nanao batisa an’ireo Jiosy maro be nibebaka tamin’ny taonjato voalohany i Jaona Mpanao Batisa, ka nandroboka azy ireo tanteraka tao amin’ny ranon’i Jordana. Nanao batisa an’i Jesosy tao koa izy, ary voninahitra izany satria sady Zanak’Andriamanitra i Jesosy no lavorary.—Mt 3:1, 5, 6, 13-17; jereo FARITR’I JORDANA.