Joseba
(Josèba) [I Jehovah dia Mahavokatra Be].
Vadin’i Joiada Mpisoronabe, ary zanakavavin’i Jorama mpanjakan’ny Joda fa mety hoe tsy tamin’i Atalia vadiny. Fomba hafa anoratana ny anarany ny hoe “Josebata.” (2Ta 22:11) Rehefa maty i Ahazia Mpanjaka anadahiny (mety ho hafa reny) ka naripak’i Atalia ny zanaky ny mpanjaka, dia nalain’i Joseba i Joasy kely, zanak’i Ahazia. Nafenin’izy sy Joiada nandritra ny enin-taona tao amin’ny tempoly ilay zanak’anadahiny, vao nasehon’i Joiada vahoaka mba hatao mpanjaka. (2Mp 11:1-3; 2Ta 22:10-12) Noho ny nataon’i Joseba sy ny vadiny, dia tsy ripaka ny tarana-mpanjaka razamben’ny Mesia avy amin’i Davida.