Josefa
(Josèfa) [fanafohezana ny hoe Josifia izay midika hoe “Hanampy (Hampitombo) Anie i Jah; Nanampy (Nampitombo) i Jah”].
1. Ny lahimatoa tamin’izy mirahalahy zanak’i Jakoba tamin’i Rahely, ilay vady tena tiany. (Ge 35:24) Momba i Rahely taloha, nefa niteraka ihany tatỳ aoriana. Hoy àry izy rehefa teraka i Josefa: “Efa nesorin’Andriamanitra ny fahafaham-barakako!” Nantsoiny hoe Josefa ilay zaza, satria hoy izy: “Nampian’i Jehovah zazalahy iray ny zanako.” Zanany koa mantsy i Dana sy Naftaly, satria efa natsangany, na dia naterak’i Bilaha mpanompovaviny aza. (Ge 30:3-8, 22-24) Azo inoana fa 91 taona i Jakoba tamin’izay.—Ampit. Ge 41:46, 47, 53, 54; 45:11; 47:9.
Niala tany Padana-arama i Jakoba sy ny ankohonany manontolo, enin-taona teo ho eo taorian’izay, ka niverina tany Kanana. (Ge 31:17, 18, 41) Ren’i Jakoba fa tamy mba hihaona taminy i Esao rahalahiny, niaraka tamin’ny 400 lahy. Nozarazarainy àry ny zanany sy ny vadiny ary ny vadikeliny, ka i Rahely sy Josefa no nataony tany aoriana satria tany no voaro indrindra. (Ge 33:1-3) Izy mianaka àry no niankohoka farany indrindra teo anatrehan’i Esao.—Ge 33:4-7.
Niara-nipetraka tamin’ny fianakaviany tany Sokota i Josefa, taorian’izay, ary avy eo tany Sekema (Ge 33:17-19) sy tany Betela. (Ge 35:1, 5, 6) Niala tao Betela izy ireo, tatỳ aoriana, mba hankany Efrata (Betlehema). Teny an-dalana ho any i Rahely, renin’i Josefa, no maty raha vao avy niteraka an’i Benjamina.—Ge 35:16-19.
Halan’ireo rahalahiny hafa reny. Niara-niandry ondry tamin’ireo rahalahiny (zanak’i Jakoba tamin’i Bilaha sy Zilpa) i Josefa tamin’izy 17 taona. Nahita azy ireo nanao ratsy izy, nefa tsy nanao toa azy ireo na dia zandriny aza. Fantany fa tokony hotantarainy tamin-drainy izany ka izay tokoa no nataony.—Ge 37:2.
Tian’i Jakoba mihoatra noho ny zanany lahy hafa rehetra i Josefa, satria zanaky ny fahanterany ary angamba koa noho izy nanao ny tsara foana. Nampanao akanjo lava nitsipitsipika ho an’i Josefa àry i Jakoba. Toy ny akanjo fanaon’ny olona ambony angamba ilay izy. Halan’ireo rahalahiny i Josefa, vokatr’izany. Nanonofy izy indray andro, ary nilaza mialoha ilay nofy fa ho lasa ambony noho izy ireo izy. Notantarainy tamin’ireo ilay nofy ka vao mainka nankahala azy izy ireo. Nanonofy indray izy tatỳ aoriana, ary voalaza fa tsy ireo rahalahiny ihany no hiankohoka eo anatrehany fa ny rainy sy reniny koa. (Toa tsy i Rahely ilay “reniny” eto satria efa maty izy. Angamba ny ankohonan’i Jakoba no tiana holazaina, na koa ilay vadiny mbola velona.) Nobedesin’ny rainy i Josefa, rehefa nitantara an’io nofy io, ary vao mainka nialona azy ny rahalahiny. Tsy hoe nanambony tena anefa izy raha nitantara izany. Nilaza fotsiny an’izay nampahafantarin’Andriamanitra taminy izy. Voalaza fa “nitadidy izany teny izany” i Jakoba. Nahoana? Angamba fantany hoe faminaniana ireo nofy.—Ge 37:3-11.
Tamin’i Jakoba tany Hebrona, dia nirahiny i Josefa mba hijery raha tsy nisy naninona ny rahalahiny tany akaikin’i Sekema sy ny andian’ondry nandrasan’izy ireo. Azo inoana fa tsy tena nampahazoto an’i Josefa izany, satria nankahala azy ireo rahalahiny ireo. Tsy nisalasala anefa izy niteny tamin-drainy hoe: “Intỳ aho!” Niala tany amin’ny Lemaka Ivan’i Hebrona àry izy mba hankany Sekema. Nisy lehilahy tao nilaza taminy hoe nankany Dotana ireo rahalahiny. Nanohy ny diany àry i Josefa. Tazan’ireo rahalahiny avy lavitra izy, ka hoy izy ireo: “Iny tonga iny ilay mpanonofy. Andao hovonointsika izy dia hatsipintsika ao anatin’ny iray amin’ireo lavaka fanangonan-drano ireo. ... Dia ho hitantsika hoe hanao ahoana ny nofiny.” (Ge 37:12-20) Te hisakana an’ilay tetika anefa i Robena, zokin’izy ireo lahimatoa. Nilaza àry izy hoe aleo atsipy ao anaty lavaka fanangonan-drano efa tsy nisy rano intsony i Josefa, fa tsy hovonoina. Raha vao tonga teo amin’ny rahalahiny àry i Josefa, dia nendahan’izy ireo ilay akanjo lava nitsipitsipika nanaovany, ary ny soso-kevitr’i Robena no narahin’izy ireo. Nahatazana Ismaelita niara-dia izy ireo, avy eo, ka nampirisika an’ireo rahalahiny i Joda (tsy teo i Robena) hoe aleo amidy amin’ireo mpivaro-mandeha ireo i Josefa toy izay hovonoina ho faty.—Ge 37:21-27.
Namidy ho andevo. Namidin’ireo rahalahiny farantsa volafotsy 20 i Josefa, na dia nitalaho tamin’izy ireo aza izy mba hangoraka azy. (Ge 37:28; 42:21) Nataon’izy ireo, avy eo, izay hinoan’i Jakoba hoe maty novonoin’ny bibidia i Josefa. Nalahelo mafy an-janany i Jakoba izay efa antitra, ka tsy nety nampiononina.—Ge 37:31-35.
Nentin’ireo mpivaro-mandeha tany Ejipta i Josefa, ary namidiny tamin’i Potifara, lehiben’ny mpiaro an’i Farao. (Ge 37:28, 36; 39:1) Tsy mahagaga raha novidin’i Potifara izy. Porofoin’ny taratasy papyrus fahiny mantsy fa be mpitady tany Ejipta ny andevo syrianina, ary metisy syrianina i Josefa.—Ge 29:10; 31:20.
Nazoto niasa sy mendri-pitokisana i Josefa rehefa lasa andevo, satria efa toy izany izy tamin’izy mbola tany amin-drainy. Notahin’i Jehovah izy ka nahomby daholo izay nataony. Nasain’i Potifara hiandraikitra ny tao an-tranony rehetra izy, tamin’ny farany. Lazain’ny boky momba an’i Ejipta fa ny Ejipsianina ambony sy nipetraka tao amin’ny trano lehibe no nanana mpiandraikitra ny tao an-tranony.—Ge 39:2-6.
Tsy resin’ny fakam-panahy. Lasa tovolahy tena tsara tarehy i Josefa, ka raiki-pitia taminy ny vadin’i Potifara. Ge 39:6-10.
Imbetsaka io vehivavy io no nangataka mba hanao firaisana taminy. Tsy nanaiky anefa i Josefa satria nampianarina hanao ny tsara foana. Hoy izy: “Hataoko ahoana ny hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” Tsy nifarana hatreo anefa ilay fakam-panahy. Asehon’ny fikarohana ny any ambanin’ny tany fa nisy efitra lehibe iray tsy maintsy nolalovana tao amin’ny tranon’ny Ejipsianina fahiny, rehefa nankany amin’ireo efitra fitehirizana entana. Raha toy izany koa ny tranon’i Potifara, dia tsy afa-niala i Josefa fa tsy maintsy nifankahita tamin’ny vadin’i Potifara.—Tsy nisy olon-kafa tao an-tranon’i Farao, indray mandeha, ary nanao raharaha tao i Josefa. Nohararaotin’ny vadin’i Potifara izany, ka notazoniny tamin’ny akanjony i Josefa, ary hoy izy: “Avia hanao firaisana amiko!” Navelan’i Josefa teo an-tanan’ilay vehivavy anefa ny akanjony, ary nandositra izy. Dia niantsoantso mafy ilay vehivavy, ary nataony hoatran’ny hoe i Josefa indray no saika hanao firaisana taminy. Notantarainy tamin’i Potifara vadiny izany, ka tezitra be i Potifara ary nalefany tany amin’ny fonja fihazonana ny voafonjan’ny mpanjaka i Josefa.—Ge 39:11-20.
Tany am-ponja. Toa nampijalijalina i Josefa tamin’ny voalohany, satria voalaza fa “nogejaina ny tongony, ary nasiana gadra vy izy.” (Sl 105:17, 18) Tatỳ aoriana anefa, dia nasain’ny lehiben’ny fonja niandraikitra an’ireo voafonja rehetra izy, satria tsara fitondran-tena foana na dia nampijalina aza, ary hita koa fa nitahy azy i Jehovah. Noporofoiny fa mpiandraikitra mahay izy, satria notanterahiny tsara daholo izay nasaina nataony.—Ge 39:21-23.
Nalefa tao amin’io fonja io koa, tatỳ aoriana, ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro sy ny lehiben’ny mpanao mofo tao an-dapan’i Farao. Notendrena hiandraikitra an’izay nilain’izy roa lahy i Josefa. Nanonofy izy roa lahy, tatỳ aoriana. Nilaza i Josefa fa Andriamanitra no manazava ny hevitry ny nofy, ary nolazain’i Josefa tamin’izy ireo ny hevitry ny nofin’izy ireo. Ny nofin’ilay mpandroso zava-pisotro dia midika fa haverina amin’ny toerany izy rehefa afaka telo andro. Niangavy azy i Josefa hoe: ‘Mba tsarovy aho, ka resaho amin’i Farao, dia avoahy amin’ity trano ity.’ Nanazava i Josefa fa nalaina an-keriny avy tany amin’ny “tanin’ny Hebreo” izy, ary tsy nanao na inona na inona tokony hampidirana azy am-ponja. Tsy nolazainy hoe iza no naka azy an-keriny, angamba satria tsy tiany ho afa-baraka ny fianakaviany. Nohazavainy avy eo ny hevitry ny nofin’ilay mpanao mofo, ka nilaza izy fa hovonoina ho faty izy io rehefa afaka telo andro. Tanteraka ireo nofy roa ireo, telo andro tatỳ aoriana, rehefa nitsingerina ny andro nahaterahan’i Farao. Azo inoana fa vao mainka natoky i Josefa hoe tsy maintsy ho tanteraka koa ny nofiny. Nanampy azy mbola hiaritra izany. Efa 11 taona teo ho eo mantsy tamin’izay no nivarotan’ireo rahalahiny azy.—Ge 40:1-22; ampit. Ge 37:2; 41:1, 46.
Teo anatrehan’i Farao. Tsy tadidin’ilay mpandroso zava-pisotro anefa i Josefa, rehefa niverina tamin’ny toerany izy. (Ge 40:23) Nanonofy indroa i Farao, roa taona katroka tatỳ aoriana, ary tsy nahalaza ny hevitr’izany ny mpisorona nampiasa herin’ny maizina sy ny olon-kendry tany Ejipta. Tamin’izay vao tsaroan’ilay mpandroso zava-pisotro i Josefa, ka noresahiny tamin’i Farao. Nampiantso an’i Josefa avy hatrany i Farao. Niharatra sy nisolo akanjo aloha i Josefa, satria izay no fomba tany Ejipta rehefa hiseho teo anatrehan’i Farao. Mbola nilaza koa i Josefa tamin’io fa Andriamanitra no manambara ny hevitry ny nofy. Nohazavain’i Josefa avy eo fa manambara zavatra iray ihany ireo nofy ireo: Hisy sakafo be dia be mandritra ny fito taona, ary avy eo hisy mosary fito taona. Nasainy nanao zavatra mialoha koa i Farao mba hiatrehana an’ilay mosary.—Ge 41:1-36.
Mpitondra lefitra tany Ejipta. Hitan’i Farao fa hahavita hitantana ny raharaham-pirenena mandritra ireo taona hahabe ny sakafo sy ireo taona hisy mosary i Josefa, izay efa 30 taona tamin’izay. Notendreny ho mpitondra lefitra tany Ejipta àry i Josefa, ka nomeny azy ny peratra fanombohan-kase teny amin’ny tanany, ary nampitafiany lamba rongony tena tsara izy sady nasiany rojo volamena ny vozony. (Ge 41:37-44, 46; ampit. Sl 105:17, 20-22.) Asehon’ny soratra sy sary eny amin’ny rindrina tany Ejipta fahiny fa izany no fanao rehefa nanome fahefana mpitondra vaovao. Mahaliana fa resahin’ny boky momba an’i Ejipta fahiny fa nisy Kananita maromaro nomena toerana ambony tany Ejipta, ary efa fanao ny nanova ny anaran’izy ireny, ka izany no niantsoana an’i Josefa hoe Zafenata-panea. Nomena ho vadiny koa i Asenata, zanakavavin’ilay mpisorona tao Ona antsoina hoe Potifera (avy amin’ny teny ejipsianina, ary midika hoe “Ilay Nomen’i Ra”).—Ge 41:45.
Nitety an’i Ejipta i Josefa taorian’izay, ary niomana mba hitantana ny raharaham-pirenena. Nanangona vokatra be dia be izy nandritra ireo taona nahabe ny sakafo. Niteraka zazalahy roa (Manase sy Efraima) tamin’i Asenata i Josefa, talohan’ny nahatongavan’ny mosary.—Ge 41:46-52.
Tonga hividy sakafo ireo rahalahiny. Nitranga tokoa ny mosary, ary tratran’izy io koa ny firenena nanodidina. Tonga mba hividy sakafo tamin’i Josefa ny olona tany amin’ireny firenena ireny. Na izy folo lahy, rahalahin’i Josefa, aza tonga koa tamin’ny farany. Niankohoka teo anatrehany izy ireo, ary anisan’ny fahatanterahan’ireo nofin’i Josefa taloha izany. (Ge 41:53–42:7) Tsy fantatr’izy ireo anefa i Josefa, satria nanao akanjon’olona ambony sady nampiasa mpandika teny rehefa niresaka tamin’izy ireo. (Ge 42:8, 23) Mody tsy nahalala azy ireo i Josefa ary niampanga azy ireo ho mpitsikilo. Nanda izy ireo ka nanazava fa folo mirahalahy izy ireo, ary navelany tany an-tranony ny rainy sy ny zandriny, ary mbola nanana rahalahy iray izy ireo saingy efa tsy eo intsony izy io. Nilaza ihany anefa i Josefa hoe mpitsikilo izy ireo, ka nataony am-ponja. Hoy izy, rehefa afaka telo andro: “Matahotra an’ilay tena Andriamanitra aho. Koa ataovy izao, dia ho velona ianareo: Raha olo-marina ianareo, dia aoka ny iray amin’ny rahalahinareo no hafatotra ato amin’ity fonja ity [toa ilay fonja nisy azy folo lahy teo aloha ihany]. Fa ny sisa kosa mandehana, ka mitondrà sakafo ho an’ireo mosarena any an-tranonareo. Ary hoentinareo atỳ amiko ny zandrinareo faralahy, mba ho hita fa azo itokisana ny teninareo, ka tsy ho faty ianareo.”—Ge 42:9-20.
Nihevitra ireo rahalahin’i Josefa fa sazy avy amin’Andriamanitra no nahazo azy ireo noho ny nivarotany an’i Josefa ho andevo, taona maro talohan’izay. Nahatsiaro ho meloka izy ireo, ary niresadresaka momba izany teo imason’i Josefa. Mbola tsy fantany hoe i Josefa io. Nihetsi-po be i Josefa rehefa nandre izany. Hitany izao fa nibebaka izy ireo. Niala teo àry izy ary nitomany. Niverina teo indray izy avy eo ka nasainy nofatorana i Simeona, mandra-piverin’ireo rahalahiny niaraka tamin’ny zandrin’izy ireo faralahy.—Ge 42:21-24.
Nentin’ireo rahalahiny i Benjamina. Notantarain’izy sivy mirahalahy tamin’i Jakoba izay nitranga tany Ejipta. Hitan’izy ireo avy eo fa naverina tao amin’ny gonin’ny tsirairay ny volany, ka natahotra be daholo izy rehetra. Ny rain’izy ireo kosa nilaza ny alahelony. Mafy be anefa ilay mosary ka navelan’i Jakoba hankany Ejipta niaraka tamin’ny rahalahiny ihany i Benjamina. I Joda rahateo efa nanome toky azy fa ho tafaverina soa aman-tsara i Benjamina.—Ge 42:29–43:14.
Tafaraka tamin’i Simeona indray izy ireo tany Ejipta, ary gaga be satria nasaina hiara-mihinana tamin’ilay mpiandraikitra ny sakafo. Nanolotra fanomezana ho an’i Josefa izy ireo, ary niankohoka teo anatrehany. Nanontany momba ny rain’izy ireo izy. Namaly izany izy ireo, ary niankohoka fanindroany indray. Nihetsi-po be i Josefa rehefa nahita an’i Benjamina rahalahiny ka niala teo mba hitomany. Rehefa tony izy, dia nibaiko mba handrosoana ny sakafo antoandro. Natokana latabatra izy 11 mirahalahy, ary natao arakara-jokiny ny toerana nipetrahany. Nasain’i Josefa natao avo dimy heny ny anjara sakafon’i Benjamina, angamba mba hahitana raha mbola be fialonana ireo rahalahiny. Efa niova anefa izy ireo.—Ge 43:15-34.
Nasain’i Josefa naverina tao amin’ny gonin’ny tsirairay, toy ny teo aloha, ny volan’izy ireo (Ge 42:25), ary nasainy natao tao amin’ny gonin’i Benjamina koa ny kaopy volafotsiny. Rehefa lasa anefa izy ireo, dia nirahin’i Josefa ilay lehilahy niandraikitra ny tao an-tranony mba hanenjika sy hiampanga azy ireo ho nangalatra ny kaopiny. Nasainy nilaza tamin’izy ireo ilay lehilahy hoe: “Tsy iny kaopy iny ve no fisotroan’ny tompoko sady ahaizany mamantatra ny hevitry ny fambara?” (Ge 44:1-5) Angamba tian’i Josefa ho takatr’ireo rahalahiny hoe tena nilainy ilay kaopy ary zavatra tena ratsy no nataon’izy ireo. Tetika fotsiny anefa izany rehetra izany, ka sarotra inoana hoe tena nampiasa an’ilay kaopy mba hamantarana ny hevitry ny fambara izy. Toa tiany hino izy ireo hoe manam-pahefana iray teo amin’ny firenena tsy nivavaka tamin’i Jehovah izy.
Tsy maintsy ho natahotra be ireo rahalahin’i Josefa rehefa hita tao amin’ny gonin’i Benjamina ilay kaopy. Nandrovitra ny akanjony izy ireo, ary niverina tany an-tranon’i Josefa ka niankohoka teo anatrehany. Nilaza i Josefa fa afaka nandeha izy ireo, afa-tsy i Benjamina. Tsy neken’izy ireo anefa izany. Hita teo fa tsy be fialonana intsony izy ireo, toy ny tamin’ny 22 taona lasa teo ho eo, tamin’izy ireo nivarotra an’i Josefa. Nanao teny naharesy lahatra i Joda mba hanazavana an’ilay raharaha. Nilaza koa izy hoe izy no hisolo an’i Benjamina, sao ho fatin’alahelo ny rain’izy ireo raha tsy miverina i Benjamina.—Ge 44:6-34.
“Izaho no Josefa!” Nanohina mafy ny fon’i Josefa ny nandre ny fiangavian’i Joda, ka tsy zakany intsony. Nasainy nivoaka ny hafa rehetra, ary nilaza tamin’ny rahalahiny izy hoe izy no Josefa. Tsy nitana lolompo izy na dia nampijaly be azy aza izy ireo taloha. Hoy izy: “Aza malahelo ... ary aza tezitra amin’ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ, fa hamonjy aina no nandefasan’Andriamanitra ahy hialoha anareo. Roa taona amin’ity izao no nisian’ny mosary amin’ny tany, ary mbola hisy dimy taona tsy hiasana ny tany na hijinjana. Koa nalefan’Andriamanitra hialoha anareo aho, mba tsy ho lany taranaka eto ambonin’ny tany ianareo, ary mba ho voatsimbina ny ainareo noho ny famonjena lehibe. Tsy ianareo àry no nandefa ahy ho atỳ, fa Andriamanitra.” (Ge 45:1-8) Tena namela heloka izy, satria nitomany teo amin’ny vozon’ireo rahalahiny rehetra ary nanoroka azy ireo.—Ge 45:14, 15.
Nasain’i Farao nomen’i Josefa sarety ny rahalahiny, taorian’izay, mba hitondran’izy ireo an’i Jakoba sy ny ankohonany manontolo ho any Ejipta. Nomen’i Josefa fanomezana sy vatsy koa izy ireo hoentiny eny an-dalana, ary nilazany hoe: “Aza mifampila vaniny ianareo eny an-dalana eny.”—Ge 45:16-24.
Tonga tany Ejipta ny rain’i Josefa. Saika tsy nino i Jakoba hoe mbola velona i Josefa! Efa 130 taona i Jakoba tamin’izay. Hoy izy: “Aleo aho handeha mba hahitako azy alohan’ny hahafatesako!” Koa niainga mba ho any Ejipta izy sy ny ankohonany manontolo. Rehefa tonga tao Beri-sheba izy ireo, dia nahazo fahitana i Jakoba ary nampahafantarin’Andriamanitra taminy fa nety ny nifindrany tany Ejipta. Hoy koa Andriamanitra: “Ny tanan’i Josefa no hanakimpy ny masonao rehefa maty ianao.” Ny lahimatoa no manao izany, raha ny tokony ho izy. Toy ny nilaza àry i Jehovah hoe i Josefa no hahazo ny zon’ny lahimatoa.—Ge 45:25–46:4.
Rehefa akaiky ho tonga izy ireo, dia nirahina i Joda mba hilaza tamin’i Josefa fa efa tamy ny rainy. Nasain’i Josefa nomanina àry ny kalesiny, ary nitsena an’i Jakoba tany Gosena izy. Avy eo dia nentiny tany amin’i Farao ny dimy tamin’ny rahalahiny. Nilazany mialoha izy ireo mba hiteny hoe mpiandry ondry izy ireo ka mangataka mba hivahiny any Gosena. Nanaiky i Farao. Nampahafantarin’i Josefa an’i Farao i Jakoba, taorian’izay, ary nasainy nanorim-ponenana tao amin’ny faritra tsara indrindra tany Ejipta i Jakoba sy ny ankohonany. (Ge 46:28–47:11) Fantatr’i Josefa fa naharikoriko an’ireo Ejipsianina ny mpiandry ondry. Hendry sy be fitiavana izy, ka nohararaotiny izany mba hametrahana ny ankohonan’i Jakoba tany Gosena. Tsy hifanerasera amin’ny Ejipsianina izy ireo amin’izay, ary tsy hatahorana hifanambady amin’izy ireo. Ho voaro koa ny maha Hebreo azy ireo. I Josefa no nanjary mpamelona an’i Jakoba sy ny ankohonany manontolo, nanomboka teo. (Ge 47:12) Azo lazaina hoe niankohoka teo anatrehan’i Josefa praiminisitra daholo izy rehetra, ka tanteraka tamin’ny fomba niavaka ireo nofin’i Josefa.
Vokatry ny mosary teo amin’ny Ejipsianina. Nitohy ny mosary. Lany tsikelikely ny vola sy ny biby fiompin’ny Ejipsianina, satria natakalo sakafo. Namidin’izy ireo tamin’i Farao hatramin’ny taniny sy ny tenany, tamin’ny farany, ka lasa mpanompon’i Farao izy ireo. Nafindran’i Josefa tany amin’ny tanàna samy hafa àry ny olona, angamba mba hahamora ny fizarana sakafo. Azo antoka fa niverina tany amin’ny tranony ihany izy ireo tatỳ aoriana, satria nila namboly indray. Rehefa niakatra ny vokatra, dia nasain’i Josefa nomena an’i Farao ny ampahadiminy, satria nampiasa ny tanin’i Farao izy ireo. Ny mpisorona ihany no tsy voakasika tamin’izany.—Ge 47:13-26.
Nitso-drano an’ireo zanakalahin’i Josefa i Jakoba. Tokotokony ho 12 taona taorian’ilay mosary, dia nentin’i Josefa teo amin’i Jakoba rainy i Manase sy Efraima zanany. Tamin’izay no nampahafantaran’i Jakoba hoe homena an’i Josefa ny zon’ny lahimatoa, ka hatao toy ny hoe zanak’i Jakoba mihitsy i Efraima sy Manase. Hisy foko roa miavaka tsara àry avy amin’i Josefa, ka hahazo lova roa samy hafa izy ireo. Zandrin’i Manase i Efraima nefa napetrak’i Jakoba teo amin’i Efraima ny tanany havanana rehefa nitso-drano azy roa lahy izy. Tsy nahafaly an’i Josefa izany. Nomen’i Jakoba Ge 47:28, 29; 48:1-22; jereo koa De 21:17; Js 14:4; 1Ta 5:1.
tombony i Efraima, ary izany no fomba nampisehoany fa hahery kokoa noho ny zokiny ny zandriny.—Nitso-drano an’i Josefa sy ny rahalahiny i Jakoba. Efa ho faty i Jakoba tatỳ aoriana, ka nantsoiny ny zanany lahy rehetra mba hotsofiny rano tsirairay. Nampitoviny tamin’ny “sampan’ny hazo mamoa” i Josefa. Tsy iza io “hazo mamoa” io fa i Jakoba, ary anisan’ny sampany lehibe i Josefa. (Ge 49:22) Voalaza koa fa nampahory azy sy nitana lolompo taminy ny mpandefa zana-tsipìka. “Efa nihenjana tsara anefa ny tsipìkany, ary natanjaka ny tanany sady mailaka.” (Ge 49:23, 24) Inona no tiana horesahina amin’izany? Nitana lolompo taminy ireo rahalahiny hafa reny, ary toy ny hoe nitifitra mba hahafaty azy. Inona anefa no navalin’i Josefa azy ireo? Famindram-po sy hatsaram-panahy feno fitiavana. Toy ny zana-tsipìka namono ny fankahalan’ireo rahalahiny izany toetra izany. Tsy nahafaty an’i Josefa ireo fahavalony mpandefa zana-tsipìka ireo, sady tsy nampihena ny faniriany hanao ny tsara sy ny fitiavany an’ireo rahalahiny.
Faminaniana anefa ireo tenin’i Jakoba ireo, ka mety hihatra koa amin’ireo foko taranak’i Efraima sy Manase zanak’i Josefa, sy amin’ireo ady hataon’izy ireo. (Ampit. De 33:13, 17; Mpts 1:23-25, 35.) Tsara homarihina fa avy tamin’ny fokon’i Efraima i Josoa (Hosea), ilay nandimby an’i Mosesy sy nitarika ny Israelita tamin’izy ireo niady tamin’ny Kananita. (No 13:8, 16; Js 1:1-6) Taranak’i Josefa koa i Gideona avy amin’ny fokon’i Manase. Nampian’i Jehovah handresy an’ireo Midianita i Gideona. (Mpts 6:13-15; 8:22) Azo inoana fa avy amin’ny fokon’i Manase koa i Jefta, izay nandresy ny Amonita.—Mpts 11:1, 32, 33; ampit. Mpts 12:4; No 26:29.
Tanteraka tamin’i Josefa koa ilay tsodrano sady faminaniana nambaran’i Jakoba. Lasa mpiandry sady vato fehizoron’i Israely, ohatra, izy rehefa namelona ny ankohonan’i Jakoba na Israely, fa tsy namaly faty azy ireo. Voalaza koa fa avy tamin’ny “tanan’Ilay Maherin’i Jakoba” izy. I Jehovah mantsy no nahatonga azy ho mpiandry sy vato fehizoro. Avy amin’Andriamanitra izy ka nanampy azy i Jehovah. Ary inona no dikan’ilay hoe miaraka amin’ilay Mahery Indrindra izy? Midika izany fa tsy nahafoy an’i Jehovah mihitsy izy ka notahiny.—Ge 49:24, 25.
Natao ho an’ny taranak’i Josefa koa ilay fitahiana avy amin’i Jehovah, izany hoe ho an’ny fokon’i Efraima sy Manase. Hoy i Jakoba: “Hanampy anao Andriamanitra [ilay Mahery Indrindra] ka hanome anao ny fitahian’ny lanitra ambony sy ny fitahian’ny rano lalina any ambany ary hanome anao taranaka be dia be.” (Ge 49:25) Azo antoka àry fa tsy ho ory rano avy eny amin’ny lanitra sy avy any ambanin’ny tany ny taranak’i Josefa, sady ho maro an’isa.—Ampit. De 33:13-16; Js 17:14-18.
Toy ny zavatra kanto nandravaka an’ireo foko roa taranak’i Josefa ireo fitahiana nambaran’i Jakoba tao amin’ilay tsodranony ho an’i Josefa zanany tsy foiny. Ho tsara lavitra izany raha oharina amin’ireo ala sy loharano, izany hoe ireo zava-tsoa mandravaka an’ireo tendrombohitra sy ny havoana maharitra mandrakizay. Haharitra eo an-dohan’i Josefa sy eo an-dohan’ny taranany foana ireo fitahiana ireo, raha mbola misy koa ny tendrombohitra sy ny havoana.—Ge 49:26; De 33:16.
“Nosinganina tamin’ny rahalahiny” i Josefa satria nofidin’Andriamanitra hanao asa niavaka. (Ge 49:26) Hafa mihitsy izy satria tsara toetra, ary mpiandraikitra za-draharaha sy nahay nandamin-javatra. Ara-dalàna àry raha nahazo fitahiana niavaka i Josefa, ary toy ny hoe teo an-dohany izany.
Maty i Jakoba rehefa avy nitso-drano an’ireo zanany lahy. Nihohoka teo amin’ny tarehin-drainy i Josefa, ary nanoroka azy. Nasainy nokarakarain’ireo Ejipsianina mpitsabo ny fatin-drainy, satria hoentina any Kanana. Efa nanafatra mantsy i Jakoba fa halevina tao amin’ilay lava-bato teo amin’ilay saha tao Makpela izy.—Ge 49:29–50:13.
Tsy nitana lolompo tamin’ireo rahalahiny. Mbola nenjehin’ny eritreriny ihany ireo rahalahin’i Josefa, rehefa niverina avy nandevina an’i Jakoba. Nangata-pamelana tamin’i Josefa izy ireo satria natahotra sao hamaly faty izy. Tsy nahatana ny ranomasony i Josefa ka nampionona sy nanome toky azy ireo hoe: “Aza matahotra, fa izaho angaha solon’Andriamanitra? Nikendry ny hanisy ratsy ahy ianareo, nefa araka izao hita androany izao, dia nikendry ny hanao soa avy amin’izany kosa Andriamanitra, mba hamonjena ain’olona maro. Koa aza matahotra, fa izaho no hamatsy sakafo anareo sy ny zanakareo madinika.”—Ge 50:14-21.
Maty i Josefa. Mbola velona 54 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan-drainy i Josefa, ary maty izy rehefa 110 taona. Mbola hitany ny zafiafiny sasany. Nino izy fa tsy maintsy hiala tany Ejipta ny Israelita ka nanafatra izy, talohan’ny nahafatesany, mba hoentin’izy ireo hankany Kanana ny taolambalony. Nokarakaraina ny fatiny ary napetraka tao anaty vatam-paty.—Ge 50:22-26; Js 24:32; He 11:22.
Lasa nalaza ny anarany. Niavaka noho ireo rahalahiny i Josefa, ka nety tsara raha ny anarany no nampiasaina indraindray mba hilazana ny foko rehetran’ny Israely (Sl 80:1) na hilazana an’ireo foko lasa anisan’ilay fanjakana tany avaratra. (Sl 78:67; Am 5:6, 15; 6:6) Ampiasaina ao amin’ny faminaniana koa ny anarany. Milaza, ohatra, ny fahitan’i Ezekiela fa hahazo lova anjaran-droa i Josefa (Ezk 47:13), ary hitondra ny anarany ny vavahady iray ao amin’ilay tanàna hoe “Jehovah Mihitsy no Ao.” (Ezk 48:32, 35) I Josefa no voalaza fa lehiben’ny ampahany iray tamin’ny firenen’Israely ary i Joda no lehiben’ny ampahany iray, ao amin’ilay faminanian’i Ezekiela momba ny hampiraisana indray ny vahoakan’i Jehovah. (Ezk 37:15-26) Naminany i Obadia fa anisan’ireo handringana “ny taranak’i Esao” “ny taranak’i Josefa.” (Ob 18) Naminany koa i Zakaria fa hovonjen’i Jehovah “ny taranak’i Josefa.” (Za 10:6) Ny fokon’i Josefa, fa tsy ny fokon’i Efraima, no voalaza fa anisan’ny Israely ara-panahy.—Ap 7:8.
Anisan’ireo voatanisa ao amin’ny Apokalypsy 7:8 i Josefa, ka midika izany fa mihatra amin’ny Israely ara-panahy koa ilay faminaniana nambaran’i Jakoba tamin’izy efa ho faty. Tsara homarihina àry fa Ilay Maherin’i Jakoba, izany hoe i Jehovah Andriamanitra, no nanome an’ilay Mpiandry Tena Tsara, dia i Kristy Jesosy izay nahafoy ny ainy ho an’ny “ondry.” (Jn 10:11-16) Vato fehizoro koa i Kristy Jesosy, ary miorina eo amboniny ny tempolin’Andriamanitra, izay tsy iza fa ny Israelita ara-panahy. (Ef 2:20-22; 1Pe 2:4-6) Niaraka tamin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra io Mpiandry sady Vato fehizoro io.—Jn 1:1-3; As 7:56; He 10:12; ampit. Ge 49:24, 25.
Lafiny mampitovy ny fiainan’i Josefa sy Kristy. Misy zavatra maro itovizan’ny fiainan’i Josefa sy Kristy Jesosy. Nosinganina tamin’ireo rahalahiny, ohatra, i Josefa satria tian’ny rainy kokoa. Toy izany koa i Jesosy. (Ampit. Mt 3:17; He 1:1-6.) Nankahalain’ireo rahalahiny i Josefa. I Jesosy koa nolavin’ny Jiosy (ireo mpiray firenena taminy) (Jn 1:11), ary tsy nino azy koa ireo rahalahiny tamin’ny voalohany. (Jn 7:5) Nanaiky avy hatrany i Josefa rehefa nirahin-drainy hijery sao nisy naninonaninona ireo rahalahiny. Vonona ny hanketỳ an-tany koa i Jesosy, rehefa nirahina. (Fi 2:5-8) Fahoriana anefa no nanjo an’i Josefa vokatr’izany. Toy izany koa ny nanjo an’i Jesosy, indrindra fa tamin’izy nampijalina sy novonoina ho faty teo amin’ny hazo fijaliana. (Mt 27:27-46) Namidin’ireo rahalahin’i Josefa tamin’ny Midianita sy Ismaelita mpivarotra i Josefa. Natolotry ny Jiosy hovonoin’ny manam-pahefana romanina koa i Jesosy. (Jn 18:35) Samy nandia fijaliana na i Josefa na i Jesosy mba hahatonga azy ireo ho tsara toetra kokoa sy ho vonona kokoa, satria hamonjy ain’olona izy ireo aorian’izay. (Sl 105:17-19; He 5:7-10) Nomena toerana ambony i Josefa ka lasa mpiandraikitra ny sakafo tany Ejipta ary namonjy aina. Toy izany koa i Jesosy, satria nomena toerana ambony izy sady lasa Mpamonjy ny Jiosy sy ny tsy Jiosy. (Jn 3:16, 17; As 5:31) Nitetika ny hanisy ratsy an’i Josefa ireo rahalahiny, nefa navadik’Andriamanitra ho famonjena azy ireo tsy ho faty mosary izany. Nahazoana famonjena koa ny fahafatesan’i Jesosy.—Jn 6:51; 1Ko 1:18.
2. Rain’i Jigala, ilay mpitsikilo avy tamin’ny fokon’i Isakara. Nirahin’i Mosesy avy tany an-tany efitr’i Parana i Josefa mba hijery taratra an’i Kanana.—No 13:2, 3, 7.
3. Levita “taranak’i Asafa.” Voafidy tamin’ny antsapaka i Josefa mba ho anisan’ny antoko-mpanompo voalohany tamin’ireo antoko 24 nitendry zavamaneno, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka.—1Ta 25:1, 2, 9.
4. ‘Zanakalahin’i Jonama.’ Razamben’i Kristy Jesosy avy amin’i Maria reniny i Josefa (Lk 3:30), ary taranak’i Davida. Velona talohan’ny nandravan’ny Babylonianina an’i Jerosalema izy.
5. Anisan’ireo Israelita nandroaka ny vadiny hafa firenena sy ny zanany tamin’ireny vehivavy ireny, noho ny fampirisihan’i Ezra.—Ezr 10:10-12, 42, 44.
6. Mpisorona teo amin’ny fianakaviamben’i Sebania. I Joiakima no mpisoronabe tamin’izany, i Nehemia no governora, ary i Ezra no mpisorona.—Ne 12:12, 14, 26.
7. ‘Zanakalahin’i Matitia’, ary razamben’i Jesosy Kristy avy amin’ny reniny. (Lk 3:24, 25) Velona taona maro tatỳ aorian’ny sesitany tany Babylona izy.
8. Zanakalahin’ny olona iray atao hoe Jakoba. Ray nitaiza an’i Kristy Jesosy i Josefa, ary vadin’i Maria. Tatỳ aoriana, dia niteraka zanakalahy efatra izy, fara fahakeliny, izany hoe i Jakoba, Josefa, Simona, ary Jodasy. Nanan-janakavavy maromaro koa izy. (Mt 1:16; 13:55, 56; Lk 4:22; Jn 1:45; 6:42) Nantsoina koa hoe zanak’i Hely i Josefa. (Lk 3:23) Toa anaran’ny rafozandahiny ny hoe Hely. Olo-marina i Josefa ary nankatò foana an’Andriamanitra. Nanaraka tsara ny Lalàn’i Mosesy koa izy sady nankatò an’i Kaisara.
Mpandrafitra i Josefa, ary nonina tany Nazareta. Sahirankirana ara-pivelomana izy. (Mt 13:55; Lk 2:4; ampitahao Lk 2: 24 sy Le 12:8.) I Maria no fofombadiny. Mbola tsy niray trano akory anefa izy roa, ary mbola virjiny i Maria, dia bevohoka tamin’ny fomba mahagaga noho ny herin’ny fanahy masina. (Lk 1:26, 27) Tsy te hanala baraka azy ampahibemaso i Josefa, ka nikasa hisaraka taminy mangingina. (Jereo FISARAHAM-PANAMBADIANA.) Niseho taminy tao amin’ny nofy anefa ny anjelin’i Jehovah, ary nanazava ny marina. Nentin’i Josefa tany an-tranony àry i Maria, ka lasa vadiny ara-dalàna. Tsy nanao firaisana taminy anefa i Josefa mandra-piterany zazalahy kely.—Mt 1:18-21, 24, 25.
Lk 2:1-33; ampit. Le 12:2-4, 6-8.
Nasain’i Aogosto Kaisara nisoratra anarana tany amin’ny tanàna niaviany avy ny olona, ka nankany Betlehema any Jodia i Josefa, niaraka tamin’i Maria, satria taranak’i Davida Mpanjaka. Tany àry i Maria no niteraka an’i Jesosy. Tsy nisy efitranom-bahiny azon’izy ireo naleha, ka nampandriny tao amin’ny fihinanam-bilona ilay zaza. Nisy mpiandry ondry tonga mba hijery an’ilay zaza menavava iny alina iny, rehefa avy nilazan’ny anjely iray. Nanolotra an’i Jesosy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema i Josefa sy Maria, 40 andro teo ho eo taorian’izay, sady nitondra fanatitra, satria izany no notakin’ny Lalàn’i Mosesy. Nahagaga azy mivady ny faminaniana nambaran’ilay zokiolona atao hoe Simeona momba ny zavatra lehibe hataon’i Jesosy.—Toa elaela kely tatỳ aoriana, dia notsidihin’ny mpanandro avy any Atsinanana i Maria sy ny zanany lahikely, tamin’izy ireo nipetraka tao amin’ny trano iray tany Betlehema. (Toa te hilaza ny Lioka 2:39 hoe niverina tany Nazareta i Josefa sy Maria raha vao avy nanolotra an’i Jesosy tao amin’ny tempoly. Tsara hotadidina anefa fa namintina izay nitranga i Lioka ary maro ny tsipiriany tsy notantarainy.) Tsy nahatonga fahafatesana ho an’i Jesosy anefa ny fitsidihan’ireo mpanandro ireo, satria nilazan’Andriamanitra tao amin’ny nofy i Josefa hoe nitady an’ilay zaza i Heroda mba hamonoana azy. Nasain’Andriamanitra nitondra ny ankohonany handositra tany Ejipta i Josefa ary nankatò izany.—Mt 2:1-15.
Niseho tamin’i Josefa tao amin’ny nofy indray ny anjelin’i Jehovah, rehefa maty i Heroda. Hoy ilay anjely: “Mitsangàna! Ento ho any amin’ny tanin’ny Israely ny zaza sy ny reniny.” Ren’i Josefa anefa fa i Arkelaosy no mpanjakan’i Jodia nandimby an’i Heroda rainy, ka natahotra ny hiverina tany izy. “Nampitandreman’Andriamanitra tao amin’ny nofy” izy, ary “nankany amin’ny faritr’i Galilia. Ary tonga tao amin’ny tanàna nantsoina hoe Nazareta izy, ka nanorim-ponenana tao.”—Mt 2:19-23.
Nentin’i Josefa tany Jerosalema isan-taona ny ankohonany mba hankalaza ny Paska. Avy tany izy ireo, indray mandeha, ary nody tany Nazareta. Efa nandeha lalana iray andro i Josefa sy Maria vao nahalala fa tsy niaraka tamin’izy ireo i Jesosy, izay efa 12 taona. Nitady azy hatraiza hatraiza izy ireo, ary hitany ihany izy tamin’ny farany. Nihaino sy nanontany an’ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly i Jesosy tamin’izay.—Lk 2:41-50.
Tsy resahin’ny Soratra Masina hoe inona avy no nampianarin’i Josefa an’i Jesosy. Azo inoana anefa fa nanampy an’i Jesosy hitombo fahendrena izy. (Lk 2:51, 52) Nampianatra azy handrafitra koa izy. “Zanaky ny mpandrafitra” (Mt 13:55) sy “ilay mpandrafitra” (Mr 6:3) mantsy no nahafantaran’ny olona an’i Jesosy.
Tsy resahina mivantana ao amin’ny Soratra Masina ny nahafatesan’i Josefa. Toa maty talohan’i Jesosy anefa izy. Tamin’ny Paska taona 33 mantsy, rehefa teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy, dia ny apostoly Jaona no nasainy nikarakara an’i Maria. Sarotra inoana ny hoe hanao izany i Jesosy, raha mbola velona i Josefa tamin’izay.—Jn 19:26, 27.
9. Rahalahin’i Jesosy Kristy iray reny taminy. (Mt 13:55; Mr 6:3) Tsy nino an’i Jesosy i Josefa tamin’ny voalohany, toa an’ireo rahalahiny hafa ihany. (Jn 7:5) Tatỳ aoriana izy ireo vao nino azy, ary azo antoka fa anisan’izany koa i Josefa. Voalaza fa niaraka tamin’ny apostoly sy olon-kafa ireo rahalahin’i Jesosy, taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra. Azo inoana àry fa anisan’ireo mpianatra 120 teo ho eo, niara-nivory tao amin’ny efitrano ambony rihana tao Jerosalema, izy ireo rehefa voafidy tamin’ny antsapaka i Matia mba hisolo an’i Jodasy Iskariota, ilay mpamadika. Toa mbola ireo olona 120 teo ho eo ireo ihany tatỳ aoriana no nahazo ny fanahy masina, tamin’ny Pentekosta taona 33.—As 1:9–2:4.
10. Lehilahy mpanankarena avy any Arimatia, tanàna tao Jodia. Olo-nanan-kaja anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy io Josefa io. Tsara toetra sy marina izy ary niandry ny Fanjakan’Andriamanitra. Natahotra an’ireo Jiosy tsy nino an’i Jesosy anefa izy, ka tsy sahy niseho an-karihary hoe mpianatr’i Jesosy Kristy. Na izany aza, dia tsy nanaiky hanohana ny zava-dratsy nokasain’ny Fitsarana Avo hatao tamin’i Kristy Jesosy izy. Sahy nangataka ny fatin’i Jesosy izy, taorian’izay. Nokarakarain’izy sy Nikodemosy ilay faty ary avy eo naleviny tao amin’ny fasana iray vaovao nolavahana teo amin’ny vatolampy. Tao amin’ny zaridaina iray teo akaikin’ilay toerana namantsihana an’i Jesosy ilay fasana, ary an’i Josefa avy any Arimatia izy io.—Mt 27:57-60; Mr 15:43-46; Lk 23:50-53; Jn 19:38-42.
11. Kristianina iray niara-natolotra tamin’i Matia, mba hofidina hitazona ny andraikitr’i Jodasy Iskariota izay nivadika. Anarany koa ny hoe Barsabasy (anaram-pianakaviana angamba io, na anarany hafa fotsiny). Nantsoina koa hoe Josto izy. Nanatri-maso ny asa sy ny fahagagana nataon’i Jesosy Kristy ary ny nitsanganany tamin’ny maty izy. Tsy izy anefa, fa i Matia, no voafidy tamin’ny antsapaka mba hisolo an’i Jodasy Iskariota sy “hanampy isa an’ireo apostoly iraika ambin’ny folo”, talohan’ny Pentekosta taona 33.—As 1:15–2:1.
12. Levita iray nantsoina koa hoe Barnabasy, ary teratany avy any Sipra. (As 4:36, 37) Mpiara-miasa akaiky tamin’ny apostoly Paoly izy.—Jereo BARNABASY.