Josia
(Josìa) [raha misy ifandraisany amin’ny fototeny arabo, dia midika hoe Hanasitrana Anie i Jehovah; Nanasitrana i Jehovah].
1. Zanakalahin’i Amona mpanjakan’ny Joda sy Jedida zanak’i Adaia. (2Mp 22:1) Roa ny vadiny, fara fahakeliny, dia i Hamotala sy Zebida. (2Mp 23:31, 34, 36) Efatra ny zanany lahy resahin’ny Baiboly, ary i Johanana lahimatoany ihany no tsy nanjaka tao Joda.—1Ta 3:14, 15.
Nisy namono ny rain’i Josia, ary novonoina koa ireo namono azy. Lasa mpanjakan’ny Joda àry i Josia izay valo taona. (2Mp 21:23, 24, 26; 2Ta 33:25) Niteraka an’i Joiakima lahiaivony i Zebida, afaka enin-taona teo ho eo. (2Mp 22:1; 23:36) Niezaka hahafantatra sy hanao ny sitrapon’i Jehovah i Josia, tamin’ny taona fahavalo nanjakany. (2Ta 34:3) Tokotokony ho tamin’izay koa i Hamotala vadiny no niteraka an’i Joahaza (Saloma).—2Mp 22:1; 23:31; Je 22:11.
Niezaka namongotra ny fanompoan-tsampy i Josia tamin’ny taona faha-12 nanjakany, ary angamba hatramin’ny taona faha-18. Narodana ny alitaran’ny mpanompo sampy, ary nozimbazimbaina ka nandorana taolan’olona teo amboniny. Nopotehina koa ny tsato-kazo masina, sary sokitra, ary sarivongana metaly. Nodiovin’i Josia mihitsy aza ny ilany avaratra tamin’ny faritanin’ny fanjakan’ny foko folo teo aloha, izay efa lasa aolo rehefa resin’i Asyria ka nataony sesitany ny mponina tao. (2Ta 34:3-8) Nomelohin’i Zefania sy Jeremia mantsy ny fanompoan-tsampy.—Je 1:1, 2; 3:6-10; Ze 1:1-6.
Rehefa voadion’i Josia Mpanjaka ny tanin’i Joda, ary nasainy namboarina ny simba tamin’ny tempoly, dia hitan’i Hilkia Mpisoronabe ny “boky misy ny lalàn’i Jehovah izay nomena tamin’ny alalan’i Mosesy”, izany hoe ilay nosoratan’i Mosesy. I Safana mpitan-tsoratra no notoloran’i Hilkia an’ilay boky ka namaky azy tamin’i Josia, rehefa avy nitatitra momba ny fanamboarana ny tempoly izy. Tonga dia nandrovitra ny akanjony ilay mpanjaka tsara, ary avy eo naniraka lehilahy dimy hanontany an’i Jehovah ho azy sy ny vahoaka. Nankany amin’i Holda mpaminanivavy tao Jerosalema izy ireo, ka hoy izy io: ‘Ho avy ny loza satria tsy nankatò ny Lalàn’i Jehovah ny olona. Nanetry tena anefa ianao, ry Josia Mpanjaka, ka amin’ny fotoana mampandry feizay ny tany no hahafatesanao. Tsy hahita ilay loza àry ianao.’—2Mp 22:3-20; 2Ta 34:8-28; jereo HOLDA.
Novorin’i Josia ny olona rehetra tany Joda sy Jerosalema, anisan’izany ny anti-panahy, mpisorona, ary mpaminany, ka novakina tamin’ireo ny Lalàn’Andriamanitra. Nanao fifanekena izy ireo avy eo fa tsy hivadika amin’i Jehovah. Nisy ezaka mafy kokoa indray hamongorana ny fanompoan-tsampy. Naongana ny mpisoron’ny andriamani-kafa tao Joda sy Jerosalema, ary tsy navela hanompo teo anoloan’ny alitaran’i Jehovah ny Levita mpisorona nanolotra fanatitra teny amin’ny toerana avo. Nozimbazimbaina ny toerana avo natao tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka, mba tsy ho mendrika hatao toeram-pivavahana intsony. Noravan’i Josia ny alitara naorin’i Jeroboama mpanjakan’ny Israely tao Betela, araka ny faminanian’ilay lehilahin’Andriamanitra tsy voalaza anarana, 300 taona teo ho eo talohan’izay. Nesorina ny toerana avo tao Betela sy tao amin’ny tanàna hafan’i Samaria, ary natao sorona teo ambonin’ny alitarany ihany ny mpisorona mpanompo sampy.—1Mp 13:1, 2; 2Mp 23:1-20; 2Ta 34:29-33.
Nandamina fankalazana ny Paska i Josia ny 14 Nisana, tamin’ny taona faha-18 nanjakany. Mbola tsy nisy Paska nankalazaina toy izany hatramin’ny andron’i Samoela mpaminany. Nanome zanak’ondry sy osilahy 30 000 hatao sorona sy omby 3000 i Josia.—2Mp 23:21-23; 2Ta 35:1-19.
Niteraka an’i Matania (Zedekia) i Josia sy Hamotala, tokony ho efa-taona taorian’izay.—2Mp 22:1; 23:31, 34, 36; 24:8, 17, 18.
Tamin’ny faramparan’ny taona faha-31 nanjakan’i Josia (659-629 T.K.), dia nentin’i Farao Neko nianavaratra ny tafiny mba hanampy ny Asyrianina. Tsy resahin’ny Baiboly ny antony, fa tsy nihaino “ny teny nampilazain’Andriamanitra an’i Neko” i Josia Mpanjaka. Nankany Megido izy ary nitady hanery ny tafik’i Ejipta hiverina. Naratra mafy anefa izy ka nentina tamin’ny kalesin’ady nankany Jerosalema. Maty teny an-dalana, na rehefa tonga tany, izy. Nalahelo be ny vahoakany. “Nisaona azy daholo ny Joda sy Jerosalema. Dia nanao hira fisaonana momba an’i Josia i Jeremia. Ary mbola resahin’ny mpihira rehetra lahy sy vavy ao amin’ny hira fisaonana i Josia, mandraka androany.”—2Ta 35:20-25; 2Mp 23:29, 30; jereo ASYRIA (Resy ilay fanjakana).
Nanjaka tao Joda ny zanak’i Josia telo lahy sy ny zafikeliny iray, nefa tsy nisy nanahaka azy na nanompo an’i Jehovah tamin’ny fony sy tenany ary heriny manontolo. (2Mp 23:24, 25, 31, 32, 36, 37; 24:8, 9, 18, 19) Tsy niverina tamin’i Jehovah tamin’ny fony manontolo koa ny vahoaka, na dia niezaka nanafoana ny zavatra nampiasain’ny mpanompo sampy aza i Josia. Ho avy tokoa àry ny loza.—Ampit. 2Mp 23:26, 27; Je 35:1, 13-17; 44:15-18.
2. “Zanak’i Zefania” nonina tao Jerosalema taorian’ny sesitany. Izy ihany angamba ilay hoe Hena.—Za 6:10, 14.