Josoa, Bokin’i
Tena ilaina ny tantaran’ny Israely hita ao amin’io boky ao amin’ny Baiboly io, satria asehony fa tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Izay nitranga nandritra ny 20 taona mahery (1473-t. 1450 T.K.) no resahina ao: Ny nanafihana ny tany Kanana, ny nizarana an’ilay tany tamin’ny Israelita, ary ny nampirisihan’i Josoa azy ireo tsy hivadika amin’i Jehovah.
Nosoratana tamin’ny fotoana nitrangan’ilay tantara ilay boky, satria ahitana anarana tanàna fahiny (Js 14:15; 15:15) sy toromarika voafaritra tsara ary ny fomba nanarahana azy ireny. (Jereo, ohatra, Js 1:11-18; 2:14-22; 3:2–4:24; 6:22, 23.) Nanatri-maso an’izay nitranga tokoa ilay mpanoratra satria niara-belona tamin’i Rahaba avy any Jeriko.—6:25.
Anisan’ny Soratra Masina. Misy milaza fa tsy tena nitranga izay voalazan’ny bokin’i Josoa, satria mbola tsy nisy olona nahita fahagagana Js 21:43-45)? Hampirisika ny tsy hivadihana aminy koa ve izy (23:6-16; 24:14, 15, 19, 20, 23), ary hiaiky hoe tsy nahomby ny Israely?—7:1-5; 18:3.
mitovy amin’izay voatantara ao, hono, tato ho ato. Toy ny milaza izy ireo fa tsy mahay manao fahagagana Andriamanitra sy hoe tsy misy Izy, ary mpandainga ilay mpanoratra. Mpamitaka tokoa ilay mpanoratra raha noforoniny fotsiny ilay tantara, nefa izy nilaza fa nanatri-maso ny zava-nitranga. Vavolombelona mandainga anefa ve dia hanasongadina ao amin’ny bokiny fa Mpanatanteraka ny teniny Andriamanitra (Iaraha-mahalala fa tena lasa firenena ny Israelita, ary nonina tao amin’ilay tany resahin’ny bokin’i Josoa. Tsy misy antony tokony hisalasalana koa hoe diso izay lazain’ilay boky momba ny fomba nahazoan’izy ireo ny tany Kanana. Samy niaiky ny mpanao salamo (Sl 44:1-3; 78:54, 55; 105:42-45; 135:10-12; 136:17-22), Nehemia (Ne 9:22-25), Stefana izay maritiora kristianina voalohany (As 7:45), Jakoba mpianatr’i Jesosy (Jk 2:25), ary ny apostoly Paoly izay avara-pianarana (As 13:19; He 4:8; 11:30, 31) fa anisan’ny Soratra Masina ilay boky. Resahin’ny 1 Mpanjaka 16:34 koa fa tanteraka ny ozona nolazain’i Josoa 500 taona teo ho eo talohan’izay, fony rava i Jeriko.—Js 6:26.
Mpanoratra. I Josoa no nanoratra ilay boky, araka ny lovantsofina jiosy. Tsy eken’ny manam-pahaizana sasany anefa izany, na dia ekeny aza fa taloha kely na tamin’ny andron’i Josoa izy io no nosoratana. Hita ao amin’ny bokin’ny Mpitsara mantsy, hono, ny zavatra sasany noresahin’i Josoa, nefa hoy ny Mpitsara 1:1: “Taorian’ny nahafatesan’i Josoa, dia ...” Tsy voatery ho nitranga taorian’izay daholo anefa izay voatantara ao amin’ny Mpitsara. Tsy milahatra araka ny fotoana nisehoany mantsy ny tantara rehetra ao, satria miresaka zava-nitranga talohan’ny nahafatesan’i Josoa koa. (Mpts 2:6-9) Mety ho talohan’ny nahafatesan’i Josoa àry no nahazoan’i Kaleba an’i Hebrona (Js 15:13, 14; Mpts 1:9, 10), nahazoan’i Otniela an’i Debira (Js 15:15-19; Mpts 1:11-15), ary nahazoan’ny Danita an’i Lesema na Laisy (Dana). (Js 19:47, 48; Mpts 18:27-29) Mety ho tamin’ny andron’i Josoa koa ny Danita no nametraka sampy tao Laisy. (Mpts 18:30, 31) Hoy i Josoa tamin’izy nanafatrafatra farany ny Israelita: “Ario ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany ampitan’ny Renirano sy tany Ejipta, ka manompoa an’i Jehovah.” (Js 24:14) Tsy ho niteny an’ireo izy raha tsy nisy nanompo sampy tamin’izany.
Mety ho i Josoa ihany àry no nanoratra ny bokiny, afa-tsy ilay tapany farany momba ny nahafatesany. Nitantara an’izay nitranga fony fahavelony izy, toy ny nataon’i Mosesy ihany. Hoy ny Josoa 24:26: “Dia nosoratan’i Josoa tao amin’ny boky misy ny lalàn’Andriamanitra ireo teny ireo.”
Tsy mifanohitra. Misy milaza fa mifanohitra ilay boky. Voalaza ao mantsy fa toy ny hoe efa azon’i Josoa ilay tany manontolo, nefa nisy ampahany lehibe tamin’izy io koa mbola tokony halaina. (Ampit. Js 11:16, 17, 23; 13:1.) Tsy mifanohitra anefa izany. Nisy dingana roa mantsy ny fakana an’ilay tany: Voalohany, niady tamin’ny Kananita ilay firenena manontolo notarihin’i Josoa, ka nihena ny herin’ny Kananita. Faharoa, anjaran’ny olona na foko tsirairay ny naka an’izay tokony ho lovany. (17:14-18; 18:3) Mety ho niverina nonina tao Debira sy Hebrona, ohatra, ny Kananita rehefa niady tany an-toeran-kafa ny Israely, ka tsy maintsy nisy olona na foko naka an’ireny tanàna ireny indray.—Ampitahao Js 11:21-23 sy Js 14:6, 12; 15:13-17.
[Tabilao, pejy 112]
HEVITRA MISONGADINA: JOSOA
Tantaran’ny fomba nanomezan’i Jehovah ny tany Kanana ho an’ny Israely, araka ny fianianana nataony tamin’ny razamben’izy ireo
Izay nitranga nandritra ny 20 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Mosesy, rehefa avy nirenireny tany an-tany efitra ny Israely
Niomana hiditra tao Kanana ny Israely, naniraka mpitsikilo i Josoa (1:1–2:24)
Notendren’i Jehovah hitarika ny Israelita ho ao amin’ilay tany i Josoa
Nasain’i Josoa niomana hiampita an’i Jordana izy ireo
Naniraka olona izy hitsikilo an’ilay tany sy ny tanànan’i Jeriko
Nafenin’i Rahaba ireo mpitsikilo rehefa tao Jeriko; tsy ho faty i Rahaba sy ny ankohonany raha manaraka toromarika rehefa horavana i Jeriko
Nandia tany maina ny Israely niampita an’i Jordana (3:1–5:12)
Nanamasina ny tenany ny vahoaka talohan’ny niampitana an’i Jordana
Nanitsaka voalohany an’ilay renirano ny mpisorona nitondra ny Vata; nijanona tsy nikoriana ny rano, niavosa toy ny tohodrano; afaka niampita ny Israely
Nisy vato 12 avy tao Jordana natao tao Gilgala ho fahatsiarovana; nisy vato 12 koa natsangana teo afovoan’ilay renirano, teo amin’izay nijoroan’ny mpisorona
Noforana ny lehilahy israelita teraka tany an-tany efitra; nankalazaina ny Paska; nitsahatra ny mana; nanomboka nihinana tamin’ny vokatry ny tany ny Israely
Nandresy an’i Jeriko nefa resy tao Ay (5:13–8:35)
Nisehoan’ny anjely lehiben’ny tafik’i Jehovah i Josoa; natoron’i Jehovah azy ny fomba hiadiana amin’i Jeriko
Hihodidina ny tanàna indray mandeha isan’andro ny Israelita mandritra ny enina andro; hihodidina impito amin’ny andro fahafito; hihorakoraka mafy rehefa mihodidina farany ka hirodana ny mandan’i Jeriko, hatokana haringana ilay tanàna
Naka tamin’ireo zavatra natokana haringana i Akana
Tsy nampian’i Jehovah intsony ny Israely, ka resy tao Ay; naharihary ny fahotan’i Akana, notoraham-bato izy mianakavy
Nahomby ny fanafihana fanindroany an’i Ay noho ny fitahian’i Jehovah
Nanorina alitara teo an-tendrombohitra Ebala i Josoa, namaky ny Lalàna
Nitady fihavanana ny Gibeonita, ny hafa kosa naringana (9:1–12:24)
Ren’ny Gibeonita ireo fandresen’ny Israely, ka nofitahiny i Josoa hanao fifanekena taminy
Notafihin’ny mpanjaka dimy ny Gibeonita, nefa novonjen’ny Israely; nandatsaka havandra vaventy i Jehovah ary nataony tsy nihetsika elaela ny masoandro, ka resy ireo mpanafika
Nobaboin’ny Israelita ireo tanàna tany atsimoandrefana sy atsimo
Resin’izy ireo koa ireo mpanjaka niray dina tany avaratra
Nozaraina tamin’ireo fokon’ny Israely ilay tany (13:1–22:34)
Lasan’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase ny atsinanan’i Jordana
Azon’i Kaleba i Hebrona; natao antsapaka ny lovan’ny Joda sy Efraima ary ny antsasaky ny fokon’i Manase
Natao tao Silo ny tranolay masina, natao ny antsapaka hahitana an’izay tany ho lovan’ireo foko sisa tavela
Tanàna 48 ho an’ny Levita, ka ny 13 ho an’ny mpisorona; tanàna fialokalofana 6
Nanorina alitara teo akaikin’i Jordana ny taranak’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase; diso fandray izany ny foko hafa, hay ilay izy ho fampahatsiahivana hoe tsy hivadika amin’i Jehovah izy ireo
Nampirisihin’i Josoa hanompo an’i Jehovah foana ny Israely (23:1–24:33)
Antitra i Josoa, nampiantso an’ireo lohandohany teo amin’ny Israely ary nampirisika azy ireo tsy hivadika amin’i Jehovah
Fivoriana tao Sekema: Noresahiny indray ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny Israely, nampirisihiny izy ireo hatahotra an’i Jehovah sy hanompo azy irery; nilaza izy ireo fa tapa-kevitra ny hanao izany ary nohamafisina ilay fifanekena
Maty i Josoa